Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah

1. niryna ( 17/01/2008 06:31)
Raha vao roa ambin'ny folo taona fotsiny i Sahondra dia nisaraka ny ray aman-dreniny.Ny reniny naka ny zandriny ary izy kosa nalain-drainy izay mamolava.Nisy fiantraikany izany na ara-tsaina na ara-panahy tamin'i Sahondra ,notaiza tao anatin'ny fijaliana,famonoana ,fangirifiriana ary nitereka ny fahambakana tamin'ny fiainany izany:fitiavana sy irery tsy mba nisy mpiahy izy.
Nandritra izany fotoana nijaliana izany dia lasa ny sainy raha mba mahatsiaro azy Atra. Nony tonga anefa ny fotoana nanambadiany dia sendra ny lehilahy tsara fanahy kristiana izy.Ny fitiavany,ny fikarakarany azy,ny fampisehoany fa aoka ny lasa omban'ny lasa dia nitarika an'i Sahondra hanatona an'Atra.Rehefa nomeny an'i Kristy ny fiainana dia nahatsampa tsikelikely izy fa hay Atra dia niaraka taminy ary teo akaiky teo foana nandritra izay fahoriana nahazo azy izay.Atra koa dia nanolotra Azy ny Zanany ho Mpamonjy azy tsampany ihany koa fa Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. Sal 34:18

Rehefa ao anatin'ny fahoriana dia toa ohatran'ny manalavitra Atra,ary toa tsy miraharaha izay fahoriana mahazo Izy.kanefa dia eo akaiky mandrakariva Izy ,ary fantany ny adin-tsaina,hitany ny fahorina,enony ny fitarainana ary ho valiany ny vavaka.
Satria Izy dia tiantsika rehetra tsy misy tambiny. Andriamanitra dia akaiky fa tsy araka izay eritreretina na izay ho heverana Azy.

Tompo o ,ampio izahay mba ahatsampa ny fitiavanao anay mandrakariva.Amin'ny anaran'i Kristy no anaovako izany vavaka izany.Amena

(l)niryna

novalian'i niryna ny 19/01/2008 12:11
2. koioty ( 17/01/2008 07:52)
ZA ZANY TENA MANKAFY TY RESAKA FIVAVAHANA TY KA TSY HAIKO NY TSY HANEHO FISAORANA NY @ FAMPAHEREZANA,FAMPATSIAHIVANA,FANKAHEREZANA NY TENANAREO RY NIRYNA KA DE HOY AHO HOE:
"HITAHY ANAO MANOKANA ANIE NY TOMPO "
MINO AHO FA FANTRAO TSARA FA MAMONJY FANAHY MARO ENAO AMIN'IZAO.KA DE MANKASITRAKA SY MANKATELINA E!DE MAORMAROA NY OLOMBELONA TOA ANAREO DE MANDRAPANORATRA INDRAY E!
3. ikaretsaka ( 17/01/2008 17:38)
iza i sahondra ry niryna?
tao ambadiny ianao?
4. niryna ( 17/01/2008 18:02)
koioty:

ZA ZANY TENA MANKAFY TY RESAKA FIVAVAHANA TY KA TSY HAIKO NY TSY HANEHO FISAORANA NY @ FAMPAHEREZANA,FAMPATSIAHIVANA,FANKAHEREZANA NY TENANAREO RY NIRYNA KA DE HOY AHO HOE:
"HITAHY ANAO MANOKANA ANIE NY TOMPO "
MINO AHO FA FANTRAO TSARA FA MAMONJY FANAHY MARO ENAO AMIN'IZAO.KA DE MANKASITRAKA SY MANKATELINA E!DE MAORMAROA NY OLOMBELONA TOA ANAREO DE MANDRAPANORATRA INDRAY E!

:D Tsy misy fisaorana ka.
Mahereza,raiso izay fantatrao fa tsara sy marina ary ampiharo amin'ny fiainana mba hananao fanahy vaovao isan'andro.
____________________________________________________
Ho an'ny rehetra :D:D:D:D
Ataovy sary an-tsaina hoe toy ny ao anaty tanimbary isika ary feno fotaka,tonga i kristy nanarina antsika mba hiala amin'izany fotaka izany,tonga ny hafa hanampy izay mbola ao anaty fotaka ka izay manaiky ho diovina dia ho voadio amin'ny ran'i kristy.Sitomina isika ,taritina,sarihana mba hiakatra amin'izay,ahita fahazavana ,fiadanan-tsaina ary fifaliana.^:^^:^

_______________________________________________________
Tonga kosa ireo mpankahala an'i Kristy,tsy misy zavatra azo raisina amonjena olona,feno fankahalana,fanenjehana an'ilay Mpamonjy,sitomina hiverina izay efa tafakatra,,ireo izay milaza fa miaraka aminy kanefa .... dia misitona an'ireo olona te hiala ao anaty onaona,fotaka,fahantrana ara-panahy ,totofony karazam-pako,lainga tsara lahatra, fahasorenana,fahakiviana,tsy fahalalana izay tokony arahina,tsy mahafantatra izay tena hinoana,izay tena marina ,fandrika sy asan'ny maizina daholo izany na dia tsy aharihariny aza,izay teny rehetra ataony dia fankahalana an'ilay Mpanavotra antsika. io dia raiso ho porofo fa tsy miaraka amin'i Kristy ilay olona :oops::oops::cry::cry:
__________________________________________________
Ny filazana ny tenin'Atra dia marary ary tsy zakan'izay mankahala azy,famelombelomana ny fanahy kosa ilay izy ho an'izay mangetaheta ka dia ny fanahy masina no ampiseho aminy hiariary ny lalana tokony izorana, ka dia hialako tsiny,hifonako izany satria ny famonjena ireo olona marobe no tanjoko,tsy izaho no hamonjy azy ireo fa i kristy,hiraka aho, fahasoavan'Atra noho naha toy izaho ahy,tsy avy amiko izany fa ny Fanahy no manampy ahy,ary dia hisaorako ireo marobe izay mitady vonjy,maro ary miezaka aho hamaly anareo hatrany any amin'ny e-mail-ko.Aza matahotra raha tsy voavaliko daholo fa tsy maitsy mivaly daholo ny hafatrareo sy ny fanontanianareo.
__________________________________________________
Safidy io izay te hanaraka an'i kristy dia manaraha fa tsy misy nenina.Manaova foana hoy aho fanandramana,fa experience-ko io ka raha namaly ahy sy nanome ahy fahasoavana Izy,mino koa aho fa omeny koa hianao raha mitady Azy.
____________________________________________________
Izay mbola te hijanona ao anaty fotaka sy onaona dia afaka mijanona ao .Tsy mila manao na inona na inona fa efa ao izy dia ao :miam::miam::@:@
Voa roa toy ny dakam-boriky,mahita maizina indroa toy ny tain'omby atsetsika ao an-dava-bary :cry::cry:

:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*(l)(l)(l)(l)(l)
niryna
5. ikaretsaka ( 17/01/2008 18:18)
niryna> tokony mba faritana hatrany am-boalohany kosa ilay izy aloha fa tsy efa any moramanga ny train vao lazaina hoe mankany toamasina...
raha misy te ho any bira dia ho voa mafy mantsy @ izay
6. niryna ( 17/01/2008 18:32)
ikaretsaka:

niryna> tokony mba faritana hatrany am-boalohany kosa ilay izy aloha fa tsy efa any moramanga ny train vao lazaina hoe mankany toamasina...
raha misy te ho any bira dia ho voa mafy mantsy @ izay



:D
7. ikaretsaka ( 17/01/2008 18:36)
marina anie izany e..
aiza no tsy marina amin'izany?
8. rijadolly ( 17/01/2008 20:25)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=30&andininy=20-21&dika=
hoy NY FANILO izay
Ny fiainako ankiniko AmiNao
ny hoaviko eo am-pelatanaNao
Ianao mahalala izay heverana ahy
Amin'fo no anekeko Anao
9. ikaretsaka ( 17/01/2008 21:23)
aiza ny hifandraisany ry dolly?
10. fijo ( 17/01/2008 22:24)
hi hi hi io indray ianareo an
11. ikaretsaka ( 17/01/2008 22:25)
ka tsy hitako ilay hifandraisany raha tsy velabelariny ko
12. fijo ( 17/01/2008 22:29)
ka ireo tsy mila mamelabelatra izany fa dia minoa fotsiny ka
13. niryna ( 18/01/2008 05:42)
ikaretsaka:

iza i sahondra ry niryna?
tao ambadiny ianao?



:D vavolombelona hafa indray io ry ika.Feno ato ny kahie-ko raha omeko anao ny lisitra sy ny tantaran'ny olona .Ahoana no fomba namonjen'Atra azy ireo? Ahoana no nahatonga azy ireo nanatona sy tena resy lahatra fa misy,nisy ary mbola misy sy miaraka miaina amintsika isan'andro ilay Atra . :-*
14. niryna ( 18/01/2008 05:43)
ikaretsaka:

niryna> tokony mba faritana hatrany am-boalohany kosa ilay izy aloha fa tsy efa any moramanga ny train vao lazaina hoe mankany toamasina...
raha misy te ho any bira dia ho voa mafy mantsy @ izay



:D efa nomena anao ny safidy dia anjaranao no mi-safidy.Na ho tafita na ho rendrika,safidy io.
15. niryna ( 18/01/2008 05:44)
rijadolly:

http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=30&andininy=20-21&dika=
hoy NY FANILO izay
Ny fiainako ankiniko AmiNao
ny hoaviko eo am-pelatanaNao
Ianao mahalala izay heverana ahy
Amin'fo no anekeko Anao



=D^:^
16. ikaretsaka ( 18/01/2008 13:45)
ka le safidy lazainao eto anjie mba tokony vao eny @ gara no tokony mba tenenina fa tsy rehefa any anaty train.. sady train express...
any le erreur
za ange tsy manda ilay safidy e.. fa ny cas mitranga eto dia fanerena ankolaka...
17. rijadolly ( 18/01/2008 15:15)
Ika>>>>
Hevitra mandeha : Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah
nirina:
Raha vao roa ambin'ny folo taona fotsiny i Sahondra dia nisaraka ny ray aman-dreniny.Ny reniny naka ny zandriny ary izy kosa nalain-drainy izay mamolava.Nisy fiantraikany izany na ara-tsaina na ara-panahy tamin'i Sahondra ,notaiza tao anatin'ny fijaliana,famonoana ,fangirifiriana ary nitereka ny fahambakana tamin'ny fiainany izany:fitiavana sy irery tsy mba nisy mpiahy izy.
Nandritra izany fotoana nijaliana izany dia lasa ny sainy raha mba mahatsiaro azy Atra.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=30&andininy=20-21&dika=
rijadolly:
hoy NY FANILO izay
Ny fiainako ankiniko AmiNao
ny hoaviko eo am-pelatanaNao
Ianao mahalala izay heverana ahy

Amin'fo no anekeko Anao
Fa angaha raha tsy mamaly ny tenin'sé ry ika dia lazaina fa HS.Marina mihitsy kay ny tenin'Nirina hoe mpamily resaka isé.
fijo:
hi hi hi io indray ianareo an
Misy miandry fotsiny aho ry fijo a,voamarikao mihitsy ô! =))=))=))=))
18. ikaretsaka ( 18/01/2008 15:49)
ka tsy hitako mihitsy ilay mangorangoraka sy ny fametrahana ampelantananao ..
sa izaho ve no tsy mahay mi accorde tadin-dokanga
tsy hoe tsy mamaly ny teniko fa le votoatin-kevitra mifandray no tsy hitako ilay tetezamita hampifandray azy!
19. niryna ( 19/01/2008 12:11)
ikaretsaka:

ka tsy hitako mihitsy ilay mangorangoraka sy ny fametrahana ampelantananao ..
sa izaho ve no tsy mahay mi accorde tadin-dokanga
:roll:=D=D tsy hoe tsy mahay fa manampahaizana saingy tsy mino ny teny voasoratra fa miantehitra amin'ny herin'ny tenanao hianao ,dia tsy omen'Atra ny dikany raha tsy mibabako sy miaiky fa tena misy ilay kristy ary tena misy fanahy masina izay mino azy .Ny dikany mivavaha dia antsoy direct Izy,miresaha Aminy ao anatin'ny fonao mangina fa ampahafantariny anao ny lalana tokony aleha amin'izany.

Aiza moa izy izay: ******Ohabolana 3:5-6 ******

5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao,


5 Confie-toi en l`Éternel de tout ton coeur, Et ne t`appuie pas sur ta sagesse;
6 Reconnais-le dans toutes tes voies, Et il aplanira tes sentiers



5 Trust in Lord with all your heart, And don`t lean on your own understanding.
6 In all your ways acknowledge him, And he will direct your paths.


tsy hoe tsy mamaly ny teniko fa le votoatin-kevitra mifandray no tsy hitako ilay tetezamita hampifandray azy!

Ny teteza mita ? I kristy irery ihany ,izy no manelanelana antsika amin'ATra ka raha tsy ataonao teteza mita izy fa ny hafa no ataonao dia tena marina mihitsy fa tsy ho hitanao.
HS
Feno fanontaniana be dia be ao ambony ao ,jereo izay tsy fantatrao fa hanampy anao izany :-*:-*
Mivavaha mivantana amin'Atra dia antsoy ny Fanahy Masina raha tsy azonao ny tiako ho tenenina fa Izy no hanome hery anao ary ho tonga zanak'Atra tokoa hianao raha mino izany hoe any Aminy Irery no mivavaka,ny Anarany Irery no antsoina ary Izy Irery ihany no Mpanelanelana.
Manaova foana fanandramana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2367