Fantatrareo va izay nataoko taminareo?

1. niryna ( 13/01/2008 23:27)
Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary hianareo dia madio, nefa tsy hianareo rehetra.
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=13&andininy=5-15&dika=
Inona no hevitra tian'i kristy ho lazaina amintsika eto ?

novalian'i niryna ny 14/01/2008 13:14
2. lazounet ( 14/01/2008 01:01)
Fifandeferana sy fifanajana eo anatrehantsika tsirairay no tadiavin'ny Tompo amintsika.
3. lazounet ( 14/01/2008 01:07)
Raha miteny ny Tompo hoe:"hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.":
Tahaka ny Tompo nanetry tena "nanasa" ny tongon'ny mpianany, isika koa tokony hahay mifamela heloka sy hanalefaka ny fo vatontsika izay feno avonavona.
4. xxx ( 14/01/2008 08:25)
niryna>efa lazaiko enao fa tsy mety aminao io fivavahana io fa ajanony! enao marary saina!
5. xxx ( 14/01/2008 08:51)
Ary maninona moa raha mifanasa tongotra amin'ny ara-bakiteny ? Ohatra hoe :
- i xxx manasa ny tongotr'i niryna
- i niryna manasa ny tongotr'i lazounet
- za manasa ny tongotr'i xxx
- sns ...
6. rabingogilabanga ( 14/01/2008 12:15)
Eny azo atao ny mifanasa tongotra, fa aza mifanasa vangy fotsiny, aza mifanasa maso(mifagaringarika), aza mifanasa loha (discussion sans fin...)

Tokana ny tiany ho tenenina, mifankatiava na kely, na lehibe, na boka, na madio, na mahantra , namanankarena
7. niryna ( 14/01/2008 13:06)
xxx:

niryna>efa lazaiko enao fa tsy mety aminao io fivavahana io fa ajanony! enao marary saina!

:cry: tsy mba izaho no nilaza an'io fa hianao miafina ao amin'ny maizina :cry:

8. niryna ( 14/01/2008 13:07)
lazounet:

Fifandeferana sy fifanajana eo anatrehantsika tsirairay no tadiavin'ny Tompo amintsika.

:D

9. niryna ( 14/01/2008 13:08)
lazounet:

Raha miteny ny Tompo hoe:"hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.":
Tahaka ny Tompo nanetry tena "nanasa" ny tongon'ny mpianany, isika koa tokony hahay mifamela heloka sy hanalefaka ny fo vatontsika izay feno avonavona.


=D

10. niryna ( 14/01/2008 13:10)
xxx:

Ary maninona moa raha mifanasa tongotra amin'ny ara-bakiteny ? Ohatra hoe :
- i xxx manasa ny tongotr'i niryna
- i niryna manasa ny tongotr'i lazounet
- za manasa ny tongotr'i xxx
- sns ...
=D=D hay anao an'izany ihany i xxx koa dia miafina ao anaty makarakara ao fotsiny.
Vonona aho hanasa ny tongotr'i xxx ka ary aleo aloha omeko holy kiss kely indray :-*


11. niryna ( 14/01/2008 13:14)
rabingogilabanga:

Eny azo atao ny mifanasa tongotra, fa aza mifanasa vangy fotsiny, aza mifanasa maso(mifagaringarika), aza mifanasa loha (discussion sans fin...)

=D tsy ratsy ilay valinteny :-*

Tokana ny tiany ho tenenina, mifankatiava na kely, na lehibe, na boka, na madio, na mahantra , namanankarena
=D (l)(l)
Raha tsy izany ve hatramin'izao mbola tsy mety maty ilay hira hoe Mifankatiava ihany ,raha mbola velon'aina,tsy misy toy izany,no mampifaly saina.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0939