resaka secte

21. xxx ( 19/12/2007 18:11)
Tsara2 angamba raha mba misy manome eto mihitsy ny definition ny secte zay tena marina koa nefa lazaina a ! mba ahafahana mahita ny tena marina
22. ikaretsaka ( 19/12/2007 18:18)
ireo efa nomeko ireo ko!
23. Veloo ( 19/12/2007 19:30)
mahaliana ilay 3F. Manana site ve ry zareo? raha tsy mahadiso ny mangataka? Misaotra o
24. cutie ( 19/12/2007 20:01)
arialy
fantatrao ve nefa ny mombamomba an'zany 3F zany?
25. Fody ( 19/12/2007 20:25)
Hanampiko kely ny voalazan'ikaretska mikasika an'ny sekta dia izao: sekta izy rehefa tsy tena mitondra ny olona any amin'i Kristy, fa mitondra azy hanompo ny fiangonany fotsiny. Izany hoe:
1 - rehefa manao ny fomba rehetra hanampahana ny fifandraisan'ilay olona amin'ny hafa amin'ny filazana fa: ny hafa ratsy, ny hafa misy demony, ny hafa mpanompo sampy, ny hafa tsy avotra...

2 - rehefa mamatotra azy tsy ho afaka hivelatra amin'ny maha olona azy intsony.

3 - rehefa tsy manome azy ny fahafahana marina tondroin'ny Evanjely, sy ny Fanantenana voambara ao.



Fa ity koa ny ahy no mba nanaitra ahy kely
3. Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 19-12-2007 00:05:23
Lohateny : Re : resaka secte
1) Tsy miditra ny fiangonan'ny sasany ahoana aloha? Sao kosa dia tsy fiangonana fa sanatria "sinagogan'i Satana"?
Raha izaho manokana ohatra, raha vao eo an-tokonambaravaran'ny "trano" fiangonana iray no asiana mikasika na miankohoka @ sampy dia tsy hiditra ao mihitsy aho.

Angaha misy sinagogan'ny satana izany any Mada?
Raha misy io dia aiza?
Inona no anarany?



26. fijo ( 19/12/2007 21:49)
marina daholo ireo famaritana ataonareo ireo,fa ny ahy tsy any intsony no jereko,fa ny ahafahan'i lery ao.tena tsorina fa marary mahamenatra izy io,nefa mety misy fahadisoana avy aminay havany koa nahatonga azy nitsorapaka tao.mety nahatsiaro very taminay izy ka nihodina nitady "havana "hafa hiantsampazana.

ny azavaina azy mafy aloh aizao dia ny zanany."satria mifady sakafo maro ry zareo"dia efa hazavaina foanafa mbola mila sakafo isankarazany ny zaza hitomboany.
ady mafy io,fa amiko ny faharesena dia ny famelana azy hovery any
27. rakapy ( 19/12/2007 22:00)
Ny DEFINITION ny atao hoe SECTE raha toa ka mbola misy tsy mahazo ianao dia izao:

Ny atao hoe SECTE dia fikambanana iray niforona na nisitaka a partir-na fikambanana(fiangonana) lehibe iray izay efa ni-existe.Izany hoe fikambanana niforona mba hanana ny fahaleovantenany( ideolojia sns...).
Ny SECTES dia tsy voatery hoe sense negative foana fa manana ny lafin-tsarany sy ratsiny koa izy. Matetika ny Secte dia mitana ny ideolojian'ilay fikambanana(Fiangonana) izay nialany fa kosa misy hevitra na fomba vaovao izay nampiany na koa nosoloiny ao.Izay no nahatonga azy hisitaka t@ ilay fiangonany taloha.
Ny mampalahelo matetika dia lasa manao zavatra tsy ampiheverana izy ireny satria mbola mitady kil ka ataony daholo izay fandresen-dahatra ny olona mba hidirany ao aminy.
28. ikaretsaka ( 19/12/2007 22:07)
arialy:

Za manana olana be, misy olona akaiky ahy tafalatsaka anaty ny secte, izany 3F izany ao Antananarivo, fa tena niova tanteraka, lasa tsy mety miditra amin'ny fiangonan'ny sasany, manao teny tsy voahevitra tena mampalaelo sy ny sisa.
Lasa olona hafa mihitsy, raha mba misy manana hevitra afaka hampiova azy ireo de mba ampio rey olona ô


azo atao koa ny manontany azy hoe fa maninona ianao no tsy miditra atsy sy aroa intsony?

ny fanaovako azy adalaiko kely @ sarinteny hoe lasa ombin-drakoto de tsy mijery an'i kalamena atsy @ valan-drabe atsy intsony?
nahita sarety vaovao de narina ny sarety nahazatra? nefa ange le sarety vao mety tsy mbola drese tsara ka mety mihisatra e.. ao ange ampitovio e..
dia hoe ny vilona aty koa ange ka mba maintsomaintso tsara e.. jere...miam miam miam... sns...
29. fijo ( 19/12/2007 22:12)
ratsy be izay mamely izay ry ika an,vao miha maniraka azy hiaro tena be izay ,ka vao miha manalavitra ny fiarahamonina izy.

ny ahy dia ataoko toy ny tsy very lery fa tohizako ihany ny efa fanaoko azy taloha.ohatra lery dia arahabaiko tratry ny krismasy,na dia efa haiko aza fa tsy manaiky izay intsony.

tsy azo toherina mafy mihintsy ireny satria olona malemy saina ka mora miriotra
30. booboo ( 19/12/2007 22:23)
ie ...

ilay miady hevitra ny @ finoany tena fadiana raha azo atao satria efa voasasa ny ati-dohany no sady mbola lay tena mafana fo beeee @ raha arahiny izy ka sao lasa manohatra noho ny miresaka @ rindrina fotsiny. Tohizana tahaka ny mahazatra ny fifandraisana aminy dia arahina fitiavana ny fihetsika sy ny fiteny sns, dia saina tonga ho azy eny izy rehefa ela ny ela ( mety aman-taonany maromaro mihitsy nefa vao tonga zay....)
31. fijo ( 19/12/2007 22:25)
izay mihintsy,ny zokiko iray izao,dia nividy fitaovana hanaovan'ny zanany mozika,mba hifandraisan'ny ankizy amin'ny hafa fa tsy hovoatery foana ao
32. LazaDaddy ( 19/12/2007 22:57)
Tsarovy fa ny fivavahana Kristianina dia secte, ary voarakitra mazava tsara ao @ Baiboly io.
33. ikaretsaka ( 19/12/2007 23:10)

Eo aloha dia samihafa ry laza
ny sekta @ izao dia hafa nohon'ny taloha!
ny sekte @ izao fotoana (indrindra ny evanjelika) dia iray ihany no noraisina (ohatra hoe i jesoa ihany) fa no twistena araka izay nandraisany "evangeliquement parle" azy (arakaraka ny revirevin'ilay evangelical nanao interpretations izay hitany tany)

ny Kristianina taloha dia hafa mihitsy satria zavatra hafa mihitsy ny ninoany.. tsy hoe judaisme ihany fa tena religion sy credo hafa mihitsy! christianisme!
Izany no mahatonga ny fiaraha monina sy ny olombelona sy ny saina tsy de miteny hoe sekta ny islamisme sy ny bodisme sy ny hindouista sy ny jodaista ohatra satria credo hafa tanteraka mihitsy ireny ! fa kosa manao sy manasokajy hoe secte kosa ilay mody mino zavatra iray ihany (Kristy ohatra) fa "amin'ny fomba hafa" no inoany azy

Atao hoe tsy Kristianina aza fa silamo dia samihafa ny sunites sy ny shi hi'ites sia mifampilaza ry zareo fa secte
34. cutie ( 19/12/2007 23:15)
miombon-kevitra @ rakapy :)
35. arialy ( 20/12/2007 08:18)
misaotra anareo foana mamaly sy mizara trai-kefa .
Tsy misy fantatro ny momba io 3F io fa ny anarany io iany no fantatro, toa manana site hono , fa atramin'izao tsy nety voasokatro.
Fa tena convaincue za fa secte lay izy satri, manaratsy ny finoan'ny hafa foana, tsy te hiray amin'olona, ary tena mi se definir amin'ireo zavatra lazain'i ikaretsaka ireo mihitsy daolo.
Izahay havany aloha tsy hanary azy na dia betsaka aza ireo zavatra manafitohina sy mapalahelo avoaky ny vavany amin'ny rehetra.
Ny tsy handehanako any dia ny tsy hieritreretany fa miombokevitra aminy aho, efa nisy iraitam-po taminay nande tany fa tsy nisy nankasitraka izay tany fa tena fampihorohoroana foana ny resaka (genre: ny olona tsy mivavaka ao dia naman'ny satana, izay miray amin'ireny dia ho very...).
Ary ny tena nazahoan'ilay 3F lay havako dia nanana olana ry zareo, voaendrikendrika, dia sairana dia nisy nitondra tany dia voarebireby, nefa aho efa niteny tamin'izy ireo in bedebe oe tsy ny olona tao amin'ny fiangonana no nanao intervention fa ny avocat no nahay sns, niezaka aho ny milaza foana oe "mba réaliste", ny nahagaga ahy farany dia toa tsy mi fêter noel sy faran'ny taona ry zareo, fa hoe tsy marina ireny date ireny, nilaza aho fa date probable ireny ary natao hatsiarovana sy hiderana, ary nangataka précision taminy oe inona no tena date ary raha mahay ary ameo ny porofo, fa valinteny boribory, tsy misy fondement dia avy eo tezitra sns... de toy izany foana.
36. ari.malala ( 20/12/2007 08:34)
ka zay le eviterna arialy a! aza miady hevitra amzany tsony, satria na ilay mpitarika andry zareo aza tsy tena mahay na tsy tena mahalala izay zavatra toriany akory fa mamaly boribory izay manontany azy, dia izay koa no fomban'ny sympathisants amreny...
37. arialy ( 20/12/2007 08:44)
ari-malala
38. Veloo ( 20/12/2007 16:03)
arialy a,

aiza ao tana ary no misy an'io 3F e?
39. cutie ( 20/12/2007 16:29)
veloo
manin njy no interested?:)
40. fijo ( 20/12/2007 22:21)
arialy,ataovy toa ny tsy ao izy e,tohizo ny fifandraisan atoa ny taloha de tsy maninona loatra io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0468