Consommation : Invasion de produits périmés
1. badboy
(
26/01/2008 15:58)
De zay ve sisa no iafaran'ny gasy tsy ampy sôsy?? Mividy sy mihinana sakafo lany daty tokony hatsipy any anaty fako satria io no takatry ny vola antanana? Dia efa amambolana no ivalamparan'io varotra tsy aradalana sady manimba fahasalamana io dia tsisy etsika ataon'ny manampahefana! Sa kosa sao dia mpiraitsikombakomba? Sa fomba vaovao andringanana ny gasy mahantra anomezana toerana ho an'ireo sinoa sy vahiny hafa?
Mampalahelo ny mijery ny fitsitonganan'ny fiainan'ny gasy kely karama ao madagasikara na ny tsy an'asa!! Aiza ka ny sakafo efa tokony ho lasa fako avy no lasa vidimbola!! Sao dia mba tsy rariny!!!!

novalian'i meva2 ny 28/01/2008 08:52
2. soanja
(
26/01/2008 17:58)
Ny olan'ny gasy dia mihamihena ny fifandraisana amin'ny Natiora, izay anisan'ny mpamatsy sakafo antsika ary tsy mamitaka no sady madio no mahasalama.
Naleon'ny ankamaroan'ny gasy ny miala amin'ny fambolena sy ny fiompina amin'izao fotoana izao satria mihosona loatra angamba aminy izany.
Io ihany anefa no sakafo atokisana satria sady nisahiranin'ny vatanao no sady valim-pitiavan'ny tany ary lovasoa ho an'ny taranakao!
Ifikiro ny vokatry ny tany, tsy handany no sady tsy handrobaka! Soanja

3. kally
(
26/01/2008 21:45)
Tsy resaka "mihosona" loatra no mahakivy ny ankamaroan'ny gasy tsy mamboly.
Be loatra ny vla takiana enti-manana hambolena : karaman'ny mpanao isan'andro satria tsy hahavita tena irery, karaman'ny mpanetsa, vidin-jezika, hofan-tsarety...ary na voaefa aza ireo rehetra ireo nony hiakatra ny vokatra, nanaovan'ny olona latsak'alina notaominy tamin'ny sarety.Tsy mandry andro tsy mandry alina intsony ny olona miambina fa very ny omby, ny akoho amam-borona.
Ny fanjakana tsy misy fepetra tsy misy hetsika fa samy manao izay danin'ny kibony na hampidi-doza ny vahoaka aza ny zava-misy.

4. lost
(
27/01/2008 09:06)
Mbola tiko alou ny sakafo any dago ee,mbola enona ny tsirona bio,ny atahorako tongavan'ny bekintana @ Macdo
5. soanja
(
27/01/2008 18:57)
kally:
Tsy resaka "mihosona" loatra no mahakivy ny ankamaroan'ny gasy tsy mamboly.
Be loatra ny vla takiana enti-manana hambolena : karaman'ny mpanao isan'andro satria tsy hahavita tena irery, karaman'ny mpanetsa, vidin-jezika, hofan-tsarety...ary na voaefa aza ireo rehetra ireo nony hiakatra ny vokatra, nanaovan'ny olona latsak'alina notaominy tamin'ny sarety.Tsy mandry andro tsy mandry alina intsony ny olona miambina fa very ny omby, ny akoho amam-borona.
Ny fanjakana tsy misy fepetra tsy misy hetsika fa samy manao izay danin'ny kibony na hampidi-doza ny vahoaka aza ny zava-misy.
Marina izany tsy ampy ny filaminana any ambanivohitra ary miahalafo ny rehetra saingy raha dinihina tsara ny zava-drehetra dia tsy izay akory ny hitarika ny olona hividy sakafo lany daty. Zany hoe aleony ve ny mamono tena haingakaingana toy izay mandany fotoana sy ron-dha hery hanao ny asa any ambanivohitra?
Azo atao tsara ny mamokatra ny ampy ho anao sy ny fianakavianao mandavan-taona raha toa ka lafo ny sarakantsaha. Ny fisian'ny rural exodus no nahatonga ny habetsaky ny tsy filaminana any ambanivohitra satria lasa mihena ny firaisan-kina sy ny dinam-piaraha-monina fa lasa samy maka ho azy ny olona. Mitombo ny tsy fifampitokisana moa ny fanjakana tsy manana ny ampy hamitana izay adidy fitandrovana ny filaminana izany.
Amiko dia mila ezaka ny zava-drehetra. Raha tsy te hihinakinam-poana dia ny mamokatra ho an'ny tena ihany aloha no fanafody mahomby. Iny azo antoka tsy atahorana hamono.
Ny halafosan-javatra dia azo jerena akaiky. Mora kokoa ve ny mitsabo tena sa ny mamokatra hanao izay hahasalama? Education education....
Lafo ny sakafo organika aty an-dafy saingy iny no mahasalama dia tsy maintsy mifatratra amin'iny ny herintsandry.
6. meva2
(
28/01/2008 08:52)
Fa inona aloha ilay karazan-tsakafo périmé lazainao fa vidian'ny olona izany e??? produits importés ve??
Ny tsy azoko mantsy raha toa ka ireo sakafo ireo no resahinao satria tsy voatery hividy an'ireo mihitsy akory vao velona. Marina fa be ny magazay lehibe kanefa tsy mena mitahy ny tsena misy izay ilaina rehetra ,misy koa ny produits industriels vita eny antoerana.
Ny tokony hampalahelo antsika indrindra indrindra dia ny mahita ireo ankizy maro mitsindroka fako sy miady sakafo eny @ zaoridira.