Smooth Jazz

1. ds ( 24/01/2008 23:26)
Rehefa manketo aho, dia mihaino RVG na Smooth Jazz.
Misy hira ankafiziko miverimberina foana tato ho ato :
Blake Aaron - Bumpin' on the Wes Side (kapila Desire).
Tsy nahafantatra oi tary io aho raha tsy tamin'ny 2007.
Ireto ambany ireto ny mpitendry gitara mitovitovy aminy.
Ronny Jordan, Stanley Jordan, Stanley Clarke, Wes Bound, Georges Benson, Kevin Eubanks,
Earl Klugh, Lee Ritenour, Chielli Minucci...
Iza amin'ireo no mba revirevinao ? :-)
2. cutie ( 24/01/2008 23:28)
ny smooth jazz nga misy gitara :roll:
3. rabilabila ( 24/01/2008 23:32)
smooth jazz no anaran'ilay radio henoiny Cutie a! :-D
4. cutie ( 24/01/2008 23:45)
=))=))=))=))=))=))=))=))=)):oops::oops::oops::oops::oops::oops::oops:
5. rabilabila ( 24/01/2008 23:58)
I Cutie kounkou ou!!!:-D

Ny ahy indray ry ds dia TSF jazz no fihainoko rehefa mikarajia eto ,ary tsy dia mirevy gitara loatra raha jazz no resahina ,fa tsy mampaninona ahy akory ny mihaino an'ireo voatononao ireo saingy indraindray fotsiny .Raha nahay nitendry angamba hafa ny fandehany ,fa raha mihaino fotsiny dia aleoko piano na saxo ,na trompette ,na voix ary tsy big band fa quintet fara-fahabetsany .
6. cutie ( 25/01/2008 00:05)
tsy radio mitsy no tao an-tsaiko koa :-D
gaga ihany alou za nahita liste ny le mpitendry gitara =))=))=))=))
7. nandrianina1 ( 25/01/2008 00:16)
George B, sy Earl K,sy Lee R zao no mba fantatro sady tiko @reo smoooooooooth mo zany ra jazz a!
8. ikaretsaka ( 25/01/2008 03:51)
bassiste: stanley Clarke, Woooooten aloha tsara kao rehefa manao cover an'ilay stanley fa samy manana ny tiany io

Lee ritenour koa hmmmmmmm... ankoatran'i zt roalahy malazan'ny "coolaboration"

ary ahoana i DS @ http://www.youtube.com/watch?v=_fibw2Xpfmo&feature=related

na ry fourplay. bob james.... sns....
9. ikaretsaka ( 25/01/2008 03:52)
DS> azafady fa tsara ny mamelaka ilay besobeso iny:-D
10. ikaretsaka ( 25/01/2008 03:55)
ary rabila tsy noheveriko hoe mi bee bop
11. lo ( 25/01/2008 06:54)
milay doly reo k, i pat metheny ko tsy mahasosotra miitsy
12. rabilabila ( 25/01/2008 09:26)
ikaretsaka:

ary rabila tsy noheveriko hoe mi bee bop


Fa ahoana kle!! Ireny mihitsy no mba tena kapoaka kou!!,miaraka amin'ny mozikan'ny atsimon'i Madagasikara rehefa misy marovany na kantsa na kabosa na lokanga voatavo na hisatra arahin-drimotse kay !kay! Tena may ny loaka raha vao tafiditra ao :-D. Fa ny loza fotsiny amin'ilay mi-bee-bop dia lasa puriste be loatra :oops:


13. rabilabila ( 25/01/2008 09:38)
Ny ahy indray raha i Bona dia http://fr.youtube.com/watch?v=iimMKWF7SK0 na http://fr.youtube.com/watch?v=WpNjZDX0-uc na http://fr.youtube.com/watch?v=QKZcGAq5kKs&feature=related no tena itiavako azy ,miaraka amin'ny aponga maroanak'i Paco Serry raha ny amin'izao fotoana .
14. ds ( 25/01/2008 12:47)
cutie> ato afaka mihaino azy.
Ny iraisan'ny ankamoaran'ireo mpitendry gitara ireo, dia i Wes Montgomery, izay nanana fomba fitendry (gitara akostika) hafa kely.
Henoy ato fanazavana fohifohy. Izaho tsy mahay mozika fa mankafy fotsiny :-)
15. rabilabila ( 25/01/2008 13:35)
Hono ho'aho ,somary HS kely fa mba manontany aho raha mba misy manana fomba ianarana gitara irery mba atoroko ilay zanako vavy .
Nisy nanome gitara izy 4 volana lasa izay , ary nikarokaroka irery tao amin'ny aterineto tao dia efa mahavita hira maromaro Cat stevens ,Bob Dylan ,Mahaleo kely......... fa tsy pincé hoy izy izay !!
Gaga ny mpampianany na ny any an-tsekoly na ny mpampianatra piano manokana ka tiako hatevenina kely ilay fahaizany . Marihiko fa efa 6 ans de piano izy izao ary zaza teraka tanaty mozika ,manan-tsofina be!! Hoy ianareo izao hoe : itadiavo mpampianatra izy .Ka izay indrindra no eviter-ko nohon'ny antony nolazain'ny mpampianany hoe : mipetraka tsara ny ratsan-tanany ==> Tiako hampiasa ny sainy izy hikaroka irery satria ny base musicale efa azony amin'ny piano sy ny mozika henoinay ato an-trano.
Misaotra mialoha .

ds> efa anisany io natoronao io fa angamba hoy aho mbola sarotra aminy loatra .Tsy fantatro aloha fa asehoko azy ihany.
16. ikaretsaka ( 25/01/2008 15:04)
rabila: fa tsara koa ilay bass rehefa tendrena ohatran'ny gitara an.. ny anaovan'i bona azy ao tsara mihitsy... miaraka @ le augmentee sy sus sy 7 eme be atsy
fa inona ary ny gitaran'i lery io (marque)
17. ikaretsaka ( 25/01/2008 15:16)
ah ok... fodera kay fa aoka ihany....http://www.fodera.com/emperor2.html.
fa le mi barrage an le 5 strings hihihi be.

refa manana base izy dia asaivo mikaroka manokana.. ohatra hoe raha mipetaka accords tsotra izy ka mitendry an'iny normale dia asaivo exploreny ilay hoe raha ny eo ampovoany no tendrena aloha noho ny any @ sisiny dia ahoana ny fivoakan'ny feony.....

na zavatra tsotra fotsiny hoe raha ny fanondro no zatra nitendry ilay corde dia maninona raha ny akihikely na ny akihibe .. inona ny maha samihafa azy, sns....

isika sy ry rabila moa efa zatra iny manana fijery ambadiky ny akoatran'ny hita iny, asaivo andramany
18. rabilabila ( 25/01/2008 15:40)
Ny tena mampalahelo ahy dia ny tsy nahavitan'Itompokolahy Tôty mihitsy ilay hommage à Rakotozafy tamin'ny gitara beso tokana ,manana boeuf vitsivitsiny aho tao an-trano fa tsy mahafa-po ilay izy raha ny kalitao fa nahafa-po tamin'ny ambiansy.Mialona kely mihitsy aho rehefa mahita an'i Bona manao hira Kameroun amin'ny beso .
19. ikaretsaka ( 25/01/2008 15:43)
f'hita.. fa efa misy goala sy lalan-tsoritra aloha izay dioa misy hizoran'ireo zandriny te hanaraka azy ka etanim-panahy
20. cutie ( 25/01/2008 15:45)
ds
tsy manin fa tsy maheno n;in nin za refa mi cliquer an'le itunes/winamp:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1167