tokony atao teny gasy daholo ny fanaovan-draharaha
1. tontavao
(
25/01/2008 08:53)
Teny atsipy ho an'ny Academie Malagasy ity tsy fantatro na mba mijery itony forum itony fa tsy mahazo laka mihits ny teny gasy.
Tokony atao teny gasy daholo ny any amin'ny birao rehetra any fa io no isany tsy mahalasa antsika lavitra.
Betsaka mantsy ny olona no manana tetik'asa tsara sady mety hahalasa lavitra fa noho ny tsy fahaizana teny vazaha dia tavela eo. Manakarama olona amin'ny sandany ambony dia ambony raha te-hanao zavatra dia lasa misy fifanambakana foana eto, ka lasa lay olona irahina indray no tompon'ilay hevitra dia tavela eo ilay tomponkevitra fa bahanan'ny teny vazaha.
Ka tokony hihetsika ny ao amin'ny Akademia mba hamorona voambolana mifanaraka amin'ny toe-trandro. Ry zareo ao koa anie tokony havaozina daholo fa na dia ny hoe: Academie anie ka tsy ahitany voambolana malagasy akory é.
Tohin'ny resako teo aloha io ka mila ny hevitry ny maro.
Omena laka tanteraka ny teny gasy:
ohatra ny Carte professionnelle maro mpampiasa io dia mba atao teny gasy ranoray.
ny état civil isantokony, ny situation juridique, carte statistique, ny NIF , business plan, ny ao amin'ny banque isankarazany, esorina daholo ny teny vahiny ao anatin'ny vola fa atao teny gasy ranoray, ny chèque atao amin'ny teny gasy fa efa betsaka ny gasy manambola any ambanivohitra rehetra any fa matahotra teny vazaha ,sns tsy ho voatanisa.
Mba tokony hanana hambo-po é.

novalian'i Jeankely ny 31/01/2008 03:24
2. tafita
(
25/01/2008 09:55)
Misy lafiny mahatsara azy satria hitako @ firenena hafa fa tsy mampiasa afa-tsy ny teniny ry zareo , ary tsy tehahalala ny tenin' ny hafa hanjaka ao aminy mihintsy, nefa misy maharatsy azy koa satria Nosy isika ka mila mivelatra @ hafa . Ilaina ny mahay tenim-pirenena hafa fa tsy tokony hatao hanandevo anefa akory izany ....
Ho aiza no tsy ho Malagasy moa isika eeee
Ho aiza no tsy ho Malagasy moa isika eeee
3. tontavao
(
25/01/2008 11:24)
misy maharatsy azy koa satria Nosy isika ka mila mivelatra @ hafa . Ilaina ny mahay tenim-pirenena hafa fa tsy tokony hatao hanandevo anefa akory izany ....
Raha ny hevitra tiana haroso aza dia maro, tokony hampidirina ianarana eto ny teny vahiny maro samy hafa , tokony velarina misimisy tokoa izy ireny, ohatra: teny karana,teny arabo,.....SATRIA MILA MIVELATRA TSARA MBA HIATREHANA NY GLOBALISATION SY NY MONDIALISATION; miombonkevitra aminao aho, fa ny tiako ambara eto ankoatry ny taratasy ilaina amin'ny EXPORTATION SY NY IMPORTATION, sy ny fifandraisana amin'ny any ivelany dia tokony atao amin'ny teny gasy daholo ny antontantaratasy rehetra, indrindra fa taratasy tsy hampiasaina hafa tsy eto antoerana. Izay ilay tiako hambara ry havana.
4. Jeankely
(
25/01/2008 11:32)
Tena marina io ry namana saingy ny antsiaka avadika FAHALEMENA daholo izany hevitra mitranga rehetra ary miova isaky ny fiovan'ny fanjakana. Izaho manokana aloha dia niaina tao anaty fanagasiana izay noravana satria nolazaina fa manimba ny taranaka. Marobe izay no tena havanana tamin'ny Kajy na Math sy ny Fizika ary be ny mahay miteny Frantsay fa resinay satria na tsy nahay teny Frantsay aza izahay vao nianatra teny Anglisy dia tena nahafaly tokoa. Taty aoriana aloha dia nahitana fahabangana ilay tsy fahaizana teny Frantsay nefa azo nioriranana ihany satria raha nanohy nianatra teny Ankatso izahay tsy dia hoe anisan'ny tsy maharaka akory fa nahavita ary taty aoriana koa aza naharaka tsara ihany rehefa mba nivoaka ilay Madagasikara. Ny an'ny olona dia tena hajainy ny fiteniny ary na misy fiteni-mparitra marobe aza dia misy teny iray iraisana na Ofisialy hoy isiaka. Ho an'ny Malagasy na ny teny Ofisialy aza lasa resaka be satria lazain'ny sasany fa tenin'ny Ambaniandro. Mivadika resaka laninabe raha vao resaka teny Malagasy izany. Na ny eto @ forum aza efa nisy fotoana novonoin'ny tompon'andraikitra ny soratra tsy mampiasa tenindrazana saingy leo ihany koa ry zareo taty aoriana ka dia mandeha ihany ny tenin'ny menasofina. Tantarabe io ary sarotra ny hamerenana azy satria avadikin'ny sasany adimpoko
5. gavoaty
(
25/01/2008 14:37)
Izaho izay manoratra koa dia difotra tao anaty fanagasiana, tsy nety tokoa ilay izy satria tsy noeritreretina ny ho mety ho vokany satria tsy nisy novana ny fanaovana taratasy amin'ny birao rehatra tany dia mazava loatra fa voa mafy ny ankizy tamin'ireny.
Fa raha novana nanaraka ny fampianarana ny any amin'ny birao rehetra tany dia minoa ahy ianareo fa namiratra ny mpianatra tamin'ireny.
Tsy ratsy akory iny fanagasianainy fa ny mesures d'accompagnements no tsy nisy ka lasa soronany ankizy

6. Veloo
(
25/01/2008 15:58)
gavoaty [ Valio ] 25-01-2008 15:37:30
Lohateny : Re : tokony atao teny gasy daholo ny fanaovan-draharaha
Izaho izay manoratra koa dia difotra tao anaty fanagasiana, tsy nety tokoa ilay izy satria tsy noeritreretina ny ho mety ho vokany satria tsy nisy novana ny fanaovana taratasy amin'ny birao rehatra tany dia mazava loatra fa voa mafy ny ankizy tamin'ireny.
Fa raha novana nanaraka ny fampianarana ny any amin'ny birao rehetra tany dia minoa ahy ianareo fa namiratra ny mpianatra tamin'ireny.
Tsy ratsy akory iny fanagasianainy fa ny mesures d'accompagnements no tsy nisy ka lasa soronany ankizy
ie marina izany, itako tena misy handicap mihitsy ny ankizy gasy tsy nahay afa tsy teny gasy rehefa tonga any ivelany dia tena mijaly mihitsy. za aloha dia contre ...mila lanjalanjaina ilay izy...
7. badboy
(
25/01/2008 16:15)
Iza no tsy nakafy ny tsikeran'i gothlieb sy francis turbo ra nanambany ny teny gasy reo ka nanao oe raha ovaina teny gasy ny "taxi" de lasa "fiarakaretsaka" na "bonne anniversaire" dia lasa "arahaba tratrin'ny fitsingerenan'ny taonanao ianao" lava loatra ka ilaina hono ny mijanona @ teny "taxi na bonne anniversaire". Na ilay koa hoe "hitanao, fantatrao, tu sais, tu vois".
Nanomboka teo teo de "has been" zay miteny gasy ka tsisy frantsay kely mifangaro aminy.
"Phénomène de mode" no nahatonga ny teny gasy lasa nihemotra satria refa sahirana ny mamadika teny ray dia mampiasa teny frantsay satria "branché" kokoa.
Ary ny tena loza aza dia ny samy malagasy aza tsy mifankahazo resaka rehefa mankany @ morotsiraka ny tanavo, na ny morotsiraka miakatra(zareo aza mbola mahay miteny gasy ofisialy kely)!

8. Jeankely
(
26/01/2008 03:06)
Tsy izany fiteny Malagasy Fiara karentsaka izany amiko. Ny Police, Taxi ohatra ataon'ny Malaysian na Indonesian POLIS sy TAKSI dia maninona. Io ny saina no voadona ary mihantra hatrany amin'ny atifanahy. Rehefa mahay miteny Frantsay dia lazaina mahay nefa firifiry ny olona mahay teny Frantsay tsy maharaka ary miverimpotsiny manao fianarana ambony. Sahala izany koa ny teny Anglisy, misy mpianatra tena mahafolaka teny Anglisy nefa mitsoaka ary tsy mahavita fianarana fa ny ankizy hafa ny Anglais tsy dia mankaiza nefa mahavita fianarana. Ny tena marina koa dia maharaka tsara ary hikoizana aza ny mpianatra malagasy rehefa ao ampianarana na any antoerana na mivoaka andafy. Saingy rehefa miasa dia tsy tafavoaka na atao Ministre na lasa President ary io hita io ny laharan'i Madagasikara. Tsy ny teny Frantsay na teny Anglisy no mahatafavoaka fa ny fahaizan'ny Malagasy mampiantra ny zavatra nianarany mifanaraka amin'ny toetra sy ny tantara ary fomban'ny Malagasy. Ny fanaovana Copy & Paste no tsy mampandeha ny raharaha.
9. rakapy
(
26/01/2008 03:27)
Amiko ny fahaizana ny teny gasy dia ilaina. Ny famolahana ny teny frantsay dia mampiveltra ary ny fahaizana mifehy ny teny Anglisy dia hampandroso.
10. Jeankely
(
26/01/2008 03:56)
Tsy misy milaza mihintsy fa tsy ilaina ny teny vahiny fa ny fanomezana lanja ny tenidrazana tsy midika fa hikobona ao Madagasikara ary ny samy Malagasy ihany. Globalization na fanatotoloana ve midika ahoana. Hainao ny teninao ary tokony ho hainao ny mifandray amin'ny hafa ahafahanao mandray ny lesona vitany satria misy ny firenena lasa ary misy ny matoritory na tsy tafavoaka.
11. badboy
(
26/01/2008 07:47)
rakapy:
Amiko ny fahaizana ny teny gasy dia ilaina. Ny famolahana ny teny frantsay dia mampiveltra ary ny fahaizana mifehy ny teny Anglisy dia hampandroso.
Ekeko tanteraka! Ary za ary miteny hoe n'iza n'iza malagasy (na ny tantsaha) aza tokony hahay hifehy ireo teny telo ireo na farafaharatsiny ny 2 (gasy tsy maintsy ao anatiny)!!
Saingy ny indro kely dia ty tsika samy gasy aza (ny avy any amorontsiraka sy ny afovoantany) tsy mifankahazo resaka! Enao ra makany amerika de teny anglisy daholo no tenenin'ny amerikanina n'aiza n'aiza misy azy! Mampiasa teny tokana torak'izany koa allemagne, france, espagne, russie.....Ka sao de eo no tokony hanombohana ilay hoe "fahaizana teny gasy".
Hiteny ndray ny sasany hoe hamotika ny mahagasy, za manao hoe mampandroso haingana ny fiarahamonina sy ny fifanankalozana arabarotra raha toa ka iray ny teny ifampifanakolozana eo anatrehan'ny samy malagasy!
12. gavoaty
(
26/01/2008 11:21)
monmba ny tenimparitra indray dia tsara ny mampahafantatra fa raha ny teny merina( malagasy ofisialy) no tenenina any anindrantany rehetra any dia azony tsara ihany fa rehefa mamaly izy dia tsy dia mazava loatra ny valiny.
Ka io dia miankina amin'ny olona tsirairay, raha mba nahita fianarana hatreo amin'ny T5 lay olona any anindrana dia mahazo izay tiana ho lazaina aminy.
Raha ny teny ifandraisana samy gasy dia inoako fa tsy ho sarotra ny hampifandray, fa ny ahy dia averiko ny adihevitra rariny raha atao teny gasy daholo ny antontantaratasy any amin'ny birao samihafa any. Fa manjary sakana tsy ahazahoan'ny maro mivoatra ny teny vazaha. sADY EFA ELA NO NAMPIASANTSIKA ILAY TENY VAZAHA fa mbola any amin'ny laharana faha- 134 no misy antsika hatramin'izao. Izany hoe mbola milomano ato anaty fahantrana hatramin'izao.

13. rakapy
(
26/01/2008 18:59)
Gavoaty> Raha tena ao aminao ilay finiavana te hanao zavatra dia tsy miandry ny Tanindrana ianao. Fa ianao izay nahita fianarana no tokony hianatra ny teniny koa.Izy ireo dia mahazo tsara ny malagasy ofisialy fa ianao izay miteny ofisialy no tsy mahazo ny tiany hambara.
14. Jeankely
(
27/01/2008 07:08)
Manana fitem-paritra marobe any Inde, Chine, Indonesie, Malaisie sns fa rehefa hoe misy lazaina ho Ofisialy dia iny ampiasaina tsy misy olana. Fa maninona no afaka mamaky gazety amin'ireny fomba fanoratany ireny ny Sinoa, ny Thai sns? Io ny vahoaka manaraka izay tapaka fa ny mpanao politika no manimba toetsaina. Olona miteny hoe atao miavaka Antananarivo aza havadika ho teny ratsy nefa miteny hoe izao no fomba Antankarana na Betsimisaraka tsy misy olana. Politika daholo no manimba toetsaina ka ireo mapnao politika ireo no tokony homena lesona mafimafy hatrany.
15. rakapy
(
27/01/2008 19:50)
Ekekony voalazan'i Jeankely ary tena marina. Ka nefa ity no mahagaga.
Ny mpanao politika dia mila ny vahoaka. Ary ny vahoaka ve mila ny mpanao politika? Ny mpanao politika dia mahay mirahiana sy milalao fa ny vahoaka kosa dia tsy mahay mirahina ary tsy mahay milalao. Ka inona no hitan-Drajeankely ho famaizana ny mpanao politika?

16. Jeankely
(
28/01/2008 03:30)
Izaho moa tsy mpanao politika saingy mahita fa ny Mpanao Politika Malagasy dia saika RATSY TOETSAINA. Mety ho diso aho saingy mampalahelo fa mifaninana amin'ny fanabotriana ny firenena no tena angadiny. Sepotra mihintsy ny vahoaka satria izay mivoaka babany avokoa nefa tsy mankaiza avy eo. Ny ahy dia ny mampivelatra ny sain'ny vahoaka na olona sendra ahy no ataoko. Ny mifampiaro amin'ny ratsy no malaza hany ka tsy mivoatra firy ny Tanana. Eto no ahitana izany hoe ahoana ny mpangalatra kely no gadrainao nefa ianao aza mangalatrabe. Dia izany ve no hifampiarovana ka aiza no tsy hievitra ny sasany fa tsara ny mangalatra ary izay tsy mangalatra volampanjakana indray no adala. Eto ihany no ahitanao olona milaza hoe aiza no tsy hangalatra fa ahoana no andeha Taxibe rehefa avy Ministra. Maninona no simbaina ny toetsain'ny vahoaka nefa ireo no hiasa sy hampandroso ny firenena
17. naughtyboy
(
28/01/2008 18:35)
:-D:-Dzay vao itako misy rirany ny voalazany jeankely io toetsaina io no mapahantra fa tsy ny teny akory=D=Dio no fototra
18. Jeankely
(
29/01/2008 03:26)
Ny tehaka moa misy ny mamporisika ary misy ny mandroaka sady maneso ka tsy dia haiko loatra na izany aza fisaorana no atolotra anao Ra-naughtyboy. Indray andro aho nahita vehivavy ataon-dry zalahy hoe 4mis itony mitaiza zazakely. Mapiresaka sa mamalifaly ilay zaza vao mianamiteny izy dia teniratsy daholo no ampiasany. Nanantona mihintsy ary nilaza hoe aza izany kosa no asesikao amin'ny sainy vao hianatra hiteny.
Tsy misy hafa io ny ataon'ny sasany fa ny fisehony no hafa. Rehefa tsy mahay miteny Frantsay dia tsy mahay nefa ry zalahy tsy mahay akory satria tsy nitondra an'i Madagasikara nankaiza amin'ity teny Frantsainy lazainy mampahay azy ity. Ka ny teny ve no mampahay sa ahoana?

19. naughtyboy
(
29/01/2008 13:24)
an3 tsy fombako ny maneso oul zany na mamporisika fa nanamafy kosa aho ny voalazanao teo aloha ny teny de fitaovana fotsiny ifandraisana @ hafa,sy ifanakalozana hevitra ny toetsaina no harena ny ts1-1 sy ny firenena mampandroso na mampihemotra