Taxi be mandreraka!

1. niry2007 ( 25/01/2008 07:20)
Manaôna daolo eh!:D
Asa nareo na efa tojo ity zavatra lazaiko manaraka ity!
nandeha taxi be zà t@ maraina 147 mampitohy Ambatomaro -67ha, 3364 TAE le fiara, nasain'ilay receveur natambatra ary ny frais d natambatray sy- ilay olona teo akaiko ny frais-nay! Ar400 ny ahy ary Ar 5000 ny an'ilay olona teo akaiko d nilazaina ary ilay receveur oe mba asio Ar100 roa satria olona roa no tompony, valin-teny boraigina avy hatrany no nasetrin'ilay tovolahy,:evil: "'ty azatsisy madinika k'oa inona ndray!":twisted: ny andro @ io efa @ 09ora maraina! d ny falerimbolanay no naveriny farany d tena tsy nasiany Ar100 roa tokoa le izy! d notenenina ary izy saingy valinteny botana be no nasetriny oe tsisy madinika aty ka inona ndray ary! d nalaiko lay Ar400 dnolazaiko oe ity ary miala iray ary le Ar5000 teo koa torak'izay! d ozizy oe tazony alou fa refaveo e! sady niaka-peo izy! d soren,a @zay aho d novaliako oe zany vali-teninao eh! d niakatra ny feony d nakariko ny feoko, d ozizy oe fa izy ono tsy matahotra na hitabataba eo aza zà! d refa hiala zà zay vao nanakalo le vola izy! d nolazaina zà oe mandreraka be ono!
Tena misy mihitsy ny olona tsy mahay manaja asa toy izany! zà ange tsy nangataka oe hajaina be fa ny famerimbolako no notakiako eh!
d manatena ny zavatra efa nahazo anareo koa e!
novalian'i ainaheri ny 01/02/2008 04:48
2. Ralay ( 25/01/2008 08:01)
Rehefa tsy hamerimbola izy dia aza mandoa frais fa anjarany izany rehefa tsy nanontany hoe misy majinika dieny vao niditra ianao.Izany no atao hoe tsy manaja klian.
3. ari.malala ( 25/01/2008 08:06)
zavatra efa ts mahagaga tsony zany receveur taxiB mahay vava izany... ny nahazo ana ndray, miaraka am zanako za mande miasa, iz mande mianatra, d tonga eo mamasina eo am Ste Famille, d misy miala oz ny znako, d manelingelina olona hono ny zanako hiala... ny famerimbola 5000F miala 1 lazainy tsisy madinika nefa eny antanany feno vola ary itako misy 3500F mitns fa te hila vaniny ftsn izy... matsiravina mints!
4. news2dago ( 25/01/2008 09:45)
niry2007:

Manaôna daolo eh!:D
Asa nareo na efa tojo ity zavatra lazaiko manaraka ity!
nandeha taxi be zà t@ maraina 147 mampitohy Ambatomaro -67ha, 3364 TAE le fiara, nasain'ilay receveur natambatra ary ny frais d natambatray sy- ilay olona teo akaiko ny frais-nay! Ar400 ny ahy ary Ar 5000 ny an'ilay olona teo akaiko d nilazaina ary ilay receveur oe mba asio Ar100 roa satria olona roa no tompony, valin-teny boraigina avy hatrany no nasetrin'ilay tovolahy,:evil: "'ty azatsisy madinika k'oa inona ndray!":twisted: ny andro @ io efa @ 09ora maraina! d ny falerimbolanay no naveriny farany d tena tsy nasiany Ar100 roa tokoa le izy! d notenenina ary izy saingy valinteny botana be no nasetriny oe tsisy madinika aty ka inona ndray ary! d nalaiko lay Ar400 dnolazaiko oe ity ary miala iray ary le Ar5000 teo koa torak'izay! d ozizy oe tazony alou fa refaveo e! sady niaka-peo izy! d soren,a @zay aho d novaliako oe zany vali-teninao eh! d niakatra ny feony d nakariko ny feoko, d ozizy oe fa izy ono tsy matahotra na hitabataba eo aza zà! d refa hiala zà zay vao nanakalo le vola izy! d nolazaina zà oe mandreraka be ono!
Tena misy mihitsy ny olona tsy mahay manaja asa toy izany! zà ange tsy nangataka oe hajaina be fa ny famerimbolako no notakiako eh!
d manatena ny zavatra efa nahazo anareo koa e!



aza mande aminy intsony @ manaraka!isika koa anie diso manambitamby azy laotra dia lasa anaovany izay tiany e!tsy fantany ny resevera sy saofera anie oe ny mpandeha no mandoa ny karamany e! dia aleo tsy mandeha @ fa aleo izy hipoaka eo de amidiny ny taxibe avy eo
5. xxx ( 25/01/2008 10:32)
Na ilay hoe atambaro aza ny frais anie ka asany no asainy ataonao e , dia avy eo mbola izy koa no mila vaniny ... dia aleo ataony any ny asany, omena azy ny vola eo am-pidirana dia andrasana ny fameriny
6. Jeankely ( 25/01/2008 11:46)
Taratry ny fandraharana Malagasy sasany ireny. Ny valiny aminy dia na handeha ianao na mandehana Taxi na mijanona. Tsy misy izany fanajana Mpanjifa izany ary tsy nampianarina azy satria misy mpandeha hatrany izy. Ny olona samy olona mpandeha koa tsy mahalala ny zony ka dia manararaotra ry zalahy. Na olona bevohoka na mitrotro zaza rehefa maika hifanenjika ry zalahy tsy mahazo seza dia lasa mandrifatra. Na hitrosona na hianjera dia ianao no tia andeha.
7. jiolah ( 25/01/2008 13:36)
gravy io resaka taxibe io ka ! Ny tena mo refa ho tara iny mitsy zay r zalà vo tena mzesta hoe elà ne tsy maintsy mande aminay fona e ka na hiala ko aza de misy mitaingina fona eo . Fa misy sasany zany efa ifandrombonan'n mpokona ray fiara mitsy vo mety mangina .De tandremo ko fa misy le mody fanina @ famerim-bola de ra vo variana enao de zay no izy.
8. ikaretsaka ( 25/01/2008 14:38)
141 andehanana rehefa mankany ambatomaro:-D
9. ikaretsaka ( 25/01/2008 14:43)
ari.malala:

zavatra efa ts mahagaga tsony zany receveur taxiB mahay vava izany... ny nahazo ana ndray, miaraka am zanako za mande miasa, iz mande mianatra, d tonga eo mamasina eo am Ste Famille, d misy miala oz ny znako, d manelingelina olona hono ny zanako hiala... ny famerimbola 5000F miala 1 lazainy tsisy madinika nefa eny antanany feno vola ary itako misy 3500F mitns fa te hila vaniny ftsn izy... matsiravina mints!


ho anay somary kelikely vatana itony.... zanaka 'i brooklyn taloha itony moa dia ny fandraisana azy @ vozon'akanjony sy ny fanankinana azy @ rindrina mandra pahatongan'ny polisy no fataoko,
izay no mandaitra hitako any..
Goal izy fa rehefa tsy te hilalao baolina @ fomba mihaja dia atao rugby mandra pahatongan'ny arbitre!
efa samy ho tara ihany
10. Jeankely ( 26/01/2008 05:11)
F'angaha moa afaka manao Rugby sahala izany daholo ny Antitra sy ny vehivavy ry ikaretsaka a. Ary tandremo ihany koa fa manao tambabe ireo raha azony.
11. ikaretsaka ( 26/01/2008 14:59)
dia tsy hisy mpanao rugby hanampy anao mihitsy ve ao anaty TB ao?
na olona 3 na 4 sosotra @ ataony ry jeankely?
12. ari.malala ( 29/01/2008 06:49)
ikaretsaka:

ho anay somary kelikely vatana itony.... zanaka 'i brooklyn taloha itony moa dia ny fandraisana azy @ vozon'akanjony sy ny fanankinana azy @ rindrina mandra pahatongan'ny polisy no fataoko,
izay no mandaitra hitako any..
Goal izy fa rehefa tsy te hilalao baolina @ fomba mihaja dia atao rugby mandra pahatongan'ny arbitre!
efa samy ho tara ihany



:-D:-D:-D:-Dtapaka mints ny tisnaiko amnao ry ika marina moa!=))=))=))
13. ikaretsaka ( 29/01/2008 18:09)
ko laolaovina araka ny fomba boribory tsara izy mitady hitailana... tsy aleo lalaovina @ fomba lavalava.

sady zahay tsy mahay mitory teny fa tonga de asa:-D:-D:-D
14. ari.malala ( 30/01/2008 06:48)
:-D:-D:-D:-D:-D
15. ikaretsaka ( 30/01/2008 14:13)
inona indray izoa mampitokelaka anao izao .. f'hita fa izany ary ko
16. ari.malala ( 31/01/2008 08:22)
ilay filazanao azy mitns no mahatapatsinay ana e!
17. kelly13 ( 31/01/2008 08:32)
ny anahako indray ny fanaovako azy t@ zany d refa le mizesita miteniteny oe "asio majinika" d za mody fann d aveo refa midina ny fiara aho vao omeko le vola d miteny izy oe "tsisy majinika nga?" d ataoko oe "tsisy" sady mody averiko any anaty poketra le vola no mody saika hande za. aiza no tsy hamoaka nefa e. za ndray tsy azony @ zany oe "atambatambaro le frais-nareo any aorina ô" odoié! za nga hiteny @ oe "o ry le ngahy resevera a, avia taper-o kely ty devis-ko ty fa maika b" :°)
18. ikaretsaka ( 31/01/2008 13:23)
ari> milaza mivantana ny marina indray aho dia:-D
19. ainaheri ( 01/02/2008 04:48)
niry2007> aza omena tsiny izy;
-otran'ny olombelona retra ihany,refa to,ga ilay krizy d tsy mahafehy tena!!
-Misy ny sasany @izy ireny boay kely nitsiponina tery ,hany ka zara raha ampy fahalalahana sy fanabeazana
-Nefa kosa na izany raha mpandeha matetika ianao ,aleo miomana @ frais au point fona ,fa mahakrizy ny andry lerony ko refa tsisy majy zay any aminy ,ndrindra mo zany vao @ 9maraina zany!!! Cool fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.5056