TSY HO LASA LAVITRA I BAREA

1. tontavao ( 09/01/2008 19:50)
Raha toy izo foana no ifantenana ny mpilalao ao amin'ny Barea dia nofy izany mba ho lasa lavitra izany.
BAREA d'ANALAMANGA no misy eto fa tsy BAREA DE MADAGASCAR mihitsy akory.
MBA MILAZA HOE IANAREO HOE IZA AVY NO MPILALAO AVY ANY AMIN'NY FARITANY AO AMIN'NY BAREA AO? Raha misy dia roa na telo angamba amin'izay dia tsy mahazaka kianja akory ohatra i Ali.

Ry Vaoavy Paulin sy ry BRUNO ANIE KA EFA AZO LAZAINA HO TANANARIVIEN IHANY E. Toy ny mambra ao amin'ny governemanta ihany io ka tsy mahagaga.
novalian'i ronaldo09 ny 21/01/2008 11:15
2. vakiniadiana ( 10/01/2008 05:10)
Izay mahay no jerena fa tsy hoe tsy maintsy asiana daholo avy @ faritra e, izao aloha no niveau an'ny Barea na ratsy na tsara fa aza ampidirina @ resaka faritra ilay izy. Sa ise te ho ao ? :D
3. kiadi ( 10/01/2008 08:25)
marina ny an'i vakiniadiana ! raha vô asina resaka oe tsy maintsy ao doly ny foko 18 de lasa resaka politika ny dikan'izay ! de raha izay fona nefa no atao de tsy androso io ! zay mahay no raisina fa tsy misy oe nareo "tana" !
4. DMX ( 10/01/2008 08:38)
efa misy fihatsarana ny BAREA matoa lasa alohan'ireo nosy manodidina antsika reo ry zalahy a , taloha anie tsika ka tana aorinan'ny Maurice sy la Reunion e ! tsy efa misy fivoarana ary ve zany !
5. ronaldo09 ( 10/01/2008 12:32)
Za aloha dia manome marina 100% an'i tontavao satria hatramizay dia toa tsy mba manana eritreritra ny hidina any ambany vohitra na any amin'ny faritany ny mpanazatra fa dia mijanona ao an-drenivohitra ka izay gasy te hilalao ao amin'ny Barea dia tsy maintsy miakatra any an-drenivohitra vao lasa!
Raha jerentsika ny Bresiliana ,i Brasilia no renivohitra fa ireo bandy nalaza na malaza amizao fotoana izao dia saika avy any amin'ny faritra daholo ,ohatra i Ronaldo avy any Dadado (Rio de janeiro) i Ronaldinho :avy any Porto alegre,i Robinho avy any Rio de Janeiro ,Roberto Carlos avy any Sau Paulo ,i Rivaldo avy any Ricife ,i Bebeto avy any Salvador sns ...Ny avy ao Brasilia dia tena vitsy dia vitsy ary amizao fotoana izao dia i Kaka sy Lucio no mpilalao avy ao an-drenivohitry Bresil...
Ndao ndray isika ho any France ,jereontsika ireo mpilalao sangany ao France Mpiavy aloha ny ankamaroanay ary ny 90% n'ireo tena Frantsay dia tsy misy avy ao Paris na nilalao tao Paris afa tsy i Landreau mpiandry tsatokazo irery ihany...
Ka hoy aho hoe ny fifantenana dia eran'ny Madagasikara mihitsy no jerena ary be ange ry zareo no mahay baolina fa tsy manana possibilite ho any an-drenivohitra .
Maninona moa no nivoatra ny ary nanana ny lanjany foot ball malagasy tamin'ny les annees 80 satria ilay alemana mpanazatra tena midina any ambany ravinkazo mitrandraka ireo mpilalao ary tamizany no anmpisongadina an-dry Kicky sy Alban ry maitre Kira sns ...Tantara izany satria mbola tsy teraka ny tenanay tamizany fa fantatra ary ireo zoky ray aman-dreny no nitantara...
Koa hoy aho hoe Foot ball Malagasy mbola aotra amizao ary mila politika maty paika io vao lasa fa isika aloha tena mahay ary manantalenta fa io lazain'i tontavao io no lesoka!
6. ravatorano ( 11/01/2008 14:14)
mahay fa tsy ampy traikefa ve izany
sa mahay fa tsy ampy mpilalao avy any ami'ny faritra sy avy any ambanivohitra sy ambanivolo ary avy any ambala !
7. tontavao ( 11/01/2008 15:15)
Ny mpilalao eto Tanà dia mahay sy kinga fa ny lazaintsika tsy ampy matetika dia ny toe-batana. Ny any amin'ny faritany rehetra any dia ny baolina kitra no mba hany misy any, mazava izany fa mety hisy manana talenta miavaka any tokony hampiana tosika kely fotsiny dia ampy .
Be dia be ny boay kely manana fahaizana sy vatana fa tonga eo amin'ny renivohitry ny commune dia hatreo ihany fa tsy lasa mankaiza akory KA LASA MIVERINA MISOTRO TOAKA SY manenjika vehivavy no atao asa amandraharaha avy eo.
Ka izao no hevitra aroso: Tokony handehandeha ny selectionneur fa tsy hijanona eto Andrenivohitra fotsiny satria Equipe nationale io fa tsy ekipan'ny FARITANY AKORY.(Tsy tanà sy Antsirabe ihany no misy joueurs tsara)
TOKONY IZAY NO ANDANIANA VOLA BETSAKA NY HANDEHANAN'NY MPANAZATRA MANDEHA HATRANY ANATY ALA REHETRA ANY.
8. Samoana ( 12/01/2008 07:56)
ronaldo09:
...foot ball malagasy tamin'ny les annees 80 satria ilay alemana mpanazatra tena midina any ambany ravinkazo mitrandraka ireo mpilalao ary tamizany no anmpisongadina an-dry Kicky sy Alban ry maitre Kira sns ...Tantara izany satria mbola tsy teraka ny tenanay tamizany fa fantatra ary ireo zoky ray aman-dreny no nitantara...


Marina fa nahavita zavatra ingahy Schnittger t@ izy nitantana akaiky ny club M. Tsy ampy anefa ny fahaizan'ny mpanazatra fa tsy maintsy niampy ny talentan'ny mpilalao koa.Ary namirapiratra nikoizana mihintsy Kiki sy Alban. T@ izany andro izany raha tsy diso ny fitadidiko dia somary ossature Fortior/Sotema ny ekipa nationalintsika. Tsy tsaroako nitaraina anefa ny "Analamanga" na dia remplaçant matetika aza i Mikakely st michel.Hipoka i Mahamasina isak'izay milalao ny club M.Antenaiko fa mbola hipoka koa ny tribune rehetra na aiza na aiza faritra ilalaovan'i Baréa.
Ny tiako tenenina dia izao:tsy ny maha-analamanga ranofotsiny azy no ahalasa lavitra na tsia ny ekipantsika. Tokony omena fahatokisana hatrany ny sélectionneur na avy ao analakely io na avy @ akon'Ambatomena manontolo no ifidianany ny mpilalao. Tsy maintsy miezaka hanao izay vitany izy araky ny moyens eo am-pelantanany satria tsy mbola manana drafitra mafy orina miainga @ ambaratonga ambany ny federationa malagasy. Efa maro ny manao ezaka momba ny école de foot (Oh. Maitre Kira any Toliary sy ny sisa tsy ho voatanisa) ka tsara ampiantsika tia kitra ireny fa tsy mijanona mitsikera fotsiny raha tiana handroso lalindalina tokoa io taranja io


9. Samoana ( 12/01/2008 08:06)
tontavao:

...Ka izao no hevitra aroso: Tokony handehandeha ny selectionneur fa tsy hijanona eto Andrenivohitra fotsiny satria Equipe nationale io fa tsy ekipan'ny FARITANY AKORY.(Tsy tanà sy Antsirabe ihany no misy joueurs tsara)...


Contrat no nomena ny selectionneur. Ary io contrat io dia misy fe-potoana hanatanterahany azy. Raha tsy dia afaka mietsika an-drenivohitra izy mazava ho azy fa tsy hitady lavitra satria à court terme ny andraikitra sahaniny. Tsy ny idéaly tadiavin'ny rehetra no tanteraka mazava ho azy saingy tsy afa -manoatra izy. Saingy mahatoky azy isika na izany aza satria ny baolina boribory:wink:


10. tontavao ( 12/01/2008 14:10)
mety ho marina ny voalazanao fa na contrat aza ny azy tokony tsy hanaiky be fahatany contrat nefa tsy ahavitana zavatra izy,
Nivoaka ny lisitra androany: 100% ex-province Antananarivo , ankoatra ireo expatriés. Ka tsy misy mihitsy ny maha-equipe nationale azy fa dia mitovy amin'ny club tsotra ihany ilay izy.
Ny an'olona equipe nationale ny antsika sELECTION adema-japan-Ajesaia'Akademia ny antsika no asaina hifanadrina amin'ny Equipe nationalen'ny Cote d'ivoire, mifanalavitra be izany.Na dia ny toetsain'ny joueurs fotsiny mety ho voa amin'izany. SATRIA TSY DIA MISY FAHASAMIHAFANA ao fa ny JOUEURS Mpifanandrian isan'andro no sady mifankahita isan'andro ihany no miara-milalao. Tsy ao ilay fahasamihafana tokony AMPIFAMENOINA.
11. jorandys ( 19/01/2008 15:45)
Tsy mahay daholo ve zany ny avy any amin'ny faritany?
12. ronaldo09 ( 21/01/2008 11:15)
Zay le nolazaiko tery ambony e!Tsy ho lasa lavitra io ekipan-tsika io ,ny any Dago ange mba milamina fa ny aty zao mandeha ny CAN dia mifanala ny samy afrikanina hoe fa ahoana marina ianareo gasy no tsy mandray anjara amin'ny CAN?Dia misy ny mpananihany hoe :Fady baolina ny any Madagasikara ka izay no tsy anaovan-dry lerony!
Io hoy aho dia tsy misy afa-tsy izay fidinana any amin'ny fariteny izay ihany no hampiroborobo io baolina kitra Malagasy io ary raha hifantina mpilalao dia mba olona 1m 80 farafahakeliny no sintomina fa tsy bandy 1m 50 no atao defenseur central!Ny avy any Diego ,Toliara ,Majunga anefa no manana an'izay toe-batana izay ka izay indrindra no ilana ny fitrandrahana mpilalao avy any ambany ravin-kazo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1809