Ahoana no hevitrao?

1. niryna ( 03/01/2008 22:33)
Inona tokoa no mahatonga ny olona tsy manaiky an'i kristy ho Mpamonjy sy Tompo?
Hindramiko kely ity lahatsoratra ity ry kiranil a

Toutes les autres religions ont été fondées par des être humains et sont basées sur des philosophies, des règles, des normes de comportement qui viennent de l'homme. Si vous prenez le fondateur d'une de ces religions et que vous retirez sa personne des pratiques et des disciplines de cette religion, elle sera très peu changée.

Mais si vous ôtez Jésus-Christ du christianisme, il ne reste plus rien. Le christianisme biblique n'est ni une simple philosophie de vie, ni une norme d'éthique, ni une obéissance à des rites religieux. Le véritable christianisme a pour fondement une relation vivante avec un sauveur et seigneur ressuscité et vivant.
Mila porofo ny tsy mino an'Atra kanefa mazava ho azy fa Fanahy no miaraka amintsika ary fanahy koa izany no manatona an'ilay Tompo,Mpanjaka.Satria Atra dia Fanahy

2 Finoana no ahafantarantsika fa tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
6 Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. Hebreo 11:2,6

novalian'i niryna ny 05/01/2008 04:04
2. xxx ( 03/01/2008 22:40)
satria tsy mbola namonjy azy le kristy :)
3. ikaretsaka ( 03/01/2008 22:53)
satria diso pilopitra ilay "mpitory teny" (na ilay milaza azy ho toy izany) dia any @ toerana tsy tokony hitoriana teny no mandeha mitory teny..
dia ohatran'ny hoe ny olona handeha hijery baolina de any ianao no handeha...

maninona tsy maka rendez vous na ampiseho amin'ny fihetsika ilay izy dia tamy ny olona rehefa liana? dia izay vao ampianarina?

Za tsy mbola nahita an'i Pedro na i Abbe Pierre na i Vincent de Paul, na i Don Bosco, na i Ignace de Loyola, sns... nandeha nitory teny tetsy sy teroa mihitsy, fa ny nanasoavany ny mpiara-belona aminy aloha no nataony.. dia liana ny olona nony nahita soa, de nanantona ho azy!

Raha vao forcena ny olona... tsy hahazo izany fa ny olona nateraka ho libre sy hanan-tsafidy fa tsy fahanana ohatran'ny poulet de chair
4. xxx ( 03/01/2008 22:54)
zay koa ray
tsy mety ny mi-forcer oul :)
5. niryna ( 04/01/2008 03:48)
xxx:

satria tsy mbola namonjy azy le kristy :)



:cry: Izaho efa novonjeny ary tsy izaho irery fa olona marobe
6. niryna ( 04/01/2008 04:05)
ikaretsaka:

satria diso pilopitra ilay "mpitory teny" (na ilay milaza azy ho toy izany) dia any @ toerana tsy tokony hitoriana teny no mandeha mitory teny..
dia ohatran'ny hoe ny olona handeha hijery baolina de any ianao no handeha..

fa aiza no tokony hitory teny raha izany? any am-piangonana ihany sa aiza.Mandehana dia torio ny filazantsara erak'izao tontolo izao .

maninona tsy maka rendez vous na ampiseho amin'ny fihetsika ilay izy dia tamy ny olona rehefa liana? dia izay vao ampianarina?

mampalahelo hianao ity,izany ve no nampianarina anao?


Za tsy mbola nahita an'i Pedro na i Abbe Pierre na i Vincent de Paul, na i Don Bosco, na i Ignace de Loyola, sns...

Ny azy efa vita fa antsika indray izao.

nandeha nitory teny tetsy sy teroa mihitsy, fa ny nanasoavany ny mpiara-belona aminy aloha no nataony.. dia liana ny olona nony nahita soa, de nanantona ho azy!
dia mitovy ny rafitry ny finoana hoe manaova asa fa iny no ahalalana anao hoe kristiana izany.Kanefa hoy ny soratra masina hoe "Fa ny fahasoavan'Atra no namonjena anareo,avy amin'ny finoana an'Atra fa tsy avy amin'ny asa izany, ,fa sao hisy hirehareha" We have "Salvation" by grace of God and by faith only in Jesus Christ Ny famonjena dia fahasoavana nomen'Atra antsika,avy amin'ny finoana ihany aloha dia ny finoana an'i kristy irery ihany. Izay ilay izy.... Tsy mila miasa,fa mino aloha dia manantanteraka ny sitrapony avy amin'ny fanaovana asa soa ohatra izay fa ny fanaovana asa soa tsy ahazoana famonjena velively.

Raha vao forcena ny olona... tsy hahazo izany fa ny olona nateraka ho libre sy hanan-tsafidy fa tsy fahanana ohatran'ny poulet de chair

=)) mahatsiaro tena ho manenjika angaha ny eritreritrao? Ny fahasoavana dia midadasika ho an'izay te handray,tsy misy zaza intsony e.Sady izao koa anie e,efa fantan'Atra daholo ny manara-dia azy sy ny mody manarakaraka eny,sy ny manoro diso fantatra eny foana ka. Ny voa ihany hoy aho no hitsarana azy.
Na zaza aza ve tsy ahalala amin'ny farany hoe any aminy ihany hono no misy famonjena dia miteny indray ny iray hoe aty mandeha fa tsy marina izany .hi,hi.
7. niryna ( 04/01/2008 04:06)
xxx:

zay koa ray
tsy mety ny mi-forcer oul :)

mitovy foana kosa hianao sy ika izany koa,miara mirona ry ika sy xxx a

8. niryna ( 04/01/2008 05:01)
xxx:

zay koa ray
tsy mety ny mi-forcer oul :)



16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. Matio 5:16
9. ikaretsaka ( 04/01/2008 05:35)
izaaaaaaay indrindra.. ny asa fanasoavana sy ny oha-piainana ny tokony hazava .. fa tsy ny fitorianteny...


niryna> eny ambony pilipitra no mitory teny ka.. sa hanao mpiatsaravelatsihy ka eny an-dalambe.. manjary maniry tranonkala anie eny e

izahako:
Voalaza teo :

maninona tsy maka rendez vous na ampiseho amin'ny fihetsika ilay izy dia tamy ny olona rehefa liana? dia izay vao ampianarina?

novalianao hoe:
mampalahelo hianao ity,izany ve no nampianarina anao?



ie... izany no voalazan'io matio 5 nontsimponinao io anie, (mandiniha tsara ramatoa fa aza mandray an-tendrony ooo
izany no nampianarina ahy sy ataoko ary mbola ataoko fa tsy ny mitatatata manao ny fombanao hoe ohatran'ny any anaty tranon'akoho no milaza fa mpitery rononon'omby toy ny ataonao.(izany ny ataonao raha atao fanoharana tsotsotra @ fo tsy miangatra)
averiko fa misy ny atao hoe pilopitra madama o.. any malalaka beeeee mihitsy!

zahako:
Voalaza teo :


Za tsy mbola nahita an'i Pedro na i Abbe Pierre na i Vincent de Paul, na i Don Bosco, na i Ignace de Loyola, sns...

Novalianao hoe
Ny azy efa vita fa antsika indray izao.


tsy vita mihitsy ny azy ireo fa asa mbola mitohy ka! mbola mitohy sy hiainantsika ny zavatra nataony sy ny naoriny hatramin'izao .. jereo fotsiny ny manodidina anao fa aza mandeha lavitra, Io pere pedro fa mbola velona, ireo ny Jesuites an'i Ignace de loyola, ny salesiens an'i Don Bosco , ireo ny Emmaus fikambanan'i Abbe Pierre, Ny sister of charity an'i M theresa
aza misavoana any an-danitra any hoa fa santarina eto an-tany ny paradisa:wink:

au lieu de mitory teny.. ianao any NY io ...maninona ohatra raha mba mankany harlem, dia manampy an-dry masera mizara lasopy @ mahantra amin'izao ririnina izao ohatra... sitrany ahay mba nampahita paradisa kokoa (vokatry ny fitiavana) ireny mahantra ireny, toy izay hankarary maso olona @ kabary lavabe eto fotsiny? :wink:




10. ari.malala ( 04/01/2008 06:42)
niriyna:
dia mitovy ny rafitry ny finoana hoe manaova asa fa iny no ahalalana anao hoe kristiana izany.Kanefa hoy ny soratra masina hoe "Fa ny fahasoavan'Atra no namonjena anareo,avy amin'ny finoana an'Atra fa tsy avy amin'ny asa izany, ,fa sao hisy hirehareha


fa angaha rehefa manao asa dia hirehareha hoe izaho nanao an'zao tatsy na nanao an'iza tary?izay ilay efa voalaza foana hoe ny olona mahita no aleo hanatona sy hiteny fa tsy mila ianao no hoe za nanao an'izao dia izao dia izao... toy ny mitranga eto amin'ny serasera saika isan'nandro!
11. xxx ( 04/01/2008 11:55)
tsara zany refa novonjeny njy ry nyrina a
de oul marobe iza koa zany novonjeny zany .
Io finoana io wa tsy mety raha dradradraina
@ tsy misy antony,avelao ny oul hahatsapa sy hahita ny fisiany @ fiainany fa tsy ny fanaovana lavage de cerveau akory ny ahazahoan;ny oul famonjena :-D
12. ikaretsaka ( 04/01/2008 15:32)
izay mihitsy!
safidy ny finoana fa tsy fanerena ankolaka na propaganda
13. xxx ( 04/01/2008 17:05)
14. niryna ( 04/01/2008 21:40)
ikaretsaka:

izay mihitsy!
safidy ny finoana fa tsy fanerena ankolaka na propaganda

:lol::wink::cry:

15. niryna ( 04/01/2008 22:15)
xxx:

:)

tsy mampihomehy ka :cry::cry:

16. niryna ( 04/01/2008 22:18)
ikaretsaka:

izay mihitsy!
safidy ny finoana fa tsy fanerena ankolaka na propaganda
:wink::cry:

ikaretsaka:

hita hoe propaganda sy forcing no hisintonany olona

niryna:

sitomina ho aiza aloha ilay olona ? Andao anaraka Ahy hoy i Kristy (fa tsy i niryna na ikaretsaka na ny hafa ) fa i kristy no asiany arahina
ok marina ny teninao koa andao ary isika hamorona na hitambatra mba ho tonga propagandy mavesatra,marina,mandeha amin'ny fahamarinana,milaza ny marina sy ny teny ao amin'ny baiboly e.
aleo hatomboko dia atambatra any amin'ny farany 1-2-3

ITY PROPANGANDY ITY DIA HEVITRA AVY AMIN'IKA KA DIA MBA TOHIZO FA AMIN'NY FARANY HITONDRA ANTSIKA REHETRA HO ANY AMIN'NY FIAINANA MANDRAKIZAY NY FINOANA SY NY FANOMEZAN-TSIKA NY FIAINANTSIKA HO TANTANANY .

1- Hoy ny soratra masina hoe: Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
2- Hoy ny Tompo hoe: Izaho no fiainana,sy lalana ary fahamarinana,Izay manatona Aho dia tsy mba ho laviko mihitsy.
3- "Ny ondry mahafantatra ny Tompony ary izaho mahafantatra ny feon'ny ondriko."
4- "Izay mino Ahy dia ny asa ataoko koa no ataony"

Inona koa re no propangady ? Anareo indray izao,io ry ika tohizo a
17. ikaretsaka ( 04/01/2008 22:54)
Raha ho'zy Kristy hoe "Andao hanaraka ahy"

dia diniho tsara fa Samihafa tanteraka amin'ny hoe "mila/NA TSY MAINTSY manaraka ahy ianao ..zao de zao" !

---> Eo ianareo "mpitory teny" no mi exagerer!
io ilay lazaiko hoe lasa raisinareo @ le hoe MILA sy tsy maintsy ny zanak'olombelona... tsy mety anefa izay! izay ilay forcing lazaiko! izay no heverinareo fa azo atao..
fombana kristianintianim-ppoana izany
18. xxx ( 04/01/2008 23:17)
Handao hanaraka ahy hoy kristy
Ny dikan'io fotsiny de efa samy manana ny fandraisany azy ny tsirairay fa tsy mila averina impolo aman=jato na mbola arahina toriteny lava be koa,hany ka lasa mivaona na mitombo na mihena ny hevitra azo avy eo :)
19. niryna ( 04/01/2008 23:33)
xxx:

Handao hanaraka ahy hoy kristy
Ny dikan'io fotsiny de efa samy manana ny fandraisany azy ny tsirairay fa tsy mila averina impolo aman=jato na mbola arahina toriteny lava be koa,hany ka lasa mivaona na mitombo na mihena ny hevitra azo avy eo :)

miara-dia hiaraka aminareo sy ika ?

20. xxx ( 04/01/2008 23:37)
efa mivaona sahady marina :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0416