hanome sa tsia

1. sakaizakely ( 23/01/2008 22:03)
mijery émission mikasika ny dons d'organe wa zà

mampivarahontsana be le olona antsoina tel de lazain'ilay infirmiere hoe misy vaovao ratsy mikasika ny rahalahinao, nanao arrêt cardiaque tany ampiasany. Tsy heno moa izay lazain'ilay olona fa ilay infirmière no miteny hoe ajanony ny fiara aloha, andraso fa omeko anao ny dokotera fa tsy manana alalana hiresaka ny mombamomba ny fandehany aho :cry::cry::cry:

De lasa saina any am'lay olona nantsoina ny tena, mieritreritra ny fihetsehampony, sady efa tampohan'ny fahoriana no tsy maintsy mandray fanapahankevitra goavana be haingana mikasika ny fanomezana ny taovan'ilay havana nodimandry, satria farafaha elany 4 ora aorinan'ny fijanonan'ny fo no analana ny taova, dia tsy maintsy koa tonga any @ hopitaly manao sonia ny fanaovana don.

Ahoana re ny mba hevitrareo amin'io ? Hanome sa tsia ? Ahoana ny fipetraky ny finoana amin'io ?
2. tess ( 23/01/2008 22:10)
zà aloha raha fatako hoe ho faty rampitso de vonona ny hanome zé azo omena e!:-P avy eo afaka dorana!:-P
3. ikaretsaka ( 23/01/2008 22:50)
arakarak'ilay organe... sy ny eritreritra tokoa

fa ny an'ilay ralahahiko izay izao dia nanome izy dia hoe ho "ela velona hono izy" satria miaina ao anaty vatana 2!

ny fanazavany dia hoe raha ohatra izany hoe manome voa olona 1 ka nodimandry hono izy dia hoe mbola velona any @ le olona nomeny ny voany ny sombony kely @ vatany...:-D
4. sakaizakely ( 23/01/2008 22:59)
ika> fanomezana mbola velona izany ve ?
hevitra mety koa izay ka, saingy hoatra ny mbola sarotra be

fa ny an'ny frantsay mila protokol be

na mila manana carte de donneurs
na mila misoratra anarana ho donneurs
na mila sonian'ny havana akaiky
sns...

ka mba tsy hahaverezan'ny fotoana dia aleo manapakevitra dieny mbola velona am zay ny fianakaviana tsy voatery manapakevitra am iny fotoantsarotra iny
5. ikaretsaka ( 23/01/2008 23:04)
aleo kosa raha hanome mba olom-patatra no omena.. raha tsy hoe ra angaha!

mba fantatro hoe lasan'iza ny rein ko ilany, na lasan'iza ny ovule na ny sperme.. toy izay ilay any de ts'ita any
6. sakaizakely ( 23/01/2008 23:12)
tsy azo atao izany aty
anonyme ny fanomezana raha tsy hoe fianakaviana tena mifanakaiky
voafetra koa ny taona ohatra @ ny ovules
7. ikaretsaka ( 24/01/2008 00:11)
ankoatran'ny heo bedin'ny lalana sns izany e..
fa ny organes tokao izany ahoana?
ohatra hoe misy havanao na namanao mila organes-nao ohatra..
atao hoe reins ohatra....
betsaka manko ilay case hoe mararty reins ilay mpinamana na mpihavana ka compatibles ny an-dreo dia manome ny rein ilany ho an'ilay marary ilay namany na havany ...
8. LazaDaddy ( 24/01/2008 00:39)
tess:
zà aloha raha fatako hoe ho faty rampitso de vonona ny hanome zé azo omena e
Zo avy aiza moa no ahafahan'ny dokotera miteny hoe ho faty rahampitso na afaka adiny telo sns...? Tsy ny dokotera no tompon'ny aina fa amiko ireny toe-javatra ireny dia fialana andraikitry ny dokotera tsy te hitsabo. Eny fa na eo aza ny fahasarotana.


9. soanja ( 24/01/2008 03:20)
sakaizakely:

mijery émission mikasika ny dons d'organe wa zà

mampivarahontsana be le olona antsoina tel de lazain'ilay infirmiere hoe misy vaovao ratsy mikasika ny rahalahinao, nanao arrêt cardiaque tany ampiasany. Tsy heno moa izay lazain'ilay olona fa ilay infirmière no miteny hoe ajanony ny fiara aloha, andraso fa omeko anao ny dokotera fa tsy manana alalana hiresaka ny mombamomba ny fandehany aho :cry::cry::cry:

De lasa saina any am'lay olona nantsoina ny tena, mieritreritra ny fihetsehampony, sady efa tampohan'ny fahoriana no tsy maintsy mandray fanapahankevitra goavana be haingana mikasika ny fanomezana ny taovan'ilay havana nodimandry, satria farafaha elany 4 ora aorinan'ny fijanonan'ny fo no analana ny taova, dia tsy maintsy koa tonga any @ hopitaly manao sonia ny fanaovana don.

Ahoana re ny mba hevitrareo amin'io ? Hanome sa tsia ? Ahoana ny fipetraky ny finoana amin'io ?



Raha aty aminay aloha dia eo ampanamboarana driver's license dia efa mipetraka izany fanontaniana izany:" hanome taova ve sa tsia? de mipetraka manaraka anao any anaty karatra foana iny tsinona ka raha sanatria misy ny loza dia iny fotsiny no vakiany fa tsy mila miantso havana izany intsony izy sns..
Efa nanaraka ny fomba fakana ireo taova sns aho indray andro fa tsy marina mihitsy ny tenin'ny LD satria raha Mpanome ianao dia ataony tokoa izay hitazomana ny ainao raha mbola possible satria ilainy daholo ny rehetra any aminao mandrapahalan'ny ora tsy ahafahana manao izany intsony. Miezaka mafy izy hamelona anao sady miezaka mafy izy hanampy anao hanana taova tsara hozaraina.

Manomeza raha afaka ianao fa sady manampy ny hafa izany no soa atao levenam-bola hoy ny Gasy. Tsy misy vola akory io fa ny good karma mitondra good karma foana.


10. ikaretsaka ( 24/01/2008 03:25)
ary raha olona mbola velona ho'a ho manao don?
11. soanja ( 24/01/2008 04:07)
ikaretsaka:

ary raha olona mbola velona ho'a ho manao don?


Tsy hitako ny olana amin'izany raha tsy misy ilan'ilay tompony azy intsony ny taova hozarainy na hoe manana be de be izy hozaraina na hoe tsy manena ny fahafahany mampiasa ny mahaolombelona azy ny fakana izay taova tiany zaraina.
Ny fampiasana saina sy fo mitempo fitiavana miaraka ihany no hitako mandaitra na amin;ity resaka fizarana taova ity aza.
Mahaiza mizara!

12. niryna ( 24/01/2008 05:55)
soanja:



Raha aty aminay aloha dia eo ampanamboarana driver's license dia efa mipetraka izany fanontaniana izany:" hanome taova ve sa tsia? de mipetraka manaraka anao any anaty karatra foana iny tsinona ka raha sanatria misy ny loza dia iny fotsiny no vakiany fa tsy mila miantso havana izany intsony izy sns..
Efa nanaraka ny fomba fakana ireo taova sns aho indray andro fa tsy marina mihitsy ny tenin'ny LD satria raha Mpanome ianao dia ataony tokoa izay hitazomana ny ainao raha mbola possible satria ilainy daholo ny rehetra any aminao mandrapahalan'ny ora tsy ahafahana manao izany intsony. Miezaka mafy izy hamelona anao sady miezaka mafy izy hanampy anao hanana taova tsara hozaraina.

Manomeza raha afaka ianao fa sady manampy ny hafa izany no soa atao levenam-bola hoy ny Gasy. Tsy misy vola akory io fa ny good karma mitondra good karma foana.





mitovy hevitra amin'i soanja aho ary tonga dia hita ao ambadikin'ilay permit hoe "organ donor" na manome ny fitaovako rehetra aho raha sanatria ka misy mahafaty ahy no heviny.
Fa ity nisy tantara iray,maty ilay olona nanome fitaovana,tsy nanampo ny fianakaviany,ary nisy zavatra tsy nety dia nolalorina indray ny faty na ohatran'izay ary gaga sy tezitra mafy ireo havany ka saika hitory kanjo noho nijerena ny permit-n'ilay maty dia nisy soratra tao. :cry:
13. tess ( 24/01/2008 06:07)
hay mùila misoranatra anaraha na hanome aza??????ary aleo mba hisoratra izany

ika: marina kosa ny an'ny zokinao an!:wink::lol:
14. Rasiligaoma ( 24/01/2008 07:11)
izaho hizara raha mbola manana, sao tokoa ela velona any anaty olona any ny ila avokavoko ohatra na ny ila voako!

izaho mety efa mitsotsotra any ambany rangolahy, ny avokavoko anefa mbola miaina, ny voako mbola manao pipi!

na ny mieritreritra azy aza mmilay: izaho efa maty fa ny Ra-ko mbola mikorina, ny foko mbola mitempo, ny avokavoko mbola miaina! tsssleeeeeee:}
15. xxx ( 24/01/2008 07:58)
Ny atahorana amin'ilay manaiky hanome taova koa anie de izao e, ra voan'ny accident ianao ka hitan'ny dokotera hoe vonona hanome taova dia mety tsy hiala nenina intsony izy, na dia tokony ho avotra aza ianao, dia tonga dia alainy ny taova dia maty e!
16. kelly13 ( 24/01/2008 08:24)
nenà klou d efa niteny oe ra sanatria ka maty aho d aza misalasala manome ze taova azo omena. za tsy nahajery ilay emission hatramin'ny farany fa nampitomany ahy le zazakely (lorette, 3 ans, mitovy @ zanako) nahazo rein iany apres quelques mois d'attente. ilay vhv nahavita 168m en 6 mn kou mampalahelo. ontsa ny fo e!
17. tsiambaratelo ( 24/01/2008 09:26)
Izay afaka manomé de manomeza daholo,dia aza asiana fanahiana be ny tohiny fa efa safidinao iny!
18. tywa68 ( 24/01/2008 12:14)
Zah aloha d efa vonona ny hanome ary efa noteneniko @ manodidina mihitsy hoe tsy olana ! Tena naha-ontsa mihitsy ilay émission omaly ! ndry lay Lorette kely ! avotra ihany izy ny farany ; d ilay ramatoa mananjanaka niandry poumons koa toa opérée le 13 janvier hono ! ouf ! ilay bandy kely miandry poumons iny koa no mampalahelo, ny 1 moa d maty à 26ans.

Ika : ilay manome mbola velona toa azo atao, fa mila manao dossier...resahina @ dokotera d azavainy (ny mpitranga matetika d hoe reniny manome ho an'ny zanany ohatra).

LD : ny dokotera tsy mpamono olona, fa raha afaka manavotra olona 5 na 6 kosa ve ilay bandy kely 17ans accidenté d tsy ho atao ?

Fa rehefa tojo anao angambany ilay fanontaniana hoe = maty ny anao, ka afaka esorina ve ny taova... mety kenda kely ihany fa manome satria manao asa soa.:wink:
19. fanantenana2003 ( 24/01/2008 15:07)
za ry ireto dia tomany foana nandritra an'ilay emissiona an! efa te hatory be iny aho fa mbola nijery foana! nalahelo be an'ilay bandy niadnry fo sebastien 33 ans sy le niadnry poumon aho, lorette kely avotra ihany izy, nihoraka be aho rehefa nahazo rein kely izy, le nahita azy nanao pipi voalohany aoka fotsiny! tena mampalahelo eh! za aloha dia hanome aho eh! ny reste raha misy dia izay hanaovan'ny famille azy indray, na dia hamonjena ain'olona na dia 1 fotsiny aza!
fa kosa etsy andaniny le ralahin'ilay lehilahy maty tany ammpiasana natsoina tamin'tél iny, tena raha izaho no eo aminy place tsy haiko izay ataoko, za very rahalahy nefa ny don d'organ no tenenina ahy voalohany tsy haiko izay réaction-ko! tena sarotra be eh! moramora le miteny hoe izao sy izao fa raha ianao no eo amin'ilay placen'ireny olona very famille tamponka ohatr'ireny asa!
ho an'i kristiana ahoana no tokony atao amin'io
20. rabilabila ( 24/01/2008 16:16)
Miankina amin'ny tsirairay ilay izy ,raha ny fandinihiko azy .
Izaho izao manana karatra manaraka ahy foana momba ny groupe sanguin sy ny fanomezana halàlana hangalàna taova raha sanatria ka dila ny aina .
Noho io fangatahiko sy fanekeko io dia efa nantsoina aho hanome " moelle " fa nisy olona "compatible " tamiko tany ho any ary nila azy io maika dia maika .Mbola ito aho eto miresaka aminareo eto ,salama vatana ,salama saina ary faly fa nahavotra olona iray . Izay no nandinihiko azy , dia izay no nanapahako hevitra .
Izahay mianadahy avy ohatra efa nanao analyses daholo hoe :iza no compatible amin'iza ka raha toa ka misy iray ,ohatra ,voa ny rein-ny dia afaka manome mbola velona ilay compatible satria afaka miaina ara-dalàna na dia rein iray fotsiny aza no mi-fonctionne .

Marina fa mety ho mafy amin'ny manodidina ny zava-nitranga raha toa ka io cas lazain'i Fanantenana io fa rehefa safidin'ilay olona ilay izy dia tokony hajaina foana na mafy aza ...............afaka mieritreritra ohatran'dRasiligoma hoe nitohy tany ho any ny momba azy ....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3018