Mila hevitra kely ry reto an!

1. bobone ( 29/01/2008 07:55)
Amin'izao fahavaratra izao dia maro be mihitsy ny olona tratra ity aretina hoe "ALA-POTAKA" na le aretina hita ao @ elakelan-tongotra ! masaka be ary mangidihidy be ! maro ny aty tratra io ka misy milaza fa asio voasary makirana! nefa toa mangirifiry hoy ny olona voa avy eo mampalahelo ny mahita azy ireo midridridridry koa raha mba mahita zavatra tokony hanampiana azy reto ianareo mba ilazao aho fa omeko azy reo an! dia misaotra mialoha @ fandraisana anjara e!
novalian'i bobone ny 05/02/2008 08:02
2. iaboba ( 29/01/2008 10:53)
Asio taintsofina hoy bebenay izay.
Efikasy io!
3. booboo ( 29/01/2008 11:43)
iaboba > gné ? :^)

- fafana tsara atao maina be mihitsy ny elakelan-tongotra vao manao kiraro na chaussettes. Kiraro mety tsara @ tongotra hanaovana (tsy tery loatra) @ zay afaka miaina tsara ny tongotra dia tsy voatahiry loatra ao anatin'ilay kiraro ny hatsembohana (io ndraindray no miteraka ilay truc mampangilikilika grave).

- dia ndraindray resaka mauvaise circulation sanguine kounkou mahatonga an'io. Misy tsy mahatanty hafanana dia vao mafana kely fotsiny ny tongotra dia mihetsika lay mangilikilika beeee, dia ny atao à l'air libre ny tongotra na pieds nus. Misy indray mifanohitra @ zay, indrindra refa hiver izao, vao mangatsiaka kely fotsiny ny rantsan-tongotra dia mihetsika grave lay izy.

4. celesy ( 29/01/2008 13:32)
Fafana tsara ny elekelen-tongotra dia atao pomande Cadid hitanao fa na rano na antsemboana tsy tavela ao dia manaova kapa mba ahazoany rivotra.
5. bobone ( 30/01/2008 06:48)
Iaboba: ka tain-tsofina manakôry vao mahavonto ny elakelan-tongotra jiaby e! :-D:-D:-D:-D kômika anao hmm :D:D:D
6. bobone ( 30/01/2008 07:05)
Booboo::D=D Misaotra indrindra @ torohevitra fa lazaiko amin-jareo ny voalazanao! bizz:-*:-*
7. bobone ( 31/01/2008 07:00)
celesy: =D=D misaotra indrindra fa mazava e! ambarako an-dreo raha ty fa mampalahelo ny mahita an-dreo mitaintaina sy mandringa mandeha!bizzz
8. lamie ( 31/01/2008 12:27)
toro-hevitra tena mandaitra ary tsy tokony hadino mandrakizay: sasàna madio tsara ny tongotra, hamainina tsara, osorana diloilo coco, , ny andeha hatory no tsara dia ny maraina tokony maina,atao isan'andro io mandrapahamaina ny elakela-tongotra, mirary soa!
9. niryna ( 01/02/2008 06:06)
Manampy ny tenenin'i booboo dia mila manao ba kiraro vita cotton,mila soloina isan'andro.Rehefa ao an-trano dia ezahana tsy asiana ba ny tongotra fa avela mba hihaina kely aloha.
Misy milaza fa sasana amin'ny ranona alamo,toy ny rano sy alamo miaraka atao amin'ny helika,manala hatsembohana.
Sasany tsara amin'ny savony sy rano ny elakelany,fafany tsara amin'ny serveta,tsy mikambana amin'olona iny fa anazy irery.
Izany hoe mila mandro adin'ny iray alohan'ny andehanana hivoaka ilay olona mba ho maina tsara ny tongotra voa manao ba kiraro.Io koa no tena antony iray,maimaika lava dia rehefa andeha mihitsy vao mandro dia ny tongotra mbola lena no asiana ba kiraro dia izay no antony iray,mafana + tsemboka+ rano tavela :arrow: masiso sy mangidihidy.
10. bobone ( 04/02/2008 06:46)
Lamie: Misaotra anao fa , nisy nanao an'io noteneninao io mihitsy t@ iray amin'ireo olona voa ireo ! nasiany "solom-boanio" @ fiteny aty Mahajanga na menaka côcô dia nisy hiovana ! sady ny menaka aty koa tena pure fa tsy tahaka ny manaka sasany hafangaron'olona ovy na zavatra hafa! mankasitraka e!!!
11. bobone ( 04/02/2008 07:14)
Niryna! Misaotra fa tena manana namana tokoa manome hevitra mba hamonjena ny hafa !
Aty M/ga mantsy tena avy foana ny orana nanomboka t@ iny nisy cyclone iny :-*:-*ary maro ny toerana iva no dobo-drano ary tsy maintsy miampita rano
ary vokatry ny fahamandoana no miteraka io ala-potaka io indrindra izy tsy madio loatra satria he hoe fotaka no diavin'ny olona ka aiza no tsy ho voa! fa misaotra t@ torohevitra ary efa nolazaiko ny olona voa ny hafatrareo ato ; tena misaotra indrindra!
12. niryna ( 04/02/2008 07:59)
bobone:

Niryna! Misaotra fa tena manana namana tokoa manome hevitra mba hamonjena ny hafa !
Aty M/ga mantsy tena avy foana ny orana nanomboka t@ iny nisy cyclone iny :-*:-*ary maro ny toerana iva no dobo-drano ary tsy maintsy miampita rano
ary vokatry ny fahamandoana no miteraka io ala-potaka io indrindra izy tsy madio loatra satria he hoe fotaka no diavin'ny olona ka aiza no tsy ho voa! fa misaotra t@ torohevitra ary efa nolazaiko ny olona voa ny hafatrareo ato ; tena misaotra indrindra!

Tsy misy fisaorana aky a,raha mba te ho mandimandina kely koa ny tongotra dia asiana vaseline dia manao ba kiraro amin'ny alina rehefa avy nosasany sy nohamainina tsara ny tongotra a.Ny tanana koa atao izany ary raha tsy misy gant vidina dia ba kiraro madio no anaovana.Sady mandimandina no malemy ny tanana.HS kely fa mahasoa io an :D:D

13. bobone ( 05/02/2008 08:02)
Niryna: misaotra fa ny tena raharaha @ le manao ba ange akia aty aminay tany tena mafana be ary @ alina hatory manao akanjo mandry efa tena tsamboka be! ary izahay aza tsy misy izany mirakotra lamba izany fa tena henjana be ny hafanana! ka raha asiana ba ve akia tsy ho raharaha! fa aleo sasana madio tsara ary hamainina dia asiana vaselina fa le ba tsy mety aty kah! matin'ny hafanana!:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2816