Mpitondra fivavahana Kristianina mamataveta zaza madinika

21. cutie ( 31/12/2007 23:34)
rakapy
haiko zany ka
Fa tsy reny mitsy no tokony omena tsiny fa ny fiangonana no tokony handray andraikitra @ zavatra ohtran'reny.
Ny fiangonana no fositra raha hitazam-potsiny @ zao sy mbola manome rariny an'reny.
Ohatra fotsiny, eto USA, tsy tadidiko tsara ny chiffres fa @ trillion dollars ny ampesain'ny fiangonana hanakarama ny lawyers @ zay tsy migadra ny mpanao ratsy :-D
22. rakapy ( 01/01/2008 03:32)
Tena marina io ry Cutie ilay Kristianisma anie ka dia business be tsotra fotsiny e!Fa ny mampalahelo dia atao @ anaran'A/tra ilay izy mba amin'izay mora mahazo vola avy amin'ny vahoaka satria ny vahoaka efa matahotra an'A/tra.
Nyrina> Raha ny suicide bombing no ataonao heo asan'ny satana. De hoy aho hoe marina izany.Ka nefa mba tsarovy ny tantara.Io anie ka vao zavatra vaovao fa tsy zavatra efa ela! Mba fantarao ve fa t@ 16 siecle .Dia I Francisco Pizzaro avy tao Espange no nampiditra ny Kristianisama voalohany tany Amerika atsimo(Peru)? Ka 4000 olona no novonoiny indray andro? Ary sady nilanja ny lakroa-nareo izy no nikapa sy namono ireo tsy manan-tsiny. Ka ho gaga ve ianao raha toa ka misy ny mamaly faty an'izany @ zao fotoana izao? Io ilay voalazanao hoe ny nafafy ihany no jinjaina.
23. cutie ( 01/01/2008 17:21)
:-D
24. ikaretsaka ( 01/01/2008 18:20)
izany mihit6sy io na kristianina na inona fa ny $ fotsiny no tsy mitovy..bizna aby io
hande taxi brosy ve Rakapy de tsy handoa frais kosa?
25. cutie ( 01/01/2008 18:22)
in ndray zao no tsy mampitovy azy?
26. ikaretsaka ( 01/01/2008 19:14)
ny $$ aloha sy arotsaka ao.
ny sasany ho an'i pasitera sns, dia ny sasany ho an'ny katrami
oharan'ny tomobil io ho'a ny frais' ny sasany ho an'ny saofera ihany, fa ny sasany hamidy piesin'ny taksi borosy sy ny kojakoja samihafa
27. fijo ( 01/01/2008 22:17)
amiko ireny mpitarika fivavahana izay manolana ireny dia olona efa misy ilay aretina,ka mampiasa ny fivavahana ho fitaovana hanatanterahana ilay sitrpony.ny hany hanomezako tsiny ny fivavahana amin'ilay resaka dia izy mihezaka manafina ilay zavtra.eto dia misy firaisana tsikombakomba ka io no mila fongarina.raha mahavita izay ezaka izay ny fiangonana dia mety hiena ireny
28. ari.malala ( 02/01/2008 12:29)
rakapy:

Dia mba ahoana no mba fiehitreritrao Kristianina an'ireo mpitondra fivavahana kristianina maro be efa tratra nanao PEDOPHILIE sy nangalatra ary nanodikodina volan'ny fiangonana. Tsy hoe eo Mada ihany fa eran'izao tontolo izao.



tsy azoko ny tian'ny mpanoratra holazaina, tokony haka reference @ le mpitondra fivavahana v za @ maha kristianina ana? tsia hoy aho, Andriamanitra no jereko fa tsy ny mpitondra fivavahana, ary olona toy ny olona rehetra iany ireny fa tsy misy fihavahany noh oizany ampiharinaa miny ny lalàna rehefa tratra izy, ary iraisako hevitra @ fijo ilay hoe fongorina ny firaisana tsikombakomba raha misy izany
29. cutie ( 02/01/2008 14:44)
adinon'i IKa le frais mankany an-danitra lol
30. dailynews ( 02/01/2008 16:11)
rakapy:

Dia mba ahoana no mba fiehitreritrao Kristianina an'ireo mpitondra fivavahana kristianina maro be efa tratra nanao PEDOPHILIE sy nangalatra ary nanodikodina volan'ny fiangonana. Tsy hoe eo Mada ihany fa eran'izao tontolo izao.

Mampalahelo ny tranga tahaka izany anefa dia tena misy tokoa. Miendrika ny miditra figadrana izy fa fahavetavetana tanteraka izany ary raha misy fantatrao mpitondra finagonana tahaka izany anefa dia aza adino ny mivavaka ho azy hiverenany indray amin Atra sy hanintsiny ny lalany.
Ento ambavaka ny mpitondra fiangonana izay fantatrao mba hijoro sy hahitsy izy ireo amin ny asa izay ataony fa adidin ny mpino izany.


31. fijo ( 02/01/2008 21:38)
ka io wa ny fiangonana no tokony hiady sy hanolotra ireny olon aireny amin'ny lalana ,dia mba hiova ny resaka
32. rakapy ( 03/01/2008 02:16)
Ari.malala> Mazava fa olombelona tahaka ny rehetra ireny fa ny manahirana anie dia izy ireny miseho ho mpitarika sy mpitondra ny vahoaka indray no mampiseho zavatra tsy mety! Toy ny ohatra nataoko tery ambony hoe raha handeha ho any Antsirabe ve ianao ka nilaza ny compagnie handehananao fa tena assure-na daholo ny zavatra rehetra ahatongavanao any nefa vao miditra ny soafera dia efa maimbo toaka, de avy eo misotro consome isaky ny arret! De tsy aleonao ve nadeha t@ hafa na nandeha @ fiaranao manokana ? Koa raha ny mpitarika ny fiangonana ve no manao pedophilie tsy aleko ve mivavaka ao andakozia @ sady mahavita sakafo ho an'ny mpianakavy no tsy mandany andro any ampiangonana?
33. ari.malala ( 03/01/2008 06:50)
rakapy, hay nenao zany ny mpitondra fivavahana no akàna reference? izy nga no ivavahanao? ekeko raha resaka handeha fiara de miala no fahendrena, fa ity tsy mitondra fiara! ny mpitarika fivavahana dia mitarika izy no eo, manoro ny lalana izy fa tsy izy no hahaotnga anao hoany andanitra na ho very any @ afobe fa ny tenanao sy ny finoanao iany. Raha izay no safidinao hoe hivavaka ao andakozia, ianao iany io! tsisy hanery anao mitns eo hoe ts maints mankany am-piangonana enao rakapy mivavaka...
34. rakapy ( 03/01/2008 10:35)
Ary.malala>ka nefa dia lazanareo kristianina fa very na koa satana rehefa tsy mankatoa ny finoana kristianina na koa tsy mandeha any ampiangonana???
Ovaiko ny ohatra fa tsy mazava aminao ny tiako ambara. Ny mpitondra fiangonana dia mitovy @ guide? ianao mbola tsy mahala ilay tanana. Ka naka guide ianao. Nilaza ilay guide fa mahafantara tsara ny tanana sy ny tokony aleha. Nefa teny an-dalana dia hitanao sy tsapanao fa nanao zavatra mamohafady @ olona ao an-tanana ilay guide.
De hoy ve ianao hoe "tsy raharahako fa ny lalako no tiako ho hita". Afaka ny hanao izany ianao nefa tsarovy fa olombelona tsy mitondra fanavaozana ho an' mpiarabelona ny tenanao raha tsy miteny ilay tsy mety nataon'ilay guide.
Ka raha tsy miteny na miresaka ny momba zavatra ratsy ataon'ireo mpitondra fivavahana ny Kristianina na ny mpiara-monina. Amiko izany dia midika ny firaisana tsikombakomba @ mpanao ratsy. Ka ataonao ahoana koa moa no hahazo ny lanitra raha ny adidy eto an-tany aza tsy andraisanao andraikitra?
35. ari.malala ( 03/01/2008 11:28)
andraso aloha, aza generaliser na le resaka, manaiky aho fa kristianina, saingy ts anjarak ony hitey hoe iranona ho very na i ranona dia satana satria tsy mankany am-piangonana. Misy dia misy ny olona mankany ampiangonana fa manao ny tsy fanao arak'io resakao io hoe mametaveta zaza madinina sns fa aleoko kokoa aza ilay olona tsy mankany fa manana fitondran-tena mendrika ny mahaolona toy izay manoa mpitaribato vilam-bava. Ary raha izaho no sanatria mahita zavatra toy izany dia tys misalasala mintsy aho mandray ny andraikitra tandrify ahy, toy ny fiantsoana manam-pahefana ohatra mba hanafay ilay mpanao ratsy. Na izany na tsy izany dia tsy manakana ny fifandraisako manokana @ Andriamanitra ny fanaovan'ny mpitondra fivavahana toetra tsy mendrika satria tsy izy hoy aho no ivavahako fa Andriamanitra. Mihambahamba izanyhoe mijery ny hafa vao hiroboka izany... amiko manokana
36. fijo ( 03/01/2008 22:44)
na tiana na tsy tiana aloha ry mpino kristianina dia fitaratra ny mpitondra fivavahana.matoa izy ireny toateny eo amin'ny fiarahamonina dia nasian'ny olona lanjany.ary ataony fitaratra.ka raha ireny no mibolila,dia fahadisoa mpanatenana be hoan'ny mpino koa izay.

ny fiangonana nihevitra fa ny fanafenana ilay zavatra nisy dia tsy handoto azy.ny zavatra nisy anefa dia vao niha nanimba ny fiangonana ny fanafenana ilay izy.
37. cutie ( 03/01/2008 23:48)
marina zany :)
38. fijo ( 03/01/2008 23:50)
hany ka tsy izany va?
39. cutie ( 03/01/2008 23:53)
:-D
iny no efa nandrasako
40. fijo ( 04/01/2008 23:42)
de valio moa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0077