Nitory ny kandidàn’ny TIM
1. salmo1
(
16/12/2007 08:40)
Mbola tsy fantatra izay ho fiafaran’ny voka-pifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ao an-tampon-tanànan’Ambatolampy. Nampiakatra fitoriana eny amin’ny “Tribunal administratif” ny kandidàn’ny antoko TIM ao an-toerana noho ny hosoka na hala-bato niseho nandritra ny fifidianana, araka ny nambarany. Anisan’ny trangan-javatra tsy ara-dalàna ambarany ny niseho tao amin’ny biraom-pifidianana tao Anjanamihoatra-AmbanimasoII. Efa nisy valopim-pifidianana mbola tsy nampiasaina teo ambony latabatra ary efa nisy biletan’ny kandidà mpifaninana tao anatiny. Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, ny andron’ny fifidianana, no nahatratrarana izany, hoy ity kandidàn’ny TIM ity. Niantso ny tomponandraikitra eny amin’ny distrika izy sy ireo kandidà mpanolotsaina TIM niara-nanamarina izany. Nosoratana tao anatin’ny fitanana an-tsoratra (P.V.) nampiarahina amin’ireo antontan-taratasy nalefa any amin’ny CRMV izany. Ny hala-bato faharoa dia teo amin’ny fanisam-bato no nahatratrarana azy, araka ny nambaran’ny kandidà TIM ihany. “Hala-bato faobe no nisy” ka tambazotra no manatanteraka izany, ary heverina ho toy izany no nitranga tany amin’ny fokontany maro tao Ambatolampy. Noho izany dia mangataka ny hanesorana an-daharana (disqualification) an’io kandidà mpifaninana io ny kandidàn’ny TIM.
Lucien R.
Lucien R.
novalian'i pika ny 17/12/2007 10:08
3. xxx
(
17/12/2007 07:44)
Fahadisoana be izany nitory izany ! Sady izay 62% be izao no nandresen'ilay iray.
4. pika
(
17/12/2007 10:08)
jereo ireny fifidianana depiote tany .... ireny naverina ny fifidianana nefa eee vao maika fa nasehon' ny vahoaka fa tsy tiany ihany e
