Voyance

1. ikaretsaka ( 17/07/2006 21:21)
tsory fotsiny fa aza ahodikodina e.. iza marina no inoanao
fa aza ny tenin'andriamanitra no aolakolana
2. tynah ( 12/12/2007 19:55)
Avy amin'inona ny voyance? avy amin'ny herin'Andriamanitra sa herin'ny inona? Misy mantsy toa manonona ny anaran'Andriamanitra , misy koa miantso an'i satana nefa dia maro tokoa ny manao azy io .
Anareo ary ny sehatra.
3. cutie ( 12/12/2007 22:56)
Avy amin'inona ny voyance? avy amin'ny herin'Andriamanitra sa herin'ny inona

avy @ Atra:D
4. Veloo ( 13/12/2007 01:14)
amiko ireny avy @ satana....

cutie8O8O8O8O

5. cutie ( 13/12/2007 01:32)
ny tsara avy @ Atra, ny ratsy avy @ satana:)
6. Veloo ( 13/12/2007 01:36)
hahahaha tsy ratsy ndray iny valin-teny iny ka:P
7. cutie ( 13/12/2007 01:38)
aleo @ zay akia za hianatra fa tsssssssss:-D:-D:-D:-D
8. Veloo ( 13/12/2007 01:39)
za mba gaga inn ihany ary no ataon-njy ato :-D:-D:-D:-D:-D:-D
9. soanja ( 13/12/2007 05:32)
tynah:

Avy amin'inona ny voyance? avy amin'ny herin'Andriamanitra sa herin'ny inona? Misy mantsy toa manonona ny anaran'Andriamanitra , misy koa miantso an'i satana nefa dia maro tokoa ny manao azy io .
Anareo ary ny sehatra.


Tsy avy amin'iza n'iza na herin'iza fa dia avy amintsika olombelona ihany.
Isika olombelona no mifampiseho hery ary milaza ny tenany fa manana mihoatra ny hafa. Eo koa anefa ny malemy izay voarebireby amin'izany. Zany hoe misy ny mihevitra fa mahery sy ny malemy dia ireo no mifandray ary manome ny finoana tsy voahevitra.


10. niryna ( 13/12/2007 05:52)
Ny fahasoavana rehetra dia avy amin'Atra avokoa,misy ny mahay ny dikan'ny nofy,misy ny mahita fahitana,misy ny mahay ny fiteny maro samy hafa,misy ny miteny amin'ny fiten'ny tsy fantatra,misy ny mpaminany ary misy ny mivavaka amin'ny olona na mametra-tanana amin'ny olona,misy maro ny karazana fahasoavana izay nomen'Atra antsika.Nasehony daholo izany rehetra izany mba hiderantsika ny anarany sy mba hampiova ireo tsy mpino azy.
Satana izay fahavalo efa resy dia mitady lalana mandrakariva ka mampianatra ny hafa fa tsy misy izy ary dia mino izay manaiky ampiasainy sy lambolamboany.Matetika koa moa mbola te-anao ny fiainana'izao tontolo izao dia toherina daholo ny tenin'Atra ka lazaina fa tsy misy satana.Vakio ny baiboly fa io irery ihany no ahitana ny marina.Raha tsy tia mamaky baiboly moa dia ,too bad
Fehina avy amin'Atra ny fahitana fa satana koa mba manao izay zavatra nasehon'Atra ny olombelona ary dia nangala-tahaka saingy misy fetrany ny herin'ny satana fa ny herin'Atra dia ho velona mandrakizay ho an'izay mino Azy,manaiky Azy fa Any aminy irery ihany no misy Famonjena sy Izy irery ihany no Tompo ny tompo rehetra,mpanjakan'ny mpanjaka rehetra ary Atra ny andriamanitra rehetra.
Aza manaiky ho fitahina isika fa efa maro ny fanahin'ny anti-kristy misodisody,vakio ny baiboly ary aoka samy hiambina mba tsy ho voarebireby.
Mahereza daholo.
Ho an'ilay Andriamanitra Velona Irery anie ny Voninahitra ary ho antsika tsirairay avy ny fahasoavana avy amin'i Kristy Tompo.
11. tynah ( 13/12/2007 12:52)
dia ireny olona mandeha any am Voyante ireny zany tsy manota? sa manota?
Ny mpanandro sy ny mpimasy , ahoana ireny?
Ny mpijery karatra sy ny sisa?
Toa fitadiavam bola fotsiny ny fahazahoako an'ireny
Sady fandrebirebena.
Amiko tsy misy mpaminany lehibe ankohatra an'i Jesosy irery ihany.
12. ikaretsaka ( 13/12/2007 16:17)
rehefa tsy zavatra hafa fa hery voazava no hampiasain'ireny olona ireny ary entiny hanasoavana ny tenany sy ny mpiara belona aminy ilay izy fa tsy hamosaviany na handripahana azy! tsy hitako ny ota..
fa raha hamonoana olona, raha natao hampanjaka ny fankahalana alohan'ny fitiavana, hampitahorana sns...
dia manota izay amiko !
fijeriko izay , fa asa ny an-Drazezo!
13. cutie ( 13/12/2007 16:34)
namaste :D:D:D:D:D:D:D:D:D
14. fijo ( 13/12/2007 21:43)
avy amin'ny fahitana ka,izany hoe isika olombelona ihany no nipoirany
15. niryna ( 14/12/2007 06:42)
tynah:

dia ireny olona mandeha any am Voyante ireny zany tsy manota? sa manota?
Ny mpanandro sy ny mpimasy , ahoana ireny?
Ny mpijery karatra sy ny sisa?
Toa fitadiavam bola fotsiny ny fahazahoako an'ireny
Sady fandrebirebena.
Amiko tsy misy mpaminany lehibe ankohatra an'i Jesosy irery ihany.

Maro ary raha mijery ny baibolin'ny fiangonana sasany hianao(finoana izany ,aleo izy ihany no hilaza azy fa sarotra ny miteny) misy horoscope eo an'ilan'ilay fandaharana baiboly.
Ny horoscope,ny mpamaky tanana,ny mpisikidy,ny mpamosavy,ny mpijery kristal,ny mpijery karatra ireny rehetra ireny dia fitaovana am-piasain'ny satana avokoa.Maro ny tsy manaiky satria mbola mitampina ny masony(their eyes are blind) ary tsy mety mino satria noheveriny fa tsy misy dikany ilay izy.Efa naheno hianao tamin'ny mbola kely izahay no miresaka ny tanora hoe miantso izany esprit izany hono ry zareo ,tsy tadidiko tsara ilay izy fa ny fantatro fotsiny dia hoe mifampitantana manao boribory ,ny tohiny tsy fantatro fa raha misy dia afaka mba milaza aminay.Nisy vavy iray izay no itan'ny masoko fa nanao an'io fiantsoana io ary dia mamaly tokoa ilay fanahy,izay tsy mahalala ny ankizy hoe fanahy inona na inona fa fanahy fotsiny(tsy miteraka hianao hoy izy mantsy azy)
Inona no nahazo an'ilay vehivavy ? Nanao ny tsy fanao ary dia bevohoka,tsy nahazo niditra ny tranony intsony ireo ankizy namany.
Mahay daholo ireo rehetra ireo,hoy ity lahy mpiara-miasa ny vadiko hoe nandeha nijery tanana sy tany amin'ireny mpamaky tanana sy mpijery karatra ireny hono izy ary dia fantatr'ilay ramatoa daholo ny momba azy sy ny zavatra nataony rehetra.Ny ho aviny hono no nanontaniany ary dia tsy nahalala ilay ramatoa :D:D Tsy misy mahalala ny ho avintsika afa tsy Andriamanitra irery ihany.
Satana mangolangola ary antsoiny daholo ny olona eny amin'ny arabe raha anao fanandramana hijery tsy mandoa vola :roll: feno aty rehefa mafana ny andro.Misy miroboka ary misy milaza fa very vola be satria lazainy hono fa hoe amboarina ny vintana hi.hi.Mahay manao fahagagana maro koa satana saingy misy fetrany ny asany.
16. ikaretsaka ( 14/12/2007 18:06)
porofoy@ zavatra hoe ry niryna ny maha zavatr'i satana an'ireny??
ankoatran'ny fijoroana vavolombelona sy ny hoe "nisy hono":-D

Esory ho'a ilay fisainana hoe rehefa tsy zavatra tsy hainao expliquer-na dia hoe satana izay.
manoatra noho ilay mpiandry tsy mahalala cell phone sy bluetooth ka milaza ahy ho mahay mazii mazii sy misy herin'i satana satria maka sary aho dia miseho @ ordi ilay sary! :-D
17. Veloo ( 14/12/2007 18:07)
oy i tynah.
dia ireny olona mandeha any am Voyante ireny zany tsy manota? sa manota?
Ny mpanandro sy ny mpimasy , ahoana ireny?
Ny mpijery karatra sy ny sisa?


matoa ry zareo mande any dia tsy manana fahatokisana @ Andriamanitra...Ary tsy ao @ ireny olona ireny Andriamanitra/Fanahy masina.

Toa fitadiavam bola fotsiny ny fahazahoako an'ireny
Sady fandrebirebena.

zany marina mihitsy

Amiko tsy misy mpaminany lehibe ankohatra an'i Jesosy irery ihany


indry ihany ny nahay namaly azy

ary ny olombelona tsy manana hery manoka:
na hery avy any @ Andriamanitra
na hery avy any @ Satana.

Atsika no misafidy
18. ikaretsaka ( 14/12/2007 18:37)
ka eo indrindra no mipetraka ny olana:
aminao ..
Raha omeko ireto cas 2 ireto ianao:

1) io hery manokana io, ka tsy hay ny manazava azy, atao koa hoe hafahafa na tena hafa tanteraka mihitsy @ ilay noheritreretinao ny nanaovana azy sy nampiasaina ary nametrahana ilay hery taminao .
nefa tena nahasoa anao sy ny mpiara monina aminao , na ara batana na ara-tsaina sy fo sy fanahy ny nanananao azy!
dia hery inona izay?

2)raha io hery manokana io ihany, Tsy hay ny manazava azy, nefa ohatran'ny hitanao fa toa mifandraika @ ilay ninoanao sy nantenainao mihitsy ny nametrahana azy taminao (atao heo nisy fametrahan-tanana, nisy vavaka sns sns no nampiasaina sy nametrahana ilay hery tao aminao)
Nefa somary naha hafahafa anao sy ny mpiara monina aminao @ lafiny rehetra
dia hery inona izay?
19. fijo ( 14/12/2007 21:18)
izay indrindra.
vao tsy hay dia satana io,aza hadino,fa ilay lazaina fa asan'andriamanitra koa anie ka zavatra tsy hay azavaina e.dia satana koa izany andriamanitrareo?
20. niryna ( 15/12/2007 03:17)
ikaretsaka:

porofoy@ zavatra hoe ry niryna ny maha zavatr'i satana an'ireny??
ankoatran'ny fijoroana vavolombelona sy ny hoe "nisy hono":-D

Esory ho'a ilay fisainana hoe rehefa tsy zavatra tsy hainao expliquer-na dia hoe satana izay.
manoatra noho ilay mpiandry tsy mahalala cell phone sy bluetooth ka milaza ahy ho mahay mazii mazii sy misy herin'i satana satria maka sary aho dia miseho @ ordi ilay sary! :-D

Omeko porofo,koa olona tsy mino an'i satana ve azo omena porofo?
niryna:
Tsy mananatra azy ianao?...hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
Ahoana izany? Raha manam-pitiavana amin'ny olona na namana na fianankaviana isika dia mila mananatra azy hono raha mahafantatra fa tsy mety ny ataony,satria raha mahafantatra isika ka tsy miteny dia isika no hianjadian'ilay fahotan'ilay olona?

Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.

Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao. Eze 3:18-19



http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m472963b4085bd


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1354