fanafody OMEGA 3

1. Rakotofaly ( 08/01/2008 14:12)
Manahoana daholo ny mpiserasera rehetra, dia arahabaina tratry ny taona vaovao 2008 daholo isika rehetra.
Ka izao ary e! Mba te ahafantatra ny hevitr'izay olona efa nihinana an'ity OMEGA 3 ity aho, na koa dokotera manana expérience efa nanome olona an'io fanafody io; tsy izany mantsy fa mba te ahafantatra aho hoe tena nisy fiantraikany tamin'izay nihinana ve ilay fanafody. Fanafody calmant (système nerveux: izany hoe ho an'ny olona stressé lava sy anxieux...)mantsy ny fahafantarako an'izy io ka tena efficace ve. Tsy izany mantsy fa tena manimba zavatra be dia be ato anaty vatan'olombelona mihintsy ity resaka tsy filaminan-tsaina ity, ka sao dia mba misy mahita hevitra mba ho fanampiana fa tena efa tafiditra ao anatiny mihintsy. Mipoitra daholo ity karazana harerahana ity, raha misy dokotera moa dia tena mahay azy tsara, ka mba mila soso-kevitra e!!
Misaotra mialoha ho an'izay hanome fanazavana sy fanampiana. N.B Ny service NEURO-PSY ao Befelatanana ihany ve no spécialiste mitsabo momba io ???
novalian'i niryna ny 13/01/2008 06:18
2. booboo ( 08/01/2008 14:39)
euh...tsy fanafody ny oméga3 fa acide gras mpisy @ trondro, margarine, menaky ny colza sns. Ny vatan'olombelona tsy manamboatra oméga 3 nefa ilain'ny vatana io.

Zay ilay antony tokony hanaovana motika ara-pahasalamana foana = ahitana ny raha aby aby ilain'ny vatana ( lipides e, glucides e, vitamines e sns )..
3. xxx ( 08/01/2008 14:51)
marina io lazain'i booboo io hoe mila misakafo ara-pahasalamana, kanefa indraindray efa tena tsy ampy mihintsy ilay izy dia tsy ampy ny mihinana trondro isan'andro ohatra ==> mila mihinana comprimé na oméga-3, dia io angamba no ataon'i rakotofaly hoe "fanafody omega-3"
4. booboo ( 08/01/2008 14:59)
ah dakôdak.
5. penina ( 08/01/2008 19:19)
Resaka memoire no fantatro momba ny omega-3 fa tsy fikorotanan-tsaina.
Nefa mety hisy ifandraisany ihany.
6. fahamarinana ( 08/01/2008 19:27)
xxx:

marina io lazain'i booboo io hoe mila misakafo ara-pahasalamana, kanefa indraindray efa tena tsy ampy mihintsy ilay izy dia tsy ampy ny mihinana trondro isan'andro ohatra ==> mila mihinana comprimé na oméga-3, dia io angamba no ataon'i rakotofaly hoe "fanafody omega-3"



:arrow:za aza zay vao naheno hoe misy comprimé omega3 hoanina izany,ny fantatro fontsiny dia mampiasa menaka fandrahoan-kanina sy beurre aho misy omega3 fa mahasalama ,hono:wink:(l)
7. Rakotofaly ( 09/01/2008 05:44)
Misaotra anao aloha ry booboo nanome fanazavana. Fa tsy haiko ny dikan'ilay hoe " motika ara-pahasalamana", analyses médicales ilay alaina rà ve izany sa inona ??? ary ireo LIPIDES E, GLUCIDES E, VITAMINES E ireo izany no ilaina jerena ny taux-ny ao anaty vatana sa ahoana??? miala tsiny fa tsy mahay ity resaka medecine ity e! Efa mba mpanao analyses ihany aho mantsy (isaky ny 6 mois)fa mbola tsy nahafantatra mihintsy hoe misy izany E izany. Ankoatrizay dia mba omeo hevitra hatrany amin'ity tokony hikarakarana vatana ity (inona koa ny zavatra tena importants ao anatin'ny vatan'olombelona ka ilaina fitilina ???). Misaotra mialoha
8. xxx ( 09/01/2008 09:22)
fahamarinana:


:arrow:za aza zay vao naheno hoe misy comprimé omega3 hoanina izany,ny fantatro fontsiny dia mampiasa menaka fandrahoan-kanina sy beurre aho misy omega3 fa mahasalama ,hono:wink:(l)



Misy eny @ pharmacie ka, ohatran'ny hoe magnésium ...
ie indraindray ohatran'ny efa lasa lamaody koa ilay izy



9. booboo ( 09/01/2008 11:44)
Rakotofaly > motika ara-pahasalamana = sakafo ara-pahasalamana :°):°):°):°):°). ilay hoe " lipides e, glucide e, " dia tsy hoe lipides E na glucides E akory :°) fa vakiana hoe " lipides éééééééé, glucides ééééééé ". :°):°):°):°):°):°)
10. pissoa ( 09/01/2008 19:59)
booboo e :-D:-D:-D
11. niryna ( 13/01/2008 06:18)
Ny Omega 3 dia io voalazan'i booboo io ,hita ao anatin'ny trondro izy io ary manampy amin'ny sela (cell) ao anatin'ny olona.Manampy ny toerana rehetra izay mifandray na ny joint mampalefaka azy sady manala ny taolana mitsakotsako,sy tsy marary ny olona fa misy maina na misy rano ny joint-ny olona sasany ,ka io no manampy an'izany.Ny sardine koa dia ahitana an'io omega 3 io,ny karazana trondro izany e,ka rehefa tsy mihinana trondro dia io no ho anina toy ny vitamine.Manampy ny hoditra ihany koa mitazona ny elastikan'ny hoditra tsy hiroraka vetivety.Misy antioxidant koa ao anatiny ary misy vitamine E ihany koa .Misy ihany koa ny menaka trondro (fish oil)izay ahitana io menaka omega 3 io ihany koa,menaka matavy ilay izy kanefa mahatsara ny vatana,toy ny fihinanana zavoka koa dia misy menaka matavy (fatty oil)
Ny mahatonga ny olona be rehina sy mitebiteby na miasa saina omena azy dia noho ilay izy manampy ny saina ihany koa.Mampitony ny nerve izany ilay izy ary izany koa no mahatonga ny olona hiteny hoe mamerina ny fitadidiana satria toy ny trondro dia misy milaza fa hoe mahay ny zaza raha omena trondro:roll: mitazona memoire kely ilay izy e.
Tsy misy fiantraikany amin'ny vatana ny fihinana an'io fa vao maika aza mahatsara azy.Ny fihinana azy iray mandeha isan'andro toy ny calcium,indrindra ny vehivavy noho ny fahatongavan'ny fotoana isambolana.Raha tsy ampy calcium isika dia mora potika sy mihitsana ny nify,raha sanatria mianjera dia tapaka vetivety ny taolana.
Ny Vitamine E indray dia tena marobe ny tombotsoa azo avy aminy,ary tsara mihinana azy io isan'andro isika raha maharaka ny vola.Manampy amin'ny fo,ny fikorinan'ny ra ,ny fiarovana ny ra tsy hikatso,manasitrana ratra any anaty sy aty ivelany ihany koa izy io(raha misy maratra ka asiana kely an'iny dia vetivety dia sitrana).Menaka miraikidraikitra ilay izy,dia vakiana ao anatin'ilay kapsily ,iny no hosorana izay ratra na inona izany fa io ihany ny ahy no fanafody ampiasaikovakiana .Kely fotsiny e,dia ny ambiny atao amin'ny manaraka indray,ny mony ,ny tarehy koa aza azo asiana an'io capsule kely ampiharana vaseline kely fa manampy ny tarehy tsy alady hikentrona.(raha maina hoditra dia tena tsara fa manampy ny hoditra tsy hikentrona vetivery.Raha efa be menaka kosa ny hoditrao dia tsy dia tsara fa manjara mivoaka mony.Raha ririnina ny andro ka vakivaky ny takolaky ny ankizy dia hosorana an'io miaraka amin'ny vaseline kely fa mandaitra.Mahatsara ny fo ny vitamine E ka izany no antony ihinanana azy io isan'andro.Tsy misy fiantraikany akory ny fihinana azy ireo isan'andro,fa ny ahy ataoko mifandimby isan'andro,miaraka amin'ny calcium.Indro kely koa ny fihinana aspirine aorian'ny sakafo iray isan'andro dia manampy antsika ny fikorinan'ny ra ary dia manampy ho fiarovana ny areti-po(heart attack) na ilay marary fo tampoka tsy afa-miteny fa miambahamba ny lela.(mivadika malemy ila raha tsy voatsabo aingana)
*Raha sanatria anefa marary aty na vavony dia tsy tsara ny mihinana ilay aspirine.
Izay no mba fantatro mikasika an'ireo.
HS kely fa mbola mitohy mikasika ilay menaka azo ihany ity toy ny omega 3 sy Vitamine E
Mangatsiaka ny andro izao any dago? Mihinana voanjo,mihinana voanjavatra maina fa ilaina amin'ny vatana ihany koa,misy menaka izay tsy azo avy amin'ny sakafo hafa ilay izy.Ary mitazona hafanana amin'ny vatana ihany koa .Aty mihinana hatramin'ny voamboatavo izahay. 8O ary akambako daholo izay mety karazana voa.Mampatsara hodi-tava daholo ireo rehetra teneniko ireo.
Ataovy foana ny fanandramana :D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2331