Mitsangana dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka ..

1. niryna ( 23/12/2007 07:11)
Raha mieritreritra io ohabolana io aho dia toa mampahery antsika anao zavatra ao anatiny fahalainana satria rehefa mazoto indray isika dia toa tsy afaka?
Inona no hevin'io ohabolana io?
Mitovy amin'ilay hoe tanora ratsy fiary ka antitra vao ratsy laoka ihany koa ve ?

Alaiko ohatra hoe matory aho ary dia asiko famantaranandro eo an-dohako eo,ka raha tsy mihiratra mihitsy ny masoko dia tsy fantatro hoe amin'ny firy izao.Raha maneno anefa ilay alarm dia mety tonga dia mifoha aho raha ny saiko no mibaiko ahy hoe mitsangana ary raha ny vatako reraka sy mbola te haka tsirotsirony dia vonoiko ilay alarm dia tohizako indray ny tori-masoko :D
Izay izany no mahery ny vatana sa ny saina sa arakarany?
Misaotra mialoha
novalian'i niryna ny 26/12/2007 04:28
2. tendry77 ( 23/12/2007 19:47)
-Ny zavatra tokon hatao amn fahatanorana,mety tsy ho vita amn fahaterana; angamba??
3. niryna ( 26/12/2007 04:28)
tendry77:

-Ny zavatra tokon hatao amn fahatanorana,mety tsy ho vita amn fahaterana; angamba??
misy fahamarinana izany ary raha tsy mahafantatra izay atao na tsy misy asa mifanentana ilay zavatra fantatra sy hain'ny tena dia ahoana?
Dia iza no mahery ny saina sa ny vatana?:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4068