Mandeha ve ny TGV ao e

1. hery ( 15/01/2008 08:42)
Mba manontany izahay aty hoe mandeha ihany ve izao TGV ao Antananarivo izao? Sao dia mitombona ilay ahiahy nandritra ny fifidianana hoe ny TGV no mahamaika kanefa ny lala-masinina aza tsisy?
Efa manomboka ve izao fanatsarana an'Antananarivo izao?

http://hery.blaogy.com/post/4/3796 ireo fampanantenana fa sao dia adinodino an :-)

Mahereza
novalian'i Jeankely ny 17/01/2008 05:26
2. Jeankely ( 15/01/2008 09:31)
Ho ahy aloha raha vao nanomboka ny fikarakarana ny fifidianana dia nilaza aho fa hanome lesona ny Mpitondra Antananarivo. Avy eo indray rehefa lany izy dia nampiako hoe tsy Andry TGV no tian'ny OLona fa tia hananatra ny mpitondra ny vahoaka. Ireo mpijapy machine moa dia be resaka fa tena hain'ny olona loatra fa hafa ny miresaka ary hafa ny manao. Misy aza olona mihevitra ny hiantehitra foana ary raha atoro izy dia aleony ny mangataka ihany. Ny TGV amiko tsy afaka mandeha raha tsy vonona amin'izany ny rehetra. Ny fampanantenana kosa dia mampalahelo raha tsy hisy tafavoaka.
3. ravatorano ( 15/01/2008 10:08)
efa manomboka manatsara ny tanana tokoa ny maire vaovao ary anisan'izany izao ny fanamboarana an'iny lalana eo anoloan'ny hotely fuschia ambadiky ny institut pasteur eo analakely iny satria taloha dia tena ratsy be ilay lalana fa simba tanteraka ka nahatonga fitohanan'ny fifamoivoizana.
Izay aloha ny tena hitako, ny fanalana ny fako moa iny dia efa mandeha tokoa na dia maro aza ny sakatsakana apetraka aminy etsy sy eroa ary atao mihitsy izay hametrahana olana eo amin'ny fandraisany andraikitra mba"hijerena angmaba hoe tena hahavita azy ve izy" ?
4. Jeankely ( 15/01/2008 10:16)
Misaotra azy rehefa manomboka mihazakazaka izy e. Hay foana ny atao amin'izay manakatsakana fa misy rahampintso foana isan'andro. Izay miasa ve kiviana sa hampiana tosika e? Tsy ho an'ny rehetra ve ny vokatra sa lasa any an-danitra e?
5. lemenakely ( 15/01/2008 11:14)
angamba mbola tsy fotoana hitsaràna azy izao satria vao manomboka izy ary aza adino ireo lavaka be ara-bola navelan'ingahy RAFALIMANANA !!ho vary mangatsiaka ho azy izay toe-tsaina sy lova ratsy nataon'ny teo aloha dia mbola atao fanahy iniana ihany
6. cybergirl ( 15/01/2008 12:08)
amiko aloa dia zavatra tsotra no lazaiko oe te hanao zavatra be i TGV fa ny sakantsakana no betsaka.Eo ny lalana vaovao zay nivoaka oe tsy afaka manendry filohampkotany izy nefa ny maagaga ahy de antananaeivo irery no voakasik'izay lalàna vaovao izay
7. Jeankely ( 15/01/2008 12:28)
Izaho mamerina ihany fa famonoana tena ary fanomanana ny fialana amin'ny fifidianana manaraka ny fanaovana antandrevaka. Raha manao izany izy dia ho avy ny anjarany. NY fokontany dia tena anisany tsy mampandroso satria olona efa nitondra hatramin'ny andron-DRa-AREMA nivadika palitao dia niovaova teo ny fitondrana nefa ry zareo eo ihany satria lasa TIM ny farany. Tia ho filoha fokontany izy na kely aza ny saosy satria be ny zavatra harovany hita izany fa tsy hitanisa tanana eto isiaka. Ny fokontany anefa no mitaiza ny sain'ny olona satria ireo no mifandray mivantana aminy. Izay no nanimba ny fitondrana hatrizay amin'ny fijriko. Efa nambarako io t@'ny herintaona mbola tsy nisy TGV
8. vatosoa08 ( 15/01/2008 14:17)
Ny fikasana be fa ny hery enti-manatanteraka tsy ampy ka,noho izany ilaina fiaraha-miasa hatrany io ary fifanohanana fa tsy fanosehana izay te handroso e
9. raniry ( 15/01/2008 14:31)
Hatram'zao aloha m'lay ny adiny, saingy tsapa fa tsy hamela azy mihitsy r'zalah TIM (T...Ity Marina) reo,aiza ko ho tendrena hatr@ prezidapokotany.
10. patrick2002 ( 15/01/2008 19:50)
Mba manontany izahay aty hoe mandeha ihany ve izao TGV ao Antananarivo izao? Sao dia mitombona ilay ahiahy nandritra ny fifidianana hoe ny TGV no mahamaika kanefa ny lala-masinina aza tsisy?
Efa manomboka ve izao fanatsarana an'Antananarivo izao?


Mbola ,eo am-panaovana audit aloha ,mijery ny gaboraraka nataon'i Rafalimanana ,jerena tsirairay ny facture tena mitombina ve ny fandaniana :lol: ,avy eo manilika trosa .
11. fijo ( 15/01/2008 21:41)
lery aloha ita hoe te hanao zavatra be mihintsy,saingy toa tsikaritra koa fa misy te hamingana azy fotsiny.ka asa fa raha izay tokoa no marina di aantananarivo ihany no hosimba eo ka safidy io.
12. vatosoa08 ( 16/01/2008 04:20)
Marina izany ka,izay no ilana fanohanana avy @ ireo vahoaka nanaiky ny hanohana azy hio tonga eo @ toerana
13. Jeankely ( 16/01/2008 05:58)
Marina izany ry havana. Mila ampahalalana tsara ny olona sasany hoy aho fa tsy handrasana sy jerena na avela himokomoko fotsiny ny olona tia hanao zavatra fa ampiana fatratra. Izay ahasoa ny firenena no zahavina koa inona no hanipahana ny olona tia hanao zavatra izany. Izaho dia gaga raha misy manana izany fihevitra izany.
14. ravatorano ( 16/01/2008 06:30)
ny fahitako azy manokana aloha amin'izao dia toa misy adklé tsy mazava ataon'ny mpitondra sasantsasany eto ao amin'ny fitondrana hatramin'izay nahalany an'ilay TGV izay.
Tena marina fa ny fiaraha misalahy no tsara indrindra amin'ny fampandrosoana ny firenena fa misy koa anie olona maromaro vitsivitsy minia manadino izany satria everiny fa raha mahafingana ilay eo amin'ny toerana izy zao dia hiongana ho azy eo io ary dia ho hanjakan-dry zalahy indray ny toerana amin'ny manaraka dia izay no andrasany eo.Izany anefa dia midika fa tsy fitavana ny tanindrazana mihitsy fa polifika entina hambotry firenena fotsiny
Za tsy mitsahatra manentana ny be sy ny maro mba hiaraka hatrany hampandroso an'ity Madagasikara tsika ity ao antin'ny fifanajana,fifampitondrana madio sy malalaka tsisy ankolaka na ambadika politika satria izay ihany no lalana mahomby itako
15. hery ( 16/01/2008 11:20)
Raha ny resaka fingam-pingana dia efa fantatra hatr@ voalohany fa tsy maintsy hisy... ary io no nahatonga ahy niantso tsy hifidy TGV fa tsy hoe fitiavana TIM akory.

Nolazako tsara fa raha tsy tia TIM Antananarivo dia tokony tamin'ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote, izay vao natao tsy ela akory talohan'io fifidianana io, no nampiseho izany... fa tsy t@ nifidy ben'ny tanana... satria fanimbana fotsiny ny tanàna izany.

Dia ho toa izany koa, ho simba fotsiny ny avenir politique-n'io boay kely io satria tsy ho tafidta mihitsy ny projet ataony.

Dia avy eo ny olona hiverina @ goaika antitra ihany...

Politika daholo anie izany e.

16. LazaDaddy ( 16/01/2008 11:31)
hery:
Raha ny resaka fingam-pingana dia efa fantatra hatr@ voalohany fa tsy maintsy hisy... ary io no nahatonga ahy niantso tsy hifidy TGV fa tsy hoe fitiavana TIM akory.
Izay izany ilay hoe..."manao lohana TIM"...?

[size=14]Sahia manao fingana lehibe![/size]
17. lapino ( 16/01/2008 11:34)
LazaDaddy:

[size=14]Sahia manao fingana lehibe![/size]

=))=))
18. Jeankely ( 16/01/2008 13:10)
Adalan'ny vahoaka raha tsy mahay mijery ny mpamingana sy ny voafingana. Iza no milaza aminao fa rehefa haratsiana ny lehilahy dia tsy hiaraka aminy intsony ny vehivavy. Sa rehefa finganinao ny olona tia hiasa dia ny goaika antitra no mahazo vahana. Tsy maintsy miala na ho ela na ho aingana rehefa tsy alehany. NY vahoaka Malagasy no donto raha ny mpamingana no avelany ahazo vahana. Dia ho aiza izany ny taranaka raha izany hatrany? Tandremo koa fa misy ny fialana Pas rehefa tsy mahavita haingana. Ny fanjakana milaza fa tsy tafavoaka satria nolavahan'ny mpitondra taloha ary finganin'ny Mpanohatra. Ny sasany indray milaza fa finganin'ny Mpitondra. Tsisy diso fa samy malaza ho mahay MIFAMINGANA IZANY. Izany no malaza sy ankalazaina koa inona moa fa dia samy miaina @'izay rehefa izay no safidin'ny vahoaka. Sa misy manao anterivozona koa? SAFIDY IO FA LAINGA NY FISIAN'NY TERIVOZONA.
19. rabingogilabanga ( 16/01/2008 16:06)
Mba manontany izahay aty hoe mandeha ihany ve izao TGV ao Antananarivo izao?


Raha 6 taona ny fitondrana TIM, kanefa mbola afaka miasa ilay argument hoe: vao 6 taona izy no teo, ny sasany aza 25 taona, dia mitombina ve ny fanotanian'ny Hery @ TGV vao 3 semaine no teo? asa!

Nolazako tsara fa raha tsy tia TIM Antananarivo dia tokony tamin'ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote, izay vao natao tsy ela akory talohan'io fifidianana io, no nampiseho izany... fa tsy t@ nifidy ben'ny tanana... satria fanimbana fotsiny ny tanàna izany.


Isika gasy ve no manana pratika democratika tsara, ary ny vahoaka ve no tokony ho kianina, ary ahoana ny any france,PS ny maire nefa UMP no president, ny any amerika, republicain ny president, nefa democrate no maire sy gouverneur @ etat sasantsasany,
ny landër allemand, oentin -na SPD ny sasany, nefa CDU ny chanchelier?

Ny ianjadian'ny setrasetra finganina nefa nosafidiambahoaka ve no tokony harovana , sa ny mpamingana no tokony hotiavina satria mahery? izany ve no fahendrena?

tsy manenjika na iza iza, na manohana na iza na iza, fa mba manontany ny fomba fandraisantsika le hoe: politika sy fahendrena! nefa asa, fanontaniana ny ahy!
20. ra8si2000 ( 16/01/2008 19:03)
zay foana oa....
fisainana mbola raiki-tapisaka navelan ny mpanjanaka io. Gafina ze mavita zavatra. Vonoina ze elita...refa tsy manaraka ny sitrapony.

ZA mino fa ny 80%n'ny malagasy no mbola miondana an'io fisainana io. Porofoin'lay fitenenana oe "Ory hava-manana".
Sao d mba tsy ohabolana gasy ary le oe "Firaisan-kina no hery"? manahy a...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1565