Maninona indray ny katolika?

1. hery ( 31/01/2008 07:49)
Betsaka mihitsy tato ho ato ny fanontaniana mipetraka momba ny finoana katolika. Fahasoavana daholo izany satria matoa liana ny olona dia misy zavatra mahaliana ao izany. (Tahaka ilay ohatra nataoko indray mandeha hoe tsy misy liana amin'i Gzopmket satria tsisy dikany io).
Koa mahafaly ny manolotra anareo fitaovana vitsivitsy hanampy anareo hahalala kokoa ny momba ny katolika.
Mety tsy ho voavaly eto amin'ny Dinika daholo mantsy ireo fanontaniana mahaliana sy mahafinaritra ary manintona anareo.
Ny amin'ny teny gasy aloha dia efa mikofokofoka mafy mihitsy ny ao amin'ny katolika.org http://katolika.org ka efa azo jerena. Anisan'ny fanontaniana mipetraka ao ohatra ny hoe "Aiza ao amin'ny baiboly no misy hoe Afo fandiovana?" http://katolika.org/index.php?option=com_content&task=view&id=220&Itemid=36

Anisan'ny toerana lehibe hanovozana ihany koa ao amin'ny Catholic Culture http://www.catholicculture.org/ ho an'ireo izay mahay teny anglisy ohatra an'ilay ranabavy izay :-)

Raha amin'ny teny frantsay indray dia http://www.catholique.org/

Misaotra an'Andriamanitra hatrany aho fa be mihitsy ny liana amin'ny finoana Katolika amintsika eto.

Koa mazotoa daholo indray.


novalian'i fijo ny 07/02/2008 22:52
2. xxx ( 31/01/2008 08:43)
hery, ;)enao an:-D:-Dùahatsiaro tena ho visée ilay ranabavy dia niafina:-D:-D
3. mmmhh ( 31/01/2008 09:06)
le izy ry Hery tsy natao hanaratsiana ny fiangonan'iza n'iza a, fa kosa mba natao hisainana fotsiny, hoe inona no mety de inona no tsy mety, fa aza tohina, rah hitanao moa hoe mety le izy de tohizo, rah tsy mety , aza miala @ fiangonanao fa aza hinoana fotsiny ze tsy izy e, :wink:
4. Ylly ( 31/01/2008 09:36)
misaotra tompoko,mankasitraka e!
5. hery ( 31/01/2008 10:19)
mmmhh> tsy miteny aho hoe manaratsy nareo kah. Fa liana kokoa :-) Vao mainka aza tsara izany

Manome hevitra hanampy anareo bebe kokoa fotsiny aho ma hahalalanareo izay mahaliana anareo.

Satria ianareo liana, matoa liana dia te hahafantatra, atao ahoana tokoa moa no fitia zavatra tsy fantatra? Fa rehefa mahafantatra dia tia.
6. mmmhh ( 31/01/2008 12:24)
7. ikaretsaka ( 31/01/2008 12:41)
misaotra dia maniry sy mitaona ireo "liana" mba hamantatra sy handalina bebe kokoa foana foana e
8. pissoa ( 31/01/2008 14:09)
Misaotra amin'ny rohy :-D:-D:-D
9. ikaretsaka ( 31/01/2008 14:11)
:wink:
10. rabilabila ( 31/01/2008 14:44)
Ary ny "tsy katolika" ve afaka mi-kritika sy maneho ny heviny ?:oops::oops:
11. mmmhh ( 31/01/2008 14:47)
maninona moa rah mana-kambara enao?
12. ikaretsaka ( 31/01/2008 15:09)
raha manana ny heviny sy ny fondation ny sy manana hi defendeny ilay critika izy tsy maninona
13. piste ( 31/01/2008 18:34)
Misy karazany roa ilay curiosité eto ry Hery a:
Ny positive, dia ilay voalazanao : liana sy te-hahafantatra ka manontany am-panajana. Tsy voatery hino fa te -hahalala fotsiny.
Ny negative : dia hijery zavatra ho tsikeraina fotsiny. Ka amiko inutile ny hamaliana olona tahak'ireny, satria manana mauvaise foi.
Bon tsy fantatro na manao ironie ra-Hery @ ilay hoe : " liana ".
Ok
14. ikaretsaka ( 31/01/2008 18:54)
e.. na negative na positive, efa antony daholo letsy ra piste a:wink:
le izy liana ny essentiel.
misy mi interesser azy sy mahaliana azy ilay izy matoa izy curieux sy te hahalala sy hanadihady!
Raha te hitsikera izy aleo koa izay, mba fantany ny tsikerainy au moins..

"izay no andoalohako eo anatrehan'Izy Ray" hoy ny generiquen'ilay tafatafa sy dinika izay

cool fotsiny
15. fijo ( 31/01/2008 22:40)
rabila an,vao miteny isika dia mody lazaina fa oiseux ko aiza ihany ary izy ity.sa mba nahatsiaro oiseau ry zalahy tamin'iny???

marina fa maha liana matoa resahina.fa io tsy voatery hoe hoarahina satria liana ny tena.
za tia manaraka finoana(tantara sy ny momba azy) na kristianina,na jiosy na silamo,fa tsy itako mihintsy hoe hiditra amin'ireo ve aho???
16. ikaretsaka ( 31/01/2008 23:06)
izay.. tsara ny mahalala noho ilay midikidim-ppoana
17. fijo ( 31/01/2008 23:18)
izay mihintsy,le tsy fahampian'ny fahalalana ,na fifankahalalana aminareo samy mpino izao no mampikorontana anareo
18. ikaretsaka ( 31/01/2008 23:51)
izay mihitsy:oops: dia ny sasany efa mba manao website hampahalalana ny finoany.. fa ny sasany tsy mahalala ny wawawa akory
19. mmmhh ( 01/02/2008 06:21)
ikaretsaka:
izay.. tsara ny mahalala noho ilay midikidim-ppoana

=D=D=D
Ka izay le hoe " Fantaro ny zava-drehetra dia azony mafy izay tsara, fadio ny fanao ratsy rehetra" (Tesalonianina 5 : 21-22 )
Tsy ratsy ny mahafantatra na ratsy io na tsara (zava-drehatra , fa anjaran'ny tsirairay ny mandanjalanja : mba hay ny antony itiavana na tsia an'ilay zvtr fa tsy mitia na manaratsy be fahatany.
20. rabilabila ( 01/02/2008 07:46)
Fijo a!! Ka efa misy no efa lasa "vorona" ,lasa kopakopa-danitra ,ary misy ny "lasam-borona" mijery ny lanitra avy aty ambany tsinona ka!!:-D:-D ,ka vao miteny isika na mametraka fanontaniana fotsiny aza tonga dia misy mitady ny hi-balizy sahady ko!!:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9574