Avelanao amin'izao ve io?
1. niryna
(
08/01/2008 18:55)
Nisy adi-hevitra izahay omaly: Marary mafy,tsy miasa,mikorosofahana ary mitady sakafo vava-homana enina isan'andro izy mivady.Samy tsy miasa izy mivady,nanana ny ampy(vola,harena,fiara,niroba) ary dia foana tsikelikely izany.Mila vonjy izy izao ary dia hoy ilay olona hoe avelanao amin'izao sa omenao raha hianao?
Maty ny reniko hoy izy dia namidiny sy lasany daholo ny fananana rehetra,ny volako fotsiny.
Hoy aho hoe omeo izy
Hoy ilay iray hoe voan'ny nataony izay
Hoy ny iray hoe ,ny ahy ve efa laniny dia omeko indray izy
Hoy aho hoe:jereo ireo zanany ka omeo izy raha mba misy kely.....
Ahoana ny hevitrao?

novalian'i niryna ny 15/01/2008 05:57
5. niryna
(
09/01/2008 05:35)
cutie:
in alou ny idran'ny finoana sy fivavahana @ zany ???
Hay ny idiran'ny fivavahana? dia i kristy nampianatra antsika ny teny hoe
Matio 5:7
7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
38 Efa renareo fa voalaza hoe: " Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify" (Eks.21.24).
39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao.
6. niryna
(
09/01/2008 05:37)
xxx:
ka manina raha ba enao miteny io no manomé
marina izany ,izaho raha manana dia tsy mitsahatra manome,ary tsy asiako nenina ny ahy .xxx angaha tsy mba tia manome olona na mizara? Tsy ho voatery vola ihany anie e :D Fitiava-namana izao dia efa iray :-*
7. diamondra27
(
09/01/2008 09:00)
Amin'izao aloha dia mbola tsy manana fanomezam-pahasoavana mizara amin'ny rehetra ny tenako. Ilaina mandeha ampahendrena ny fiainana fa tsy hoe: izao no lazaina dia na dia tsy manana aza ianao dia mamorona ny tsy misy.
Raha ny fahazoako azy dia efa tsy manana intsony izy ka ataony ahoana ny mbola hanome?
Isika tsirairay avy eto an-tany dia samy manana ny anjara birikiny daholo eo anatrehan'Atra, eny fa na dia dia izay kely vitanao dia zava-dehibe eo anatrehan'Atra izay.

8. prime
(
09/01/2008 09:12)
niryna,diamondra27> Samy mitombina ny fanamarihanareo mirahavavy, raha mbola misy ny azo atao dia tsara hatrany ny manome na dia kely aza... saingy tsy fahamendrehana sy tsy fahendrena eo imason'Andriamanitra ny mamorona ny tsy misy, fa ny tsy fanomezana noho ny zava-misy sy ny antony manokana dia tsy fahotàna ihany koa...
9. niryna
(
09/01/2008 16:00)
niryna:
Nisy adi-hevitra izahay omaly: Marary mafy,tsy miasa,mikorosofahana ary mitady sakafo vava-homana enina isan'andro izy mivady.Samy tsy miasa izy mivady,nanana ny ampy(vola,harena,fiara,niroba) ary dia foana tsikelikely izany.Mila vonjy izy izao ary dia hoy ilay olona hoe avelanao amin'izao sa omenao raha hianao?
Maty ny reniko hoy izy dia namidiny sy lasany daholo ny fananana rehetra,ny volako fotsiny.
Hoy aho hoe omeo izy
Hoy ilay iray hoe voan'ny nataony izay
Hoy ny iray hoe ,ny ahy ve efa laniny dia omeko indray izy
Hoy aho hoe:jereo ireo zanany ka omeo izy raha mba misy kely.....
Ahoana ny hevitrao?
Prime sy diamondra a ka izany no mahatonga ahy hiteny hoe omeo izy,ny zanany no jerena raha mba misy kely eo aminao.
10. niryna
(
09/01/2008 18:51)
diamondra27:
Amin'izao aloha dia mbola tsy manana fanomezam-pahasoavana mizara amin'ny rehetra ny tenako. Ilaina mandeha ampahendrena ny fiainana fa tsy hoe: izao no lazaina dia na dia tsy manana aza ianao dia mamorona ny tsy misy.
Raha ny fahazoako azy dia efa tsy manana intsony izy ka ataony ahoana ny mbola hanome?
Isika tsirairay avy eto an-tany dia samy manana ny anjara birikiny daholo eo anatrehan'Atra, eny fa na dia dia izay kely vitanao dia zava-dehibe eo anatrehan'Atra izay.
:roll: ireo teny soa sy mamy nalefandry ato ireo inona ? :D efa fahasoavana lehibe aky ireo a.:-*:-*
11. niryna
(
09/01/2008 18:55)
diamondra27:ilay olona nanao ratsy azy,iray tampo aminy ,nivarotra ny fananany sy tsy nizara izay tokony ho zaraina fony maty ny reniny anie io olona lasa marary be io e,ilay nanankarena sy niliba ary dia lasa taolana sisa no filazany azy.Io ilay olona mila vonjy.Ilay tsy noraharahiny,nisolokony,nangalariny iray tampo aminy io no manontany .Izay no nahatonga ahy namaly azy hoe ny zanany aky jerena dia omeo izay kely na dia sakafo indraim-bava fotsiny ihany aza.Ampahafantaro azy fa tsy nety ny nataony ary efa namela azy indry sainga tsy andatsa fa mampahafantatra azy mivady ireo ny hampianatra ny zanany andeha amin'ny fahamarinana satria tsy nitondra nankaiza ilay natao.Tsy mety ve izany hoy hianareo?
Raha ny fahazoako azy dia efa tsy manana intsony izy ka ataony ahoana ny mbola hanome?
Isika tsirairay avy eto an-tany dia samy manana ny anjara birikiny daholo eo anatrehan'Atra, eny fa na dia dia izay kely vitanao dia zava-dehibe eo anatrehan'Atra izay.
12. HESHA
(
15/01/2008 05:47)
mety zany saingy mafimafy iany ny hamela zavatra toy izany am maha olombelona ra ny fahitako azy.
metimety kokou le fandraisana le zaza angamba satria ts ireo no nanao ny heloka, ny lehibe ra sahala amiko, tsy voatery hamonjy azy izy raha tsy namela azy. Fa raha mahatsapa ny ratsy fa ho voavela hatrany ny helony, ts aleo ny oul retra ve hoy nareo manao ratsy foana ?

13. niryna
(
15/01/2008 05:57)
HESHA:

:D:D asa aloha ry Hesha fa isika koa anie tsy olo-marina fa mba manana ny kilema sy fahotana ihany koa e.Angaha voavidy vola ny famotsoran-keloka nomen'ny Tompo ho antsika tsirairay azy.
Ny vaovao farany hono dia nomeny vola ihany ity anadahiny ary nitomany hony ilay rangahy nandray ilay vola.Teo no vaovao farany.Ilay nampitomany azy aloha toa tsy nanontaniany hoe fa maninona.:cry: