afo

1. Kwasi ( 09/12/2007 10:52)
Samy hafa ve ny afo izay mahazatra antsika ety an-tany sy ilay hoe afobe any @ helo?

Ilay afo ety an-tany manko dia mahakila forehitra, izany hoe raha atsipy ao ianao dia lasa lavenona, ary tsy misy intsony.
Ilay afobe any @ helo anefa dia toa tsy hoatr'izany, fa toa velona ao foana ihany ilay "olona".

Sao dia zavatra hafa io voalaza fa "afobe" io ???
novalian'i Veloo ny 13/12/2007 01:44
2. soanja ( 09/12/2007 14:51)
Kwasi:

Samy hafa ve ny afo izay mahazatra antsika ety an-tany sy ilay hoe afobe any @ helo?

Ilay afo ety an-tany manko dia mahakila forehitra, izany hoe raha atsipy ao ianao dia lasa lavenona, ary tsy misy intsony.
Ilay afobe any @ helo anefa dia toa tsy hoatr'izany, fa toa velona ao foana ihany ilay "olona".

Sao dia zavatra hafa io voalaza fa "afobe" io ???


Io afobe io raha ny fahafantarako azy dia sarinteny ilazana ny tebiteby sy tsy fitonianan'ny fanahy any ankoatra.
Betsaka ny fanahy tsy tony rehefa maty noho ireo adidy tsy vitany taty na ny toetra ratsy nampiharin'ny tamin'ny mpiarabelona aminy na tamin'ny tenany na tamin'ny manodidina iainany.
Io dia taratra na eo ampialana aina aza ary mitohy any ankoatra.
Na izany anefa na tsy izany dia manomboka ety an-tany ny afobe saingy isika no tsy mahafantatra azy.



3. saho ( 09/12/2007 16:48)
Mbola tsy nisy olombelona nahita izany afobe any ankoatra izany ary mbola tsy misy maty ka velona indray afa-tsy i Jesosy Kristy, raha manaiky azy ianao ka vita batisa sy manao ny sitrapony dia afaka aminao izany tebiteby izany...
Ilay afobe any an-koatra mantsy raha katolika ianao dia tena mino ny fisiany fa raha finoana hafa dia asa indray, mifandraisa @ mon pere dia anontanio izy
bye
4. ikaretsaka ( 09/12/2007 20:29)
soanja:


Samy hafa ve ny afo izay mahazatra antsika ety an-tany sy ilay hoe afobe any @ helo?

Ilay afo ety an-tany manko dia mahakila forehitra, izany hoe raha atsipy ao ianao dia lasa lavenona, ary tsy misy intsony.
Ilay afobe any @ helo anefa dia toa tsy hoatr'izany, fa toa velona ao foana ihany ilay "olona".

Sao dia zavatra hafa io voalaza fa "afobe" io ???


Io afobe io raha ny fahafantarako azy dia sarinteny ilazana ny tebiteby sy tsy fitonianan'ny fanahy any ankoatra.
Betsaka ny fanahy tsy tony rehefa maty noho ireo adidy tsy vitany taty na ny toetra ratsy nampiharin'ny tamin'ny mpiarabelona aminy na tamin'ny tenany na tamin'ny manodidina iainany.
Io dia taratra na eo ampialana aina aza ary mitohy any ankoatra.
Na izany anefa na tsy izany dia manomboka ety an-tany ny afobe saingy isika no tsy mahafantatra azy.

namaste tanteraka! ^:^


5. cutie ( 09/12/2007 23:55)
Io afobe io raha ny fahafantarako azy dia sarinteny ilazana ny tebiteby sy tsy fitonianan'ny fanahy any ankoatra.
Betsaka ny fanahy tsy tony rehefa maty noho ireo adidy tsy vitany taty na ny toetra ratsy nampiharin'ny tamin'ny mpiarabelona aminy na tamin'ny tenany na tamin'ny manodidina iainany.
Io dia taratra na eo ampialana aina aza ary mitohy any ankoatra.
Na izany anefa na tsy izany dia manomboka ety an-tany ny afobe saingy isika no tsy mahafantatra azy.

hay ve zany akia ny dikan'ny afobe.
Zao vo azoko merci :)
6. niryna ( 10/12/2007 04:22)
soanja:

Kwasi:

Samy hafa ve ny afo izay mahazatra antsika ety an-tany sy ilay hoe afobe any @ helo?

Ilay afo ety an-tany manko dia mahakila forehitra, izany hoe raha atsipy ao ianao dia lasa lavenona, ary tsy misy intsony.
Ilay afobe any @ helo anefa dia toa tsy hoatr'izany, fa toa velona ao foana ihany ilay "olona".

Sao dia zavatra hafa io voalaza fa "afobe" io ???


Io afobe io raha ny fahafantarako azy dia sarinteny ilazana ny tebiteby sy tsy fitonianan'ny fanahy any ankoatra.
Betsaka ny fanahy tsy tony rehefa maty noho ireo adidy tsy vitany taty na ny toetra ratsy nampiharin'ny tamin'ny mpiarabelona aminy na tamin'ny tenany na tamin'ny manodidina iainany.
Io dia taratra na eo ampialana aina aza ary mitohy any ankoatra.
Na izany anefa na tsy izany dia manomboka ety an-tany ny afobe saingy isika no tsy mahafantatra azy.







:roll:
7. niryna ( 10/12/2007 04:28)

13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.

14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.

15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
Apok 20:13-15

http://baiboly.org/toko.asp?boky=APOKALYPSY&toko=3&andininy=19-22&dika=
8. deric ( 10/12/2007 09:16)
Ny afotsika ety ange voafetra e! Azo vonoina. Sandy mandoro no madevona.
Fa ilay afobe lazain'ny baiboly sy dia sariteny izany na koa honohono: FArihy mirehitra afo + Solifara, nefa tsy mandevona na koa hoe mamono tanteraka fa mampijaly mandrakizay (tsy misy fetrany ary tsy misy famonoana azy). Io koa no lazain'i Jesoa hoe "Any no hisy ny fitomaniana sy fikotroha-nify" Aza mba mba tonga any fotsiny e!
9. ikaretsaka ( 10/12/2007 16:15)
misy izay hira izay hoe "ny tebitebin-tsaiko sy ny ahiahim-poko sy ny hadisoako"
10. pissoa ( 10/12/2007 21:16)
Ny fahafantarako an'izany afobe dia faniriana mandoro ilay olona (iray manontolo) hahita an'Andriamanitra sy hiaina ny hasambarana efa nomaniny ho antsika ... saingy tsy afaka amin'izany noho ny tsy fahamendrehana isan-karazany ! :lol:
11. ikaretsaka ( 10/12/2007 21:29)
pissoa) adinonao ilay TSY ao aorian'ny?...
ooops aoka ihany
12. pissoa ( 10/12/2007 22:11)
tsy azon'i pissoa zany tenin'i Ika zany :-D:-D:-D
13. ikaretsaka ( 10/12/2007 22:44)
saika hiteny @ teny fantatra aho fa aoka ihany!
14. Kwasi ( 10/12/2007 22:55)
Raha somary aravoko kely izany ny ankabeazan'ny valinteny dia sarinteny ihany ilay izy ary azo lazaina hoe fijaliana vokatry ny nenina
15. xxx ( 11/12/2007 14:00)
13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.

14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.

15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. Apok 20:13-15


hoy Kwasi
Raha somary aravoko kely izany ny ankabeazan'ny valinteny dia sarinteny ihany ilay izy ary azo lazaina hoe fijaliana vokatry ny nenina


Tsy sarinteny ny voalaza fa efa voalaza ao anaty Baiboly araka io resaka eo ambony io no izy. Tena izy io fa ny olona no manao sarinteny satria tsy mahay mandray am-pahatsorana izay voalazan'ny Baiboly fa miezaka manazava amin'ny sai-beny fotsiny izao.

Efa nalefan'Andriamanitra daholo ny Teny rehetra fa ny olona no minia tsy mihaino sy mankato, dia manjary lasa manenina rehefa tonga tokoa ny fotoana hodiany satria izay voasoratra dia tsy noraisiny ho serieux. Andriamanitra anie no miteny ao anaty Baiboly ary Izy ihany koa no manam-pahefana amin'ny hiparitahan'io Teniny io ho an'ny olombelona rehetra e!
16. Kwasi ( 11/12/2007 15:06)
xxx> Ka ilay farihy afo io ary ve izany tonga dia mandoro mahakila forehitra sa ahoana e?
17. cutie ( 11/12/2007 21:34)
Andriamanitra anie no miteny ao anaty Baiboly ary Izy ihany koa no manam-pahefana amin'ny hiparitahan'io Teniny io ho an'ny olombelona rehetra e!
18. Veloo ( 13/12/2007 01:44)
Tsy sarinteny ny voalaza fa efa voalaza ao anaty Baiboly araka io resaka eo ambony io no izy. Tena izy io fa ny olona no manao sarinteny satria tsy mahay mandray am-pahatsorana izay voalazan'ny Baiboly fa miezaka manazava amin'ny sai-beny fotsiny izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1396