Izay mihamafy hatoka dia ho torotoro

1. niryna ( 09/12/2007 08:13)
Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.Oha 29:1

Inona no hevitra tian'ny soratra masina lazaina amin'izany?

Fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;Rom 1:21-24

1-Nahalala an'Atra ny olona fa tsy nety nankalaza Azy,na nisaotra Azy na nidera ny Anarany. ka ....
2-Lasa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany
3-lasa maizina ny fony
4-nandoka tena izy ary mihevitra ny tenany ho hendry kanjo tonga adala(eo anatrehan'Atra izany)
5-tsy mety ho lo ny voninahitr'Atra kanjo nosoloin'ireo zavatra :Endrika olona,vorona,biby ary zavatra hafa izay mety ho lo.

Ny vokany:
Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana(Rom 1:24)

Dia inona no nitranga?
Ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay.Rom 1:25.

Dia ahoana raha izany?
Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady;Rom 1:25

Raha araka ny voasoratra ao anatin'ny soratra masina dia izao no fanontaniako.

Navelan'Atra hanao izay hiadanin'ny kibony tokoa izany ny olombelona satria nomeny safidy? Izay tadiaviny dia omeny satria izay no safidiny?
novalian'i niryna ny 12/12/2007 18:05
2. niryna ( 09/12/2007 08:14)

Dia inona no mitranga ?
Vakio ny zava-doza aterak'izany ao amin'ny Rom 1:26-30 :cry::cry::cry::oops:

Misaora an'Atra fa na mena toy ny jaky aza ny fahotantsika dia ho fotsy toy ny oram-panala,ary izay rehetra tiany no hanariny sy faiziny.

19 Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha.

20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.

21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.

22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Apo 3:19-21


Fiadanana anie ho antsika rehetra ho ao amin'i Kristy Tompo sy ilay Atra be fitiavana mahefa ny zavatra rehetra. Amena
3. ikaretsaka ( 09/12/2007 14:39)
Siempre Dominus tecum Niryna a. Est Deus in nobis
4. pissoa ( 09/12/2007 20:17)
nidinan'ny Fanahy Masina njay ra Ika zany :-D:-D:-D
5. ikaretsaka ( 09/12/2007 20:20)
nga rehefa mitarogna Latinina de idinan'ny fanahy masina?8) ny ahy efa ao anatiko foana ny fanahy masina ka
6. niryna ( 10/12/2007 03:30)
ikaretsaka:

Siempre Dominus tecum Niryna a. Est Deus in nobis



:roll:
7. niryna ( 10/12/2007 03:30)
pissoa:

nidinan'ny Fanahy Masina njay ra Ika zany :-D:-D:-D


asa aloha a :D
8. niryna ( 10/12/2007 03:31)
ikaretsaka:

nga rehefa mitarogna Latinina de idinan'ny fanahy masina?8) ny ahy efa ao anatiko foana ny fanahy masina ka
enga anie


9. niryna ( 10/12/2007 04:09)
Satria naniry ny tsy anaraka ny sitrapon'Atra ny olona dia navelany anao izay hiadanin'ny kibony ka satana no nomeny alalana anao izany.
Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'ny tsy fanaony;

ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. Rom 1:26-27


Nanana faniriana izay mifanohitra ny lalan'Atra izany ireo olona ireo dia navelan'Atra nanao ny adalany tokoa ka

Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, Rom 1:28
Inona no vokatra aterak'izany?

ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otripo,
mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, Rom 1:29-30


Dia mbola hita ihany koa izany ao amin'ny soratra masina hafa.

19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. Gal 5:19-21


Tsy andova ny fanjakan'ny lanitra hoy ny tompo izay manao ireto zavatra ireto,saingy raha mifona aminy kosa ka tsy anao an'ireo intsony dia ho voavela tokoa ny heloka (raha mino sy manaiky fa Atra hanafaka anao amin'ny fahotanao dia ho voavela tokoa izany ary tsy ho tsarovany intsony,ny lasa omban'ny lasa ary fiainana vaovao ao amin'i kristy indray no omeny anao)

Ny fo no mitaraina amin'i Tompo ary dia ho voavela isika amin'izay ratsy rehetra natao.

[color=blue]Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy? Jer 17:9

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;

24 Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.Sal 139:23-24
Marary ny fahamarinana kanefa aleo mahafantatra dia mitandrina amin'ny manaraka mba hiala toy izay tsy ho tafiditra ny fanjakan'ny lanitra.Mahereza daholo.

^:^^:^ Praise the Lord for He is good and his Love endures forever !

Miderà an'i Jehovah ry firenena rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra.

Fa lehibe ny famindram-pony amintsika; Ary mandrakizay ny fahamarinan'i Jehovah. Haleloia.
Sal 117:1-2
10. ikaretsaka ( 10/12/2007 16:17)
niryna:

[]
nidinan'ny Fanahy Masina njay ra Ika zany :-D:-D:-D


asa aloha a :D

[/quote]
za efa ela no nidinan'ny fanahy masina sy tsy nialany intsony ka.. sady za miteny teny maro samihafa saingy fantatro ny teny teneniko


11. niryna ( 11/12/2007 06:04)
ikaretsaka:

niryna:

[]
nidinan'ny Fanahy Masina njay ra Ika zany :-D:-D:-D


asa aloha a :D


za efa ela no nidinan'ny fanahy masina sy tsy nialany intsony ka.. sady za miteny teny maro samihafa saingy fantatro ny teny teneniko



[/quote]


Dia zarao amin'ny namana ary izany fahasoavana izany satria raha ao aminao ilay izy dia mora ho anao ny miteny ny tenin'Atra fa tsy hitsikera na tsy ho tia boky mamy volamena sarobidy.
12. ikaretsaka ( 12/12/2007 03:06)
efa zaraiko fa ianao no mafy hatoka mbola variana matory sy mampiasa ny 2000 pejy navondron'ny Kaonsilinay ange e..
miverena modia @ zay o!
500 taona tsy mahaleo ny 2000 taona ry niryna an... ao raha...
13. niryna ( 12/12/2007 18:05)
ikaretsaka:

efa zaraiko fa ianao no mafy hatoka mbola variana matory sy mampiasa ny 2000 pejy navondron'ny Kaonsilinay ange e..
miverena modia @ zay o!
500 taona tsy mahaleo ny 2000 taona ry niryna an... ao raha...



:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1066