Jerosalema

21. fijo ( 16/01/2008 22:13)
jereo anie e,hoavy eo aby mantsy ireny avy eo
22. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:45)
miara mizotra isika ho any..... jerosalema vovao!
ho'zy le hira izay
23. rakapy ( 16/01/2008 23:42)
Maro ny efa te ho any an-danitra sahady nefa ny eto an-tany aza tsy hita ny afitsoka... Ka mihevitra ve izy ireo fa ho mora ny fiainana any??? Ny mampanahy mantsy dia sao dia tsy misy vakansy mihintsy any fa dia miasa foana no anton-draharaha ka izay no mahatonga ireo izay efa lasa any tsy afa-miverina mamangy na mandefa hafatra kely fotsiny aza tsy vitany.
24. ikaretsaka ( 17/01/2008 18:23)
dia misy hira sy tenin'olomasina 1 izay indray manao hoe "atomboy eto an-tany ny paradisa"
25. cutie ( 18/01/2008 00:39)
hay ve ka mila hafetsifetsena koa ny finoana sy fivavahana e =))=))=))=))
26. ikaretsaka ( 18/01/2008 02:14)
nga raha misantatra ny paradisa eto an-tany de fetsy?:roll:
27. cutie ( 18/01/2008 04:31)
IKa
mamaly an;le sermon be ery ery ambony ery za ka :)
28. rakapy ( 18/01/2008 05:09)
Jerosalema in fire:evil::evil::evil:
29. ikaretsaka ( 18/01/2008 13:52)
ah.. jerusalem in fire... .. na mankany lameka na mankany roma rakapy a!:-D
30. prime ( 29/01/2008 12:35)
LD:
Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany” Zakaria 14:3

Rahoviana ary "izany andro izany" hoy ianao? Rahoviana i Jerosalema no ho tonga "vato mavesatra" manohitohina ny fandriam-pahaleman'ny firenen-drehetra? Rahoviana no hanohitra azy ny firenen-drehetra?
... Lalina izany teny faminaniana izany... mitombina ny fanamarihan'i nandrianina fa misy degrés maromaro no isehoan'ny faminaniana...

Ny azo havaly tsotra ny fanontanian'i LD dia efa nanomboka izany fotoana izany, tamin'ny fotoana nanombohan'ny niverenan'ny Jiosy tany Palestina ka niombonan'ny firenena arabo hiady sy hanafoana an'Israely... ka hatramin'izao isika misera etoana izao...
LD:
Inona no hiseho manaraka an' izany?

“Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho." Zakaria 12:9

"Jentilisa" izany ireo firenena hamely an'i Jerosalema voalaza etsy ambony. Inona ny dikan'izany hoe "jentilisa"?
... Ny hiseho dia ny fanombohan'ny andro fahoriana... vao izay ny fihavian'i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra...

Ny atao hoe jentilisa amin'ny ankapobeny, (raha ny teny hebreo sy grika no itarafana azy) dia azo faritana ireo hoe : ireo firenena grika sy masedoniana, zanatany rômana tamin'ny fotoan'androny no niaingany... dia vao izay ireo firenena rehetra tsy Jiosy nefa nifanerasera akainy tamin'izy ireo... ary taty aoriana dia izay rehetra tsy fiangonan'Andriamanitra no natao hoe jentilisa... ary ankehitriny dia azo fehezina hoe izay tsy manana an'i Kristy na koa tsy kristiana...
LD:
"Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany." Zakaria 12:10

Iza moa io nolefonin'ny taranak'i Davida sy ny mponina ao Jerosalema io? Inona no ilana ilay "fanahin'ny fifonana"?
... iza tokoa re ilay nolefonina tsy i Kristy? eo no miasa ilay fanahin'ny fifonana satria ny iray firenena taminy ihany no nanombo Azy... ary eo no mahafirenena masina ny zanak'Israely sy ireo rehetra izay mandray an'i Kristy...

Indrisy ry Laza fa maro no tian-kambara fa ireo aloha no tonga an-tsaina avy hatrany...

Angamba tsy mahafapo sy tsy mahavaly ny tianao ahatongavana fa dia miandry ilay tena fanazavàna marina tianao ambara...

31. LazaDaddy ( 30/01/2008 07:07)
angamba mila hanokafana adihevitra iray vaovao i Jerosalema fa betsaka koa ny manitikitika momba azy :)
32. prime ( 30/01/2008 08:32)
Marina izany... sady manantena ny tena fanazavàna feno avy aminao...
33. LazaDaddy ( 30/01/2008 12:27)
Prime> ilay hoe fanazavana "feno" avy amiko angamba tsy ho "feno" fa sombintsombiny ihany ny fahalalantsika.

Ilay hanazava amin'ny antsipirihiny angamba tsy dia mendrika loatra eto amin'ity sehatra ity satria...(1Kor9:19-23)

Efa imbetsaka nieritreritra an'io "fanazavana" io tokoa aho fa araka ny traik'efa hitako, dia tsy misy tadidin'ny olona loatra ny zavatra "hazavaina". Fa ny tsara dia "guider-na" izy hikaroka ho azy manokana. "Guider-na" hoy aho satria tsy avela ho diso lalana koa izy fa ampiana tsikelikely amin'ny karazam-panontaniana isan'ambaratongany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0553