Fidio ny candidat TIM raha tianao ny fandrosoana!

1. ronaldo09 ( 04/12/2007 10:21)
Ao anatin'ny fampielezan-kevitra ny ao Mada amizao fotoana izao ,ny aty Russie anefa vaoafak'omaly no vita ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny douma koa nazava ny fandresen'ny Russie Unis na ny Yedinaya Russia izay antokon'ny filoha amperin'asa amizao fotoana izao ,ity fandresena ity no midika fa mamimbahoaka ingahy Vladimir Vladimirovich Poutine ary koa te handroso ny vahoaka ka aleony ny antoko eo amin'ny fitondrana no fidina!
Ho antsika any Mada dia ny fifidianana ben'ny tanana izao no malaza ary miankina amin'io no hampandroso ny faritra misy anao satria ny ben'ny tanana no tompon'andraikitra amina fampandrosoana ny tanana feheziny...Tsotra ny teninay navava be toy ny masoandrobe lohataona ny fandresen'ny TIM tamin'ny fifidianana solombavambahoaka ,izay midika ho fahombiazan'ny filoha ,amin'ity fifidianana izay hatao atsy ho atsy ity dia mamporisika anareo izahay hifidy ny TIM satria ny fisian'ny antokon'ny fitondrana eo amin'ny faritra misy anao no antoky ny fampandrosoana ....
2. hery ( 04/12/2007 10:57)
Tsetsatsetsa tsy aritra fa tena nisy zavatra sendra tsy azoko fotsiny :-)

Tsy hoe ratsy akory... fa nanandrana namaky ny zavatra nolazain'i ronaldo09 tamin'ny herintaona toa izao aho http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika%2Ftadiavo&tadiavo=1&titre&msg&submitter=ronaldo09&topid=t3ead6698d828d&debut=220 izay misy fanaratsiana Ravalo sns. Tato ho ato anefa dia toa lasa pro-Ravalo be. Dia gaga hoe nisy fiovam-penitra mahery vainga angaha? Sa lasa TIM tampoka tamin'ity taona ity?

Tsy ratsy izany hoy aho. Fa mampanahy ihany.

Sao amin'ny herintaona dia hitsipaka ambava-fo indray.

3. salmo1 ( 04/12/2007 11:29)
hery^:^ =))

ronaldo09 elahy kay nihombekevitra tamiko tsssssss.

Za tsy dakôro satry za sy elahy dia tena tsy mitovy tiana maintsy, jereo fotsiny ireto:

Za AREMA elahy TIM

Za BARSA elahy REAL

Donc; za tsy mihombekevitra amin'ny elahy zany ra tsy miova elahy alou.

;-)
4. ronaldo09 ( 04/12/2007 11:35)
Hery a!Politika io fa aza atao mahagaga !I Ranjeva anie ka olon-dRatsiraka taloha nefa izy izao Ravaloista !!!Ka aza atao mahagaga!
5. zandrypte ( 04/12/2007 12:30)
misy fahamarinany ny teninao ry ronaldo09 kanefa misy zavatra tokony hazava ihany .
raha toa ka tsy TIM izany no lany amin'ilay tanàna dia tokony tsy hampandrosoana izany ve io tanàna io?
ny fandrosoana anie tsy manandoko raha tsy diso aho tsy tokony afangaro mihintsy ny politique de developpement economique,social ... sy ny politique politicienne ny tena tsy tokony adinoana dia tsy tokony atao intsony otage ny vahoaka droit de l'homme oblige satria ny politique anie tsy ny vhoaka madinika no manao azy fa tsy ampy 10% ny malagasy akory ka tokony hieritreritra tsara ihany isika rehetra ary farany ny toerana tokony hisy adilahy politika dia any amin'ireo assemblée national fa tsy any collectivité territorial décentralisée sa izany ny antony mbola tsy anaovana ilay hoe transfert de competence
6. eprom ( 04/12/2007 12:51)
hery> Tsy voatery ho pro Ra8 anie vao mifidy TIM eto mada eh. Raha vao tsy Tim ny ben'ny tanàna eo de mety ho sahirana le tanàna. De aleo mifidy Tim. Izany hoe mety ho tsy prora8 velively Ronaldo.
7. hery ( 04/12/2007 13:05)
eprom> fa i leiry tena lasa pro ravalo tanteraka kah :-) Jereo ange ny hafatra nalefany tato ho ato momba ny politika e

Fa tsara anie izany hoy aho e. Mampieritreritra fotsiny hoe olona azo ianteherana ve.
8. reve ( 04/12/2007 13:38)
mandehana daholo mifidy fa ny tena mampalahelo de le manakihana be fahatany na momba be tsy ampieritreretana de ref avy eo mifanome tsiny ampitoerana hoe TIM daholo ny tanana e! nefa ry zalahy tsy mandeha mifidy maneho ny heviny!ny ahy aloha de ataoko resaka tsotra hoe aleo tohizana ny ezaka efa natao ny mbola miandry koa mbola maro ka tsotra ny lazaiko: TOHIZO NY ASA RA FALY O!
9. patrick2002 ( 04/12/2007 18:30)
porofoy ra Andry fa ra jet d'eau no vitany mbola misy mahavita METRO na TGV ah!=D=D=D
Asakasak'izay afa-po @ jet d'eau tsy lasa vola akory ,asaivo homeny aloha ny volany entrepreneur ,nanao an'ireny fa aza misoloky ra faly ah!
10. fijo ( 04/12/2007 21:51)
hery an,politika marina anie no atao e.tsy misy namana sy fahavalo io,fa adversa sy partinera no misy.ary ny mahay milalao an'izay no hafaka hampandroso azy.raha toa ka tsy fitadiavana seza no tanjona.
11. patrick2002 ( 04/12/2007 22:21)
hery:

Tsetsatsetsa tsy aritra fa tena nisy zavatra sendra tsy azoko fotsiny :-)

Tsy hoe ratsy akory... fa nanandrana namaky ny zavatra nolazain'i ronaldo09 tamin'ny herintaona toa izao aho http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika%2Ftadiavo&tadiavo=1&titre&msg&submitter=ronaldo09&topid=t3ead6698d828d&debut=220 izay misy fanaratsiana Ravalo sns. Tato ho ato anefa dia toa lasa pro-Ravalo be. Dia gaga hoe nisy fiovam-penitra mahery vainga angaha? Sa lasa TIM tampoka tamin'ity taona ity?

Tsy ratsy izany hoy aho. Fa mampanahy ihany.

Sao amin'ny herintaona dia hitsipaka ambava-fo indray.




Zah aloha ra Hery dia nanohana anDravalo 1 taona lasa izay fa izao izaho efa leo azy ,ary tsy olona no toanako fa hevitra ka tsy hitako izay maharatsy an'izany .
Anisany tsy hanoanako azy ny concurence deloyale ataony @ entreprise-ny ,marina fa tokony hampandehananao ny entreprise nao tsy hitako ny olana amin'izany ,fa samy manao an'izany daholo ,fa saingy kosa ity hoe hakatona ny mangazay na sinoa etsy akaiky etsy fa tsy misy parking hipetrahany client-ny MAGRO, hazera ny panneau publicité ny Andry TGV fa tsy misy hametrahana ny an'ny TIKO PUB heveriko fa trop c'est trop, Mitovy @ androny Didier Ratsiraka ihany .
Ary tsarovy fa anisany zavatra nolazainy Ravalomanana ny hoe TSY HAMPAHANTRA NY MPANAN-KARENA FA HAMPANANANA NY MAHANTRA.
Aiza nefa izy izao :(:(:( Industrie agro alimentaire no nataonao ,tsy hatao izay mampiroborobo an'iny fa hidirana daholo na ny manao lalana ,manondrana hazo ,manao vatosoa ,manafatra vary ,fourniture de bureau ,tsy hitako izay tsy hatao ,ary ny loza dia izay hidirany tonga dia mahazo menace daholo ilay entreprise efa teo na resaka impot io na douane , jereo ny resaka menaka tena nigadra mihintsy ilay rangahy tery andrefana ambohijanahary, jereo ny mpahazo anireo importateur na vary amin'izao fotoana izao .
12. fijo ( 04/12/2007 22:41)
ka izay wa,politika io.ny partenera androany mety ho adversa radem,izany tsy azo hifanomezana tsiny mihintsy
13. hery ( 05/12/2007 11:02)
patrick> Io ilay blem. Io voalazanao io ihany hoe tsy ny olona no jerena fa ny foto-kevitra. Raha ny foto-kevitra dia tsy niova fa ny olona indraindray no miha-ratsy. Fa ny an'i ronaldo09 dia ny olona nojeren'i leiry satria ny foto-kevitra tsy niova hatramin'izay.

Raha momba ny ataon-dRavalo dia bizna tahaka ny bizna rehetra ihany. Misy ny adversa na dia tim aza (tsy ny tim rehetra no mankasitraka azy amin'ny resaka bizna). Efa prevu hoe ny olona mi-bizna mety hanao abus ara-bizna. Dia anjaranao ny mijery ny taktika hampandroso ny bizna-nao. Misy mahavita mi-bizna tsara ao Dago na dia eo aza ny Tiko.
14. tsiafoi1 ( 05/12/2007 12:53)
Ny ahy zany hafa ny fomba fijeriko :
Politika : RA8 sy RAtsiraka iray ihany nifanaraka reo sady mpiakama, fa saingy tsy mitovy style. Fa ny anomezako tombony an-dRa8 de we rapide izy sady tena business man. Ka hainy ny nitondra an\'izay ho an\'ny firenena. Izy ihany koa tsy borné fa nivelatra, ary RA8 capitaliste pure et dure, RAtsiraka communiste hatrany anaty tsinainy, izay idéologie eo @\'izy roalahy zay de reflété any @\'ny fomba fitondrany, ny iray business ihany, ny iray akama akama. De anjarantsika no misafidy. Koa tsy tokony ho gaga ra Ronaldo anti lasa pro. Jereo daholo ny manodidina an-dRA8 fa ex-Ratsirakiste daholo... ; Zay aloa le politique.
Traik\'efa : Ny tokony lafiny hojerena zany de ny compétence an\'le olona hilatsaka sy ny zavatra vitany ho an\'Antananarivo, satria izay tsy hampihemotra an\'Antananarivo no tanjona.
Inona no nataon\'i Andry ho an\'Antananarivo aloa? : INJET sy VIVA (sté d\'imprimerie-communication-publicité) anazy ireo fa tsy an\'Antananarivo, ary tsy misy fiatraikany @\'ny fiainam-bahoaka, midika zany fa spécialiste en marketing et communication Andry, donc tsy mahagaga raha mipoka sy mirefotra be le propagande, tsy tokony ho adino koa fa commerciale de formation zany lery, mety ho mpivarotra ampitsanganana, nefa koa mety hanana capacité de négoce enjana be raha mifandray @\'ny bailleurs de fonds sns.
Aoka handinika tsara zany vao mifidy, surtout we mba tsy ho taitra ny politika, bogosité sy ny charme, fa handanjalanja tsara.
Inona ndray no vitan\'i Faly : Tsy hitako zay société privé-ny, fa toa centré tany @\'ny dévéloppement de la ville ny 8mois niasany, ny ampitso no tsy fantatra? Administrateur et urbaniste de formation
Koa mahaiza mifidy ry Antananarivo a!
15. patrick2002 ( 05/12/2007 16:26)
izaho aloha dia tsy mino fa urbanisme de formation i faly ,fantatro io fa tsy niala tao madagasikara io nianatra ,mpanao volley t@ Ambodin\'isotry tao io,ary tsy misy fampianarana urbanisme ao madagasikara,
Miteny ianao hoe ny vitany Andry TGV ho an\'Iarivo ,izaho rangahy miteny anao fa raha hanao ianao ao Iarivo mahavita ah! jereo fotsiny ny harena ao Iarivo ao ny hetra-trano ,ny mpiuvarotra sns ,azo angalana vola daholo ireny ,
Jereo fotsiny fa t@ 2002 izaho namaky gazety teto milaza fa nogadraina ny filoham-pokotaniny Ambodin\'isotry fa laniny ny volana parking
10 000 000 fmg par mois ,hitanao an\'izany fa parking fotsiny dia efa hampidirana vola 10 000 000 fmg ,ka amiko raha tena be ny tanana vonona ny hiasa am-pahamarinana ao Iarivo tsy resaka jet d\'eau no himatimatesana fa mbola betsaka ny tokony ho zava-bita ao
Jereo fotsiny anefa ny haba-tsena alaina @ mpivarotra eran\'ny isotry,ambodin\'isotry ,ambalavao ireny, nefa ianao raha aty ambodin\'isotry no poritra te hi-pipy ao @ tranopokonolona ianao no misy wc public amin\'izay fofona ammoniac tsy fofona intsony satria wc iray ho an\'olona 10 000 angamba , ao @ stade coum misy tsena amin\'izao nefa tsy misy wc public akory ,ny mpiasany commune anefa maka haba tsena isan\'andro ,aiza izany ireny mpivarotra ireny no hivoaka hanao ny besoin-ny izy mipetraka eo mivarotra efa ho 10H par jour ,
Izay no hataoko hoe asakasak\'izay jamba ny jet d\'eau fa mbola betsaka ny tokony ho vitaina par rapport ny moyen hananany commune urbaine n\'antananarivo . Marina fa mbas misy ny zava-bita par rapport ny tamin\'ny androny revolisiona sosialista izay olona nahazo toerana dia voky izy dia natory saingy kosa mbola miadana ilay vitesse par-rapport ny potentialité ny automobile.
16. patrick2002 ( 05/12/2007 16:39)
Raha momba ny ataon-dRavalo dia bizna tahaka ny bizna rehetra ihany. Misy ny adversa na dia tim aza (tsy ny tim rehetra no mankasitraka azy amin'ny resaka bizna). Efa prevu hoe ny olona mi-bizna mety hanao abus ara-bizna. Dia anjaranao ny mijery ny taktika hampandroso ny bizna-nao. Misy mahavita mi-bizna tsara ao Dago na dia eo aza ny Tiko.


Miala tsiny aminao izaho ra hery fa tsy bizna izany fa efa resaka mafiosie mihintsy ,:oops:ianao ve izaho manao serasera.org dia izaho hanangana tafasydinika.org dia censure-ko ny site nao satria izaho ministre ny poste any dago ,ary tiko hiditra ao @ site-ko daholo ny gasy rehetra amin'izay mandeha ny pub-ko .
Raha tena bizna no hatao dia tokony hanaiky an'izay concurence izay ,ary tokony hiomana amin'izany ny bisness-man rehetra ,fa tsy hogadrainao ny concurence nao jereo no nahazo any 3 freres teny andrefana ambohijanahary.
17. fijo ( 05/12/2007 21:15)
ndao lehireto tsy hiditra amin''izany resaka olona izany,fa ndao jerena hoe ,mahavita ve i faly na i andry raha tonga eo?aleo izay no adihadiana
18. patrick2002 ( 05/12/2007 22:51)
I Faly na i Andry irery tsy hahavita anio ,fa jereo ny equipe miaraka aminy ,ary amin'izay no hadihadinao hoe hirona mankaiza izy ,raha tsy izany ve i Hery efa milaza @ honohono hoe i Pierrot Rajaonarivelo no ao ambadiky Andry ,raha izany no marina dia midika izany fa hiverina indray ny nepotisme sy ny gaboraraka rehetra ,nefa izaho tsy mino fa naizy miteny azy aza honohono no betsaka ,ny ahy aleo Andry satria izy tsy hanaiky baikony TIM ,ary tokony hampisaina an-dravalo izay zavatra izay, fa tsy natao azy irery gasikara ,ka izy no mitady hitavana ny hareny io firenena io ,i Faly mbola marionnete ny Ravalo daholo ireny .
Ny fahavitana zava-bita dia efa miteny ahy hoe betsaka ny tokony ho vitaina ao Iarivo ,ary misy ny olona bonne volonté hahavita an'izany anjaranao maire no manavaka izay olona hiara hiasa aminao sy hanavaka ny vary @ tsiparifary .Manana an'izany i Andry satria efa membre ny organisme etsy sy eroa ,manana olona bonne volonté maro izy ,ka mankahery azy ny tenako ,tanora manana ambition ihany bkoa ,ka lasa izao ry Tanora Malagasy Vonona ,raiso ny fitondrana fa mitady handeha any @ totalitarisme ny TIM.
19. ari.malala ( 06/12/2007 05:47)
fa ilay mideradera hoe nahavita b sns, mandinika v vao miteny e! ireny resaka fanatsarana sns ireny anie k efa projet t@ andron'ny fitondrana teo aloha e, fa saingy am zao fotoana izao vao debloqué ny fonds retraretra, d ny fitondrana amzao fotoana izao no mahazo ny merite sy ny bravo... ary ity resaka jet d'eau ireharehana lava ity... jet d'eau etsy, jet d'eau eroa, mafinaritra, tsara jerena, saingy, mba manao ahoana resaka rano any am faritra hafa? raha tsy hiresaka afatsy ny filaharana lava reny enya m paompy public aho! tsy ireny v no tokony hokarakaraina voalohany vao mireitreritra jet d'eau? tsara ny tanàna, ekena, saingy ny olona ao anatiny manahoana? ny 4'mis mifandrombaka sy miady daban-jaoridira no mameno ilay tanàna ireharehana hoe tsara... izany ve no fandrosoana???? asa lahy!!!
20. kolyh ( 06/12/2007 15:45)
Arimalala : fa ilay mideradera hoe nahavita b sns, mandinika v vao miteny e! ireny resaka fanatsarana sns ireny anie k efa projet t@ andron'ny fitondrana teo aloha e, fa saingy am zao fotoana izao vao debloqué ny fonds retraretra, d ny fitondrana amzao fotoana izao no mahazo ny merite sy ny bravo...

Fa naninona no tsy débloqué t@'ny fitondrana teo aloha???. Valiny : Tsy crédible le fitondrana teo aloha ka tsy natokisan'ny bailleurs de fonds
ny 4'mis mifandrombaka sy miady daban-jaoridira no mameno ilay tanàna ireharehana hoe tsara... izany ve no fandrosoana???? asa lahy!!!

Fa aiza ny tany tsy misy 4mis e??? firifiry akory ny clochards sy ny sdf any @'ny tany mandroso. Tsy ny fisian'ireny akory no atao vato misakana ny fandrosoana e!
TOHIZO RAFALY NY DIA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0977