Olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray

1. niryna ( 09/01/2008 07:15)
11 Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona afa-tsy ny fanahin'ny olona izao ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.

12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.

13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay.

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.

15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.

16 Fa "iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy?" (Isaia 40:13) . Fa izahay manana ny sain'i Kristy.
1 kor 2

Ny Fanahin'Atra izany no tena mandray anjara betsaka mitaridalana ireo mpino Azy,fa raha tsy manana ny Fanahiny dia tsy mahafantatra sy tsy afaka hizara izay tiany sy ambarany?

Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra;fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.

Dia ahoana izany ?

novalian'i celesy ny 28/01/2008 08:35
2. diamondra27 ( 09/01/2008 08:43)
Rehefa tsy feno ny Fanahy Masina ny olona dia mandeha araka ny nofo izy izay.

Tsara ho fantatra izany aloha hoe: ahoana izany mandeha araka ny nofo izany:
I Kort 3:1-4
Galatiana 5: 19-21
I Kort 1:10-13
I Kort 11:17-34

Ny mandeha araka ny fanahy dia:
I Kort 2:15
Gal 5:15,16
Gal 5:22-26
Efes 6: 18-21

3. diamondra27 ( 09/01/2008 08:52)
Dia raha tsy ao aminao ny fanahin'Atra dia tsy afaka ny handeha araka ny fanahy arak'ireo voalaza etsy ambony ireo ianao.
Noho izany dia mila manavao isanandro isanandro isika mangataka io Fanahy Masina io mba handehantsika araka ny fanahy.
4. prime ( 09/01/2008 09:05)
niryna,diamondra 27> Misaotra anareo mirahavavy dia misaotra an'Andriamanitra indrindra amin'izany fampahatsiahivana sy fampianarana entinareo izany...
5. nandrianina1 ( 09/01/2008 13:20)
ie misotr anareo
fa misy fanontaniana kely asafady
aona kay no ahaizana mizara le azonao tao @ SM androany refa miala ao antrano iny enao de mamonjy asa aman-draharaha fanao isan'andro
(stupid question b le iz ary fantatro zany)
fa zawa otrany typen'le voalaza ao @ Matio 13:21-22
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=13&andininy=1-30&dika=
de aona kay ny ataonareo any @ fiainanareo any?
help pls!!
6. niryna ( 09/01/2008 16:03)
diamondra27:

Dia raha tsy ao aminao ny fanahin'Atra dia tsy afaka ny handeha araka ny fanahy arak'ireo voalaza etsy ambony ireo ianao.
Noho izany dia mila manavao isanandro isanandro isika mangataka io Fanahy Masina io mba handehantsika araka ny fanahy.

marina tokoa izany,misaotra aky a

7. niryna ( 09/01/2008 16:04)
prime:

niryna,diamondra 27> Misaotra anareo mirahavavy dia misaotra an'Andriamanitra indrindra amin'izany fampahatsiahivana sy fampianarana entinareo izany...

Tsy misy fisaorana e,hianao koa no hisaoranay mizara ny tenin'Atra eto :-*

8. diamondra27 ( 09/01/2008 16:13)
21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.

22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

Voalohany indrindra raha nanao meditation ianao de tokony nangataka mba tena hiasa ao aminao le teny.
Faharoa: Mba tena ny Fanahy Masina no mampianatra, mi-guider anao izay voasoratra mba tsy ho diso ny hevin'ilay teny voavakinao FA tsy araky ny fahalalanao na izay tianao ho re ihany no henoinao.
Fahatelo: mangataka mba ho mpakato ny teny
Fahaefatra: raha miala ny trano ianao dia mivavaha hoe: ity SM ity no azoko androany dia tiako ho zaraina amin'ny manodidina ahy ka atolory ahy Tompo izany olona izany ary aoka ianao no hiasa ato amiko fa tsy izaho.
________________________

misy izany teny azontsika de henoina fotsiny de zay
misy teny henoina fa tsy tena lalimpaka ilay izy satria mbola te hanao ze mafinaritra ny fonao sy ny sainao ihany enao
misy koa teny tena tafita soa le hafatra ary io no angatahin'Atra amintsika mba tena tafia le hafany ary raha tafita de misy vokany izany
Tadidio fa raha misy tenin'Atra 1 ao anatin'ny baiboly inoanao , angatahinao mba hiasa @ fiainanao , tokony hisy vokany @fiainanao iny na koa koa hoe valiny nagatif ilay izy eny fa na de mila faharetana aza ny valiny fa matoa mbola tsy misy valiny de izao hoe: tsy tena nivavaka tao amponao ianao izay fa nangataka comme ça fotsiny
de tahaka io volazan'ny andinitsoratra masina lazainao io we: tsy mari-pototra de tsy namoa

Mangataha mba ho tena mpamafy ny teny ianao

Raha misy ol ùmangtaka zavatra am ny anarako araka ny sitrapoko hoy Jesosy dia hahazo izany izy.
Minoa fotsiny ihany , manandràma fa hiasa ao anatinao ny Tompo.
9. nandrianina1 ( 09/01/2008 17:19)
no comment io

fa zao le izy otrany we adinodino wazy zany le izy refa mande joli le fiainana

fa refa voadona voa tena milentika tsra le Soratra Masina fanampin'izany ko indrindra refa mifandraika@ situation misy eo@ fiainanao le izy

@iny ndrindra de tena hay tsara mintsy le mizara satria experience knou!!

misotra alou @ practice io e!
10. niryna ( 09/01/2008 18:49)

misaotra nizara e

11. niryna ( 09/01/2008 19:04)
Nandrianina1 a>
21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
io SM io dia manambara fa tsy tena mino tanteraka na minoino kely ilay olona,mila mandalina izany,mamaky ny tenin'Atra ary mangataka ilay fanahy masina hampianatra sy hanazava ilay teny tiana ho fantatra.Mivavaka foana no tena experience hitako,na amin'inona izany na inona ary dia mangataka amin'Atra ny omeny ilay fanahy masina.
Maninona tokoa ny sasany omeny ary ny sasany tsy omeny?
Experience ilay izy,manatona Azy,mivavaka amin'ny fo satria ny fony na koa hoe ny fanahin'Atra no mifandray amin'ny fanahintsika.Ny dikany ny vava no miresaka fa tsy misy na zavatra na inona na inona mety ho endrika anampiana an'izany.Io dia antony iray mety tsy ahazoana ilay fanahy.
Mifona ary miaiky tokoa fa tsy olo-marina:lazao azy ny zavatra fantatrao sy tadidinao fa tsy nety dia hifono aminy izany,tsy io foana akory no averimberina a.Isan'andro isika dia mety ho tafintohina ary izany no maha nofo sy ra amintsika dia mifona indray. :roll:
Arakaraky ny hamakiana ny teniny,henoina ny hafany,miaraka amin'ireny olona mahalala sy manana experience ny fivavahana ireny ary miaraka mivavaka,io no maha mora amintsika sy mahatonga antsika mahita fihovana.
12. fijo ( 09/01/2008 22:24)
dia hiteny indray i hery fa ny tsy mpino no mitory teny misarika ny olona eto izao an.
13. cutie ( 09/01/2008 23:20)
:-D
14. fijo ( 09/01/2008 23:22)
ko jereo io toriteny lava be io ko
15. cutie ( 09/01/2008 23:54)
efa hitako :-D
16. nandrianina1 ( 10/01/2008 03:55)
DIAMONDRA:
Mangataha mba ho tena mpamafy ny teny ianao

NIRYNA:
miaraka amin'ireny olona mahalala sy manana experience ny fivavahana ireny ary miaraka mivavaka,io no maha mora amintsika sy mahatonga antsika mahita fihovana.

niryna sy diamondra> otran'ny olon-drehetra ihany ve nareo any @fiainan an-dravanandro sa de hita mintsy we miavaka @ lafiny rehetra /oh we tsy mba mananihany ve? tsy mba miara-mivanitika @namana? sa d tena matotra b fona?

za mantsy arakaraky ny manodidina ana ny fihetsiko ra maontina b oh de mahay montina ko za
ra be resaka de mihaino fotsin za
ra vhv na lhl dbd de otran'zay ko
otran'ny tanalahy e!tanavavy mantsy e!

de mba hazavao ndray we ny hevitrareo momban'io
17. niryna ( 10/01/2008 04:38)
fijo:

dia hiteny indray i hery fa ny tsy mpino no mitory teny misarika ny olona eto izao an.

tsy maninona ka,malalaka be ity ka izay te hiteny dia afaka daholo,mifanaja fotsiny angamba dia izay.
18. niryna ( 10/01/2008 04:45)

22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

araka ny sm eto dia nafafy teny rehetra teny ilay teny na misy olona izany naheno saingy tsy nanana finoana izy,mbola te-hanao izay tiany atao ihany na fantany aza fa tsy mety ilay izy,dia tsy mandray izy,misy ny fony mihitsy koa no mihamafy sy tsy tia hihaino ilay teny dia henoy izany ry hazondamosina.Misy hery manageja azy dia ny fiainana izay mbola tiany atao. Na inona na inona zavatra ka ataontsika ambony noho Atra dia izay dia efa harena mangeja antsika. Izay no fahazoako io teny io

19. niryna ( 10/01/2008 04:56)
[quote=nandrianina1

fa zao le izy otrany we adinodino wazy zany le izy refa mande joli le fiainana
[/quote[ ka fomban-javatra io,tsy hianao irery Izay ilay hoe filan'ny nofo,ary isika nofo aman-dra.
Dia andramo indray ny mifanohitra an'izany? Misaora an'i Jehovah ny fanahiko ary izay rehetra ato anatiko ,misaora ny anarany masina. Misy fifaliana ao aminay ,misaora Azy,nahazo fahasoavana ,midera ny Anarany

fa refa voadona voa tena milentika tsra le Soratra Masina fanampin'izany ko indrindra refa mifandraika@ situation misy eo@ fiainanao le izy
tsara izany ka,misy mifanohitra an'izany indray ,rehefa misy mahazo azy dia mandositra an'Atra izy.Ilay hoe voadona dia tena tsara mihitsy satria mahafantatra fa tsy irery isika ary mahafantatra koa fa manankina ny fiainany any aminy .

@iny ndrindra de tena hay tsara mintsy le mizara satria experience knou!!

Izay ilay fijoroana vavolombelona.Ho an'ny mpino dia mino aloha dia avy eo manaiky Azy dia manao ny asany ,ho an'ny tsy mpino mitady sy mila experience foana izy ka dia tsara izany,aza hiandrasana hisy mahazo kosa aloha vao mitory an :D vazivazy ny ahy io a:-*

misotra alou @ practice io e!

Tsy misy fisaorana ,avy amin'ny fihainoana ny teny no hitadidiana azy,avy amin'ny famakiana ny teny no hiresahan'ATra antsika ,ary avy amin'ny vavaka no hiresahantsika amin'ATra.Koa ataovy ao am-po izany vavaka izany,raha manandrana isika ka tsy mampiasa na inona na inona dia ahatsampa tokoa fa tonga ao amintsika ny fanahin'i kristy.Andramo,vakio ny baiboly fa io no teny sy hafany izay olana rehetra dia voavaha ao daholo

20. niryna ( 10/01/2008 05:21)
fijo:

ko jereo io toriteny lava be io ko

dia dingano fotsiny ry toi a

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2276