Bononoka (mangahazo masiso)
1. niryna
(
10/12/2007 06:09)
Efa naheno izany hoe bononoka ve hianareo?
Ahoana no fanaovana azy io araka ny fahalalanareo azy?
Mangahazo no voasana ary ataon'ny olona ao anatin'ny gony mandritra ny fotoana maharitra(telo volana?) any anaty tanimbary no anaovany azy ary rehefa avy eo dia andrahoiny dia izay ilay fombafombany?
Ary masiso tokoa anie izany e,fa mipasapasaka ao am-bava ilay izy ary rarahana siramamy betsaka sy miaraka amin'ny voanjo .Asa aloha raha mety misy aretina fa tsy narary aloha aho nihinana azy.:D
Sendra nisy olona nitondra ho anay tao an-trano.
Mitombona ve io sa misy hafa fanaovany azy ihany koa.Ny olona avy any amin'ny lalana mankany Ambalolampy, ka hatrany Antsirabe any hono no manao an'io sa misy hafa mitovy izany ihany koa ny haninkotrana ?
Misaotra mialoha

novalian'i mpisotrtoaka ny 17/06/2014 09:01
2. fahamarinana
(
10/12/2007 07:08)
:arrow:Za koa dia faran'ny tia bononoka ary amin'iny lalana mankany antsirabe,aoriana kelin'ny ambatofotsy iny no fividianana azy tamin'izany fotoana izany.Ié,mila mahatanty ny fofony fa c'est rien eo anatrehan'ny tsirony.Ny mankarary aloha angamba tsy dia ekeko fa ny question d'hygiene nanaovana azy no asa, Nefa tamin'izany moa tsy noeritreretina fa nony tonga aty am-pita vao nanontany tena koa e.(l)
3. fahamarinana
(
10/12/2007 07:09)

4. xxx
(
10/12/2007 08:34)
Tsara ny bononoka ka ! Ary tena ara-pahasalamana koa.
:arrow: Ny fandomana ny mangahazo rehefa manao bononoka dia manala ny akora toxique ao anatiny. Iaraha-mahalala fa misy cyanure anatin\'ireny mangahazo ireny, fa tsy misy kosa anatin\'ny bononoka.
:arrow: Ny fanotrehana indray (fermentation) dia fomba fitahirizana. Fermentation alcoolique no atao amin\'ny bononoka, izany hoe ny tavolo (amidon) ao anatin\'ny mangahazo no amboarin\'ireo mikiraoba ho lasa alikaola. (somary mitovy amin\'ny mofomamy sy mofo dipaina ihany). Ny tombontsoa amin\'io dia :
- tsy afaka itomboan\'ny mikiraoba hafa intsony
- manova ny tsirony
- mampipasaka azy rehefa andrahoina, noho ny C02 avoakan\'ny fermentation alcoolique izay mitombo hadiry haingana raha vao mafana.
:arrow: Ilay fofona indray dia vokatry ny zavatra anankiroa :
- alikaola vokatr\'ilay fermentation (tsy ampy hahamamo akory)
- soufre (H2S angamba) avy amin\'ny fihinanan\'ny mikiraoba ny ampahany amin\'ny proteine amin\'ilay mangahazo. Io soufre io raha kely fotsiny dia manitra (ohatra ny fofona oeuf dur), fa raha betsaka loatra dia tena maimbo (ohatra ny fofona egout).
Tsy atahorana anefa fa normal tanteraka, tsy toxique velively ny fofon\'ny bononoka (ilay \"odeur\" sy ilay \"flaveur\"). Arakaraka ny olona ihany no maha manitra na maha maimbo azy.

6. hery
(
10/12/2007 10:02)
xxx> Tena misaotra anao fa decouvertes be ho anah ireo zavatra nolazainao ireo. Azo avoaka any ho any ve ireo fanazavana ireo? Ataoko hoe, hoy i xxx :-)
7. fahamarinana
(
10/12/2007 12:19)
:arrow:Ie za koa toa any Hery,misaotra any xxx tamin'ny fanazavàna nomeny fa tena zatra nihinana fontsiny teny.Mba nahay zavatra aho zany androany e!!!(l)
8. xxx
(
10/12/2007 12:23)
Hery > ity atao fa diso/tsy ampy io ambony io :wink:
----------------
Ny bononoka dia sakafo azo avy amin'ny fandomana mangahazo, ka ahazoana mangahazo ara-pahasalamana kokoa sy matsiro kokoa. Misy fofona somary mahery izy ka lasa tsy itiavan'ny olona sasany azy. Ny mangahazo vita bononoka dia azo amainina sy totoina ka anaovana karazana mofo mangahazo antsoina hoe ketapotsy.
Faritra mpanao bononoka :
- Vakinankaratra izany hoe anelanelan'Ambatolampy - Faratsiho - Antsirabe
- Arivonimamo
- sns
Fomba fanamboarana bononoka
Misy fiovana kely arakaraka ny faritra, fa amin'ny ankapobeny dia toy izao :
- Mihady mangahazo
- atao anaty gony ary fatorana tsara
- alona anaty rano (tatatra na tanimbary) mandritra ny 2 herinandro
- andrahoina tahaka ny batabata
Ny fermentation
Mandritra ilay fotoana ilomany anaty rano dia misy mikiraoba mihinana ilay mangahazo. Zavatra mandeha amin'izao fotsiny izy io, tsy nisy "ensemencement"-na mikraoba, hany ka izay mikraoba misy eo sy izay akora amin'ny mangahazo no mitondra azy. Noho izany, satria amin'ny toerana tsy misy rivotra (anaerobie) ao anaty filoman-drano ao, dia misy karazana fermentation maromaro mitranga, indrindra ireo ny "fermentation lactique" (fanao @ habobo sy choucroute) sy ny "fermentation alcoolique" (ohatra ny mofomamy sy mofo dipaina).
Voalohany aloha, tapahan'ireo mikiraoba ny tavolo anaty mangahazo hahazoany glucose, ary haniny ilay glucose mba hamoahany enton'arina (CO2) sy hafanana ary asidra laktika (fermentation lactique) na alikaola (fermentation alcoolique).
Ny fidinan'ny pH noho ny asidra laktika sy ny famokarana alikaola dia misakana ny mikraoba hafa tsy hitombo ao intsony, indrindra fa ireo mikraoba mety mahasimba azy na ireo mikraoba mankarary.
Vokany :
- fomba itahirizana ny mangahazo tsaratsara kokoa ny bononoka
- tsy atahorana hankarary noho ny mikraoba ny bononoka
Mbola misy karazana fermentation hafa koa mitranga fa tsy dia tena lehibe, kanefa mandray anjara ihany koa amin'ny tsiro sy fofon'ny bononoka.
Ny fialan'ny akora toxique
Noho izy milon-drano dia mivoaka entin'ny rano ny asidra cyanhydrique ao anatin'ny mangahazo. Fa ny fanapotehan'ireo mikraoba ny karazana glucosides koa dia manampy amin'ny fanalana ireo cyanures izay 'liés' ka tsy miala amin'izao.
Ny tsirony sy fofony
Ny bononoka dia malemy, mipasaka sy matsiro. Misy fofona mampiavaka azy koa, izay tsara ho an'ny sasany fa ratsy ho an'ny sasany. Ny mahatonga ireo tsiro sy fofona ireo dia :
- ireo asidra sy alikaola vokatry ny fermentation
- ny enton'arina avy amin'ny fermentation dia mampipasaka azy rehefa andrahoina satria mitombo hadiry haingana amin'ny hafanana
- ny fahatapatapahan'ireo molecules ngeza toy ny tavolo na mafy toy ny pectine dia mampalemy azy sy mampaha-re kokoa ny tsirony
- ny soufre mivoaka noho ny fihinanan'ny mikraoba ny ampahany amin'ny proteines amin'ilay mangahazo mahatonga fofona. Raha kely io dia manitra (ohatra ny oeuf dur), raha be loatra dia maimbo (ohatra ny egouts).
Fehiny :
Raha te-hihinana mangahazo tsara sy matsiro ary ara-pahasalamana dia ny bononoka no tsara indrindra, satria sady afaka ny toxique no voaaro amin'ny mikiraoba ratsy izy, ary mihatsara izy ao am-bava. Tsy misy toxique velively ny zavatra mahatonga ny fofony sy ny tsirony mampiavaka azy iny fa azo antoka tsara.
Tsy isika malagasy irery - araka ny filazan'ny sasany - no manao bononoka, fa misy firenena afrikana hafa koa, saingy hafa no anarana fiantsony azy, ary tsy tena mitovy tanteraka ny fikarakarana azy. Amin'ny teny frantsay dia "rouissage" no iantsoana an'io fomba fandomana mangahazo io (cf google). :wink:
Farany : Rehefa mba mandalo ny tanànan-dry xxx dia mba mihinàna ange bononoka :wink::P

9. fahamarinana
(
10/12/2007 12:30)
:arrow: xxx,za koa mba hangataka autorisation aminao an,ataoko anaty blog fa manintona ahy ilay resaka gasy toa izao.Miera aloha sao dia hitan'ny xxx tampoka any ho any.(l)
11. fahamarinana
(
10/12/2007 13:32)
xxx:
fahamarinana > malalaka tanteraka io ka !
Raha tsy izany tsy xxx :wink:
:arrow:mankasitraka e(l)
12. pissoa
(
10/12/2007 15:42)
gaaay lehiretsy a !
za koa tia bononoka :miam::miam::miam:
fa tsy mbola nataoko zany hoe asiana siramamy na voanjo zany fa hanina amizao fotsiny :lol:

17. niryna
(
11/12/2007 07:11)
fahamarinana:
:arrow:Za koa dia faran'ny tia bononoka ary amin'iny lalana mankany antsirabe,aoriana kelin'ny ambatofotsy iny no fividianana azy tamin'izany fotoana izany.Ié,mila mahatanty ny fofony fa c'est rien eo anatrehan'ny tsirony.Ny mankarary aloha angamba tsy dia ekeko fa ny question d'hygiene nanaovana azy no asa, Nefa tamin'izany moa tsy noeritreretina fa nony tonga aty am-pita vao nanontany tena koa e.(l)
Izany tokoa e,izaho tia azy koa fa araka ilay anarany. Toa tadidiko ato ambavaka amin'izay ilay tsirony :D
18. niryna
(
11/12/2007 07:12)
fahamarinana:
:arrow:Za koa dia faran'ny tia bononoka ary amin'iny lalana mankany antsirabe,aoriana kelin'ny ambatofotsy iny no fividianana azy tamin'izany fotoana izany.Ié,mila mahatanty ny fofony fa c'est rien eo anatrehan'ny tsirony.Ny mankarary aloha angamba tsy dia ekeko fa ny question d'hygiene nanaovana azy no asa, Nefa tamin'izany moa tsy noeritreretina fa nony tonga aty am-pita vao nanontany tena koa e.(l)
Izaho hoy ny lazaiko eo ambony tsy narary ka,fa ilay fanaovany azy no mitombona ve io?
19. niryna
(
11/12/2007 07:15)
xxx:
Tsara ny bononoka ka ! Ary tena ara-pahasalamana koa.
:arrow: Ny fandomana ny mangahazo rehefa manao bononoka dia manala ny akora toxique ao anatiny. Iaraha-mahalala fa misy cyanure anatin\'ireny mangahazo ireny, fa tsy misy kosa anatin\'ny bononoka.
:arrow: Ny fanotrehana indray (fermentation) dia fomba fitahirizana. Fermentation alcoolique no atao amin\'ny bononoka, izany hoe ny tavolo (amidon) ao anatin\'ny mangahazo no amboarin\'ireo mikiraoba ho lasa alikaola. (somary mitovy amin\'ny mofomamy sy mofo dipaina ihany). Ny tombontsoa amin\'io dia :
- tsy afaka itomboan\'ny mikiraoba hafa intsony
- manova ny tsirony
- mampipasaka azy rehefa andrahoina, noho ny C02 avoakan\'ny fermentation alcoolique izay mitombo hadiry haingana raha vao mafana.
:arrow: Ilay fofona indray dia vokatry ny zavatra anankiroa :
- alikaola vokatr\'ilay fermentation (tsy ampy hahamamo akory)
- soufre (H2S angamba) avy amin\'ny fihinanan\'ny mikiraoba ny ampahany amin\'ny proteine amin\'ilay mangahazo. Io soufre io raha kely fotsiny dia manitra (ohatra ny fofona oeuf dur), fa raha betsaka loatra dia tena maimbo (ohatra ny fofona egout).
Tsy atahorana anefa fa normal tanteraka, tsy toxique velively ny fofon\'ny bononoka (ilay \"odeur\" sy ilay \"flaveur\"). Arakaraka ny olona ihany no maha manitra na maha maimbo azy.
Misaotra anao nanazava ,ahoana izany fomba ataony maha manitra azy izany fa mbola tena te-ihanana aho
:D
20. niryna
(
11/12/2007 07:17)
hery:
Any aminay koa no tompon'ny Bononoka :-)
Any Arivonimamo
Dia ahoana no fanaovany ny any aminareo?
misy fomba azo atao ve mba hianarana :D