Samy Jesosy kah... ny lohahevitra anie hoe inona no anton\'ny famantarana e! ary Jesosy mihitsy no nilaza toy izao :
\"32 Fa ny amin\'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.33 Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian\'ny fotoana.[*Gr. miareta tory]\"Marka 13:32-33
\"Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian\'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,\"Marka 13:35
Ikaretsaka> Tsy mifanipaka velively ireo fa mifameno... ny teny nambaran\'i Kristy notsongainao dia teny nomeny ho fankaherezana ny mpianatra nalahelo sy kely finoana noho ny fandrenesan\'ireo mpianatra fa handeha Kristy...
Ny mikasika ny famantarana sy ny fiambenana notsongain\'i LD dia fanorenam-pinoana fa izay tsy miambina sy tsy maharitra fa variana ny amin\'izao fiainana izao dia ho very na efa manana ny fanahy masina sy efa vita batisa sy miray amin\'ny Tompo amin\'ny komonio sy ny fanasàna aza... (vakio ny fanoharana nataon\'i Kristy mikasika ilay virjiny folo)