hira sy tononkira REBIKA

1. Kwasi ( 06/12/2007 02:45)
Mba mitady ny tononkira sy ny hiran'i Rebika manaraka ity aho ry zareo, izay mba afaka manome.
Tsy haiko ny lohateny fa hoatrohatr'izao ilay izy:

Ry alina mangina
Toa mampanembona ahy
Ny volana balika
Mampifoha ny tsiahy
Tsy andriko ny ampitso
Hahita anao indray
Ka iondanako eo an-tratranao
Iangotiko aminao.
..... Mametsovetso anao ny foko ...etc

Merci
novalian'i Kwasi ny 06/12/2007 21:04
2. cutie ( 06/12/2007 03:35)
nofy ny titre
fa misy tsy tadidiko ny tonony.
Misy ao @ rvg io,alefako radem :) de halaiko ny tonony:)
3. Kwasi ( 06/12/2007 10:17)
Merci cutie:-*
4. cutie ( 06/12/2007 18:49)
Ny alina mangina
Toa mampanembona ahy
Ny volana baliaka
Mampifoha ny tsiahy
Tsy ho andriko ny ampitso
Hahita anao indray
Ka hiondanako eo an-tratranao
Hiangotiako aminao

Mametsovetso anao ny foko
Enga anie ka ho azo nofy
Hitohy mandra-maraina
Lay nofy
Ka ho mirana aho ny hahita anao

Manganohano irery aho
Ny alahelo anao tsy ho laitra
Fitia vao niandoha ka
Mora tohina sy taitra
Hiomanako ny ampitso
Hihaonatsika indray
Hitohofako lay molotrao
Hisambarako sy ianao

Mifendrofendro anaty
Tsy ho tanty
Ny ao am-poko mitoloko
Lay nofy no antenaiko ry aiko
Hanohizako ny embona anao
Hanofy anao
No iriko
Hiandrasako ny ampitso
Zay mielina tsy ho tiako
Ndrao tsisy hifaliako
Hoezahiko lay nofy
Hiantefa any aminao
Hiombo- nofy aloha
Isika anio
Ho ali-mamy sy madio.


Tsara kosa le hira ry kwasi a :D

5. Kwasi ( 06/12/2007 21:04)
Ka izay mihitsy ange ry cutie e!!
Merci 1000 fois :-*:-*:-*(puissance 1000)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0689