Fanontaniana kely ho an'ny vehivavy tsy manam-bady

1. xxx ( 25/01/2008 02:11)
Mitazona ny zanakareo ve ianareo ra bevohoka tsy nifanarahana t@ olona tinareo nefa izy tsy vonona ny hanohy ny fiarahana na inona na inona decision raisinareo??
Tiko ho fantatra fotsiny ny décision logique @ vehivavy
Misaotra tompoko8O8O8O8O8O
novalian'i tashaa ny 15/02/2008 14:29
2. xxx ( 25/01/2008 04:42)
Raha vonona ny saina sy ny fanahy fa hitaiza zazakely,ka misy koa ny vola hikarakarana azy dia tazomina.
Raha hoe hiteraka nefa ampitondra fahoriana azy aloha dia tsisy. Tsy misy idiran'ilay hoe misy rainy izy na tsia. Logikako ahy samy irery.
3. ari.malala ( 25/01/2008 07:12)
Eny mitazona! tsy sitrapon'ilay zaza no te hiforona fa ny lehibe no tsy mahatandrina ny tenany (hevitro anà manokana ts mamatotra afa tsy izaho) ary miombona amin'i xxx @ ilay hoe
Raha hoe hiteraka nefa ampitondra fahoriana azy aloha dia tsisy. Tsy misy idiran'ilay hoe misy rainy izy na tsia.
4. xxx ( 25/01/2008 10:18)
o ry ari.malala a, voalaza mazav ahoe fanontaniana ho an'ny tsy manam-bady anie ity voalaza ity e
5. ari.malala ( 25/01/2008 11:20)
xxx, de tsy mahazo mamaly v za?:D aleo za mba hamaly e:P
6. valikely ( 25/01/2008 13:41)
sarotra valiana ary tsy hita ho faritana nefa kosa azo tsapaina (sentir) sy iainana. Za alou de mievitra oe tena impossible no ahitana ny tena aitana fitiavana eto amin'ity tany efa mivoatra gaigy ity fa ny hany sisa misy dia ny fifandraisana am-po sy ny fifankazarana sisa. Mampalahelo de mampalahelo zany, fa ny vahaolana itako fotsiny de oe sûr kokoa ny manome fitiavana toy izay ny miandry sy mandray, satria ny avy aminao de fantatrao oe tena izy iny fa ra avy amin'olona de tsy fantatrao oe izy ve zany sa tsizy. Ka de ny afatra de mizara fitiavana fa aza miandry hotiavina e :D
7. diamondra27 ( 25/01/2008 16:39)
xxx eto zany te hahalala we iza doly ny tsy manambady ato :-D:-D:-D

de aveo am zay mora am ny xxx ny mametraka zaza am ze mamaly eo :-D:-D

fa fanontaniana kidaladala le izy satria taiza koa nisy an izany we hanao zaza de tsy ifanarahana zany raha tsy zaza any am kolejy

ol efa adulte +18 ans zany tokony mahalala tsara ny cycle

manao nareo tsy nahalala niera taminay koa refa we misy zaza vao we inona no atao, ngah tsy hainao le we aleo manontanitany foana toa izay manaonao foana
8. sakaizakely ( 25/01/2008 16:54)
diams>
aza machika beeeeeeeu otran'io mou e :-D

xxx n°1
fa maninn no tsy mifampiera manao zaza, sa le hoe manao zaza andamosin'ilay lhl ? sa saika natao ho fitazomana azy ankolaka ve ?

de nandamoka zany le fitaka de zao le lhl lasa.

Efa natao iny dia atreho ny adidinao f'aza mamono zaza, zany tsy nifanarahana zany mantsy dia efa mivonona ny hiatrik'ady irery ianao izany ko, zany hoe tsy nilanao hevitriza n'iza ny fanaovana le zaza, de tazomy izy. Sa ve ianao vonona hamono aina kely ?

Araky ny lazain'i diams, tokony talohan'izao no nisaina hoe ho vonona hiatrika adidy rery ve za sa tsia

raha za manokana, raha fantako hoe tsy manaiky le lhl, tsy ho nanaovako fitaka andamosina toy izany. Za kou tsy hahavita zaza irery, aleo tsy manana toy izay milanja kitra irery ;-) Hafa ny sendra ny tsy fidiny
9. diamondra27 ( 25/01/2008 18:39)
sakaizakely:hiiii:lol:
ahoana indray zany manao zaza andamaosina izany akia? mibaby zaza ve? sa we velezina avy any andamosina ndray le izy, tena tsy mahay teny gasy tsony fa au secours

ka le izy ange efa nisy namaly tatsy ambadika e; misy kestion mitovitovy @ty we vonoina ve ny zaza raha sembana na tsy norariana sns , mitovy ihany zany

rehefa bevohoka na 1j de efa olombelona izay tsy tokony esorina izany fa mba mijere sy manaraha fisa aloha re olona a!
fisa zany de fianakaviana sambatra = planning familial
de anontaniana any we oviana no tokony hiray fa tsy manaonao foana de bovohoka eny , manjary mifamitaka fotsiny
10. ikaretsaka ( 25/01/2008 21:33)
de nikina zany ..
nisy zazah (aina 1 ao anaty kibo)
hamono sa tsy hamono ilay aina?!
any no eritreretina!
11. xxx ( 26/01/2008 02:55)
Misaotra anareo namaly fa azo isainana ny valiteny nomenareo!Nefa ra tena fitiavana marina,nahoana no tao am-bohoka vo nampahafatarina!?
Ny zaza akory tsy we tsy ho velona ary ny rainy tsy iamboho-adidy nefa ra tokan-trano tsy misy fitiavana d io zaza io ihany no hitondra mangidy.
:oops::oops::oops:
Tsy moramora zany lanin'ny alika ry reto!
12. tess ( 26/01/2008 08:18)
xxx:

Misaotra anareo namaly fa azo isainana ny valiteny nomenareo!Nefa ra tena fitiavana marina,nahoana no tao am-bohoka vo nampahafatarina!?
Ny zaza akory tsy we tsy ho velona ary ny rainy tsy iamboho-adidy nefa ra tokan-trano tsy misy fitiavana d io zaza io ihany no hitondra mangidy.
:oops::oops::oops:
Tsy moramora zany lanin'ny alika ry reto!


ka tsy ho hamapahafantarina indray izany raha ao am-bohoka ny zaza, fa aiza moa ny fiforonan'ny zaza tsy ao am-bohoka????? hazavao tsara ilay hevitra...
raha tonga tsy fanahy inina ny zaza! na tsy misy aza ny fitiavan'ilay ray aman-dreny tiana foana ny zaza nanteraka fa tsy mitondra ny mangidy izany....
ho vitan'ny olona ve tsy mba ho vitanao?


13. ari.malala ( 28/01/2008 08:19)
raha azoko tsara d tena ts nifanarahana marina izany ny nanaovana ilay zaza fa ampitaka? satria hoe
Nefa ra tena fitiavana marina,nahoana no tao am-bohoka vo nampahafatarina!?
d na izany aza, aleo iany tezaina ny zaza! harena ny zanaka! efao ny adidy, fa ny vitan'ny hafa v ts ho vitanao! misy aza zaza firy nefa ilay reny irery no milonjy mitaiza sy mamelona ireo ankizy fa velona sy miaina ara-dalàna toy ny olona rehetra e! ny ankizy mandeha mianatra toy ny ankizy rehetra sns fa az akivy zany, Andiramanitra tsy maintsy manampy foana!
14. xxx ( 28/01/2008 12:46)
ari.malala > tsy voatery hoe am-pitaka fa misy ny accident
15. ari.malala ( 28/01/2008 14:25)
fa aona no accident? otran'ny tsy azoko kely
16. xxx ( 28/01/2008 14:27)

ilay hoe tsy nifanarahana ka , mety hoe accident ilay izy fa tsy voatery hoe fandrik'ilay sipa
17. ari.malala ( 29/01/2008 06:30)
d zay ndray no ts haiko... amko refa ts nifanarahana d anisan'ny lainga izay... mè bon, nifanarahana ou pas tezaiko ny zaza fa tsy izy no niteny we dada sy neny a! atovy za
18. diamondra27 ( 29/01/2008 07:20)
nareo ry reto aza manala zaza izany fa ny olona tsy afaka mananjanaka aza tsy fidiny a
19. soatsara ( 29/01/2008 07:30)

Ny zanaka dia andraikitra lehibe, ary ekenao satria io dia manaraka anao mandrapikin'ny masonao.

Mila omanina arak'izay ihany koa ny saina, hiatrika ny ho avy rehetra, na ho anao, ary indrindra ho an'ilay zanakao.

Na izany aza tsy dia tsara loatra ho an'ny mpifankatia ny surprise ohatran'izany.

Alaivo ambony, alaivo ambany,

De enao ihany no tompon'ny décision farany.
20. soaharytoliary ( 29/01/2008 08:24)
Tsy mampanenina ny mananjanaka, namanao foana iny. Tsy hoe tia tena fa ny momba ary efa tsy ho fidiny azy. Manenina foana io bandy io rehefa any aoriana. Zaza iray tsy manakana fahazoam-bady. Tiavo ny zanakao fa mitandrina @ manaraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.801