toe-trandro.

1. xxx ( 06/12/2007 13:42)
Tsy tena haiko moa izay hatao lohateniny, fa izy ity dia tantara tena marina.

Nisy tovolahy izay mpiara-mianatra tamin'ilay tovolahy akamako. Ririna ny andro ka tsy nanapa-bolo mihitsy izy. Ny volony moa dia tsy tsotra ka mibofona be mihitsy, ary misy fotoana tsy fatorany fa avelany amin'izao.

Dia nanontany an'ilay namako aho hoe: fa maninona no tsy tapahany ny volon'ilay mpiara-mianatra aminareo iny e?
Dia hoy lery hoe: angamba mangatsika izy, dia avelany amin'izao aloha, sady ny andro koa anie mangatsika e!

Tato afara, mbola tsy notapahany ny volony, nefa navelany haniry koa ny volom-bavany. Dia nanontany an'ilay namako indray aho hoe: fa maninona no manao ohatran'iny le namany iny e?

Dia hoy izy: Mafana be leitsy ny andro a!
2. xxx ( 06/12/2007 19:44)

Mba manaraka toetr'andro leitsy izy koa maninona!
3. tsiambaratelo ( 11/12/2007 21:36)
Zara mba ny volon-doha sy volom-bava fotsiny aza zany no nalavainy kouu,tsy te hahita aho,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3302