Izay nanomboka asa tsara no hahatanteraka izany

1. niryna ( 23/12/2007 06:58)
Raha nitsidika ny tanindrazana aho dia nitamberina daholo ireny toerana feno rano maloto sy toerana ratsy tsy nisy na inona na inona ireny.Noho ny fivoarana anefa dia lasa feno trano mijoalajoala sy nototofana ilay rano-maimbo ka lasa vita toerana tsara azo hitsangantsanganana mihitsy aza.
Maro no fanamboarana,maro ny ezaka natao vao nahavita izany ary indraindray dia variana ny tena mijery ilay izy satria toa tsy mampino.
Toy izany koa isika, tsy afaka ny hanova ny toetra ratsy isika na ny hafa ihany koa fa Atra irery ihany no manova izany.Ny anjarantsika fotsiny dia ny mivavaka ary ny mangataka Azy mba hanova izany toetra ratsy izany na mivavaka ireo fianankaviana na havana ihany koa.
Mety ny zavatra miantra amin'ny fiainanao,ny zanakao,ny vadinao,ny atetina mahazo anao,ireny rehetra ireny dia natao hiderana an'Atra sy hisaorana Azy satria ao anatin'ny fahoriana sy ny zavatra mitranga dia toa heverintsika fa lavitra antsika Izy.
kanefa ny tena marina dia tsy misaraka na manalavitra antsika Izy
Ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy; Fil 1:6
Inona no toetra tianao hovaina? Mivavaha aminy ary aza misalasala ny mangataka izany fa ataony ho tanteraka

Misaotra Anao izahay Tompo sy Mpanavotra anay izay manova anay tsy ny aty ivelany ihany fa ny ao anatin'ny fanahinay ihany koa .Ampianaro izahay hanaiky sy hanaraka ny didinao hatrany.Amin'ny anaran'ilay Ray mahery no hanaovako izany vavaka izany Amena
novalian'i niryna ny 26/12/2007 05:36
2. xxx ( 24/12/2007 12:04)
ita oe ela b i niryna vo niverina tany am tanidrazana ka tsy naita ny fivoarana tsikelikely teo ,ba tsiditsidio ny tanindrazana fa so anenenana
3. niryna ( 26/12/2007 04:06)
xxx:

ita oe ela b i niryna vo niverina tany am tanidrazana ka tsy naita ny fivoarana tsikelikely teo ,ba tsiditsidio ny tanindrazana fa so anenenana

Misaotra anao e,izahay no mahita ny fihovany fa ny olona eo an-toerana angamba efa leo ny fiainana ka tsy dia mankasitraka firy e.:D

4. marindra ( 26/12/2007 04:58)
Atra tsy manampy ze tsy manampy ny tenany
5. niryna ( 26/12/2007 05:36)
marindra:

Atra tsy manampy ze tsy manampy ny tenany

Ahoana tokoa io teny io e,ny olona taty aoriana no manao io hevitra io kanefa tsy hita ao anaty baiboly io.
Amiko aloha Atra dia tena manampy tokoa indrindra ho an'ireny olona efa tapi-dalan-kaleha ireny,lany aiky fa tsy mahita vahaolana amin'ny eritreriny intsony ary dia mitodi-doha amin'Atra ary amin'izay fotoana izay dia manampy azy tokoa Atra .
Sa ahoana ny hevitrao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0422