ampy ho an'olona ray tsy mando hofan-trano ve 600 000 fr

1. xxx ( 22/01/2008 17:10)
mba misy fanontaniana kely ty ze mba afaka mamaly
vola 600 000fr ve ampy ho an'olona ray tsy mandoa hofana-trano mipetraka any madagasikara misy zaza iray ihany fa tsindraindray vao misakafo ao an-trano
misotra anareo
novalian'i soanja ny 04/02/2008 06:28
2. tess ( 22/01/2008 17:15)
raha miaina normal tsy be haingitraingitra dia mety ho ampy ihany satria na tsy mandoha hofatrano aza amizany dia misosa be ny vola.....arakakraka ny fandaniana hataonao ihany io!
3. ikaretsaka ( 22/01/2008 20:30)
arakaraky ny fomba fiainany
4. tess ( 22/01/2008 20:32)
ié! ka izay indrindra...;raha grande surface lava dia iray andro ihany io dia lany:roll:
5. ari.malala ( 23/01/2008 07:25)
tsy ampy! ny vidin'ny vary 1kilao anie ka efa 7000F amzao e, na indrainrday vo misakafo ao antrano zany aza ts ampy zany vola zany
6. tslem ( 23/01/2008 08:09)
Ampy tsara izany raha tsy miaingitraingitra, mety hanan'amby aza koh!!! eny ambodin'isotry foana miatsena :-D:-D:-D
7. LazaDaddy ( 23/01/2008 08:50)
xxx> raha faran'izay mitsitsy dia dia ampy folo (10) andro izany
8. rova30 ( 23/01/2008 10:30)
Alefaso aty aloha handramako holaniana raha ampy na tsy ampy, dia holazaiko anao eo ihany ny tohiny !:-P

Vazivazy indrain- dalana fa ...vola anie ka mahita lalana foana e!

Arakaraky ny fomba fiainanao sy ny fitantananao ihany io! Aza avela hatoritory fa avelao hiasa foana dia mety.
9. ari.malala ( 23/01/2008 11:21)
tslem a, efa ts d mety iadina varotra otran'ny talou tson ky ny eny ambodin'isotry a:-D
10. xxx ( 23/01/2008 11:41)
mandoa frais taxi be sa tsia ?
11. penina ( 23/01/2008 12:43)

Raha tsy misy vady aman-janaka, dia raha tsy be revy, dia raha tsy hita fa mety hivoatra any aoriana any dia reveo fa manja.


12. ikaretsaka ( 23/01/2008 16:53)
tsy ampy tokoa ilay famaritana..
tanan-dehibe ve? sa any ambanivohitra?
iantohana ny inona sy inona? (frais ana taxi be) sns... sa mandeha tongotra?
ny kaly (anana sns) ve vidina sa ambolena?
13. tess ( 23/01/2008 16:59)
tsy ampy wa io vola io! ny fiainana izao efa lafo be! ny saribao ny labozia ny vary sy laoka isan'andro
raha ataontsika hoe 30jours ny un mois dia eo am 20.000fmg isan'andro eo zany no laniana fa enjana ihany zany ka!è
14. ikaretsaka ( 23/01/2008 17:39)
ampy izany raha any @ sisiny ka... any @ le dezadezaka ireny! le mandeha tongotra na biskleta de manao ankety tambanivohitra ireny dia mampianatra dia mitety ireo tanana manodidina manontany ny olana sy ny zava misy!

fa raha ao tana dia sarotra ihany
15. xxx ( 23/01/2008 17:39)
mipetraka any ambanivohitra ka ; tsindraindray ko vao miakatra mandeha taxi-be
16. tess ( 23/01/2008 17:49)
de ampy izany araka ny voalazan'i ankizy any ambanivohitra! miampy hanikotrana sy ny voakazo eny antsaha izany mangony fotsiny:wink:
17. xxx ( 23/01/2008 17:58)
ten ampy marina izany rehefa atao ho ampy a!!
18. foudre ( 24/01/2008 06:44)
tena mafaitra ny fiainana ry xxx a! mety ny anao !
raha mba tsy miasa eto tanà zàh naleoko niaina tanyh ambanivohitra koa klé!
19. jiolah ( 24/01/2008 08:37)
900 000f no nandramako fa tena tsy ampy ihany. taxibe sns nefa efa tsy de be revy @ zany an:°):°):°)
20. Jeankely ( 24/01/2008 09:55)
Mazavabe ny resaka nomen'ireo teo ambony. Misy ny olona mikarama 300.000fmg ary misy ny latasak'izany nefa velona ihany. Io tenin'ilay Jiolah eo ambony hoe 900.000 nefa tsy dia be revy midika hoe mirevy kely ihany. Arakaraky ny fahazarana io. Raha olona avy andafy hiaina ao Madagasikara aloha mety ho sahirana angamba fa raha hanampy olona efa ao antoerana dia afaka hiainan'ilay olona izany. Fa ireny mpivarotra kely ireny aza hoatrinona isan'andro no vola hampiasan'ireny nefa miaina ry zareo. Izany tsy midika hoe ampy fa afaka mivelona. Ny ampy indray lainga.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.09