Fidio ny candidat TIM raha tianao ny fandrosoana!

21. fijo ( 06/12/2007 23:29)
aza mijery izay lasa wa,fa ny hoatao jerena
22. tsiafoi1 ( 07/12/2007 08:43)
Patrick2002:
I Faly na i Andry irery tsy hahavita anio ,fa jereo ny equipe miaraka aminy ,ary amin'izay no hadihadinao hoe hirona mankaiza izy ,raha tsy izany ve i Hery efa milaza @ honohono hoe i Pierrot Rajaonarivelo no ao ambadiky Andry

Ao ambadik'i Andry: ingahy tompon'ny TV Ravinala taloha zay lasa VIVA ankehitriny sy ireo équipe mpiara-misosy fahiny, tsy maty voalavo an-kibo, mikely aina andro aman'alina (iharahantsika mahalala fa any La frantsa no atidohany sy foibeny)ary mpanohana azy. Mody we za tsy mpanohitra Ra-Andry mpamitaka nefa ny zavatra aseho maneho FANOHERANA, de rizareo mpanohitra mody mangina tsy ahitan-teny ery, satria mitady hahomby ny paika parade sy fitaka.

Ao ambadik'i Faly : Ingahy kely fa dadany, mpitery ronono, miketrika lalina, ao ambadikany ao ny tompon'ny vola eran-tany, izay (tohanan'i be kintana sy ireo maro hafa koa)

Ka hiverina @'i reny malala sa hiaradia @'ny mpanana???

Tsy ho ela de hiakatra ny petrole, Gasikara ho tonga moderina sady hifanosehana.

Koa mahaiza misafidy ry Antananarivo a!
Fa na isika hiverina toa an'i Afrique - na ho lasa moderina toa an'i z'Amerika
TANO NY AZO FA SAROTRA NY MILA E!
23. tendry77 ( 07/12/2007 15:04)
tsy tia hiasa saina ah:vloma!
24. tontavao ( 10/12/2007 14:18)
:twisted:Aza Miteniteny foana ianao ronaldo09 fa ampy izay.
MPANOHANA AN-DRA8 DAHOLO TAMIN'NY TAONA 2002 NO MIRESAKA ETO FA SAINGY LEO TANTERAKA , satria tsy arakaraky ny fampanantenana nataony ny zava-misy amin'izao andro iainana izao. Efa akaiky dia akaiky ny fotoana hijanonany amin'izay satria efa lava izay; MBA NAHAZO INDROA NOHO NY AN4I zAFY; tSY EFA AMPY VE IZAY,
Leo an'ity "JE" ity ny olona ka ny mahafinaritra dia nivoaka amin'ny fahanginany Antananarivo, NA HO LANY NA HO TSIA I ANDRY DIA EFA ZAVA-DEHIBE ALOHA NY FIHETSIKA ASEHON'Antananarivo tamin'izao fampielezankevitra izao.
Tokony handinika tsara Ra-8 sy ny TIM fa efa tsy tian'olona.
Matoa ny TIM nandresy tamin'ny fifidianana nifanesisesy be ireny dia noho io vahoaka io efa leo,no sady tsy nazoto nifidy intsony dia nandresy izy. Fa amin'ity indray mitoraka ity dia handeha hifidy ny olona.
Ka raha mandresy i Andry araka ny lalanan'ny demokrasia dia tokony hametra-pialana ny governemanta sy ny fitondrana amin'ny ankapobeny satria tsy mahazaka olona intsony. Dia alefa indray ny fifidianana vaovao na fanitsiana ny lalampanorenana fa mandringa be izy io.
Ka ho an'ny TIM dia angorony ny lamba fa anjaran'olonkafa indray izao.
25. tsiafoi1 ( 10/12/2007 15:16)
tontavao :
RAVINALA TV&RADIO no lasa VIVA ; midika zany fa AVI (Asa Vita Ifampitsarana) ihany no lasa TGV, izay irahantsika mahalala fa Mpanohitra, ary mpiaradia @'ny mpanohitra hatramin'izay, ka mahimahina ihany fa soa mipasy any @'ny deba ny baolina vao manenina tongatra aman-tànana!. Ka hovoa-fainte toy ny t@'ny andron'i Zafy indray ry Antananarivo a!
AOKA HO MAILO FA TSY HO SODOKAN'NY BOGOSITE SY NY RESABE
TOHIZO NY ASA RAFALY A!

26. patrick2002 ( 10/12/2007 15:45)
tsiafo1: i TIM koa dia AVI ihany i Ratsirahonana no nanosika an'I Ravalomanana hanao politika nefa naleony Ravalomanana nialana ny AVI satria hitany fa tsy mifandanja ny tombotsoa azony sy ny miala aminy ,busines-man ra lehilahy ,ka dia naleony nanao azy manokana sady manao publicité ho an'I TIKO ,teraka teo ny Tiako Iarivo ary dia ny embleme ny TIKO no nalaina tahaka ,nitohy izany ka lasa Tiako i Madagasikara .
27. keyoann ( 10/12/2007 22:51)
ronaldo09:

Ao anatin'ny fampielezan-kevitra ny ao Mada amizao fotoana izao ,ny aty Russie anefa vaoafak'omaly no vita ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny douma koa nazava ny fandresen'ny Russie Unis na ny Yedinaya Russia izay antokon'ny filoha amperin'asa amizao fotoana izao ,ity fandresena ity no midika fa mamimbahoaka ingahy Vladimir Vladimirovich Poutine ary koa te handroso ny vahoaka ka aleony ny antoko eo amin'ny fitondrana no fidina!
Ho antsika any Mada dia ny fifidianana ben'ny tanana izao no malaza ary miankina amin'io no hampandroso ny faritra misy anao satria ny ben'ny tanana no tompon'andraikitra amina fampandrosoana ny tanana feheziny...Tsotra ny teninay navava be toy ny masoandrobe lohataona ny fandresen'ny TIM tamin'ny fifidianana solombavambahoaka ,izay midika ho fahombiazan'ny filoha ,amin'ity fifidianana izay hatao atsy ho atsy ity dia mamporisika anareo izahay hifidy ny TIM satria ny fisian'ny antokon'ny fitondrana eo amin'ny faritra misy anao no antoky ny fampandrosoana ....


f iza moa no milaza aminao fa raha ny tgv no eo d tsy androso? avelao mba tanora mahay mihetsika no eo ary tsy ho an olontokana ny fahefana fa tsy "Tiko" akory madagasikara.Sady inn no atahorana an le bandy mbô misondrotra e!
Satria v mety hampandroso bebe kokoa ary koa mety ho tian ny vahoaka kokoa avy e d ho lasa adva matanjaka ka hanelingelina ireo hieritreritra handimby ny filoha afaka taona vitsy any aoriana any?
Mba jereo ihany ny fiakarana sy fahaizamanao an le bandy kely d mieritrereta hoe raha tsy nisy jioi d tsy ho nisy tanana vita zany teo ary raha nisy ary ny jioi d mbola lasa nankany am hotely ny mpifaninana vahiny satria maimbo loko ny trano, ny trottoir teny am pull man na d efa tonga azy ireo mpifanina vaovao d mbola teo ampanamboarana?
Amehezako azy henamaso no nanamboarana ny tanana ary raha olona tena vonona tsy antomotra vao atao le zvtr.Fakafakao
28. tsiafoi1 ( 11/12/2007 12:11)
keyoann:
f iza moa no milaza aminao fa raha ny tgv no eo d tsy androso? avelao mba tanora

Ka le izy Tanora Gasy Vendrana = TGV manaiky ho saribakon'ny Mpanohitra sy ny Frantsay tsinona koa!

Marketing sy publicité no mba hay de mitetateta, ka ny firenena avy no atao toy ny manao commerce. De raha ho lany eo zany RaAndry de we : "Ty ny baolina ry Mpanohitra namana, mba ampitao kely any @'i Deba malala sy ny équipe any La Frantsa reny Malala.

MBA ASIO FISAINANA WA FA AZA ENTIN'NY FO SY TAITRAN'NY BOGOSITE e!

TOHIZO NY ASA RAFALY A!
29. ari.malala ( 11/12/2007 13:16)
keyoann:

raha tsy nisy jioi d tsy ho nisy tanana vita zany teo ary raha nisy ary ny jioi d mbola lasa nankany am hotely ny mpifaninana vahiny satria maimbo loko ny trano, ny trottoir teny am pull man na d efa tonga azy ireo mpifanina vaovao d mbola teo ampanamboarana?
Amehezako azy henamaso no nanamboarana ny tanana ary raha olona tena vonona tsy antomotra vao atao le zvtr.Fakafakao



za koa d naika hanao io remark io mints! nanahoana moa ny fimenomenonana tamreny andro reny we ny mpilalao tonga moa ny bruit ny engin nanamboatra lalana sy ny vovoka aterak'izany no nitsena iretoatleta vizana mila fitombenantsaina satria hiatrika lalao sy hiady ny voninahi-pirenena???!!! eny hoa ry TIM sy ny forongony aahhhh! jamban'ny vonjy tavanandro lalandava izao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.08