voninahitra hoan'andriamanitra

21. niryna ( 01/12/2007 05:24)
fijo:

ny mpino rehefa mivavaka dia matetika mangataka.ny protes no tena itako fa za tsy mbola tany amin'ny katolika.
"tompo ô,homeo anay ny ....andriamanitra ô ataovy..izahay"sns.

dia rehefa sendra misy ny fifanojoanjavatra ka mitranga izay nangatahana tao,dia mailaka ery"voninahitra hoan'andriamanitra"sns.

ny fiainana nefa tsy voatery hisosa,ka raha sendra nangataka zaza lahy no terabavy,dia tsy heno le voninahitra hoan'andriamanitra.fa dia raisina mangina eny le tranga.tokony ho "voninahitra hoan'andriamanitra "foana anie ny nanareo e

Tsotra ny valiny,mba mianara ny fanaony fa misy sy velona Atra.Mamaly vavaka Izy,manatona an'ireo izay manana fo torotoro.Na inona mahazo na manjo dia eo anilan'izay mitady azy foana Izy.^:^^:^
Ho Azy Irery hatrany anie ny voninahitra ary ny fiadanana anie ho antsika tsirairay avy Amena
22. ikaretsaka ( 01/12/2007 15:30)
niryna:

nefa dia izay no miseho : mino fa misy sy velona A/tra, ary mivavaka amin'ny fo totrotoro tokoa, ary novalian A/tra vavaka tokoa, saingy tsy ilay nangatahana sy nantenaina ny valim-bavaka azo, dia adino io manome voninahitra an'A/tra io:roll:

23. tywa68 ( 01/12/2007 15:54)
mampime koa i fijo k ! :-D:-D

Ka na tsara na ratsy d voninahitra ho an'Atra hatrany e ! d tsy voatery henon'ny manodidina foana koa fa ao am-pò ao ihany mazàna.:wink:
24. Ylly ( 01/12/2007 16:02)
hoy Fijo

>tsia!tsia!tsia!diso tanteraka ianao ry Fijo!raha kristiana ianao dia mahafantatra tsara hoe na ao ny fangatahana,na nahomby na tsy nahomby ny zavatra nangatahanao an'Andriamanitra dia VONINAHITRA foana MANDRAKIZAY ho an'ANDRIAMANITRA
25. rijadolly ( 01/12/2007 16:29)
soanja:
Fijo> Ianao koa anie de mapimehy ahy e. Aiza moa no ahafantaranao fa tsy manome voninahitra foana ry zareo. Mino aho fa matoa ry zareo mbola tsy milavolefona na miala amin'Andriamanitra dia mbola mahatoky ny voninahiny foana na amin'ny tsara na amin'ny ratsy.
Saingy amin'ny mahaOlombelona antsika dia tsy maintsy misy ny fahadisoam-panantenana kely hoe izay no mba faniriako nefa zao no nomena ahy. Tsy natao hahakizy anefa izany raha tena Krsitinina fa vao maika aza hifikiranao amin'ilay Andriamanitra tia anao satria izahay Krsitianina dia mahalala tsara fa ny samy manana ny fandaharaha nomen'Andriamanitra azy avy ary soa lalandava izany fandaharana izany saingy ny fisehony no samihafa ka tsy tokony hampitahaina na hifampitaha sns.

Izay no mahatonga ny fitenenana hoe : " izao no fandaharan'ilay Avo idrindra, ka manaja ny sitrapony aho ary manaiky izay ampitondrainy ahy, fantatro fa fitiavana sy misy mahasoa daholo ny ambadiky ny fitiavan'Andriamanitra ka izay no fionononana tsara indrindra azoko iatrehana ity zavamisy ity." Raha io no voalaza dia efa manome voninahitra izany saingy tsy voatery hoe handihy.

Ny fanetre-tena no zavatra iray ananan'ny Kristianina ka ahafahany manohy ny fiarahany amin'Andriamanitra. Raha tsy manana izany izy dia zavapoana ny zava-drehetra satria io fitiavana sy famindram-pon'Andriamanitra dia vokatry ny fanomezana azy voninahitra sy dera. Isakarazany anefa no fisehoan'izany fanomezam-boninahitra izany!

Mahereza anefa mandinika ny toetra Kristianina fa misy mahatsara azy tokoa.

Misaotra an'sé mazava tsara =D=D=D,=D=D=D,=D=D=D=D
26. rijadolly ( 01/12/2007 16:35)
Hadinoko :VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRASY JESOA KRISTY ZANANANY MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY AMENA
27. rijadolly ( 01/12/2007 16:52)
ika:
1. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 30-11-2007 23:57:56
Lohateny : Re : voninahitra hoan'andriamanitra
za koa letsy ry fijo mba nanontany tena ny amin'io ihany!

izany hoe tsiahitsiahy zany valiny?Vakio tsara io lazain'SOANJA io fa ao ny valiny izay mahafa-po ny tena Kristianina marina,sady mamerina fisaorana an' Soanja aho fa mampiakatrabe mihintsy ilay izy fa tsy mitarika ny latsaka ho tsy mpino intsony.
28. soanja ( 01/12/2007 18:54)
Rijadolly> Hanjaka hatrany anie ny fifandraisana amin'ny samy Kristianina satria mahery Andriamanitra. Amen! :-*:-*:-*
29. ikaretsaka ( 01/12/2007 18:57)
amiko ny hijereko ny mpino dia aty ivelany aloha vao miditra aty anatony e e.. izya ny ahy no hijereko ilay hoe finoana arahin'asa..

izany no tsy anekeko loatra ireny hoe mody mitory teny sns nefa ny contrairen'iny teny toriana iny tanteraka no atao ao ambadika..

ny ahy dia @ asa no hijereko azy!

ny nahatonga ahy nino dia ny asan'i mompera no nahatonga ahy ho curieux sy hanontany hoe fa maninona nareo no manao izao aty aminay, dia izay izy vao manazava...dia manontany aho hoe velabelaro hoe izany.. dia izay aho vao liana sy mitory eo izy! dia izay.

fa raha vao ny fihetsikao no miteny izany nefa ny ataonao contraire... tsy mampino anahy ny toriteninao.
Ohatra hoe raha i pasitera no mitory teny ka manazava ilay lazain'i paoly hoe "Tsara ny tsy manambady fa raha manambady dia ny vadiny no karakarainy voalohany(I Kor7 30 mahery ao) aleo hilamina fa tsy mino aho!
30. soanja ( 01/12/2007 19:56)
ikaretsaka:

amiko ny hijereko ny mpino dia aty ivelany aloha vao miditra aty anatony e e.. izya ny ahy no hijereko ilay hoe finoana arahin'asa..

izany no tsy anekeko loatra ireny hoe mody mitory teny sns nefa ny contrairen'iny teny toriana iny tanteraka no atao ao ambadika..

ny ahy dia @ asa no hijereko azy!

Namaste!:-*:-*:-*

31. Rasiligaoma ( 04/12/2007 05:49)
hatraty io

Ohatra hoe raha i pasitera no mitory teny ka manazava ilay lazain'i paoly hoe "Tsara ny tsy manambady fa raha manambady dia ny vadiny no karakarainy voalohany(I Kor7 30 mahery ao) aleo hilamina fa tsy mino aho!

marina mihitsy! ny mpifoka sigara indray ity no miteny hoe ratsy ny sigara!
io no nialako tao haingana fa feno lainga sy fitaka, mody mampiasa andalana hitoriana teny, kanefa ny mifanohitra amin'iny no atao!:evil:
32. prime ( 04/12/2007 10:45)
Andriamanitra mihitsy no efa voninahitra sy be voninahitra ka na hanome na tsy hanome voninahitra Azy ny mpino dia efa feno ny voninahiny...

Itoviako hevitra tanteraka eto ilay hoe, izay valim-bavaka omen'Andriamanitra dia isaorana sy anomezam-boninahitra Azy... raha misy ny fanadinoana indraindray satria olombelona ny mpino fa tsy anjely akory, dia ny miverina ao amin'Andriamanitra hatrany no fitiavana sy fanomezam-boninahitra tsara indrindra Azy ao amin'ny fahatokiana sy ny finoana ary ny fanantenana...
33. ikaretsaka ( 04/12/2007 13:36)
ka raha izany ary, inona ary no mbola hitabatabana? indrindra rehefa le sady rehefa @ rehefa "mba mety @ feeling nao" ilay mazii mazii (lazainao hoe valim-bavaka) indrindra indrindra...

fa tena serieux tokoa! fa ny hitako ato, (i prime anisany) dia " rehefa mba mifanehitra @ ilay tianao ilay lazaina na ilay zavatra antenainao .. dia faingana ery manao ilay voninahitra... na naneho ny voninahiny

fa raha vao miala anypjayta i Rabilabila na i fijo na i pissoa na i piste na i Ika na i tsimiandra na i fody , ka hafa mihitsy @ ilay antenaina o ilay valiny dia ......(hainao ny tohiny)

inoako fa ohatr'izany kao @ fiainana andavanandro!

jereo akaiky anie io e!
34. fijo ( 05/12/2007 00:45)
. Mpandefa : rijadolly [ Valio ] 01-12-2007 17:52:42
Lohateny : Re : voninahitra hoan'andriamanitra

Hoy i ika:
1. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 30-11-2007 23:57:56
Lohateny : Re : voninahitra hoan'andriamanitra
za koa letsy ry fijo mba nanontany tena ny amin'io ihany!

izany hoe tsiahitsiahy zany valiny?Vakio tsara io lazain'SOANJA io fa ao ny valiny izay mahafa-po ny tena Kristianina marina,sady mamerina fisaorana an' Soanja aho fa mampiakatrabe mihintsy ilay izy fa tsy mitarika ny latsaka ho tsy mpino intsony.

kay kay kay ,fa iza le kristianina tsy marina?????

tywa an,ka rehefa hifaliana be le azo dia hifalio be koa le tsy azo e
35. xxx ( 05/12/2007 10:41)
Tsy constant ny fiderana an'Andriamanitra raha toa ka Kristiana mihevitra fa ny any am-piangonana ihany no atao hoe mivavaka na mihaona amin'Andriamanitra. Ireo izay matimaty ny finoany no tsy manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny zava-drehetra.

Na aiza na aiza ny tena Kristiana dia mahafantatra fa Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina manilo sy mitantana azy isan-tsegondra iainany. Ny zava-drehetra dia avy Aminy avokoa ary ny fandaharany isanandro dia ekena satria mahasoa ny tena tsirairay avy.

Ho an'ny tsy mpino dia tsy misy hifaharany izy. Tsy manam-pototra ametrahany ny fanahiny fa ny saina be fotsiny no mitondra ny fiainany. Tsy eo aminy ny rafitra telo maha-olona dia fanahy, saina vatana. Mandringa izany izy.

Ny fivavahana sy ny fifaneraserana amin'Andriamanitra dia fanovozan-kery ho an'ny fanahy izay miampita amin'ny saina sy ny vatana ka ahafahan'ny mpino miaina amin'ny fahafenoana tanteraka.

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany. Amena

36. rijadolly ( 05/12/2007 15:08)
rijadolly:
izany hoe tsiahitsiahy zany valiny?Vakio tsara io lazain'SOANJA io fa ao ny valiny izay mahafa-po ny tena Kristianina marina,sady mamerina fisaorana an' Soanja aho fa mampiakatrabe mihintsy ilay izy fa tsy mitarika ny latsaka ho tsy mpino intsony.
fijo:
kay kay kay ,fa iza le kristianina tsy marina?????
izay manaraka ny tanjon'sé na izay tohanan'sé ny heviny satria mampety ny tsy finoan'sé,dia izay ary?
37. ikaretsaka ( 05/12/2007 17:11)
amena inona kay ry xxx?
38. fijo ( 05/12/2007 22:01)
ka tsy misy arahako ianareo mpino ko.samy be ziriziry ianareo de aleoko misintaka klo
39. Rasiligaoma ( 06/12/2007 03:46)
ka misy extremiste be
40. prime ( 07/12/2007 14:08)
ikaretsaka:
ka raha izany ary, inona ary no mbola hitabatabana? indrindra rehefa le sady rehefa @ rehefa "mba mety @ feeling nao" ilay mazii mazii (lazainao hoe valim-bavaka) indrindra indrindra...
... mitabataba hoe ahoana???
ikaretsaka:
fa tena serieux tokoa! fa ny hitako ato, (i prime anisany) dia " rehefa mba mifanehitra @ ilay tianao ilay lazaina na ilay zavatra antenainao .. dia faingana ery manao ilay voninahitra... na naneho ny voninahiny
... tsy hoe metimety amiko, sanatria... iza aho no ho sahy hitsara hoe mety na tsy mety... ny ahy matoa aho midera an'Andriamanitra dia satria hitako fa mitondra ny fitiavan'Andriamanitra ilay fananarana na ilay fampianarana na ilay hafatra ambara... ka na manindrona, na mankahery, na mitondra teny mamy rehefa avy amin'Andriamanitra dia tsara avokoa... ka inona no tsy hiderako an'Andriamanitra amin'izany?
ikaretsaka:
fa raha vao miala anypjayta i Rabilabila na i fijo na i pissoa na i piste na i Ika na i tsimiandra na i fody , ka hafa mihitsy @ ilay antenaina o ilay valiny dia ......(hainao ny tohiny)
Sanatria izany, misy hevitra tsy itoviako mihitsy voalazan'ny mpino hafa nefa hitako ho marim-pototra... dia tsara koa ny mangina satria misy zavatra tsara fianatra na fahalala na ibeazana... hafa izay... hafa ny hoe mitory ny anaran'i Kristy sy mizara vaovao mahafaly... moa tsy maha te-hidera an'Andriamanitra izany?

Ny ambaran'ny tsy mpino kosa hafa mihitsy... misy manao blasfemia ka inona no iderana an'Andriamanitra amin'ny blasfemia??? misy indray tena fampianarana sy fahalalàna tsara ho fantarina dia aleo mangina rehefa izay ka inona no tsy mety amin'izany???
ikaretsaka:
inoako fa ohatr'izany kao @ fiainana andavanandro!
... dia tena diso hevitra tanteraka ianao eto...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.2369