Fahatelo

1. meva2 ( 20/12/2007 09:20)

bjr daholo,

Izaho dia mananjanaka roa, ary mieritreritra mafy ny fahatelo, kanefa somary sadaikatra ihany aho satria mila organisation kokoa ets.., izy roa voalohany koa efa manomboka autonomes. Dia mieritreritra indray ny couche, pédiatre...marina fa fifaliana sady koa tiako ny maro anaka, nefa mieritreritra ny fanabeazana, ny asa, ny fandaminana rehetra dia....
Ka raha misy aminareo nandalo tamin'io na koa manana hevitra, dia faly aho raha mba zarainareo eto.
Misaotra mialoha dia bonne journée daholo.
novalian'i tywa68 ny 31/12/2007 07:56
2. kelly13 ( 20/12/2007 10:01)
vita fôna io refa eo ny zàzà, aza matahotra :)
3. tslem ( 20/12/2007 11:21)
miombonkevitra @ kelly13 ny aty:P
4. fahamarinana ( 20/12/2007 12:01)
:arrow:za manokana aloha miteny hoe rehefa tena faniriana dia vita foana .Ny fahasahiranana,fanabeazana,fandaminanana tsy maintsy misy na androany na rahampitso , na zaza iray na roa na telo.Alao ambony,alao ambany fa ianao ihany no ahita ny réponse.(l)
5. yuka ( 20/12/2007 15:32)
Ny tsodranon'ny taolo anie ka mitera hono fitolahy,fito vavy e!:lol:
6. sakaizakely ( 20/12/2007 17:16)
Marina fa hoe vita foana ilay izy fa mba fanontaniana iny

na roa na telo mila organisation foana. Mety manahirana kely @ voalohany raha mbola tsy manao nuit izy mety mandreraka ihany, fa raha hitako @ ahy klou vetivety le faha 3 de ni s'adapte @ rythme satria tsy afamanoatra. Hoatry ny mandeha ho azy sy moramora kokoa noho ny t@ faha 2. Mahita fotoana hi forum-evana aza kou :-D:-D:-D

Tsy nasiana eritreritra be hoe ho sahirana ve sns... satria efa faniriana dia notanterahina.

Fa izaho tsy miasa hatr@ faha-2 dia tsy misy contraintes @ asa. Izay angamba no maha samy hafa antsika sy meva

Marina fa tsy za tsy mbola nahita aty vhv miasa avec 3 hoe samy mbola kely. Nefa moa fiteny ny hoe tsy misy mafy tsy laitry ny zoto
7. Veloo ( 20/12/2007 21:10)
meva2 rehefa itanao fa ampy ny ao an-trano ataovy ny fahatelo...
8. simplex ( 20/12/2007 22:10)

aaaaa eeee

tsy aleo endrasana alou, sao dia hisy accident any aoriana any ka ho lasa 4 tampoka eo ny isany :°) asa anefa :)

sa hoe tonga d tairo ranga fa ze alehany any alehany a :):P
9. xxx ( 21/12/2007 06:08)
sady toa henoko fa raha hiteraka maro ihany aleo mahatratra telo toy izay roa satria mahazo avantage avy amin'ny fanjakàna raha telo ny zaza, fanampiana moa izany satria efa hoatra ny hoe fianakaviana be fa raha roa tsy mahazo aloha....
hitako mihitsy fa betsaka ny olona misafidy an'io zaza telo io na mihoatra toy izay ira na roa raha ny mpivady no resahina...
10. fahamarinana ( 21/12/2007 11:55)
:arrow:Ka raha ny avantage ndray no hanaovana zaza faha-3 ry xxx dia :?::?::?:,ny fanampiana anie miankina amin'ny ressources-nao koa e ka raha matanjaka dia tsy ahazo inona eo akory ankotran'ny amin'ny impots angaha,raha antonony no misy tombony mais de là hoe hiteraka faha-3 dia an'ny tsirairay iny.Amiko lasa calculs be ndray fa choix moa io,hevitra no ampiadiana.(l)
11. sipagasy ( 21/12/2007 13:15)
éééééééééé, dia maztoa daholo ianareo sy izay mbola ho eo fa ny ahy 1 ihany dia ampy ahy kouh hihihi, ny ahy kosa mifanohitra @ maro fa ny asako aloha no voalohany izay vao fiainam-pianakaviana hhihih efa haiko ny handraisanareo izay, fa ny ahy kosa dia izay no safidiko e! hahavita inona eo moa raha tsy misy ny asa???,hamelomana sns hanaovana ny rendrarendra ihany koa hihihi

fa @ izao ankatoky ny fety izao dia mirary soa ny reny rehetra sy ny vehivavy (satria ato @ resa-behivavy isika izao) aho hahay hanomana fety mahafinaritra ho an'ny fianakaviany avy e! mazotoa daholo e!:-*(l):-*
12. Mannou ( 21/12/2007 13:30)
Veloo:

meva2 rehefa itanao fa ampy ny ao an-trano ataovy ny fahatelo...



za ts miombonkevitra amin'izay ndray alo e, ny zanaka no harena lehibe indrindra. Marina fa oe mba ilaina manoma rehefa mba te hiteraka nefa kosa tsy hoe hitady ny tonga lafatra, ny saina ihany no mitondra an'io, rehefa hiriana izy dia tsy misy dikany izany resaka vola zany. Izay koa mants no mahavoa antsika olombelona, tsy mba mety afapo amin'ny hanana fa mitady zavatra hafa foana.
13. xxx ( 21/12/2007 14:04)
fahamarinana:

:arrow:Ka raha ny avantage ndray no hanaovana zaza faha-3 ry xxx dia :?::?::?:,ny fanampiana anie miankina amin'ny ressources-nao koa e ka raha matanjaka dia tsy ahazo inona eo akory ankotran'ny amin'ny impots angaha,raha antonony no misy tombony mais de là hoe hiteraka faha-3 dia an'ny tsirairay iny.Amiko lasa calculs be ndray fa choix moa io,hevitra no ampiadiana.(l)


tsy izaho akory ny te hiteraka telo fa olona manana zanaka roa no niteny ahy io dia amin'izay hono mahazo fanampiana eo amin'ny manodidina ny 800euro à 1000 euro eo!
izaho tsy manana na iray aza aloha amini'zao fotoana izao....


14. xxx ( 21/12/2007 14:06)
sipagasy: tena marina izany.....ny asa alohan'ny rehetra fa tsy hoe ny hiterahana no ahazoana fanampiana avy amin'ny fanjakàna.
15. meva2 ( 21/12/2007 14:53)

Ka ny ahy ny mamperitreritra ahy sy anisan'ny itiavako ny mananjanaka maromaro dia any aoriana any mba mi- rassurer ahy hoe afaka mifanampy sy mifanohina ry zareo. Na eo aza ny vady amnjanaka, ny mpiray tampo koa dia hitako fa ilaina mihitsy. Fantatro fa mety misy cas hoe tsy mifanaraka sns, nefa izay ilay fon-dreny e! hoe raha misy zakaina dia tsy dia mahatsiaro irery loatra ilay zanaka.
Ny fotoana mandeha, ny tena mihenahena, hitanareo hoe misy fitiavantena ve ilay izaho sadaikatra?
16. Samoana ( 21/12/2007 15:57)
meva/ Anontanio ny hevitry ny lahy fa tsy vitanao irery ilay fahatelo:-D
Faniriana toy ny voalazan'i skzkely io:wink:(samy telo mitovy fa tsy sahala:D)
17. xxx ( 21/12/2007 16:01)
samoana: tena marina ny vadinao aloha anotaniana dia raha dakaoro izy de atovy izany fa tsy ny namana eto no hiaraka hanatanteraka ny zaza fahatelo sy hamelona azy
18. meva2 ( 21/12/2007 16:30)

Hi,hi,hi sarotra be aloha ry xxx ilay fanamboarana zazakely eto ambony clavier sy écran e!!!:D:D
raha ny fanamboarana sy fitaizana koa dia mba haiko ihany fa hevitra no tiako alaina eto.
19. sipagasy ( 22/12/2007 08:09)
mmhhh xxx ka 800/1000€ ve hono hahavelona zaza 3 +kojakoja an-davan'andro sy ny trano sns....hihihihi aleo hilammm klehhh, mazotoa izay mbola ho eo e!!!!!!
20. fahamarinana ( 22/12/2007 12:37)
xxx:

fahamarinana:

:arrow:Ka raha ny avantage ndray no hanaovana zaza faha-3 ry xxx dia :?::?::?:,ny fanampiana anie miankina amin'ny ressources-nao koa e ka raha matanjaka dia tsy ahazo inona eo akory ankotran'ny amin'ny impots angaha,raha antonony no misy tombony mais de là hoe hiteraka faha-3 dia an'ny tsirairay iny.Amiko lasa calculs be ndray fa choix moa io,hevitra no ampiadiana.(l)


tsy izaho akory ny te hiteraka telo fa olona manana zanaka roa no niteny ahy io dia amin'izay hono mahazo fanampiana eo amin'ny manodidina ny 800euro à 1000 euro eo!
izaho tsy manana na iray aza aloha amini'zao fotoana izao....






:arrow:an an an tsy hoe ianao no teneniko kah,sinon ilay fanampiana anie tsy hoe par mois e fa rehefa bevohoka dia mahazo vola eo amin'ny 7eme mois eo indray mipoaka fikarakarana ny zazakely dia ny montant tsy haiko ntsony,ohatrakotran'io lazainao io.Sinon raha ny allocations jeunes enfants dia pour 2 enfants dia ny 110 et quelque ihany par mois,pour 3enfants dia plus kely ndray fa izany 800 ou 1000 euros par mois zany ndray angamba ho an'olona tsy miasa sady mandray rmi ,ny fieritreretako azy an satria misy rahvaviko mandray io somme lazaiko io ary sady miasa koa izy.(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5236