démission
1. ari.malala
(
28/12/2007 06:39)
Hono hoa, rehefa manao demission ve tsy maintsy tenenina ny antony ialana amin'ilay orinasa? Efa nisy namana nanontaniako momba ny droit de préavis iany, fa ny ato aminay zany otran'ny tsy mahalala fa ataony arakaraky ny ancienneté le izy e! de raha za zao efa 7taona mahery ny niasa tato de 2mois hono ny préavis ako, azoko atao v ny mangataka taratasy any am inspection de travail momba ny hoe refa zao ny classification de zao ny préavis tokony alàna? (satria araka ny fanazavan'ilay namana dia arakaraky ny classification ny préavis) Ary raha tsy te hanala préavis za, fa ohatra hoe mbola manana congé 30 jours t@ iny taona lasa iny de teneniko zareo hoe alao amin'ny congé ko ny préavis ko, mety v zany sa mila mandoa ilay préavis za? Firy andro aorian'ny ialana no azo ny certificat de travail sa refa maka solde de tout compte dia tokony azo eo koa ny certificat? Raha tsy diso ny fitadidiako dia i Soanja niresaka momba ny exit interview (raha tsy diso aho hoa, fa ialako tsiny raha diso aho) dia inona daolo no resahina @ io?
Ary ny any amn'ilay sté vaovao idirana, misy manaiky hiandry ny anefan'ilay mpiasa vaovao préavis ve? sa tonga de disponnible de suite fona no tadiavin'ireny? Misaotra indridra amin'ny fanazavana.
Ary ny any amn'ilay sté vaovao idirana, misy manaiky hiandry ny anefan'ilay mpiasa vaovao préavis ve? sa tonga de disponnible de suite fona no tadiavin'ireny? Misaotra indridra amin'ny fanazavana.
novalian'i tashaa ny 19/01/2008 12:51
2. fahamarinana
(
28/12/2007 10:15)
:arrow:mba te hanampy andry aho fa tsy mahay lalàna akia a,:-*(l)
5. niryna
(
28/12/2007 13:09)
fahamarinana:
:arrow:mba te hanampy andry aho fa tsy mahay lalàna akia a,:-*(l)
izaho koa :cry: sady tsy mitovy ny lalàna any sy ny aty aminay raha mba misy kely fantatro aza tsy azo ampiharina any.
i ari-malala ve izany no te-hiala e,azafady fa miditra lalina kely aho an.Misy zavatra tena tsy tantinao angaha ao no mety mahatonga anao hanao démission ,sa efa nahita asa tsaratsara kokoa noho ilay teo?
6. fahamarinana
(
28/12/2007 13:28)
ari.malala:
fahamarinana, misaotra aky namaly na izany aza a!:-*:-*:-*
:arrow: ari. ohatran'ny nisy namaly ihany ndry ao ambadika ao,resaka lalana,(l)
9. diamondra27
(
28/12/2007 15:25)
arimalala: efa nanontaninjy ve i tsimikiss e
jereoa akia ny convention collectivenareo a!
normalement zany tokony ho 2mois ny preavis raha trananiny njy fa 1 mois ho an'ny mpiasa vao niditra na en essai
zay aloha raha ny aty aminay no resahana fa io miankina am ny ze societe njy ihany
de refa te hiala haingana njy de manao faute akia a,de licenciée njy aveo fa fakafakao tsara sao de misy fetraikany zay an
satria ra faute grave de misoratra am dossier any le izy sns sns sao de we manoro vohana eo za
aty manko ra mi demissionne de tsy very ny droit
fa ra licencié de mahazo prime

10. Mannou
(
28/12/2007 15:39)
ari.malala:
Hono hoa, rehefa manao demission ve tsy maintsy tenenina ny antony ialana amin'ilay orinasa? Efa nisy namana nanontaniako momba ny droit de préavis iany, fa ny ato aminay zany otran'ny tsy mahalala fa ataony arakaraky ny ancienneté le izy e! de raha za zao efa 7taona mahery ny niasa tato de 2mois hono ny préavis ako, azoko atao v ny mangataka taratasy any am inspection de travail momba ny hoe refa zao ny classification de zao ny préavis tokony alàna? (satria araka ny fanazavan'ilay namana dia arakaraky ny classification ny préavis) Ary raha tsy te hanala préavis za, fa ohatra hoe mbola manana congé 30 jours t@ iny taona lasa iny de teneniko zareo hoe alao amin'ny congé ko ny préavis ko, mety v zany sa mila mandoa ilay préavis za? Firy andro aorian'ny ialana no azo ny certificat de travail sa refa maka solde de tout compte dia tokony azo eo koa ny certificat? Raha tsy diso ny fitadidiako dia i Soanja niresaka momba ny exit interview (raha tsy diso aho hoa, fa ialako tsiny raha diso aho) dia inona daolo no resahina @ io?
Ary ny any amn'ilay sté vaovao idirana, misy manaiky hiandry ny anefan'ilay mpiasa vaovao préavis ve? sa tonga de disponnible de suite fona no tadiavin'ireny? Misaotra indridra amin'ny fanazavana.
Ny antony tsy maintsy hialana aloha tsy haiko raha hoe voatery fa matetika dia lazaina foana, ohatry ny ahy niala tam asako taloha izao dia eritaona aho no niasa tao dia nahita asa hafa tena mba metimety amiko dia nametraka démission ary tena nilaza mihitsy hoe nahita asa hafa no antony hialako, ny préavis ako tamin'izay dia teo am 1volana teo ra tsy diso aho fa za mbola nana congé tsy voakitika mihitsy dia samy niala fotsiny. Tsy tena mahalala ny votoatiny amle loi de travail eto amintsika aho fa tsaratsara manatona ny inspection dia manontany tsara mihitsy mba tsy ahavoafitaka. Fa raha toa aloha ka 7taona enao niasa tao otrany kely loatra ilay 2volana fa angamba mety mihoatra izay kosa nefa ilay resaka classification ndray aloha no tsy haiko tsara e. Manantona mintsy inspection ny tena mety e ! Mazotoa an !
11. ds
(
28/12/2007 17:48)
Hono hoa, rehefa manao demission ve tsy maintsy tenenina ny antony ialana amin'ilay orinasa?
TSY MAINTSY soratana ao anaty taratasy fialana ny anton'ny hialana amin'ny asa (And. 21 - Lalàna laharana 2003-044 momba ny asa).
- Préavis : araka ny lalàna dia, miankina amin'ny "classification professionnelle" sy "ancienneté". Raha tsaratsara kokoa ho an'ny mpiasa izay misoratra ao amin'ny "convention collective", dia izay ao no hampiharina.
- Inspecteur du travail : mamaha ny olana misy eo amin'ny mpiasa sy mpampiasa mialoha ny hampakarana ny raharaha eny amin'ny tribonaly mombana asa. Tsy izy izany no anontaniana...:-) Rehefa azonao antoka ny zonao, dia hiangavianao izy hampihatra ny lalàna.
Izany hoe rehefa tena mipetraka ny olana fa tsy alohany.
Ary raha tsy te hanala préavis za, fa ohatra hoe mbola manana congé 30 jours t@ iny taona lasa iny de teneniko zareo hoe alao amin'ny congé ko ny préavis ko, mety v zany sa mila mandoa ilay préavis za?
Ny congé-nao tsy lany dia tsy maintsy aloa vola. Raha tsy te hanao préavis ianao (raha ekeny), dia mandoa vola amin'ny mpampiasa (solon'ny karama tokony noraisinao raha niasa ianao). Tsy azo hafangaro ireo (resaka comptabilité). Tsarovy fa raha tena manelingelina be ny orinasa ny fialanao tampoka, dia azon'ny mpampiasa atao ny mangataka onitra ambonin'ilay préavis naloanao.
Firy andro aorian'ny ialana no azo ny certificat de travail
Rehefa tsy miasa ao amin'ilay orinasa intsony ianao, dia tsy maintsy omena alohan'ny handehananao ny certificat de travail sy ny solde de tout compte.
Ny andro voalohany anaovana préavis kosa indray, dia afaka mangataka "attestation d'emploi" ahafahanao mitady asa. Raha tsy manome ny mpampiasa, dia afaka mangataka onitra ;-)
Mbola misy tsy mazava ve ? Vonona foana ny aty anome fahafaham-po :-)
13. fahamarinana
(
28/12/2007 18:58)
:arrow:merci tashaa ,na za aza dia mila ilay site nomenao momba ny législation any dago io,mankasitraka e(l)
14. ds
(
28/12/2007 23:36)
tashaa:
(...)
ilay tabilao misy ny isany préavis no hany tsy itanao eto , (...)
Io ambany io ilay tabilao.
15. tsiambaratelo
(
30/12/2007 13:13)
ds:
tashaa:
(...)
ilay tabilao misy ny isany préavis no hany tsy itanao eto , (...)
Io ambany io ilay tabilao.
16. ari.malala
(
31/12/2007 08:46)
Misaotra indrindra fa mazava tsara e! Fa ny tiako anontaniana de hoe, afaka atao ve, fa nisy cas otran'izany mantsy hoe niala tampok ale olona, de hoe halohany tsikelikely ny préavis any, azo atao angaha izany?
17. ds
(
02/01/2008 22:09)
Tratry ny taona kaloha an :-)
Raha tsy manelingelina be loatra ny mpampiasa ny fialana tampoka, dia angamba azo hifanarahana izany fandoavana tsikelikely izany. Ny tsy mety angamba, dia ny manao be mokony sady tsy hiasa no tsy mety mandoa vola. Tsy misy filazana ao amin'ny lalàna fa tsy maintsy mandoa eo noho eo ny mpiasa rehefa miala tampoka. Ary raha mitory aza ny mpampiasa, mety efa voaloa izay tokony haloa mandra-pivoahan'ny didm-pitsarana...:-)

18. ari.malala
(
03/01/2008 06:14)
ds,tratry ny taona iany koa ianao de samy ho tratry ny be dia be mbola hifanesy e!
ah ok, hay v azo atao zany e! fa le preavis raha azoko tsara d equivalent ny karama ka raha mikarama 500mil ohatra le olona zany ka manala préavis 2volana d mandoa 1million amle mpampiasa? kay, grav be zany kle! nefa le orinasa vaovao v hiandry 2volana b zao eo...

19. ds
(
03/01/2008 11:36)
Sarotra anie ny mitazona mpiasa te hiala amin'ny asany e. Noho izany tsy maintsy samy mitady marimaritra iraisana ny mpiasa sy ny mpampiasa. Rehefa miziriziry ny mpampiasa, dia manao "faute grave" fotsiny ny mpiasa mba horoahana tsy misy préavis... Tsy izaho no manoro an'i ari.malala izany fika ratsy izany fa i ds an :-)
20. ari.malala
(
04/01/2008 05:59)
:-D:-D:-Dmisy patron miteny hoe ts ny mpitady asa no tsy misy ko! de in hono ry ds zany faute grave zany, mba meo santionany hoe azafady, tsy hoe hatao a, fa mba tsy hijabahana e!