Isanandro ny Noely

1. soanja ( 24/12/2007 00:51)
Mifoha maraina aho dia faly mahita ny hazavan'ny masoandro mitsiky amiko.
Ny ranomandry eny amin'ny tongotro no mamerina an-tsaiko ny tsiahy fa mangatsiaka ny tontolo.
Ny fo ao anaty kosa mientanentana, mafana fa akaiky ny Noely. Fivorian'ny rehetra. Fanompoan'ny rehetra.
Tiako ho toy izany ny androko rehetra.
Isaorako ny Ray nanolotra andro vaovao ho ahy isanandro. Isaorako izany na Noely na tsy Noely ny andro.
Mirary soa lalandava izay mifety an'io andro iray io. Mirary soa koa ireo izay maka azy toy ny andro rehetra.
Mameno antsika ny fitiavan'Izy Ray. Amin'ny androntsika rehetra. Na ny mafy na ny mora. Na ny malaza na ny tsia. Tsy miala Izy ary tsy miova.
Raiso ao amponao isanandro ny hatsaran'i Noely fa hanome anao faherezana. Ho modely fiderana.
Isaorako Azy ny andro androany ary mbola isaorako azy ny rahampitso sy ny ho avy tsy fantatro. Soanja
novalian'i niryna ny 26/12/2007 05:53
2. ikaretsaka ( 24/12/2007 03:13)
marina io saingy ohatran'ny hoe isan'Andro ny fivavahana ry soanja fa hafa ny alahady an..
izany no ilaina ireny vanim-potoana ireny!
ny tatiora aza mahlala hoe fahavaratra izao sy ririnina izao!:wink:
hafa ny miaka bokatra sy ny mikafr voly avotra!:wink:
hafa ny ovy tsofina ilay efa nokafiriana tao am-tsompitra, hafa ny ovy vao niakatra avy any (mipasaka tsara na samy ovy aza)
Fomba fijeriko tambanivohitra mpitsoka ovy io an!
Taokko de ho tratry ny Noely aby le ankizy yyyy!
3. soanja ( 24/12/2007 04:12)
ikaretsaka:

marina io saingy ohatran'ny hoe isan'Andro ny fivavahana ry soanja fa hafa ny alahady an..
izany no ilaina ireny vanim-potoana ireny!
ny tatiora aza mahlala hoe fahavaratra izao sy ririnina izao!:wink:
hafa ny miaka bokatra sy ny mikafr voly avotra!:wink:
hafa ny ovy tsofina ilay efa nokafiriana tao am-tsompitra, hafa ny ovy vao niakatra avy any (mipasaka tsara na samy ovy aza)
Fomba fijeriko tambanivohitra mpitsoka ovy io an!
Taokko de ho tratry ny Noely aby le ankizy yyyy!


Miankina amin'ny tsirairay Ika ny handraisany ny Noely ka.
Ary io volazanao io tokoa no tsapany raha toa ka mahita fiovana sy tsy fitoviana izy. Ohatra hoe taona Zina tamin'ity taona ity ary Kere tamin'ny taona lasa. Afaka mahatsapa fiovana goavana izy ary hidera misimisy kokoa an'Atra.
Ao koa anefa ireo malahelo dia mahatsapa fa niangaran'ny vintana ka tsy te hankalaza azy satria maharary any anaty raha toa betsaka ny nanesorana na very taminy na tsy nahitany fahombiazana. Tsy fahalalana an'Andriamanitra daholo izany ary ny tsy fahatokisana azy loatra na dia mino aza.

Misy anefa olona mahita ny fitovian'ny andro rehetra ary tsy mandray azy hoe isan-tokony na fizaran-taona fa mandray azo ho andro iray, toy ny omaly sy ny anio ary ny ampitso. Samy tsara nefa koa tsy lafatra. Mbola ilay planeta Tany ihany fa tsy niova ho tany hafa na lanitra hafa. Mahatsapa ny ao anaty tsy miova fa toy ny omaly ihany ary mankasitraka izany. Mahalala ny fiovana ary mahafantatra ny fahatongavany amin'izany fotoana iray izany. Mahatoky an'Andriamanitra amin'ny soa sy izay mahaory.
Ny fahalalana ny fiderana no zava-dehibe ary tsy voatery ho andro Noely amiko fa tokony ho isanandro.

Ny faniriako dia ahita izany firedonana mitambatra, fanoapoana mitambatra izany ho isanandro eo amin'ny fiainana fa tsy ho andro iray voatonona.
Tsy voatery hitovy fijery amiko anefa ny olona fa io no tsapako dia mba zaraiko.
Mirary ny soa indrindra ho an'ny rehetra.



4. yuka ( 24/12/2007 07:24)
Mirary fety sambatra daholo ary e!=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D
5. sipagasy ( 24/12/2007 08:32)
Samy marina ny teninareo dahy e!
Fa ny asa fanompoana ny Tompo na koa ny fiderana azy dia tsy tokony hisy andro sabata na andro alahamady, tsy tokony hisy koa kolonely na kapiteny manoloana izay asa fanompoana sy asa fiderana izany fa mitovy isika rehetra manoloana Azy Nahary. Koa mahaiza aza misaotra ny soa sy ny ratsy azontsika avy aminy e!

Mirary fety sambatra ho an\'ny rehetra e!:-*(l):-*
6. rijadolly ( 24/12/2007 14:50)
Ho isan'andro tokoa aniƩ ny noelitsika ka hatsapa isan'andro ilay fitiavan'Andriamanitra nanomezaNy ny zanany dia Jesoa Kristy izany,hanavotra antsika rehetra na iza izy na iza.am-(l)(l)(l)
7. bilakarenjy ( 25/12/2007 09:03)
marina io ry soanja ,fa saingy tsy voafolak'ilay fiainana .
8. Angie ( 25/12/2007 10:05)
Mirary noely feno fifaliana, fifamelana ary fitiavana, ho an'ny rehetra.

Dia mba hiezahana ho tena noely tokoa anie ny fiainantsika andavanandro manomboka eo @ fomba fiteny sy fisainana h@ asa amandraharaha sy ny fianankaviana. sns

Ampitiavana be foana e
kiss dia ampy :-*

9. fijo ( 25/12/2007 20:33)
tonga soa ato yuka.nareo ve mba manao noely any???
10. niryna ( 26/12/2007 05:53)
rijadolly :


Ho isan'andro tokoa aniƩ ny noelitsika ka hatsapa isan'andro ilay fitiavan'Andriamanitra nanomezaNy ny zanany dia Jesoa Kristy izany,hanavotra antsika rehetra na iza izy na iza.am-

mitovy hevitra aminao koa aho.
kristy ,ilay mpamonjy no teraka anio,ary noho ny fitiavany nanavotany antsika rehetra ,izay no antony hankalazana an'io fety io.Fety manokana,fety malaza na mpino na tsia,fety ahatsiarovana ny fitiavany antsika tsirairay avy ary maniry koa izy mba hizara izany fitiavany izany amin'ny hafa isika.
He is the reason of the season:arrow: kristy no ankalazana amin'io Noely io.
Mbola hankalazana ihany koa Izy fa nitazona ny teniny(tsy andaho na hanary antsika Heb 13:5)
Noely ihany koa izay hiandrasan-tsika rehetra fa mbola ho avy Izy haka ireo tena kristiana dia izay mino fa Izy no mpanjakan'ny mpanjaka,Izy irery ihany no lalana mankany amin'ny ray,ary any Aminy Irery no misy ny famonjena sy ny fiainana ho mandrakizay raha mino Azy fa Zanak'Atra Izy,Atra Izy,Mpanavotra Izy,lalana sy fiainana mankany amin'ny Rainy ,ary raha Izy Irery ihany no hiankohonana sy hivavahana Izay no maha fety hafa kely azy.


Angie :

Mirary noely feno fifaliana, fifamelana ary fitiavana, ho an'ny rehetra.

Dia mba hiezahana ho tena noely tokoa anie ny fiainantsika andavanandro manomboka eo @ fomba fiteny sy fisainana h@ asa amandraharaha sy ny fianankaviana. sns

Ampitiavana be foana e
kiss dia ampy

=D^:^ Ao am-pontsika Izy raha mino Azy tokoa isika sy manaraka ny didiny:Tiava an'i Jehovah Atrao,amin'ny fonao rehetra,ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra,Atra saro-piaro Izy ka Izy irery ihany no tiany hivavahantsika,ary ny faharoa dia mitiava ny namanao tahaka ny tenanao,raha tsy ao amintsika izany ireo dia tsy misy noely sambatra ny fiainana.Ao am-po Izy,miaraka amintsika isan'andro Izy ary ny Fanahy Masiny no miaraka izay tena mino Azy Irery ihany.
Mahereza mikaroka Azy amin'ny famakiana ny teniny.:miam:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2814