Tena tsy rariny nama ity delestage

1. saranga ( 01/12/2007 07:41)
Asa akory nareo ao Tanà fa ny delestage aty maninay nama tena gravy sady tena leo ny vahoaka; Aiza lay tenin-dRavalo tamin'ny Juillet hoe octobre no faran'io delestage io. Ndao arodana nama Ravalo fa mavandy a ! Ndao hihetsika amin'izay fa tsy lasa ntsony
novalian'i saranga ny 06/12/2007 06:07
2. lemenakely ( 01/12/2007 08:47)
Io aloha dia mbà tena point négatif lehibe mihintsy ho an'ny mpitondra ankehitriny ! repoblika 3 izay no nifanesy fa mbà tena mandreraka be !
3. xxx ( 01/12/2007 09:32)
sss, zavatra kely zany ve de handravana fitondrana,
miandrasa kely fotsiny fa ho avy ny maraina vao2,
4. ravatorano ( 01/12/2007 11:27)
amiko io tsy kely fa tena olana tokoa
eny aminay izao dia misy ny maraian manomboka amin'ny sivy eo ka tsy miverina ny jiro raha tsy amin'ny telo hariva dia tapaka indray ami'nny fito hariva na 19h dia any amin'ny 21h any ho any vao miverina matetika !
Tsy ampy androdanana fitondrana tokoa io fa manahirana ihany satraia ny mpianatra tsy afaka mamaerin desoana ny jirama miakatra sy misondrotra foana ny sarany, ny tena mbola mividy labozia koa ary groupe ho an'izay mahatakatra !
ô ry anona an! maraina inona aloha no andrasana e !
io resaka jirama io tokony hasian'ny fitondrana hevitra sy politika maty paika fa manjary mampisavorovoro olona fotsiny ihany !
Misy marina amin'ny ampahany ny tenin'i saranaga
:wink:
5. wooda ( 01/12/2007 12:55)
Tsy tokony ho hiova fijery @zay ve isika? Ankamaroan'ny famatsiana herin'aratra ange dia ny motera mandeha@ petrole eh! Raha toa ka mba hisian'ny fivoarana @io reska io dia tsara kokoa ny mitady lalana hafa, toy ny managana "Barrage", mampiasa ny herin'ny rivotra na ny manamboatra Centrale Nucléaire! Hananantsika daholo ny hanantanterahana an'ireo, fa atsipy fotsiny ny teny aloha,

Ny tena mahagaga fotsiny dia nahoana no nanomboka t@ 2003 teo ho eo no nanomboka nitranga ilay delestage io? Nisy efa nahatratra 2 volana tsy nahita izany herin'aratra izany taty ...

saranga-> arodana dia inona no atao rehefa avy eo? manana tetik'ady hiantrehana an'izany ve ianao? eritrereto kely aloha ! lol :wink:
6. ainaheri ( 01/12/2007 17:44)
en + mbola niakatra 20% ny hofany lol
7. xxx ( 01/12/2007 17:47)
t@ 1999 aho no niala tany dago, tsy nisy izany delestazy izany, niverina tany aho t@ 2002, tsy mbola nisy io delestazy io. nanontany ny fianakaviko aho hoe inona moa zany "delestazy", dia nazavaindreo tamiko le izy, fa ny tsy azoko hatramin'izao dia inona no antony mahatonga io delestazy io!
8. bazylou ( 01/12/2007 21:29)
reveo fa ra8 e!!!!:lol::lol::lol: fa angaha moa tsy hoe mandroso i MAdagasikara e!!:-D:-D:-P:-P
9. xxx ( 02/12/2007 10:57)
tsy mamaly fanotaniana hatrany hatrany :?
10. ravatorano ( 03/12/2007 10:50)
ny mahatonga ny delestazy aloha araky ny fialazan'ny tompan'andraikitra ao amin'ny jirama dia toy izao :
-tsy ampy ny ranonorana ka miheny ny rano any Mandraka ka tsy afaka manome herin'aratra tokony ho izy
-mihabetsaka ihany koa ny mpanjifa nefa ny herinaratra mifandraika amin'izay tsy maharaka
-lafo b ny fampaisana ireo fitaovvana amndeha amin'ny fuel ka tsy araky ny vola miditra ao amin'ny orinasa na dia ampakarina lava izao aza ny sarany
-tsy aiko tony fa na za aza fanina nihaino ilay fanazavana nataon'ny ministra E.R.
:x:x:x:x
ny famoronana barrage aloha dia tokony ho atao fa lazin dry zalah manampahaizana koa anie fa tsy mahaleo nys arany hono ny vidiny e toa ny barrage izay saiaka hahorina teo amin'ny chute Lily izany, ny any Vohitrambo sns sns e....
mahafanina wa
fa avy mandoa vidin jiro zany dia mieritreritra ny vidin'ny labozia ihany koa !
voa double mihitsy fa tokony hasianan'y fanjakana fiheverana amika ny momba an'io fa sahirana ny vahoaka tsy mandady harona
:wink:
11. ari.malala ( 03/12/2007 14:46)
n'aiza n'aiza io e, fa ny mampalahelo d ny eny am kartie misy ny PM sy ny prezidà tsy mba tratran'izany delestazy zany mintsy! firifiry akory moa ny orinasa no milaza fa handefa ny mpiasa ao aminy chomage teknik raha mitohy ny delestazy, nefa d mody manao be marenina ftsn ny ao ambony ao... ohatrinona izay vola efa hoe hanarenana ny JIRAMA izay nefa toa vao maika pire ny situation... asa angaha ohatrinona ny karaman'ireo vazaha mpitondra ao, fa refa tsy mahavita azy d aleo entin'ny Gasy manam-pahaizana fa tsy lany olomanga anie Gasikara e! le vazaha karamaina lafo vel otran'ny in nefa tsitako ze raha mandeha... ny fampakarana ny vidin-jiro tokoa v no vahaolana...
12. Jeankely ( 03/12/2007 15:33)
Efa be nonanazava ny delestage ka tsy ilaina intsony. Amiko dia tsy afaka ny hiaro an'io aho ary samy mahalala fa vesatra tokoa ny vokatr'io na izany aza dia izany no lova tamin'i dadaben'i Tezitra sy Bazylou. Faly nanataka ny JIRAMA fotsiny hatramin'izay ka tsy maharaka intsony ny JIRAMA ankehiriny.
13. bazylou ( 03/12/2007 22:04)
tsy nahita avaly le jeankely be ida nidefile sisa !! hiihihhi pauvre tim .:-D:-D:-D
14. Jeankely ( 04/12/2007 09:54)
Dadabe ty. Tezitra sy Bazylou na sahirana izahay na ravo dia fantatray Malagasy tsara mihintsy fa mikorontana rehefa manangana trano ary milamina izy rehefa vita. Ny milaza @'ny olona hoe avy dia lasa kosa dia mamahana fotaka. Tsy maintsy misahirana satria tsy nisy ara-dalàna ny lova napetraky ny dadaben'i Tezitra sy Bazylou ary izay no tsy hamerenana azy intsony satria nanimba sy namotika firenena.
15. reve ( 04/12/2007 14:18)
tena horera ny delestage ary tena victime aho satria mitantana orinasa ary tezitra am pitondra satria tsy ampy ny fanazavana omeny ny vahoaka, fa ity no mba tiako hampieritreritra antsika rehetra: oviana no natsangana io JIRAMA io ary inona no fitaovana ampiasaina eto am tsika manaraka ny toe trandro sy ny filana ve sa ahoana? ary iza no nanabotry io orinasa io nandritra ny taona maro ? mizaka ny vokatrizany isika rehetra ankehitriny, fa izao hoy aho hoe tezitra am ny mpitondra aho satria tsy sahy milaza ny tena marina izy ka manjary misavorovoro ny vahoaka!
16. bazylou ( 04/12/2007 21:08)
ka firy taona nanangana ihany nefa toa mbola nianjera foana tssss:roll::roll:
17. saranga ( 06/12/2007 06:07)
Misaotra zoky ravatorano fa tena hainao ny filaza azy fa efagravy be nama, zahay zao perte presque 75 millions Fmg amin'ny asanay. Dia hoy ny JIRAMA hoe mankanesa eny Ambohitsorohitra fa ny eny no nampanantena anareo. Tsy lasa kosa zany nama
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.055