Olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray

21. niryna ( 10/01/2008 05:48)
nandrianina1:

[quote=DIAMONDRA]Mangataha mba ho tena mpamafy ny teny ianao

NIRYNA:
miaraka amin'ireny olona mahalala sy manana experience ny fivavahana ireny ary miaraka mivavaka,io no maha mora amintsika sy mahatonga antsika mahita fihovana.

ireny olona manana mandray zavatra amin'ny lafiny tsara ireny foana hiarahana fa mifindra ilay toetra ratsy sady lasa mihitatra toy ny sima misioka ny resaka .

niryna sy diamondra> otran'ny olon-drehetra ihany ve nareo any @fiainan an-dravanandro sa de hita mintsy we miavaka @ lafiny rehetra /oh we tsy mba mananihany ve? tsy mba miara-mivanitika @namana? sa d tena matotra b fona?
toy ny olondrehetra ihany ka.
Fa ny zavatra tsikarotro fotsiny dia tsy tapaka olona aho manatona manontany hevitra na azy na an'ny namany,indraindray aza omeny ahy eo ny telefonina miresaka ilay olona.
Izaho indray dia tena mpivanitika.Ary rehefa tsy miasa aho hoy ny ankizy dia mangina.Tsirairay io tohetra io aky a,tsy mba tezi-dava izany aho ary mora mamela heloka sy mahay mifandray ny rehetra.Raha misy zavatra mampihomehy ahy izao dia zaraiko iny dia miara-mivanitika eo daholo izahay rehetra.Korana foana e,tia mifandray amin'olona ary maro no fantatro sy mahafantatra ahy satria aho miarahaba foana.Ny loza dia tsy misy fantatro ny anaran'ireo olona miara-miasa amiko raha tsy eo amin'ny toerana misy ahy fa eny rehetra eny.
fa raha ny ahy no asiako teny dia tsy mba baikona aho na antsoina manao zavatra raha miasa,tonga dia fantatro ny ataoko ary mahita zavatra hafa foana aho,manao zavatra amin'ny fo izany ary tena hita mivaingana mihitsy ilay izy.Misy marary na misy maty na misy mila vonjy dia mandray anjara foana aho ary tia mitarika ny olona,na mividy CP ohatra dia manisy vola kely eo dia mitety ny mpiara-miasa izay te hanoratra hanome hery ilay marary.Matetika isaky ny misy zavatra dia izaho foana no irahin'ny lehibe na mampianatra olona satria manana faharetana aho,nianarako io fa tsy tongatonga ho azy a.Manao fety izahay dia manao sakafo tsakitsaky noforoniko aho ohatra dia hoentiko any am-piasana eny fa na dia andro tsy niasako aza io fotoana io dia nolaniako niarahako ny namana.Maro e,samy manana ny fiainany fa izaho tia mizara sy tia manampy ary tia mandray anjara amin'ny zavatra izay fantatro fa vitako sy mahafinaritra ahy.
Dia izay.

Tsy aiko ny manazava azy aminao fa misy endrika faly sy tia mifandray amin'ny olona na mpino na tsy mpino ary feno fitsikiana sy zavatra mampihomehy foana izahay ao am-piasana rehefa miaraka amiko.
Izay ilay izy,ary tena vetivety foana ny fotoana amiko dia vita ny asako. :D


za mantsy arakaraky ny manodidina ana ny fihetsiko ra maontina b oh de mahay montina ko za
ra be resaka de mihaino fotsin za
ra vhv na lhl dbd de otran'zay ko
otran'ny tanalahy e!tanavavy mantsy e!
Tsy misy maharatsy an'izany,ny ahy dia tsy tia mifosa na mitsikera olona aho na miteny ratsy fa manaja tena ary mahay mifandray amin'ny rehetra.Na tsy mpino aza dia manotany an'Atra dia miresaka eo izahay.Ohatra hoy ilay rangahy bodista hoe ny anareo Atra marobe ny olona sahaniny ,ny anay manana Atra marobe izahay ,Atra kely indrindra ohatra mitsinjo ny toerana madinika dia miakatra ny fokonolontany dia ny fivondronana dia ny faritany dia Madagasikara .Maro be hono ny azy ny Atra. :roll: Dia miresaka eo.

de mba hazavao ndray we ny hevitrareo momban'io

Ny fiarahana amin'ny olona maro dia ahitana zavatra tsy fahita sy mety tsy niainana,saingy anjaranao ny mitazona ny maha hianao anao,manaja azy ireo fa raha ohatra kosa hoe mpiteny ratsy be sy mpifosa olona ilay olona dia mazava ho azy fa mifampiarahaba fa tsy hitango resaka eo aho,toy izany koa rehefa miresaka aho dia tsy mifosa olona ka rehefa miresaka amiko ireny olona ireny dia ovaiko ny resaka na tonga dia tsoriko hoe tsy afaka hifosa ny hiresaka an-dranona izany aho satria tsy eto akaikintsika izy hisolo vava.Dia lasa mandeha ho azy ilay izy,dia tsy mifosa ny olona.Sarotra fa saingy amin'ny fo feno fitiavana ihany koa no azontsika hiresahina indrindra rehefa manontany hevitra ny olona dia manome ny marina isika fa tsy miantsaravelatsihy.

22. niryna ( 10/01/2008 06:49)
Ity koa misy fanazavana iray

21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
mbola mievaeva tsy mafy orona dia rehefa misy fisedrana kely dia kivy sy ketraka fa tsy mahatazona na mahajoro fa malady trotraka sy kivy.


22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

alaiko ohatra hoe ny filokana ,ny sigara,ny fikasiana tanana ,ny toaka,ny fanitsakitsahana ,ny fahazaran-dratsy ireo dia ohatra mety mangeja ka tsy mahatohitra ilay fakampanahy na tsy afaka manoatra izy dia miverimberina foana.
23. nandrianina1 ( 12/01/2008 03:01)
nyrina:
ireo dia ohatra mety mangeja ka tsy mahatohitra ilay fakampanahy na tsy afaka manoatra izy dia miverimberina foana.

niryna>tsy@ reo le tsilo mangeja
24. niryna ( 12/01/2008 04:57)
nandrianina1:

[quote=nyrina]ireo dia ohatra mety mangeja ka tsy mahatohitra ilay fakampanahy na tsy afaka manoatra izy dia miverimberina foana.


niryna>tsy@ reo le tsilo mangeja

eny, e hianao ihany dia mahafantatra azy ka.
:D ohatra hoy aho fa firifiry moa aky ity zavatra hiainana isan'andro?
Ny teny tiana ho tenenina izany dia moramora ho an'ny mahantra ny miditra ny fanjakan'ny lanitra noho ireo olona izay manambe satria tsy mahafoy ny harena(fanoharana nataon'i kristy io ao amin'ny (LK 18:24-26)
Ny mahantr'izao tontolo izao ,izany hoe izay miaraka amin'i kristy dia manankarem-panahy eo amin'ny kristy satria mahafantatra fa Izy no Famonjena.Ny manan-karenan'izao tontolo izao dia mahantra ara-panahy eo amin'ny kristy satria tsy mahafoy ny filan'ny nofo,ny harena,ny fanompoan-tsampy ny atra hafa sns.:cry:
Ary isika dia mila manohitra izay zavatra izay tsy tokony atao noho ny lalana nomeny ary miezaka ny andeha amin'ny fahamarinana sy fanarahana ny didiny,tsy mora kanefa raha tsy manandrana koa ahoana no ahafahanao miaina amin'ilay izy?
Izao e,raha fantatrao fa misy tsilo na zavatra manosika na vato misakana aminao anatona an'i kristy dia mivavaha ary mangataha aminy mba ahatohitra izany hianao.Tsy mora fa hoy izy hoe izay mangataka dia omeny,izay mitady dia ahita ary izay mandombaravarana dia ho vohana.
25. diamondra27 ( 12/01/2008 08:40)
nandrianina1:

DIAMONDRA:
Mangataha mba ho tena mpamafy ny teny ianao

NIRYNA:
miaraka amin'ireny olona mahalala sy manana experience ny fivavahana ireny ary miaraka mivavaka,io no maha mora amintsika sy mahatonga antsika mahita fihovana.


niryna sy diamondra> otran'ny olon-drehetra ihany ve nareo any @fiainan an-dravanandro sa de hita mintsy we miavaka @ lafiny rehetra /oh we tsy mba mananihany ve? tsy mba miara-mivanitika @namana? sa d tena matotra b fona?

za mantsy arakaraky ny manodidina ana ny fihetsiko ra maontina b oh de mahay montina ko za
ra be resaka de mihaino fotsin za
ra vhv na lhl dbd de otran'zay ko
otran'ny tanalahy e!tanavavy mantsy e!

de mba hazavao ndray we ny hevitrareo momban'io



___________________________

ndry koa aky mampime ka

ny fiainako andavanandro dia mitovy tahaka ny rehetra ihany aky : mivanitika, malahelo, serieuse snsn fa samy manana ny fotoany avy ireo.
Izany no ilazako we mila manolotra ny tenanao isanadro @ Tompo ianao.
Tadidio kosa anefa fa na inona na inona ataonao dia aoka hanome voninahitry ny Tompo ianao

Raha sendra latsaka anaty fakampanahy ianao dia mivavaha haingana mba ho pardonné ny Tompo am zany ary tsy ho tratran'zany intsony.
Ka zay no mahatonga ilay teny we na ianao mandeha ara-nofo na ara-panahy.

Tsy ary voatandrinao daholo ny tenin'Atra ao anatin'ny 1 andro, ny fihetsikao , ny vava navoakanao , ny fijerinao , ny asanao , sns sns @ ireny rehetra ireny dia mety manota ianao ary mila miambina mandrakariva.

Ny fiarahana @ Atra dia tsy hoe: alahelo na hoe inona fa fifaliana lalandava sinon c'est pas intéressant.
I tes 5:17 "Mifalia mandrakariva"
Raha tsy manampifaliana ianao de ny devoly izay no miasa aminao. Koa aza manaiky fa mifalia foana na inon na inon miseho.
Misy moment anefa ianao mety temps mort, nangatsiaka , asa noho ny fiainana sns fa refa tonga saina am zany ianao dia mila mibebaka indray ary manolotra ny tenanao tahaka ilay t@ voalohany nanoloranao tena ho an'i Tompo iny ary mangataka mba tena ampiasain'i Tompo araka ny sitrapony.
izany no atao hoe réveil spirituel

26. diamondra27 ( 12/01/2008 08:44)
nandrianina1: saika adinoko
raha resaka fivavahana de tena à fond aho fa raha resaka hafa ankoatran'io dia misy ny vazivazy, hanihany isankarazany ary misy limite-ny izany .
27. niryna ( 13/01/2008 07:11)
diamondra27:


ndry koa aky mampime ka

ny fiainako andavanandro dia mitovy tahaka ny rehetra ihany aky : mivanitika, malahelo, serieuse snsn fa samy manana ny fotoany avy ireo.
Izany no ilazako we mila manolotra ny tenanao isanadro @ Tompo ianao.
Tadidio kosa anefa fa na inona na inona ataonao dia aoka hanome voninahitry ny Tompo ianao
ary izany no mahatonga ny kristiana sarotra indraindray no miaina satria izay zavatra ataonao dia tokony ataonao ho an'i kristy.
Reraka hianao amin'ny fnankorontanan'ny ankizy ny trano?Tsy mila mivazavaza intsony fa manao amin'ny fo,ny ahy aloha dia ny radio no mandeha eraky ny trano amin'izay aho tonga ny fiteny hoe asa atao an-kira toa vita toa tsy natao.
Izay zavatra rehetra ataoko ny ahy dia ezahiko ataoko amin'ny fo,ataoko ao anatin'ny eritreritra hoe ho an'ilay kristy malala ity.
Aleo manao toy izay be baikobaiko sy miteny lava dia ataoko amin'ny fo ilay izy dia tsy marary intsony koa ny foko.
Mora potehina ny fiainan'ny kristiana satria izay zavatra atao rehetra dia tsy maintsy misy olona mitsongoloka foana hoe ireny hono no mba kristianina ,ary io dia tsy miala amin-dra olombelona :D

Raha sendra latsaka anaty fakampanahy ianao dia mivavaha haingana mba ho pardonné ny Tompo am zany ary tsy ho tratran'zany intsony.
Ka zay no mahatonga ilay teny we na ianao mandeha ara-nofo na ara-panahy.
sady lasa mora mamela heloka olona koa aky a,fa tsy mitazona am-po intsony :D

Tsy ary voatandrinao daholo ny tenin'Atra ao anatin'ny 1 andro, ny fihetsikao , ny vava navoakanao , ny fijerinao , ny asanao , sns sns @ ireny rehetra ireny dia mety manota ianao ary mila miambina mandrakariva.
toy ny misakafo isan'andro io ary dia vokisana ny tenin'Atra ihany koa ny fanahy isan'andro

Ny fiarahana @ Atra dia tsy hoe: alahelo na hoe inona fa fifaliana lalandava sinon c'est pas intéressant.
I tes 5:17 "Mifalia mandrakariva"
Raha tsy manampifaliana ianao de ny devoly izay no miasa aminao. Koa aza manaiky fa mifalia foana na inon na inon miseho.

Izay fifaliana sy fiadanantsaina izay dia tsy azo avy amin'ny vola na harena fa avy amin'i kristy irery.

Misy moment anefa ianao mety temps mort, nangatsiaka , asa noho ny fiainana sns fa refa tonga saina am zany ianao dia mila mibebaka indray ary manolotra ny tenanao tahaka ilay t@ voalohany nanoloranao tena ho an'i Tompo iny ary mangataka mba tena ampiasain'i Tompo araka ny sitrapony.
izany no atao hoe réveil spirituel


ka izany tokoa aky no ilaina ny famantaranandro hifohazana fa raha variana matory eo dia tsy mahatsiaro ny hifoha.
Ny zavatra mandalo kely amin'ny fiainana dia misy antony avokoa,fa ny fanekena sy ny fomba hitondrana azy no hafa rehefa apetrako aminy.

28. celesy ( 28/01/2008 08:35)
mba mangataka amin'ny tompo aho mba ho olona haraka ny fanahy, mba andray ny teny izay toy ny voa izay nafafy @ tany tsara sady mahavotra be.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1101