Sakafo fahandronareo amin'ny krismasy ?

1. niryna ( 01/12/2007 12:34)
Saika mba hanontany aho hoe inona no sakafo gasy fahandronareo rehefa tonga ny krismasy?
Misaotra mialoha :-*
novalian'i niryna ny 11/12/2007 07:09
2. karinah ( 02/12/2007 04:35)
sakafo gasy fanao xmasy? vorontsiloza koh! andrahoina atao malemy tsara (tsy atao be rano fa tapohina tsikelikely mandram-pamasahany, asiana menaka mazava ho azy raha tsy afangaro hena matavy :? ), atao ritra rehefa masaka,asina zava-manitra (sakamalaho, sns)afaka afangaro @ henan-kosoa ihany koa,tena faran'izay tsotra be io!

hevitra momba ny plat de résistance: vary + lentille

lentille iray sotro lehibe / vary iray kapoaka, arotsaka miaraka @ vary anaty rano.
grillé-na anaty cocotte lehibe iray ny tongolo oignon vitsivitsy, asiana curry, dia afindra ao ny ny vary rehefa masaka ny vary ary afangaro, afaka asiana saucisse voatetika rondelles,efa masaka, ihany koa anatin'ny vary sy lentille,( raha tina).
Mirary fety sambatra!!!(l)8)

3. niryna ( 02/12/2007 07:00)
karinah:

tsara ery izy izany fa misaotra.
4. karinah ( 03/12/2007 02:22)
bon'ap nyrina!:wink::-*:-*(l):-*
5. niryna ( 03/12/2007 07:36)
karinah:

bon'ap nyrina!:wink::-*:-*(l):-*

misaotra betsaka e,tongava fa miandry ny nem
Toa tahakan'ny anao nem,samosa miaraka amin'ny ovy sy ny iray miaraka amin'ny hena aho izany.

6. fahamarinana ( 03/12/2007 12:16)
:arrow:niryna,ilay sambos miaraka amin'ny ovy zay mihintsy no tena matsiro kouh,aty manko lasa 100% hena dia tsara ihany koa fa tsy ilay tsiro fahiny e.(l)
7. niryna ( 04/12/2007 06:17)
fahamarinana:

:arrow:niryna,ilay sambos miaraka amin'ny ovy zay mihintsy no tena matsiro kouh,aty manko lasa 100% hena dia tsara ihany koa fa tsy ilay tsiro fahiny e.(l)

ie ,atao mitovy ny fahandron'ny karana. Ity misy iray andramo raha tianareo.
Mividy henan-kisoa telo karazany:sofiny,rambony ary tongony,tetehina tsara daholo.
Endasina amin'ny menaka kely ary atao ho maimay tsara dia arotsaka ny tongolo be.Andrahoina amin'ny afo ambany kely mandra-pahaleminy (cocotte mn no tena tsara ary mila mitandrina fa mora ritra ny rano)
Lomana ny voanjombory na tsaramaso maina mandritra ny alina ary andrahoina amin'ny rano be fotsiny,mandra-pahaleminy ihany koa.
Rehefa samy malemy izy ireo dia asiana sira ary akambana. Matsiro be sady ilay zaraina roa maheno ny tsiron'ny hena sy ny voanjo ny lela. :miam:

8. bidagda ( 05/12/2007 22:31)
ny ahy ty no harosoko krisimasy,gambas avy any dago sautéko @huile d'olive dia asiako voatabia sy tongolo lay, gingembre kely, tongolo maitso,raràna divay kely blanc io avy eo, tantely koa, matsiro dia matsiro fa tongava daholo manandrana,romazava kely miaraka aminy tsy hadino ny ranon'apango
9. niryna ( 06/12/2007 07:43)
bidagda:

ny ahy ty no harosoko krisimasy,gambas avy any dago sautéko @huile d'olive dia asiako voatabia sy tongolo lay, gingembre kely, tongolo maitso,raràna divay kely blanc io avy eo, tantely koa, matsiro dia matsiro fa tongava daholo manandrana,romazava kely miaraka aminy tsy hadino ny ranon'apango

inona izany gambas izany?
Misy mahay ilay sakamalaho atao jus izany ve hianareo?
Nisy niteny hoe ampangontrahana ny rano atao mafana dia kikisana ny sakamalaho ary asiana siramamy dia avela angatsiaka dia aroso amin'izay. Sa misy fangarano sa hafa izany ?
10. fahamarinana ( 06/12/2007 12:23)
:arrow:Niryna :gambas akia crevettes a fa somary ngeza kokoa.
Ohatran'ny hatsiro ilay re7 nomenao hoe voanjobory sy ny karazany teo.(l)
11. niryna ( 07/12/2007 07:19)
fahamarinana:

:arrow:Niryna :gambas akia crevettes a fa somary ngeza kokoa.
Ohatran'ny hatsiro ilay re7 nomenao hoe voanjobory sy ny karazany teo.(l)

hay ve ,misaotra ary izay vao milendalenda aho.:D

12. fiaritiana ( 08/12/2007 19:30)
niryna:kikisana ny sakamalaho dé atao anaty rano tsotra dé asiana rano sahaza azy,siramamy sy parfum zé tiana dé atao anaty frigo!!
13. niryna ( 09/12/2007 06:03)
fiaritiana:

niryna:kikisana ny sakamalaho dé atao anaty rano tsotra dé asiana rano sahaza azy,siramamy sy parfum zé tiana dé atao anaty frigo!!

misaotra betsaka e :-*
14. Mannou ( 10/12/2007 08:42)
Z ndray ry reto ts mba d mpakafy loatra anle vorotsoloza an, nenay matetika refa xmasy d manao karazana loka maromaro fotsiny, gana d akou d n entrée atao betsaka sns e
15. fahamarinana ( 10/12/2007 13:37)
:arrow:Za ndray tany dago no niavona vorotsiloza fa mitomany re7 vazaha fa nony tonga taty dia lasa tia be,fahatsiarovana daholo izany fa ilay hoe hors d'oeuvre no tena tsy mety adinoko e...macédoine de légumes na salade russe e fa hors d'oeuvre lay fiantsoantsika azy.(l)
16. niryna ( 11/12/2007 07:04)
Mannou:

Z ndray ry reto ts mba d mpakafy loatra anle vorotsoloza an, nenay matetika refa xmasy d manao karazana loka maromaro fotsiny, gana d akou d n entrée atao betsaka sns e

Fa ny sakafo any amintsika anie ka tena matsiro e. Rehefa asiana karazana zavatra ve moa tsy ho tsara indrindra ny sira:D saingy hafa ihany ny any amintsika
17. niryna ( 11/12/2007 07:09)
fahamarinana:

:arrow:Za ndray tany dago no niavona vorotsiloza fa mitomany re7 vazaha fa nony tonga taty dia lasa tia be,fahatsiarovana daholo izany fa ilay hoe hors d'oeuvre no tena tsy mety adinoko e...macédoine de légumes na salade russe e fa hors d'oeuvre lay fiantsoantsika azy.(l)

Dia mbola samy mahatadidy daholo tokoa fa isaky ny misy fety dia tsy maintsy tafiditra foana ny lasary karoty,lasary voatabia,ro mazava ilay mace miaraka amin'ny may atao ,raha misy ravitoto moa dia mahandro.
Izaho izao voanjombory no andrahoiko.Lomako aloha ilay izy dia andrahoiko manokana.Endasiko kely amin'ny menaka oliva ny sofina kiso,tongon-kisoa ary ilay rambony iny,atao mendimendy .Rehefa ho masaka vao asiana tongola gasy kely sy dipoavatra ary sira.Rehefa masaka tanteraka izay vao afangara izy rehetra.
Asa hianareo raha mitovy amiko fa ny ahy toa tsy azoko foana ny aiko raha tsy maro karazany ny zavatra arosoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1612