Baiboly: tenin'A/tra nefa tadidio fa nosoratan'olombelona!

41. prime ( 10/01/2008 06:05)
rakapy> ny hoe mifandipatra amin'ny baiboly ny hevitra aloha dia zavatra mety hiseho izany ary ekena fa tsy mety ny mitsara atao etoana, eny fa na tsy eto ihany koa aza satria mba niaina tao anatin'ny tsy fahalalàna sy ny fahotàna ihany koa ny tena fahiny...

Saingy misy fanamarihana ihany, ny zavatra matetika mitranga koa dia tsy fanontaniana na fandalinana no ataon'ny maro eto matetika rehefa hiresaka momba ny baiboly mba isian'ny fifanakalozan-kevitra, fa fanenjehana ny mpino ary indraindray aza dia mitsara mihitsy... Andriamanitra aza tsy mitsara ka iza no hitsara ny zanak'Andriamanitra? tsy lazaina intsony ny "affirmation gratuite" mikasika ny hevitr'Andriamanitra sy ny sitrapony ka mazava ho azy fa tsy maintsy mijoro ny mpino manambara sy miaro ny tenin'Andriamanitra sy izay tena hevitry ny sitrapon'Andriamanitra...

Misy kosa nefa ambaran'ny namana eto mitombina sy marina dia tsy valiana satria marina, ohatra ny nambaran'i fijo nanao hoe, tsy ny apostoly Matio sy Jaona sy ny mpianatra Marka sy Lioka loatra no tena nanoratra ny filazantsara fa olona hafa... fa saingy tsy ampy fotsiny ny filazàna toy izay satria ireo olona hafa nanoratra ireo dia mpanompo ary tsy nanoratra afatsy izay nasain'izy efa-dahy nosoratana ihany araka ny nandraisan'izy efadahy ny filazantsara... izany no mahatonga ankehitriny rehefa hamaky filazantsara ankehitriny dia nahitsy hoe hamaky ny filazantsara (na ny evanjely) "ARAKA AN'I" Jaona na Matio na Lioka na Marka toko faha sy andininy faha ohatra...

Ary ny farany dia izao, matetika koa ny mpino rehefa manambara ny tenin'Andriamanitra, izay sady masina no marina dia raisin'ny mpamaky ho mitsara... ny tena marina nefa tsy ilay mpino no mitsara fa ilay tenin'Andriamanitra mihitsy no "TOY" ny mitsara satria marina no sady masina manoloana ny maha-mpanota ny olona tsirairay... hany ka raha tokony ho raisina amin'ny fanetren-tena sy fitiavana ilay tenin'Andriamanitra dia an-katezerana no andraisana azy satria mampibaribary ny tsy fahamarinan'ny tena... vokany, manamarin-tena ny tsirairay ary manenjika mihitsy ny tenin'Andriamanitra sy ny mpino aza...
42. fijo ( 10/01/2008 23:55)
niaina tao anatin'ny tsy fahalalàna sy ny fahotàna ihany koa ny tena fahiny...

izany hoe izao izany sady efa mahalala be no tsy manota intsony sa????
43. prime ( 11/01/2008 09:09)
fijo> tsia... ny fanovozam-pahalalàna tsy mety tapitra raha mbola omen'i Kristy fahafahana hanao izany...

Mbola mety lavon'ny ota indraindray satria mbola mitafy ity nofon'ny fahalovana ity... saingy Kristy no miasa manadio izany amin'ny ràny isaky ny miverina Aminy...
44. fijo ( 11/01/2008 21:55)
izany hoe yoyo ilay izy.manota de mivalo de manota de mivalo.
45. prime ( 14/01/2008 11:31)
fijo> ny fiainan\'ny mpino rehetra dia fiainana fahamasinana sy fahamarinana saingy raha sanatria lavo tsy nahy dia miverina amin\'Andriamanitra hatrany... izany no anisan\'ny mahafiainana feno fiadanana ny miaraka amin\'i Kristy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0071