teny hafa

1. olomboavonjy ( 17/01/2008 13:02)
nahita soratra ahoe ny olombelona tsy maina fa lena :roll: mila mila s'essuyer ve de lasa maina sa ahahy @ masoandro :o....vazivazy ireo fa inona no tena dikany izay misy mahalala
novalian'i kanota ny 26/01/2008 05:06
2. soanja ( 17/01/2008 15:15)
olomboavonjy:

nahita soratra ahoe ny olombelona tsy maina fa lena :roll: mila mila s'essuyer ve de lasa maina sa ahahy @ masoandro :o....vazivazy ireo fa inona no tena dikany izay misy mahalala


Raha adika tsotra ara-tsiansa dia 75% ny vatanao dia rano avokoa, 85% ny atidohanao dia rano avokoa. Ny rano ao anaty vatana no manome hery mampiodina ny aintsika.
Noho izany aina ny rano ao anaty vatana. Ny faty ihany no atao hoe "maina" ary efa vonona havadika izy izay raha amin'ny Malagasy.
Ny atao hoe "lena" amin'ny fiainana andavanandro dia misy fiodinana ny fiainana toy ny rano, mety ritra tokoa io rano ka ilaina isotroana rano na ifandraisana amin'ny rano. Miaina ny olona atao hoe "lena" feno ny zavatra takian'ny vatany saingy tsy ho feno lalandava fa mila karakaraina vao feno foana.
Ny hoe filazana hoe "Izao maina be izao" dia midika fa tsy ampy ihodinany izay any anatiny , resaka psy ary mety ho "bored" izy, leo na tsy mahita atoraka amin'ny fiainana. Tsy tsara ny maina.


3. naughtyboy ( 18/01/2008 12:47)
dikany hafa @ izy io efa henoko ko ty:D
maina = tsy alehany,mety ho bozaka fohany oul sasany ko,kepoka sy ny karazany..
4. fahamarinana ( 18/01/2008 13:33)
:arrow:mba tsy haiko ndray izay fiteny zay ry reto,olombelo tsy akoho no fahenoko,:wink:(l)
5. olomboavonjy ( 18/01/2008 14:42)
naughtyboy sy soanja ka izay mintsy no tsy azoko hoe fiteny sa ohabolana malagasy natao hananaranave izy io sa natao hieritreretana 8-)
6. naughtyboy ( 20/01/2008 21:17)
sady fiteny no ohabolana ngambany:roll:
7. kanota ( 26/01/2008 05:06)
Ratsy ny makiana, maina fa tsara ilay lena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3972