Voyance

21. ikaretsaka ( 15/12/2007 03:58)
tsy hitako izay hifandraisany.. jereo ny voalazako ao ambony:D
22. ikaretsaka ( 15/12/2007 04:01)

Omeko porofo,koa olona tsy mino an'i satana ve azo omena porofo?
fa tena mbola gaga ihany aho ry niryna aminao sy ny finoanao .. iza no tena inoanao e? A/tra sa i satana? Franchement! inona no nolavinao t@ ianao natao batisa dy nandray ny fanahy masina?:roll:
"Kristianintianim-poana koa ianao"
23. niryna ( 15/12/2007 05:04)
ikaretsaka:


Omeko porofo,koa olona tsy mino an'i satana ve azo omena porofo?
fa tena mbola gaga ihany aho ry niryna aminao sy ny finoanao .. iza no tena inoanao e? A/tra sa i satana? Franchement! inona no nolavinao t@ ianao natao batisa dy nandray ny fanahy masina?:roll:
"Kristianintianim-poana koa ianao"


Na miaraka amin'i kristy izay izy irery ihany no lalana mankany amin'ny ray na hafa dia izay.Tsy misy mankany aminy ka raha mitory hianao fa misy hafa dia tsy an'i kristy izany ka aoka isika handinin-tena amin'ny antsoinao lava.Tena mandini-tena tokoa.Ho an'iza ity toriko ity,raha miaraka amin'ny kristy aho tsy hanohitra ny tenin'Atra,fa matoa aho toheriko foana ny teniny dia tsy miaraka aminy aho.
Ny tenin'Atra dia manambara fa ny fihainoana ny tenin'ATra no ampiharina izany amin'ny fiainana kanefa teneninao ny olona tsy hamaky baboly izany ve tsy hafahafa.
Tsy hifamaly eto aho ary efa imbetsaka io no noteneniko anao,araho izay arahanao,aleo ny olono no hifidy izay fanahy tiany hiaraka aminy."Judas kiss"
Izay miaraka ahy hoy i kristy dia manao ny didiko ary izay tsy manao ny didiko sy manohitra ny hafatro dia tsy izy izay no miaraka aminy fa dihino tsara ny fahany izay miaraka aminareo.
"he who loves me obey my teaching " Jaona 14:23
"Remain in me and I will remain in you" Jaona 15:4
Tadidio fa tsy misy izay miafina ka tsy ho hita na inona ataontsika na inona torintsika.Matio 10 vakina
Mivoaka eny ihany ny voa nafafy indrindra moa ohatra iray rehefa mitsidika any amin'ny serasera hafa =)) .
24. dailynews ( 17/12/2007 20:25)
Isaia=> ary raha lazainy aminareo hoe: mila saina amin ny manao azy ho tsindrianjavatra sy ny mpanao sikidy izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Atra va no tokony hilan ny olona saina? fa hila saina amin ny maty ho an ny velona va izy?

Asa 16: 16-18=> zazavavy nanana fanahy mahita zavatra(voyance), eny fa na dia niteny ny ho avy aza izy sns...dia fanahy maloto no tao anatiny. @ andininy faha 18 dia hita fa nalan i Paoly apostoly izany fanahy maloto izany ary nivoaka.
25. ari.malala ( 18/12/2007 06:22)
niryna:

...,misy ny mpaminany ary misy ny mivavaka amin'ny olona ...


Tsy azoko, mivavaka amin'ny olona ahoana moa izany? sa lasa ny olona indray no ivavahan'i niryna?:D

26. tynah ( 19/12/2007 11:00)
I satana koa anie fetsy eh!!! mody hatorony zavatra marina aloha dia taritiny amin'izay avy eo.
Tandremo ary , fa tsy misy mitovy amin'i Jesosy ilay mpaminany lehibe .
27. raozyfotsy ( 21/12/2007 09:22)
ny prophètes na ny mpaminany dia voalazan'ny baiboly ny fisiany,ary voalaza ihany koa fa hisy ny mpaminany sandoka!Noho izany misy tokoa ny efa nomen'Andriamanitra Fahasoavana na koa mety ho iraka avy any aminy saingy tsy kely lalana ny devoly manao ny asa ratsiny (izay mahay tsara izay voalaza ao @ baiboly ihany koa sy ny sitrapon'Andriamanitra).Noho izany raha mitoetra ao aminao ny fanahy masina dia hiseho aminao hoe iza no sandoka ary iza no tena avy amin'Andriamanitra.
Tadidio koa anefa fa ny fahasoavan'Andriamanitra dia mialoha mandrakariva ny Amintsika rehetra (=> prévoyance)ary izay tsy takatry ny saintsika akory dia hoe ratsy avokoa.Efa natorony isika fa Izy no Fiainana sy Fahamarinana ka aza mivily Làlana na mamela ny ratsy hanjaka ao @nao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0069