avia hanaraka ahy...

21. ikaretsaka ( 30/01/2008 17:31)

aza dia tery saina lotra ohatran'io moa ry RD an ! amiko ry RD dia manome voninahitra an A/tra foana ny asa, fa tsy hoe rehefa mitory ihany akory vao hozanna...

manome Voninahitra an'A/tra i Fijo na tsy conscient amin'izany aza satria zavatra noharian'A/tra sy nomen'A/tra azy no hampiasainy.
22. rabilabila ( 30/01/2008 17:50)
manome Voninahitra an'A/tra i Fijo na tsy conscient amin'izany aza satria zavatra noharian'A/tra sy nomen'A/tra azy no hampiasainy.


hi!hi!hi! Lasa "vorona" koa i Ra-Fijo o!!:-D Manao lalam-poza nga ianao ry Fijo ? Aza ariana irery ny "namana " raha lasa adrisa e!!

Ika koa tsss!! Mba ekeo moa e!'Zay nge ny mahavoa anareo e!! Lazainareo fa tsy "conscient" ny olona "tsy mpino" ,satria tsy eritreretinareo mihitsy hoe possible ny hananany "coco" nefa tsy mino.Aok'izay izany hoy aho !! I Fijo sy ny asany jerena dia ho convaincu ianareo amin'ny maha-olombelona misaina azy.:oops::)
23. ikaretsaka ( 30/01/2008 17:58)
aleo izy atao heo conscient ary eee:-D:-D

maneho voninahitar izay inoany i fijo ary fa reformule-ko ny phrase-ko e
24. rijadolly ( 30/01/2008 18:24)
Ra manaiky ny fisiany tsy mpino zay dia lazaina fa tery saina.
25. rabilabila ( 30/01/2008 18:31)
rijadolly:

Ra manaiky ny fisiany tsy mpino zay dia lazaina fa tery saina.


Tsy nisy niteny an'izany kosa teo ry Rijadolly a!!

Ny tery saina angamba dia ireo tsy mijery ilay olona amin'ny zavatra lazainy , atony sy tanterahiny ,fa tonga dia ilay hoe "tsy mpino " no mibahana dia tonga dia tsy tia.
F'angaha i Rijadolly ohatran'izany ? Raha tsia dia tsy izay izany no tian'i Ika lazaina amin'ilay hoe "tery saina".


26. LazaDaddy ( 30/01/2008 21:25)
rabilabila> hafa kely ito resaka ito...misy an'izany hoe ny 'kristianina sy ny namany' sy ... sao dia misy mijoro ho fahavalony kosa ary? Noheveriko fa NAMANA ito sehatra ito...dia misy koa ny lasa vorona sy lasam-borona...mahita kintana. Tsiky hatrany sao mampihombo 'aretina' ny hehy :)
27. fijo ( 30/01/2008 22:23)
aza terena hino izahay fa tsy mety e.manaja ny natiora aho,fa izany andriamanitra izany tsy mbola nitafa tamiko ka tsy haiko hajaina.

lasa ny hevitro indray ve no hiadivana ato kle????tena efa gourou marina aho izany an.sady efa bebe kibo ihany moa
28. ikaretsaka ( 31/01/2008 00:00)
amen fijo.. tsy za no manery an'ialahy ka:wink: kalma
29. LazaDaddy ( 31/01/2008 21:21)
ari.malala> hanampiako ny nolazaiko etsy ambony...ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ny fanompoana Azy amin'izay rehetra atao. Na amin'izay teny aloaky ny vava, na amin'ny zavatra jeren'ny maso, na amin'ny zavatra sainin'ny saina, na amin'ny zavatra henoin'ny sofina, na amin'ny fihetsika atao. :):-*
30. niryna ( 01/02/2008 09:43)
LazaDaddy:

rabilabila> hafa kely ito resaka ito...misy an'izany hoe ny 'kristianina sy ny namany' sy ... sao dia misy mijoro ho fahavalony kosa ary? Noheveriko fa NAMANA ito sehatra ito...dia misy koa ny lasa vorona sy lasam-borona...mahita kintana. Tsiky hatrany sao mampihombo 'aretina' ny hehy :)

Andriamanitra o ampio izahay fa tsy fantatray izay tokony ataonay.Omeo hery izahay rehetra mba hino ny teninao,ny finoana anao tokoa mantsy no ahazona famonjena fa tsy ny asa.Ho tanteraka tokoa anie ny teninao ary omeo hery ireo izay tia manohitra ny voninahitrao,ampio izy ireo mba tsy ho voagejan'ilay herin'ny maiziny.Hianao tokoa mantsy no miantso anay fa raha ny fitiavanay raha ny sitraponay dia aleonay ihany manaraka ny fiainan'izao tontolo izao.Andriamanitra tia ny rehetra hianao,Atra tsy miangatra,Atra mamela heloka,eny fa na dia maditra sy tsy miraharaha na manohitra ny teninao aza izahay dia tianao ho vonjena avokoa.Enga anie ny herin'ny fanahinao masina no hiasa ato aminay tsirairay avy,enga anie hananana fitiavana an'ireo namana rehetra ireo izahay ,ary aoka ny fitiavanao no hiraraka ato amponay tsirairay avy.
Misaotra Ray o ,avy amin'ny alalan'ilay Zanakao Malalanao no angatahinay izany vavaka izany.
Ho antsika rehetra ^:^ dia ^:^

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3795