ny any amintsika

21. rabilabila ( 26/01/2008 17:24)
fa maninona tokoa kay pere sy masera sy abbe sns.. no tena focused @ ireny asa fanampiana ny mahatra sy fampianarana sy ara tsosialy irenhy kokoa
nohon\'ny hoe pasitera sns..
.

-Satria ao anatin\'ny \"doctrine sociale\"-n\'ny Vatican ny fomba fanaovana \"asa-soa\" .
-Satria io \"doctrine sociale \" io dia matanjaka amin\'ny tany mahantra toa an\'i Madagasikara sy Afrika ( Tsy misy services publics matanjaka sy mandeha ara-dalana : sekoli-mpanjakana tsizarizary , dispensera sy hôpitaly sady tsy misy fitaovana no tsy ampy mpitsabo ...); vokany : ny organisations caritatives no mandray ny lahasan\'ny fanjakana .
-Satria raha matanjaka ny fanjakàna ka manao ny asany ara-dalàna dia tsy misy tany malemy hanorenam-pangady ao .
-Satria ny Katolika manana puissance financière matanjaka avy any ivelany koa .
-ary indrindra indrindra , ny famonjena ny fanahy amin\'ny doctrine-n\'ny eglizy katolika , dia miankina amin\'ny asa soa vitanao ety an-tany ( izay anisan\'ny tsy neken\'i Luther tamin\'ny taon-jato faha-XVI , ka nahatonga azy nisaraka tamin\'ny fivavahana katolika ary niteraka ny protestantisme )

Inona no zavatra mitranga any Amerika atsimo amin\'izao fotoana izao ,izay matetika ireo firenena manabe laharana ny isan\'ny katolika eran-tany ?

Manana \"concurence \" goavana dia goavana ny katolika any ary saiky maro dia maro ny mponina niova finoana ( indrindra ao Bresil ).

Inona no antony ?

Tsapan\'ireo protestanta fondamentaliste ny fiantraikan\'ny \"communication\" eo anivon\'ny société na ireo any ambanivolo aza .
Nampiasain-dreo io fomba fifanakalozana (marketing) io hisintomany ny be sy ny bobaka ary roboka tokoa ireto vahoaka (izay nieritreritra fa obsolète ny fomba fiadin\'ny katolika ).

Inona no fomba fiadin\'ny katolika avy eo ?

-Tsy no-excommunier-na intsony ireo lazaina hoe \"prêtres progressistes\" fa navela nanao ny asany na dia tsy mifanaraka amin\'ny \"doctrine \" aza ny fomba fiasany .
-Tonga manatrika ireo lohandohan\'ny mpisorona ao amin\'ny fivavahana katolika rehefa misy fety paienne na fankalazana ny fomban-drazana eny rehetra ireny.
- Ary indrindra indrindra manomboka mampiasa \"marketing\" koa ny katolika amin\'ny alàlan\'ny fampisehoana goavana ,ary ny fomba hafa azo hitarihina ireo zatovo (fitondrana ireo zatovo any amin\'ny JMJ ohatra:wink:).

Inona no mitranga eto Madagasikara ?

Ny filohantsika Malagasy ,amin\'ny maha-ambony azy ao anatin\'ny fivavahana protestanta ,dia tsy misalasala mamatsy vola ireo fivondronana protestante amin\'ny alalan\'ny fanomezana marché sns ....mba hanaovan-dreo asa-soa koa .

Tsy sanatria mampiady akory fa mba ....obsérvation-n\'ny realité fotsiny e!!
22. ikaretsaka ( 26/01/2008 18:23)
ilay doctrine sociale fanaovana asa soa aloha dia ekeko:wink:

-Le hoe tany mahantra sy tsy mahantra: miodina aloha drabila fa tsy any tany mahantra ihany anie le misy atao hoe resaka sociale sy asa soa e.. mandeha kao izy io ny any @ tany mandroso sy manakarena (frantsa, amerika sns...) ary zanaky ny mpanankarena aza ny mandeha any @ le sekoly nolazaiko teo! Manana dia manana tokao ny fanjakana any @ ireny tany ireny ary misy raitra de raitra mihitsy aza, fa maninona no any @ St (anona) no mandeha ny olona betsaka , Zanak\'ireny ....??

-le puissance financiere katolika : naninona no tsy nanana, na namorona puissance financiere tahaka azy ny sasany? hita ny nataony dia naninona no tsy nianarana? naninona tsy naompana t@ izany ny resaka ara-bola ? tsy nilamina ve ny organization sa ahoana? tsy nahay nitady spons ve sa ahoana? tsy nandeha tany @ tokony ho izy ve ny sosy notatazana t@ rakitra? nofoanana sy notsipahina ny \"fividianam-pamonjena\" tany @ ilay kristianisma protestanta ohatra dia nankaiza ilay rakitra fividianam-pamonjena io no naninona no tsy nampiasaina \"hanasoavna olona\" tany?

-Ilay resaka Bizna any @ tany Mahantra: any @ tany mahantra anie raha bizna dia tsy mampidi-bola nohon\'ny any @ tany manankarena ny \"asa socialy e\" any aza no miala sy lany ny $ sy ny euros!

ary raha mijery ny budget an\'y jmj anie i rabila, tsy misy hiditra amin\'i Vatikan anie ny $ any fa ho lany sy ho tombontsoa ho an\'ilay tanana mpampiatrano aza e: ho an\'ny hotely, ho an\'ny governemanta, ho an\'ny companie aeriens, sns... fa tsy hoe misy pokona 2 milions handeha ho any dia ho an\'i vatican aby akory ny saosy lanin\'ireo:wink:

-Momba ireo pretra progressiste: nifanaraka t@ doctrine ireo na hoe progressiste foana aza ka :wink: anisan\'ny faraky ny progressiste be izao ny zezoita, salezians , ny CM ohatra.. nefa hatr@ ny niforonany, izy ireny aza no nirahina t@ ireny tany nolazainao ireny ohatra, izy ireny no nanangana ireny zavatra sosialy ireny ohatra, sns...

ny mitranga eto madagasikara?
Aleo hifaninana... izay mahasahy manaraka.. ny soa fianatra...

ce \"ke souhaitent les peoples c d\'etre hereux et de vivre en paix\"


23. rabilabila ( 26/01/2008 19:03)
torak\'izany koa ny fampianarana:
maninona no any @ katolika no mifanjevo mandeha ny ankizy \"na ny zanaky ny manan-katao na ny tsy manana\"
hilofosana mihitsy izany hoe any @ ndry mompera sy ny \"katolika\"
manana dia manana ny azy tokoa ny finoana sasany an ary misy tsara dia tsara tokoa .. fa maninona rehefa tanana, na aiza io na aiza, na firenena inona na inona... dia ny hoe handeha hianatra any @ Sekoly St (katolika) na Universite St (katolika)...... no tanjona...


Ilay hoe \"na aiza na aiza \" sy ilay hoe \"na firenena inona \" aloha tsy mitombona loatra ,raha ny fijeriko azy . Any amin\'ny tany mahantra ireo no tena valable angamba .Any USA dia Havard na MIT na koa ny CALTECH no tena tanjona ho an\'ny matsilo saina ( avy amin\'ireo toerana ireo no mivoaka ny ankabeazan\'ireo PRIX NOBEL isan-karazany ; ny any Frantsa dia ny Polytechnique na ny Normale-Sup na koa ny Ecole Centrale na ny HEC ao Jouy en Josas no ...tena tilin\'ireo manan-tsaina...

Raha ny any amintsika no dinihina dia:
Tamin\'ny fotoan\'androny ,mbola nandeha tsara tokoa ny services publics malagasy ,ary tsy nisy olana ny fianarana na taiza na taiza : anisan\'ny tena nalaza tamin\'izany dia ny lycée-Galliéni( Andohalo ) ,Jules Ferry ( Faravohitra ) , Rabearivelo , na koa ny lycée Rabemananjara any Toamasina na ny lycée André Resampa tany Antsirabe ...izay namoaka tanora malagasy maro izay lasa andri-mpirenena ( élite ) taty aoriana ( be no tafiditra tamin\'ireo écoles d\'ingénieurs tany ivelany na koa nandrato fianarana ambony tany amin\'ireo université malaza , na tany USA izany na tany FRANTSA ...) ; etsy andaniny dia betsaka koa ireo mpianatra avy any ivelany ( La Réunion ,île Maurice , Tanzanie , Kénya , eny na avy tany amin\'ny tany lavitra tahakan\'i Burkina Faso aza ) no tonga nandrato fianarana ambony teto amintsika ( Oniveristén\'Antananarivo na ny Académie militaire-n\'Antsirabe ).

Tsy nanakana ny ray aman-dreny sasantsasany nandefa ny zanany tamin\'ny sekoly katolika ( ste Famille na st Michel na koa st Joseph de Cluny ne Esca ) na protetstanta ( Paul Minault na Rasalama ) akory izany fahatsaran\'ny sekolim-panjakana izany ; anisan\'ny antony dia :
-ny fahatsaran\'ny fampianarana nisy tamin\'ireo sekoly privée sasany ( st Michel na Paul Minault )
-nisy koa ireo ray aman-dreny nandefa ny zanany nianatra tany amin\'ny sekoly protestanta na katolika satria ireo no mamaly ny hetahetany ara-pinoana na firehan-kevitra.


Nony efa tsy natao ambetin-draharaha intsony ny fanabeazana sy ny fitsaboana( izay nitotongana tany amin\'ny laharana faramparany ny budget-ny ) ,dia mazava ho azy fa nihena ireo enti-manao any amin\'ny sekolim-panjakana .
Ireo mpampianatra moa ,nohon\'ny fisondrotan\'ny fiainana ,dia maro tokoa ny nanao asa roa na telo mba hamelomana ireto vady aman-janaka satria nitotongana ny pouvoir d\'achat-ny ; ny sekoly moa tsy nisy fikarakarana (fanavaozana ara-materialy sns...) satria tsy ampy na tsy misy ny vola ho-enti-manatanteraka izany.

Ny fomba kitoatoa ,tsy nisy fiheverana ,nanaovana ny fanagasiana ( tsy nisy materialy ,budget ,ary indrindra tsy nisy fanomanana mati-paika sy nohalalinina ary fiofanana lavorary ho an\'ireo izay hampianatra amin\'ny teny malagasy ireo taranja samihafa )dia anisany koa nampitotongana haingana ny fampianarana tao amin\'ny sekolim-panjakana .

Ireo sekoly katolika (indrindra indrindra ) dia mbola nanana ary mbola manana ny vola sy ny fitaovana enti-manatontosa hatrany ny fanabeazana ;eo koa moa ireo tsy nankasitraka ilay fanagasiana ,izay matetika ireo manan-katao ,ka nampianatra ny zanany tany amin\'ny St Michel ......izay nitazona ny fampianarana amin\'ny teny frantsay ,satria ireo olona ireo dia manana fahafahana ara-bola handehanan\'ireto zanany any dilambato hanohy fianarana .

Amin\'izao fotoana izao dia mbola mitohy ny fitotongan\'ny sekolim-panjakana ,raha ny enti-manao sy ny kalitaom-pianarana no lazaina [Ohatra ny filoha malagasy ,izay tokony hampiroborobo indray ireo sekolim-panjakana dia manome ny vola sy fitaovana rehetra hanomezana laka indray ny sekoly protestanta (projet-ny io )mba hifandanja amin\'ny sekoly katolika ].


Inona no mety ho fiantraikan\'izany rehetra izany any aoriana ?

Ny fanjakazakan\'ny fivavahana ao amin\'ny fampianarana dia efa hita any amin\'ireo tany sasantsasany ny vokany .
- Ohatra:any USA, indrindra any amin\'ny faritra atsimony izay ireo protestanta fondamentaliste no mandidy sy manapaka ny programa any an-tsekoly ,dia voarara na ferana ny fampianarana ny taranja biolojia ary vao haingana ny tribonaly federaly amerikana no nanameloka an\'ireo fondamentaliste ireo ka namerina ny fampianarana ny siansa ho ara-dalàna ( procès de Dover 2005 ).
-Ao koa ireo tany toa an\'i Iran izay ny fivavahana silamo no fivavaham-panjakana dia ferana sy arahi-maso koa ny fampianarana siantifika izay heverin\'ny mpitondra fivavahana ( Ayatollah.......) fa mety mifanipaka amin\'ny Coran.

Amiko , loza miantona ho an\'ny fahafahana ara-tsaina ( siansa ,philosophie.......) eny fa na ny fahafahana ara-pinoana aza ,ny fiompanan\'ny fanjakana amin\'ny finoana tokana ( pensée unique ,théocratie .....) ,ary izay foana no maha-saro-piaro ahy rehefa resaka fifangaroan-javatra.


Tsy sanatria mampiady akory fa.....observation\'ny réalité.


24. ikaretsaka ( 26/01/2008 20:16)
Amin'izao fotoana izao dia mbola mitohy ny fitotongan'ny sekolim-panjakana ,raha ny enti-manao sy ny kalitaom-pianarana no lazaina [Ohatra ny filoha malagasy ,izay tokony hampiroborobo indray ireo sekolim-panjakana dia manome ny vola sy fitaovana rehetra hanomezana laka indray ny sekoly protestanta (projet-ny io )mba hifandanja amin'ny sekoly katolika ].

dia io no tsy azoko..
naninona no nitotongana io sekoly io?

samy privee manko .. ny taty M/kar no tiako lazaina.. dia maninona ny 1 nahatana (sy nanambola) dia ny 1 tsy nahatana? Notanisainao teo ny fanagasiana sns...

.Any USA dia Havard na MIT na koa ny CALTECH no tena tanjona ho an'ny matsilo saina

tsy izany loatra ka.. ao koa ny U Notredame, Fordham, Loyola, Georgetown, St John's. Iona, Marist, sns... (ankoatran'ny an'ny Jiosy) ary betsaka ny "matsilo saina misafidy ny ho any amin'ireny noho i MIT ohatra


Amiko , loza miantona ho an'ny fahafahana ara-tsaina ( siansa ,philosophie.......) eny fa na ny fahafahana ara-pinoana aza ,ny fiompanan'ny fanjakana amin'ny finoana tokana ( pensée unique ,théocratie .....) ,ary izay foana no maha-saro-piaro ahy rehefa resaka fifangaroan-javatra.

Iombonako hevitra.. fa le issue -na discipline indray koa amiko no tena antony... lasa baranahiny be ilay izy raha hoe ny atsy manao foulard dia ny atsy tsy mahazo manao pataloha sns..
fa le misy marimaritra iraisana sy hoe "tsy maintsy atao" amiko no nampilamina ilay "fahalalana"
25. rabilabila ( 26/01/2008 20:22)
Ika a!! Raha ilay resaka fananam-bola tsy dia tiako hidirana loatra fa manjary miditra any amin'ny resaka opus dei sy ny resaka hafa fa aleoko ianareo ihany no hitsongoloka ny fidiram-bolan'ny katolika hatramin'izay .
Ny ambony valiako amin'ny manaraka na rehefa avy eo!!
26. ikaretsaka ( 26/01/2008 20:41)
ok...
27. rabilabila ( 27/01/2008 00:38)
-Le hoe tany mahantra sy tsy mahantra: miodina aloha drabila fa tsy any tany mahantra ihany anie le misy atao hoe resaka sociale sy asa soa e.. mandeha kao izy io ny any @ tany mandroso sy manakarena (frantsa, amerika sns...) ary zanaky ny mpanankarena aza ny mandeha any @ le sekoly nolazaiko teo! Manana dia manana tokao ny fanjakana any @ ireny tany ireny ary misy raitra de raitra mihitsy aza, fa maninona no any @ St (anona) no mandeha ny olona betsaka , Zanak\'ireny ....??


Izaho ange tsy niteny hoe tsy misy any amin\'ny tany manankarena e,fa hoy aho hoe any amin\'ny tany mahantra no matanjaka.
Ilay fandehanana any amin\'ny sekoly religieux ,araky ny efa nolazaiko , dia na ny kalitaon\'ny fampianarana ,na ny hetaheta mifanojo ,na ho an\'ny mpanana koa ny tsy hitiavana hifamaofao amin\'ny sarababeny (Ireo farany ireo (frantsa)raha tafiditra any amin\'ny lycée Henri IV ,ohatra, tsy ho any amin\'ny St (anona) raha tsy hoe mipetraka any Yvelines izy ka ny sekoly matanjaka indrindra any i Ste Geneviève ohatra).
Raha omeko ohatra Ika amin\'i Frantsa dia : taloha nisy ilay atao hoe \"carte scolaire\" ary ny mponina ao amin\'ny kartié iray ,ohatra dia tsy maitsy mandeha ,raha te-handeha sekolim-panjakana izy, ao amin\'ny sekoly determiné .Supposer-o hoe ao amin\'ny kartié iray misy residentiel sy HLM marobe izay misy 18% de chômage ; ny zanak\'ireo olona ao @ residentiel sy izay classe moyenne ao @ HLM dia alefany any @ sekoly privé raha izay ny choix-ny .Tsy ny kalitao\'ny mpampianatra no remise en question fa ny cadre ianarana .

Ary momba ilay asa soa indray dia amin\'ny tany mpanankarena tena mitombona avy hatrany ilay définition-n\'ny famonjena fanahy amin\'ny katolika , misy dia misy tokoa izy io satria koa miha-mitombo ny mahantra izay tsy afaka miankina fotsiny intsony amin\'ny fanampian\'ny fanjakana ka voatery manantona secours katolika ,na Emmaus ,..............


-le puissance financiere katolika : naninona no tsy nanana, na namorona puissance financiere tahaka azy ny sasany? hita ny nataony dia naninona no tsy nianarana? naninona tsy naompana t@ izany ny resaka ara-bola ? tsy nilamina ve ny organization sa ahoana? tsy nahay nitady spons ve sa ahoana? tsy nandeha tany @ tokony ho izy ve ny sosy notatazana t@ rakitra? nofoanana sy notsipahina ny \"fividianam-pamonjena\" tany @ ilay kristianisma protestanta ohatra dia nankaiza ilay rakitra fividianam-pamonjena io no naninona no tsy nampiasaina \"hanasoavna olona\" tany?


Sarotra be ,hoy aho, ny hamelabelatra an\'io eto satria azo resahina daholo na ny opus dei ,na ny acquisitions immobilières sns..........par contre afaka milaza ,raha ny protestanta no resahina ,ilay nihavian\'ny fisarahana : hoy aho hoe tsy mitovy ilay fenitra hamonjena ny fanahy .

-Ilay resaka Bizna any @ tany Mahantra: any @ tany mahantra anie raha bizna dia tsy mampidi-bola nohon\'ny any @ tany manankarena ny \"asa socialy e\" any aza no miala sy lany ny $ sy ny euros!

ary raha mijery ny budget an\'y jmj anie i rabila, tsy misy hiditra amin\'i Vatikan anie ny $ any fa ho lany sy ho tombontsoa ho an\'ilay tanana mpampiatrano aza e: ho an\'ny hotely, ho an\'ny governemanta, ho an\'ny companie aeriens, sns... fa tsy hoe misy pokona 2 milions handeha ho any dia ho an\'i vatican aby akory ny saosy lanin\'ireo


Izaho tsy miresaka bizna mihitsy dans le sens hoe mampidi-bola akory ka!! Par definition ny asa sosialy tsy natao hampidiram-bola akory .Tsy izay ilay izy fa ny fanabeazana ny isan\'ny mpanaraka fotsiny (puissance du nombre).Izay no mahatonga ilay offensive indray any Bresil ,very ondry 20% ny fiangonana katolika nohon\'ny occupation du terrain des fondamentalistes protestants ,dia lasa misavika sehatra amin\'ny alalan\'ny marketing religieux koa.


-Momba ireo pretra progressiste: nifanaraka t@ doctrine ireo na hoe progressiste foana aza ka anisan\'ny faraky ny progressiste be izao ny zezoita, salezians , ny CM ohatra.. nefa hatr@ ny niforonany, izy ireny aza no nirahina t@ ireny tany nolazainao ireny ohatra, izy ireny no nanangana ireny zavatra sosialy ireny ohatra, sns...
.

Rehefa miresaka \"prêtres progressistes\" aho ,raha Amerika Latina no resahina dia ireo \" Théologiens de la libération\" no tiako ambara , izany hoe ireo marxisants , na altermondialistes na ecolos amin\'izao fotoana . Raha ny any amin\'ny toeran-kafa dia ireo \"prêtres ouvriers \" izay marihina fa tsy ni-subire loatra ny sazy satria tsy marxisant ny ankabeazany (ampidiriko ao i Pedro) .
Remarque : Ny any Amerika latina ( indrindra fa i Bresil ) dia \"tolerer\"-na ny théologiens de la Liberation ary ny ao Eoropa dia no -integrer-na ireo prêtres de l\'extrême droite (Lefèbvre ohatra) .Inona no antony ?


28. rabilabila ( 27/01/2008 01:20)
Raha momba ny sekoly any Madagasikara indray ,raha ny fijeriko azy ,dia nitotongana ny iray satria raha ny fahatsiarovako azy dia du simple au triple ny ekôlazy ary matetika ny zanak\'olona ambony manan-katao no mandeha any ==> tsy mitovy ny moyens ;etsy an-daniny koa ny patrimoines hatrany am-boalohany .Ankoatr\'izany ireo efa nolazaiko tetsy ambony .Mety ho diso io fijeriko io an!


Momba ny fianarana US indray ,ianao angamba no mahalala bebe kokoa satria any ,fa tsy manakana ahy hieritreritra fa anisan\'ny maha-filamatra ny hidirana amin\'ireo sekolim-panjakana ireo nohon\'ny lazany eran-tany ( isan\'ny Prix Nobel mivoaka ao ),indrindra raha resaka recherches no resahina .Vao nojereko teo fa ny matanjaka indrindra eto an-tany dia ny 5 amin\'ireo universités any aminareo
1er US: Harvard (Massachusetts) ,ary 1er world
2è US: Stanford (Californie) , ary 2e .....
3è US: Université de Californie - Berkeley 3e mondial
4e US:Massachusetts Institut Technologique (MIT)5e W
5e US: California Institut Technologique 6e W
6e US: Columbia University (New-York) 7e World
7e US: Princeton (New Jersey) 8e World
8e US: Université de Chicago (Illinois) 9e World
9e US: Yale (Connecticut) 11e World
10 US:Cornell (New-York) 12e World.


Ny ahy ny demission-n\'ny Fanjakana foana amin\'ny zavatra tokony hosahaniny no tena manahirana ahy ,satria matetika varavarana misokatra ho an\'ny zavatra hafa io ka izay no tena manahirana ahy ( Tsy Rabilabila AT no manao io fehezan-teny io fa ilay citoyenne ).


Hoy Ika hoe:ce \"ke souhaitent les peoples c d\'etre hereux et de vivre en paix\" izay indrindra no tokony ho ANTON\'NY FANJAKANA ,ary tokony himasoany tanteraka .
29. ikaretsaka ( 27/01/2008 02:14)
Rabila: tsy misy sekolim-panjakana ireo lazainao ireo fa privee aby:-D
30. rabilabila ( 27/01/2008 10:49)
Ika : :oops:Marina izany fa diso ilay hoe sekolim-panjakana ,privées tokoa ireo fa ny fonds -ny federaux ,na locaux ,na Etats ,miampy ny ekolazy sy ny spons avy any amin'ny fondation -n'i Bill Gates (AT) ohatra.
Ny resaka eto mantsy dia tsy ny hoe privé sy Etat fa ny entre les confessionnelles. Ary raha misy confessionnelles na communautaires aza dia inona ny critères hidirana ao ? Mety ho lasa seculier ry zareo fa tsy ilay religieux intsony no mibahana .Angamba hoy aho an! Omeo infos aho raha azo atao ,tsy fantatra mantsy izay mba ho vita amin'ny zanaka any aoriana any !!:wink:
31. ikaretsaka ( 27/01/2008 12:13)
na hianatra any @ sekoly kato koa aza ange rabila aty dia ny fonds avy any @ federaux aby rehefa tsy mahazo scholarship avy any e, misy aza olona AT bedebe manome scholarship ankizy ho any @ kato :-D
izany ny fiainana hiainana aty:wink:
32. rabilabila ( 27/01/2008 13:55)
Ka verifié foana izany ilay resaka kalitao ,hetaheta mifanojo ,proximité géographique ,moyens .......... ary ao anatin\'ireo dia tsy ilay religieux no mibahana fa ilay seculier.

izany ny fiainana hiainana aty
,izay no maha-interessant ny any aminareo na ny fianarana anglo-saxon en genéral indrindra fa ireo matanjaka au niveau recherche : peu importe ny fihaviana ,fivavahana,..........,ny recrutement dia purement et simplement compétences (exemple ireo Karana marobe ,ireo Jiosy ,ireo Japoné marobe ao amin\'ireo sekoly matanjaka ireo ).Ilay izy ohatran\'ny hoe : \"On a vu ce que tu vaux ,on va te donner les moyens de te developper \".

\'Zay fa tsss!! lasa nivaona be isika pour ne pas dire nisavaona :-D

33. ikaretsaka ( 27/01/2008 16:17)
mivoana le izy rabila saingy realite... hihihi:-D
34. Rasiligaoma ( 28/01/2008 05:48)

Nony efa tsy natao ambetin-draharaha intsony ny fanabeazana sy ny fitsaboana( izay nitotongana tany amin'ny laharana faramparany ny budget-ny ) ,dia mazava ho azy fa nihena ireo enti-manao any amin'ny sekolim-panjakana .


fa naninona tokoa io kalitao nananana taloha io no narian'ny tsy kato sy ny fanjakana nefa hita fa ilaina?
dia naninona no tampotampoka teo nony nanova ny firafiny,ny fanjakana, dia kato irery sisa no nanao an'io ho ambetin-draharaha. sa te hitovy amin'ny fanjakana daholo , dia ny kato nanao rebelle foana?
35. rabilabila ( 28/01/2008 09:07)
Rasiligoma

Constatations ireo nataoko ireo ,ianao koa angamba mahalala tsara ny position-ko ,amiko ny fanjakana no ni-demissionne tanteraka ,ary rehafa mi-demissionne ny fanjakana ,na aiza izany na aiza ,dia misy danger foana ,ary ny danger dia ireo derives rehetra possibles (tsy amin'ny fampianarana ihany fa ny fitsaboana ,ny ekonomia .........).Kato ianao raha ny fijeriko ny fomba fametrakao fanontaniana ,satria toa hadinonao fa misy sekoly privée hafa mi-fonctionne ara-dalàna koa na confessionnelle na tsia .

Izaho , sanatria ,tsy hitora-bato izay manao zavatra ( si! indraindray rehefa hitako fa tsy mandeha any amin'ny tokony ho izy ny priorité ) ,tsy hahita ahy hanao an'io ianao raha vao resaka fianarana na fitsaboana na fanasoavana ny mpiara-belona no resahina ,angamba hoy aho adidin'ny olom-pirenena rehetra ireo ,na avy aiza izy na avy aiza , n'inon'inona fiheren-keviny , n'inon'inona finoany ,n'inon'inona harenany .

Raha ny momba ireo fanontanianao ,dia efa misy valiny vitsivitsy ihany natolotro amin'ireo nolazaiko eo ambony fa raha te-handalina kokoa ianao dia ireto misy rohy vitsivitsy nataon'ireo havanana amin'ny fampitahàna ara-tsosiolojia na ny hafa koa : http://www.temoignages.re/article.php3?id_article=17427 ; http://www.revues.msh-paris.fr/vernumpub/DeleigneCRES3.pdf ; http://www.ird.fr/madagascar/4d/documents/BIP%209.pdf ;http://www.dial.prd.fr/dial_publications/PDF/Doc_travail/1999-04.pdf.
Mino aho fa hanampy amin'ny fandinihina.

ps: Amiko ny fanomezam-pahalalàna sy ny fitsaboana dia tokony tsy atao ohatran'ny hoe :" Jereo ny kilalaoko nomen'i dadabenoely tsra noho ny an'là " Actes citoyens ireo fa tokony tsy misy hidiran'ny zavatra hafa .
36. ikaretsaka ( 28/01/2008 14:32)
betsaka tokao ny zavatra prive mi fonctionne ara dalana tsara rasil an.. fa saingy ny an'ny kato no nirafitra tsara fotsiny angamba noho ilay izy tena misy fototra vato hatrany amboalohany ka ny fondations mijanona ho fondations ihany @ le doctrines sns.. fa tsy hoe miova andriana de miova sata
37. ikaretsaka ( 28/01/2008 14:33)
[size=10px]bil> relijiozy mihitsy i sily fa tsy heo kato fotsiny[/size]
38. rabilabila ( 28/01/2008 16:09)
ikaretsaka:

[size=10px]bil> relijiozy mihitsy i sily fa tsy heo kato fotsiny[/size]


Hi!HI!Hi! Dia faly mahafantatra izany ko!!


39. ikaretsaka ( 28/01/2008 16:30)
,
rabilabila:
angamba hoy aho adidin'ny olom-pirenena rehetra ireo ,na avy aiza izy na avy aiza , n'inon'inona fiheren-keviny , n'inon'inona finoany ,n'inon'inona harenany .


izay mihitsy
40. rakaroka ( 29/01/2008 14:09)
Tena tara aho t@ ity dinika ity, anefa dia isaorako ireo nizara fa nampamelovelo: tsy maninn na "Pub" n'inn izay andraisana izany. Du moins mi-sentir ny zava-misy.
Mikasika ilay "Vocation"?...
Ka marina ny fijery hoe efa nanana "vahana Be ny Kato lafiny "structure", rahateo Rapasy anie mbola misy ny fianakams sy ny fileovana iadidiana. Izany hoe "restreint" na midisperse ny asa fanasoavana raha mbola "attaché" amin'izay ny "une partie de telle perso tandis que ny "vocation'ny soeur sns ireny ataoko: tapahiny aloha ny "tadipoitra" amin'ny serasera amin'ny havana ary dia "atokana" hoa an'Atra
sy izay mission atrehina ny anjerimanontolo.
Ika moa namako lavitra tsa hary haiko loatra ny fomba fiainany, ary matetika aza izy mivanivany toa
antsika jentilisa koa:-P:-D:-D. Fa nitsidika ny namako "Jésuite" tamina monastère izay aho indray mandeha, fa hafa mihitsy ilay fomba fiaina e, ilay "conception de base" et "orientation de vie" koa
no tsapako ho "atsimo sy avaratra"; Donk tsy gaga aho eo amin'ny "réalisation" avy amina telle "conviction" "foi" et "manière d'être" manamafy
fa il y a "mpino" et "MPINO". Tsy resaka discussion fa resaka sensation des faits tahaka izao. Hoe ny atao ro no hita!:idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1862