Mba tena biby mihintsy ny sasany.

1. yonikafopl ( 21/01/2008 11:40)
Faits divers
Mananjary
Tanora 4 novonoina tamin’ny fomba feno habibiana
Tena tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no namonoan’ny andian’olona ireto tanora efatra mianadahy vao herotrerony, tany amin’ny tanàna atao hoe Ambohitsara, eo anelanelan’i Mananjary sy Nosy Varika. Nisy nanondro ho mpangala-jaza izy ireo. Tamin’ny sabotsy teo no niseho ity habibiana ity. Maty votsindrona antsy, voafira famaky, voatoto fanoto ary tsy mba nisy nialana nenina akory na dia ny iray aza, fa teo no ho eo ihany no nahataperan’ny ainy. Teo ambony kianja filalaovana baolina no niseho izany.Namonjy ny Herinandro masina famaranana ny Sambatra tany amin’io tanàna io ny tanora telo mianadahy avy any Mananjary. Maro tokoa ny vahiny tonga tamin’io lanonana io. Tamin’ny sabotsy anefa, nitaintaina ny renim-pianakaviana iray fa tsy hitany izay nalehan’ny zanany mianadahy. Etsy andanin’izany, mahoraka be ny resaka any an-toerana amin’ity resaka hala-jaza ity. Rehefa nitady ela anefa ramatoa dia indreny ny zanany nody ihany. Hay avy nilomano izy ireo. Natahotra ny ho bedy, hono, izy ireo ka nilaza tamin’ny reniny fa saika nisy nangalatra. Rehefa nanontaniana dia nanao hoe olona avy any Mananjary ary anaty lakana, ary dia teo no niantombohan’ny habibiana. Mpanamory lakana no voatondro voalohany. Ireny lehilahy maro nirongo antsy, famaky, kanoto sy zavatra hafa nanatona teny. Tsy nisy fifanazavana fa tonga dia vono no nihatra taminy. Maty teo no ho eo. Olona hafa no efa saika voa fa afaka nandositra.Tsy nijanona teo ny raharaha fa nandeha ireto andian’olona. Tovolahy iray no hitany sy nanontaniana raha avy any Mananjary. Tsy nahalala na inona na inona io dia namaly hoe : eny. Tonga koa dia votsindrona antsy teo amin’ny handriny sy voavely fanoto. Maty tsy tra-drano. Raha nahita izany ny namany iray dia nanontany ny antony. Tonga koa dia voafira famaky. Maty ihany koa. Nisy ankizivavy iray nitomany teo ambonin’ny fatin’izy roa lahy. Nisy nanindrona antsy teo amin’ny tandany. Maty. Tsy vitan’izany fa naboridana ary nositrihana hazo ny fivaviany. Mafana ny raharaha amin’izao fotoana izao ary ahiana ny hisian’ny fifanafihana tanàna samy tanàna.

HAR



Midi Madagascar
novalian'i LazaDaddy ny 26/01/2008 23:17
2. fahamarinana ( 21/01/2008 11:44)
:arrow:mampivarahotsana be zany tranga zany (l)
3. yonikafopl ( 21/01/2008 11:47)
za kou tena ketraka ry fahamarinana
4. kelly13 ( 21/01/2008 11:54)
ndrekaky ô!!!!!!!
5. fahamarinana ( 21/01/2008 11:59)
:arrow:ny tena loza dia ilay tondro ataon'olona ohatra nefa ianao innocents dia maty ihany e,danz be(l)
6. Jeankely ( 21/01/2008 12:32)
Tsy misy afatsy ny resaka Ampanjaka no mifanazava izany. Tsy vitan'ny resaka mivarahotsana izany fa mitohy lavabe izany raha tsy mihetsika ny Raiamandreny. Tsy araky ny Polisy izany. Dia loza loatra fa mahita zavatra ratsy ny tanana.
7. yonikafopl ( 21/01/2008 12:49)
any amreny toerana reny zany ve ry jeankely tsy raharahian oll ny polisy??
8. meved ( 21/01/2008 17:55)
Izany anie izao sarotra alamina be e ! Hitako marina mihitsy ny tenin'i Jean kely io satria sarotra be ny hanaraka "individu" amin'izany ! Fomban-drazana ihany no hitako vaha-olana amin'izany. Dia rehefa mandehandeha koa mba miaraka amin'ny tompon-tany ihany na mba atao fantatry ny Mpitondra ao an-tanàna fa tsy manao touriste fotsiny e ! Marina fa an'ny Malagasy Madagasikara nefa mbola sarotra be ! Indrindra any amin'ny dezaka any !
9. olomboavonjy ( 21/01/2008 18:16)
maty aho re razako misy raha laterre
10. ainaheri ( 22/01/2008 10:41)
Misy mahatsara ilay fitsarambahoka iany,fa aleo maropototra,satria ra tratra ireny mpangalajaza ireny d otrany tsy ita zany zay tohiny na ilay fototry ilay te mitady ilay zaza aza,ka aleo mandeha ny fitsarambaoka @ zay tsy sahy tsony ny oul,fa ity tranga iray ity alou mba danz ee
11. LazaDaddy ( 26/01/2008 23:17)
ravalomanana:
dory mihitsy ny dahalo
ka ataon'ny olona inona intsony polisy sy zandary????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0496