Ny kalon'ny fahiny,hira-gasy ary zafindraony

1. niryna ( 17/01/2008 18:29)
Samy manana ny lanjany avy ireo amintsika malagasy.
Samy misy fananarana amin'ny fiainana avokoa izy ireo e,sa tsy izany sa ....ary samy manana ny hanitra ho azy ihany koa.
Misy hitovizany ve ny tanjona tiana ho raisin'ny mpijery sy ny mpihainoa azy sa samy manana ny tanjony?
Iza no tena be fananarana sy hanatranatra?
Ny tanora, indrindra aty ivelany dia misy mbola manaraka an'ireo ihany,iza no tena tiany hirahirany tokoa ry ireto ?
Ny mpianatra mantsy taloha dia tena misy fanentanana mihirahira ireny kalon'ny fahiny ireny,mbola manao an'izany ihany ve hatramin'izao ny ankizy aty amintsika?

misaotra mialoha
novalian'i Cybergasy ny 16/02/2008 14:38
2. ikaretsaka ( 17/01/2008 19:36)
ny ataon'i niryna ero raha ny fahitako azy dia manaotahaka ny hoe inona no maha samihafa ny opera, jazz ary ny Rock!
Amiko ilay izy dia arakaraky ny circumstances
Raha jerena ny filantony dia tena samihafa be tokao izy ireo! ary ban-kira samihafa na mitovy roots aza!

samy mamita hafatra kao alohany hira rehetra...
fa arakarak'ilay zavatra ampitaina sy ny "audience" tiana hampitaina ilay hafatra!
na ny hira tsy miteny fa zava maneno fotsiny aza

Ny kalon'ny fahiny dia t@ theatre taloha no nampiasaina azy bebe kokoa, hafa ny audience t@ izany (fahiny io fa nony nandroso ny taona taty aoriana dia lasa moderna aby moa izany rehetra izany), io dia natao ho an'ny "middle class" taloha

Ny hira gasy dia teatra an'ny "nosebleed"

Ny zafindraony dia "katesizin'ny tambanivohitra" ( mihindrana ny filazan'i Tompokolahy A Razafintsalama,sj. aho eto)

iza no tena be fananarana sy hanatranatra?

samy...
fa arakarak'ilay zavatra..
ny hiragasy dia ny zavatra isan'andro mahazo amin'ny fiainana andavanandro eny ambanivohitra sy ny olana mitranga aminy! (Sofera, mpivaro mandeha , makorelina, mpamosavy, ....)

Ny kalon'ny fahiny matetika dia na ilay izy fictional (karazan'ireny musical "broadway ireny ) tantaram-pitiavana noforonina... tropy zanety sns... fa azo ampiasaina @ fiainana adavanandro ihany...

Ny zafindraony dia zavatra andavanandro toy ny hiragasy ihany koa, fa mirona kely any @ ara panahy sy ara pivavahana....
(Razozy mpandrafitra farafara, Rapiera mitazona lakile,Razezo niova mofo... )
3. soanja ( 17/01/2008 20:06)
Raha samy hira aloha dia tsy misy atakaloko ny hira gasy sy ny hira madinika. Voalaza ao aby izay tiana anarina sy tarognina.
4. simplex ( 17/01/2008 20:22)

* ny kalon'ny fahiny dia kanto ary mafinaritra ny mihira azy. Le hiraina izany no tsara aminy, ilay mampiara-peo sns

* ny hira-gasy: le hoe ramilison besigara ireny ndray le tonony somary mapme, miady rima, manao resaka fiainana andavan'andro no tsara ary indrindra indrindra ilay fandihy miaraka aminy :) tsy dance moderne fa mahaliana ny rehetra anefa surtt ra misy boay kely na sipa kely manao exploit kely ao @ tarika :P

* ny Zafindraony ndray dia tsy hitako loatra fomba fihira hafahafa fun kely. Ny tena tadidiko le hoe: Ny parasy eeee ieee ihaaaaaaaaaaa iha no namohatsa Andriamansa no namohatsa ee zanahary ny lanitreeee sy ny tanyyyyy :P
fa in aloha ny mampiavaka ny zafindraony sy akapela eee :)
5. ikaretsaka ( 17/01/2008 21:44)
ny hoe a capella aloha dia teny latinina .. midika hoe "ao anaty Chapelle" no dikany.
(io indray i Ika sy ny latininy hoy i Pissoa izao fa hitako ery)

Tsara be ny acoustiquen'ny chapelle any amin'ireny monastera ireny (indrindra ireny gothiques sns ireny) hany ka matetika dia tsy nasiana zavamaneno rehefa mihira ao ... dia lasa fomba fiteny ilay izy! satria nanavahana ireo fomba fihira gregorianina (fataon'ny moines) taloha...
ny Misa a Cathedra sy ny misa a capella
ny cathedra nony tonga ry bach sy ry mozart sns ireny, dia nasiany zavamaneno dia lasa baroque sy klasika .....

fa ny zafindraony..... tsy tao anaty lasapelona loatra no ni se developper!:-D

6. niryna ( 18/01/2008 07:01)
ikaretsaka:

misaotra ika a,dia iza no tianao?
Izaho nijery hiragasy fahiny,ary mbola misy malaza ihany amin'izao fotoana izao,fa tena miteniteny mihitsy ny fananarany.
Tia mihira kalon'ny fahiny koa.
Ilay zafindraony no tsy dia fantatro tsara,mahita olona aho tany amintsika rehefa miandry faty dia ary manenjika fiandrasam-paty mihitsy dia mifaninana.Dia hafa kely ilay feony ,somary mivareradreraka izany, ireny ilay izy ?:D
7. niryna ( 18/01/2008 07:02)
soanja:

Raha samy hira aloha dia tsy misy atakaloko ny hira gasy sy ny hira madinika. Voalaza ao aby izay tiana anarina sy tarognina.

ie,fa tena efa mahita sy mahay mihira kosa aloha ny malagasy amin'izao fotoana izao a.Tena misy fivoarana kosa e.

8. niryna ( 18/01/2008 07:07)
simplex:

* ny kalon'ny fahiny dia kanto ary mafinaritra ny mihira azy. Le hiraina izany no tsara aminy, ilay mampiara-peo sns

* ny hira-gasy: le hoe ramilison besigara ireny ndray le tonony somary mapme, miady rima, manao resaka fiainana andavan'andro no tsara ary indrindra indrindra ilay fandihy miaraka aminy :) tsy dance moderne fa mahaliana ny rehetra anefa surtt ra misy boay kely na sipa kely manao exploit kely ao @ tarika :P

* ny Zafindraony ndray dia tsy hitako loatra fomba fihira hafahafa fun kely. Ny tena tadidiko le hoe: Ny parasy eeee ieee ihaaaaaaaaaaa iha no namohatsa Andriamansa no namohatsa ee zanahary ny lanitreeee sy ny tanyyyyy :P
fa in aloha ny mampiavaka ny zafindraony sy akapela eee :)

misaotra simplex a,ary ny kalon'ny fahiny hoy aho toa ny eo ihany no averimberiny e,misy vaovao ihany ve?
Ohatra ny mpianatra tanora kely sy mbola zaza no maka feon'ireny olona taloha ireny dia miverimberina eo foana ny "mifankatiava ihany "Indrindra moa rehefa misy fetin'ny gasy izany dia miara-mirona daholo izay mahay.Dia toa hatreo ihany,sa ?
Ny mpihira gasy toa misy tsy andoavambola e,dia ireny izy mikompakompan-damba samy maka ny tandrifiny,raha mbola kely tsy mahazo ny teniny fa rehefa somary lehibe iny vao mahazo,fa dia ny tanany mipelapelaka sy ny lambany mihofahofa ary ny sandriny mandihy no mahavariana ny ankizy :D
9. niryna ( 18/01/2008 07:11)
ikaretsaka:

ny hoe a capella aloha dia teny latinina .. midika hoe "ao anaty Chapelle" no dikany.
(io indray i Ika sy ny latininy hoy i Pissoa izao fa hitako ery)

Tsara be ny acoustiquen'ny chapelle any amin'ireny monastera ireny (indrindra ireny gothiques sns ireny) hany ka matetika dia tsy nasiana zavamaneno rehefa mihira ao ... dia lasa fomba fiteny ilay izy! satria nanavahana ireo fomba fihira gregorianina (fataon'ny moines) taloha...
ny Misa a Cathedra sy ny misa a capella
ny cathedra nony tonga ry bach sy ry mozart sns ireny, dia nasiany zavamaneno dia lasa baroque sy klasika .....

fa ny zafindraony..... tsy tao anaty lasapelona loatra no ni se developper!:-D

HS kely ity an,ny olona manampahaizana hono ry ika dia ireny hira classique ireny no henoiny,misy hira mampatory sy miantso matoatoa =)) fa misy tsara ihany,diniho anie rehefa mandeha any amin'ny dokotera hianao na any amin'ireny birao ambony ireny na miantso company dia asiany miandry dia ny hira fotsiny no hihainonao mandra-pahatongavan'ilay olona miresaka aminao an-tarobia.

10. bilakarenjy ( 18/01/2008 10:16)
Raha ho ahy manokana aloha dia mitovy sady mahafinaritra ary tiako daholo ny hira sy kalo ary ny feo .
Samy misy anatra sy fitaizana fonosina sy ampitaina daholo ao anatiny ,matoa avoaka sy hiraina ary vazoina sy kaloina izy ireny .
Ny fomba fihainoana sy ny fijery no tsy mitovy eo @ mpihaino sy mpijery .
Ho ahy manokana aloha dia misy endrika tiako atsofoka ao antin'ilay hira na kalo na feo isak'izay mihaino za .
Dia karohiko eo ny tokony ahatsara sy hampiverina ny fitiavan'ny olona ilay hira rehefa mampandihy satria ny hira sy ny vazo ary ny kalo tsy ho lefy .
11. ikaretsaka ( 18/01/2008 14:13)
niryna> HS mivaly HS
marina mihitsy izany
Muzak aloha no fiantsoana an'ireny!

ary manao fianarana manokana mihitsy (minor n'ilay filiere @ manao ireny mozika @ film ireny) ny mandrindra ireny mozika ampihainoiny anao rehefa @ phone ireny! Misy kao manao any @ station ana train, ascenceur sns...

Ny momba ireo manam-pahaizana indray: tsy hoe rehefa mozika hafahafa akory dia "miantso matoatoa"! fa tsy mahazatra fotsiny ilay izy... ohatran'ianao tsy zatra mozika karana ohatra raha tsy nozarina t@ izany ny sofinao. Misy rehefa tsy zatra dia tsy mahay manavaka ny classique @ Jazz!

Ireo Architectes malaza, dia nilaza hoe "frozen music ny architecture"! dia rehefa mi design trano na monuments izay izy ireny dia hafa mihitsy ny mozika henoiny
Efa niara niasa t@ i Libeskind (Ilay manao ny WTC vaovao) , Tschumi, Rem Koolhaas, F Ghery, Meier sns.. aho
fa ny mozika henoin'ireny rehefa mi design izy fa ..... aoka fotsiny!

Henoko koa fa i Laborde koa hono rehefa mi design ireny zavatra naoriny bedebe tao amintsika ireny dia mozika hafahafa mifangaro no henoiny.. hoe asainy miantsa ny gasy dia izy mihira teny vazaha dia mifangaro eo dia @ izay izy no inspire!

Ny taranja hafa no tsy haiko heo ahoana angaha! fa mino aho fa betsaka ny manam-pahaizana no manao izany... marina io voalazanao io
12. niryna ( 19/01/2008 04:38)

misaotra anao,izaho tia ny hiran'ny Richard Clayderman sy ny karazany maro ohatra ka,fa misy tsy tiako ny sasany ,ary tia karazana hira maro koa aho

13. Rasiligaoma ( 19/01/2008 17:11)
fa raha tsy mahadiso ny manontanintany foana: inona kay ny asan'i Niryna?
ireo creatifs manko dia io voalazan'i Ika io tokoa:
mivelatra be amin'ny tontolo hafa fa tsy limité ao @ clayderman na izay mozika tiana ihany, arakarak'ilay creativité ao aminy.
manampy be @ izay ary ahitana izay fivelarana izay koa mantsy hono ny fivelarana amin'n'ny mozika
14. ikaretsaka ( 19/01/2008 23:45)
ilaina tokoa ny mivelatra @ zavatra maro fa tsy mifefy amina zavatra 1 ihany raha te hampiasa creativity sy tia karokaroka
15. niryna ( 20/01/2008 05:43)
ikaretsaka:

ilaina tokoa ny mivelatra @ zavatra maro fa tsy mifefy amina zavatra 1 ihany raha te hampiasa creativity sy tia karokaroka

manana fahasoavana be dia be aho raha tian'ika ho fantatra fa tsy dia tsara ny misehoseho.Ny dikany tsy voafefy amin'ny zavatra iray aho raha izaho aloha.Misaotra nampahafantatra :D

16. ikaretsaka ( 20/01/2008 14:44)
dia inona no mozika tian'i niryna ary ankoatran'ireo dia rehefa mi create inona i niryna dia inona no enoina?
17. niryna ( 21/01/2008 05:30)
ikaretsaka:

dia inona no mozika tian'i niryna ary ankoatran'ireo dia rehefa mi create inona i niryna dia inona no enoina?

:D maro ary tsy tampaka ny mihaino mozika aho na any am-piasana aza,na ato an-trano.Maro hoy aho fa tsy dia tsara ho tantaraina daholo fa mety ho hitanao eny miandalana eny e.Ny fantako fotsiny ary hisaorako ny Tompo dia nomeny talenta marrrrrrrooooooobeeee aho .
18. fahamarinana ( 21/01/2008 10:12)
niryna:

misaotra anao,izaho tia ny hiran'ny Richard Clayderman sy ny karazany maro ohatra ka,fa misy tsy tiako ny sasany ,ary tia karazana hira maro koa aho

:arrow:niryna ,mampahatsiaro ahy émissions tany dago fahiny koa zany richard clayderman lazaindry zany,efa ela hany zany!!(l)
19. ikaretsaka ( 21/01/2008 15:22)
fa za kosa aloha mino fa tsy pozin'ny hihaino coltrane sy ny sisa i niryna na hihaino ireny metaly na gregorianina ireny e!
sa ve?:wink:
20. niryna ( 22/01/2008 06:30)
fahamarinana:

niryna:

misaotra anao,izaho tia ny hiran'ny Richard Clayderman sy ny karazany maro ohatra ka,fa misy tsy tiako ny sasany ,ary tia karazana hira maro koa aho

:arrow:niryna ,mampahatsiaro ahy émissions tany dago fahiny koa zany richard clayderman lazaindry zany,efa ela hany zany!!(l)

Misy mbola miverimberina ihany ka,raha mihirahira manao karaoke izao izahay dia tsy hira ankehitriny ilay izy fa hira taloha.Hira efa henoko tany amintsika,sy nohirahirako tany dia mbola mandeha ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1714