volafotsy

1. penina ( 15/01/2008 16:59)
Sao dia misy mahalala kay ny fomba famantarana volafotsy?
fafana kely amin'ny ranona karbonetra?
2. sakaizakely ( 15/01/2008 17:15)
misy poinçon

ohatra Frantsa 925
3. sariaka5 ( 15/01/2008 17:19)
fanasana volafotsy ny sasana @ karibonetra fa ny hahafantaranao ny volafotsy kosa koseho ela² eo @ felantanana ka raha tsy misy trace manga somary manopy maintso ny tananao dia volafotsy izy ary indrindra tsy mangirana be ny volafotsy fa somary mangavoka kely(mat),ankoatr'izay tsy mafy be ny volafotsy fa somary malemy azo afolaka tsara
4. sakaizakely ( 15/01/2008 17:23)
lanjana klou = masse

maka rano @ recipient 1 dia mariho ny haavony

alatsaka ilay volafotsy

refesina ny fihaavon'ny rano = volume

kalkilevo masse/volume

raha masse/volume = 10.5 g/cm3 de tena volafotsy

teorian'ny masse volumique an'i Arsimeda hono io
raha diso de tsy za fa le silako :-D:-D:-D

5. olomboavonjy ( 15/01/2008 18:56)
voalohany indrindra ahafataranao azy hoe volafotsy izy de tsotra ihany fotsy izy fa tsy mavo:-D:-D
6. penina ( 15/01/2008 21:24)
misaotra betsaka,

ps: famantarana lanja isambetin-kadiry fotsiny fa tsy tena ilay tosika loatra. Fa misy ifandraisany ihany anefa. :wink:
7. ikaretsaka ( 16/01/2008 15:18)
rehefa vidianao ilay zavatra raha tena izy tokoa dia 'fotsy' tanteraka ny vola ao anaty kopetranao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3331