Toro -hevitra ho an'ireo izay mbola hiteraka

1. niryna ( 03/01/2008 18:03)
Miankina amin'ny fiainana misy ny reny no ho avin'ilay zaza ao am-bohoka.
-Izay toetra ananantsika mandritra ny fotoana maha-bevohoka antsika na ny vady dia iny no hipetraka ho toetran'ilay zaza.(falifaly,mimoto-dava,mitomany lava,manjoretra ,misentosento,mitsika lava sns)
-Raha mbola vao ao am-bohoka ilay zaza dia mamakia boky fa iny koa no tahafin'ilay zaza(mamaky boky teny anglisy na teny frantsay na tia mamaky boky matematika sy ny sisa) ara tsiansa ve izany?fa nitombona tamiko io :D
-Ity mba misy toro-hevitra kely,rehefa miteraka vavy kely dia tsara raha tsy am-panaovina kavina izy raha vao teraka.Ny antony dia rehefa maniry nify ny zaza , ilay nify marary dia mandeha any amin'ny sofina.Ka raha marary ny nifiny dia ny sofiny no rohitiny.:roll::cry:

-Izay zavatra tiana ataon 'ny ankizy tonga dia am-piharo aminy dieny mbola kely izy:fifanajana olona,fitenenana malefaka fa tsy mikiakiaka lava,izay toetra hitany amintsika no tahafiny ihany koa (anahaka vato aman-kazo ve izy :D:D,ny ray tsy eo akaikiny fadiana ny manaratsy azy eo imasony fa manjary miteraka fankahalana ho azy mandrakizay izany sns ..)
Ohatra,maika lava amin'ny asa ny rar dia te ahavita zavatra aingana,tsy mba asiana mandray anjara izy fa dia atao daholo.Izay izao dia lesoka iray,raha misy manana an'io hianareo.Ampanaovy zavatra,raharaha mifanaraka ny taonany izy na dia ela sy votsa aza.
Raha tiantsika hanaja olona na hiantso olona am-panajana ny zaza dia isika mihitsy no miantso ilay olona araka izay tiavantsika hiantsoany azy.
Ohatra hoe antsoiny zoky daholo ireo cousin-ny lehibe noho izy ary dia asiana zoky ilay anarana.Nenitoa, tantina, aunt,auntie,dadatoa,uncle sns Any an-tanana mandeha ho azy io fa raha mipetraka aty ivelany hianao izay nanantsoinao an'ilay olona ihany no hiantsoany azy koa.:roll: izany ny lesoka aty aminay ary tiako mba zaraina aminareo,rehefa lehibe mantsy ilay zaza vao asianao hiantso,sadaikatra ihany
-Ny tanora moa dia tsy mitovy ny fitaizana fa miova isaky ny andro sy taona:anjarantsika rar no mizara fitiavana azy ireo indrindra ny zanaka adala(maditra),mitia azy ireny,ary indrindra ny tsy mitsahatra mivavaka ho azy ireny mba ho eo ambanin'ny fiarovan'Andriamanitra mandrakariva.

Tsetsatsetra tsy aritra kely ny ahy ireo.
Raha mba misy mahita hafa moa dia zarao e

(l)niryna
novalian'i niryna ny 17/01/2008 18:17
2. cutie ( 03/01/2008 19:21)
misaotra niryna a
Hotsaroana daholo reo refa hiteraka :-D
3. niryna ( 03/01/2008 19:38)
cutie:

misaotra niryna a
Hotsaroana daholo reo refa hiteraka :-D

tsy misy fisaorana ka :D
4. zaio ( 04/01/2008 05:44)
Tena marina mintsy zany! hotsarovana avokoa reo toro hevitra reo refa rahatrizay miteraka
merci Nirina!
5. fahamarinana ( 04/01/2008 07:50)
:arrow:koa ny ahy efa lehibe daholo dia ahoana zany? Dia efa tara loatra o? Vazivazy iray an-dalana an(l)
6. niryna ( 04/01/2008 19:45)
fahamarinana:

:arrow:koa ny ahy efa lehibe daholo dia ahoana zany? Dia efa tara loatra o? Vazivazy iray an-dalana an(l)

Dia miandry ny zafikely indray aky a,dia any no ampiharina ilay izy a :D

7. niryna ( 04/01/2008 19:48)
zaio:

Tena marina mintsy zany! hotsarovana avokoa reo toro hevitra reo refa rahatrizay miteraka
merci Nirina!

Tsy misy fisaorana ka,ny zavatra nisy tamin'ny fiainana na tsara na ratsy dia fampianarana antsika daholo,misy nandalovana ary nisy niantra tamin'ny olona manodidina antsika dia izay,zaraiko foana ny ahy ho an'ny rehetra sady mahafinaritra ahy sy tena fifalian'ny saiko sy ny foko ny mizara izay kely fantatro sy misy eo amiko ary lesoka ilaina hialana raha hita tamin'ny hafa na nandalovana e :D

8. sipagasy ( 06/01/2008 09:47)
misaotra nizara e!!!!!!

:-*(l):-*
9. sakaizakely ( 06/01/2008 10:03)
-Izay zavatra tiana ataon 'ny ankizy tonga dia am-piharo aminy dieny mbola kely izy:fifanajana olona,fitenenana malefaka fa tsy mikiakiaka lava,izay toetra hitany amintsika no tahafiny ihany koa

mazava ho azy

ny fahazarana sy ny hita maso ihany no mora tahafina. raha tia mamaky boky ianao dia mora ho an'ny zaza ny maka tahaka ny fahazaranao mamaky boky. Ny rad no ataony fitaratra.

Fa tsy hoe vao bevohoka dia mamaky boky dia zay, satria mila fianarana daholo ny zavatra rehetra

ny ataonao no tahafin'ny zaza, ary ny hainao no azonao ampita aminy fa tsy ny raha tsy hay akory, izay lova kolotsaina, misy aza moa milaza hoe lova sosialy, izany hoe mora am ankizy ny mandova ny ambaratonga niainan'ny rad-ny, noho ny miakatra ambony noho izy ireo, mila finiavana sy ezaka mafy kokoa (raha tsy hoe surdoué ngamba le ankizy)

raha tsy mahay angilisy ianao, tsy afaka hamaky boky angilisy ary tsy afaka hampianatra ny zanakao hiteny angilisy

ny manjo vhv bevohoka dia mampisy stress ilay zaza ao ankibo raha zavatra négatif no mahazo azy, fa @ ankapobeny dia ny fiainan'ny olona andavanandro hatramin'ny fahazazamena azy no mitondra sy mandrovina ny toetra
10. tywa68 ( 06/01/2008 13:49)
fahamarinana : d raisina zay eo zany koa ! nahay nitaiza sa tsia ? :-D:-D
11. niryna ( 08/01/2008 05:05)
sipagasy:

misaotra nizara e!!!!!!

:-*(l):-*

tsy misy fisaorana e
12. niryna ( 08/01/2008 05:09)
sakaizakely:

-Izay zavatra tiana ataon 'ny ankizy tonga dia am-piharo aminy dieny mbola kely izy:fifanajana olona,fitenenana malefaka fa tsy mikiakiaka lava,izay toetra hitany amintsika no tahafiny ihany koa

mazava ho azy

ny fahazarana sy ny hita maso ihany no mora tahafina. raha tia mamaky boky ianao dia mora ho an'ny zaza ny maka tahaka ny fahazaranao mamaky boky. Ny rad no ataony fitaratra.

Fa tsy hoe vao bevohoka dia mamaky boky dia zay, satria mila fianarana daholo ny zavatra rehetra

ny ataonao no tahafin'ny zaza, ary ny hainao no azonao ampita aminy fa tsy ny raha tsy hay akory, izay lova kolotsaina, misy aza moa milaza hoe lova sosialy, izany hoe mora am ankizy ny mandova ny ambaratonga niainan'ny rad-ny, noho ny miakatra ambony noho izy ireo, mila finiavana sy ezaka mafy kokoa (raha tsy hoe surdoué ngamba le ankizy)

raha tsy mahay angilisy ianao, tsy afaka hamaky boky angilisy ary tsy afaka hampianatra ny zanakao hiteny angilisy
misaotra nizara e

ny manjo vhv bevohoka dia mampisy stress ilay zaza ao ankibo raha zavatra négatif no mahazo azy, fa @ ankapobeny dia ny fiainan'ny olona andavanandro hatramin'ny fahazazamena azy no mitondra sy mandrovina ny toetra
dia izay no mahatonga ahy hiteny hoe mila mitandrina ny bevohoka fa izay ataontsika amin'iny fotoana iny no hiantra sy misy tahafin'ilay zaza,indraindray io mandalo ary indraindray ie,ie, tsy lasa ity ra -dada :D efa nahita ireny ankizy mifendrofendro ireny ve hianao raha vao kely,ary ilay kitihan'ny ray ny kibo ka resahiny dia mibitaka? izany koa no andefasana misy appareil kely ataon'ny reny hihainoan'ilay zaza :roll: :D:D angamba izy mi-dance irery ao,mibitabitaka

13. fahamarinana ( 08/01/2008 19:33)
tywa68:

fahamarinana : d raisina zay eo zany koa ! nahay nitaiza sa tsia ? :-D:-D

:arrow:dia asa akia fa dia zakaina eo zany :snif:,ny zafikely no ampihirihatoko...:-D:-D.Andraso aloha fa bedin'ny niryna eo za avy eo.:wink:(l)
14. niryna ( 13/01/2008 22:43)
fahamarinana:

tywa68:

fahamarinana : d raisina zay eo zany koa ! nahay nitaiza sa tsia ? :-D:-D

:arrow:dia asa akia fa dia zakaina eo zany :snif:,ny zafikely no ampihirihatoko...:-D:-D.Andraso aloha fa bedin'ny niryna eo za avy eo.:wink:(l)

Tsy bediko aky indry fa omeko fahafahana a :D
Ny zafikely hono anie no tena tiana noho ny zanaka e,mbola tsy manana aho aloha fa izany daholo no tenenin'ny olona e.Variana teo amin'ny fitadiavana foana ka rehefa tonga amin'izay ny zafikely dia ny amin'iny no hiatefan'ny fitiavana sady tsy manana andraikitra firy intsony fa rehefa maditra na manao ny tsy mety ny rar (ny zanany lahy na vavy )no mahazo loza fa tsy izy intsony :roll: :D Tsy mbola te ho beba kosa aho aloha e 8)

15. sakaizakely ( 14/01/2008 12:56)
Ny zafikely hono anie no tena tiana noho ny zanaka e

tsy marina kosa izany ka :cry::cry:
satria midika izany fa tsy tena mafy orina ny fitiavana azy

mety hoe hadino ny hangôzan'ny fitiavana zanaka t@ fahakelezany no marina kokoa sy hoe

Variana teo amin'ny fitadiavana

nenà kosa tsy tiako raha izaho no lazaina an'zany ka
Neninay tsy mba miteny an'zany fa ouz hoe mamy daholo :-*:-*:-*
sady anaovako krizy de jalousie eo raha vao miteny an'zany amiko :-D:-D:-D:-D:-D

16. niryna ( 17/01/2008 18:17)

Raha ny tena marina izany dia tiana daholo ny zanaka,fa ny tena tian'izy ireo tenenina angamba hoy aho dia noho izy variana teo amin'ny fitadiavana ,ary rehefa antitra izy ireo dia tsy miasa intsony dia any amin'ny zafikely indray no mandany andro dia lasa hoe tiany sy ampiantany be loatra ny zafikely ????

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.148