Ny cancer:antony,fomba atao sy ny tsy tokony atao.

1. niryna ( 30/11/2007 15:03)
Marobe ny aretina izay mahazo antsika olombelona,ankehitriny dia hisaorana an'Atra fa maro ireo mpitsabo izay nahazo hery hanadihady ny aretina maro samy hafa.Vitsy ihany ny hoe maty tampoka.Taloha toa tsy fantatra fotsiny izay nahazo ilay olona ,na tsy nitsabo tena fa toa vitavita fotsiny.Inona avy ny karazana cancer mety ho fantatrao? Inona no antony mahatonga izany? Ny fanafody sy ny fitsaboana azy aloha dia an'ny dokotera sy ilay voan'ny aretina fa ny hoe inona no tokony atao mba tsy hampitombo azy io haingana satria raha tsy tsara tsabo ilay izy dia mitombo vetivety ary misy toetra tsy tokony atao koa ao mba hiarovana ilay izy .
Farany ho an'ny lahy satria matetika dia tsy tia mandeha any amin'ny dokotera ry zareo,inona no tokony ataony ary firy taona no manomboka manao izany izy ireomaro no voan'ny cancer ny fitaom-pilahina(fantatrareo ny tiako tenenina,ahitsiho raha tsy aiko ny miteny azy azafady e),ka raha fantatra mialaha dia voatsabo,inona no anton'io ?
Ho an'ny vavy:firy taona ny vehivavy no manomboka manao mammogram?
Inona no fomba atao mba ahalalanao fa misy zavatra mivonto na manembantsembana anao ao anaty nono ao?
Misaotra ny rehetra.

(l)niryna
novalian'i niryna ny 06/12/2007 07:34
2. niryna ( 01/12/2007 06:04)
Voalazan'ny dokotera fa misy fiantraikany amin'ny fahasalamana sy ny vatana ary ny saina daholo ny adin-tsaina amin'ny fiainana. Ohatra hoe tsy mahazaka onjam-piainana dia mitazona iny alahelo iny ao am-po ao,tsy mizara ilay fahoriana,tsy mamela heloka olona fa mbola marary mafy ilay ratra nahazo ary dia tsy afaka ny hamela na iza na iza mihitsy. Ny olona voan'ny cancer dia tsy mahazo manao tezitezitra fa mampitombo ny alahelo sy ny adin-tsaina izany (stress) ka vetivetika ny fihombon'ilay aretina.
Io misy karazana exercices atao mba ahafantarana fa misy zavatra na mamatovato ny ao anatin'ny nono.
http://www.stevens-tech.edu/womensresources/resources/Breast%20Self%20Exam.JPG
3. niryna ( 01/12/2007 06:23)
http://www.stevens-tech.edu/womensresources/resources/Breast%20Self%20Exam.JPG
Isam-bolana ity fijerevana nono ity no tokony atao.
1- mijoro eo anoloan'ny fitaratra ary manao tomba-maso ny nono , ny loha-nono raha miova loko.Ny fihovany,ny habeny no tena antony hijerena azy io.Rehefa mampiakatra ny tanana avo hianao dia mahatsapa fa miha-henjana ilay nono satria misy ozatra mifandrirotra amin'ilay fampiakarana ny tanana,tsy maninona izany fa fomban-javatra ihany.
2-Jereo tsara indray eo amin'ny fitaratra ary mety mahita fihovana hianao na mitovy ny tamin'iray volana farany nojerevanao azy teo ihany.
3-Matetika dia eo am-pandriana matory iny hianao no mitsapa ny nono manodidina,ny ambany helika ny vato nono,ny tena tsara dia rehefa mandro iny ka hosorana savony ilay nono dia tsapaina toy io ambony io.
4- Atao ambony ny tanana iray,havia ohatra dia ny ratsan-tanana telo no manomboka mitsapa ny nono,manao boribory (jereo ny sary),ary somary potserina moramora rehefa mitsapa ilay manodidina,diniho tsara mandritra ny fotoana anaovanao izany raha misy zavatra mamatovato na marary izay tsapainao.
5-Atao miainga ambony toy izany ihany koa ny tanana havanana iray ary ny ratsan-tanana telo havia indray no mamerina toy ny fanazavana 4-
6- Raha eo am-pandriana indray moa dia asiana serviette kely eo ambanin'ny atoka na ny tanana havia no atao solon'ny ondana dia averina amin'ny tanana havanana ilay 4-
Andramo fa manampy be io ary rehefa zatra isika dia mahita tombotsoa amin'izany.Raha misy zavatra manembantsembana anao ao dia afaka manatona dokotera mialoha hianao mba ho tsaboina,na misy fihovana ny lokon'ny nono dia manontany ihany koa ny antony.
Mahereza,atao isam-bolana io "self breast exam "io na fijerevana ny nono izay hianao irery ihany dia efa mahavita azy. :D
4. pisougasy ( 01/12/2007 15:35)
misaotra anao amin'ny fanazavana momba ny cancer ity, ny tiako lazaina fotsiny dia betsaka toa ny aretina rehetra ihany izy io,nefa raha voatsabo haingana mety sitrana ilay olona,arakaraky ny cancer mahazo azy, fa raha efa grave tsy misy fanafany intsony.
aty amin'itony tany mandroso itony no tena be aretina na dia hoe misy aza ny fitsaboana isan-karazany, be loatra ny fanovana hatao amin'ny natiora, ny sakafo hoanina, ny rivotra hiainana saika lasa toxique daholo ary lasa aretin'ny siekla misy antsika tokoa ny cancer.
maro ny olona fantatro akaiky ahy no matiny, misy koa anefa sitrana nefa natao hoe efa ambivotra, miankina amin'ny toebatan'ny tsirairay ary koa ny hamafisan-tsaina satria tena miady mafy tokoa rehefa voany.
ny stress antony iray mety mamparary tokoa, fa tsy mitarika cancer mivantana, hoy aho, fa dépression sy aretin-tsaina kosa no vokany, ny toe batana hoe efa reraka angamba ary efa misy aretina niombo hafa tsy hita sy voatsabo ka dia izay no mampisy ny cancer!
mahafinaritra ny fampiandian-kevitra!
5. niryna ( 02/12/2007 06:47)
pisougasy:

misaotra anao amin'ny fanazavana momba ny cancer ity, ny tiako lazaina fotsiny dia betsaka toa ny aretina rehetra ihany izy io,nefa raha voatsabo haingana mety sitrana ilay olona,arakaraky ny cancer mahazo azy, fa raha efa grave tsy misy fanafany intsony.
aty amin'itony tany mandroso itony no tena be aretina na dia hoe misy aza ny fitsaboana isan-karazany, be loatra ny fanovana hatao amin'ny natiora, ny sakafo hoanina, ny rivotra hiainana saika lasa toxique daholo ary lasa aretin'ny siekla misy antsika tokoa ny cancer.
maro ny olona fantatro akaiky ahy no matiny, misy koa anefa sitrana nefa natao hoe efa ambivotra, miankina amin'ny toebatan'ny tsirairay ary koa ny hamafisan-tsaina satria tena miady mafy tokoa rehefa voany.
ny stress antony iray mety mamparary tokoa, fa tsy mitarika cancer mivantana, hoy aho, fa dépression sy aretin-tsaina kosa no vokany, ny toe batana hoe efa reraka angamba ary efa misy aretina niombo hafa tsy hita sy voatsabo ka dia izay no mampisy ny cancer!
mahafinaritra ny fampiandian-kevitra!



Misaotra anao nanazava.
Maro karazany tokoa ny karazana cancer dia breast cancer,cervical cancer,colon cancer,lung cancer,skin cancer,ovarian cancer,prostate cancer,uterine cancer ary mbola misy maro
Ny breast cancer na ny cancer-ny nono no fantatra fa mahafaty olona be indrindra.Raha ny Amerikana fotsiny izao dia voalaza fa eo amin'ny 178,480 no olona fantatra fa voa an'io.Ary 3,700 no vehivavy maty tamin'ny 2006 eraky ny USA fotsiny.

Araka ny filazan'ny dokotera dia ny fihinanana aspirine iray isan'andro dia mampihena ny risk ho 28% ny tsy ho voan'io aretina io ny vehivavy.
Zavatra tsara ho fantarina ihany koa dia misy azo fiarovana tokony atao mba hiarovana azy io dia ny :
*fitandremana ny fahasalamana indrindra rehefa mandalo menopause ny vehivavy dia mitombo ny vatany ka misy lasa mivadika tavy.
Ny fanaovana exercice 30 mn/j
Ny fifadiana zava-pisotro na alchol mihoatra ny indray mandeha isan'andro
Ny fihinana sakafo mahasalama toy ny karazana voankazo,legumes,anan-maitso,karazana vegetables miloko mavo,mena ireny(green,orange,red pepper,squash,brocolli ,spinach ,ny fihinanana fiber (30 gm /j )

6. sarobidy ( 03/12/2007 12:01)
hhihi i niryna d mahita zavatra mahafinaritra zaraina fôna, mankasitraka eh ^:^
7. ikaretsaka ( 03/12/2007 17:38)
Isam-bolana ity fijerevana nono ity no tokony atao.

ary raha tsy manana nono ry niryna fa zavatra hafa:°)
8. sakaizakely ( 03/12/2007 17:42)
ika>

zavatra hafa ohatran'ny ahoana ohatra ? :-D:-D:-D
9. ikaretsaka ( 03/12/2007 18:43)
hihihi:-D:-D:-D
10. sakaizakely ( 04/12/2007 16:13)
ika>

inn koa zany hihihi ?
tsy fantatro fa raha araky ny torohevitr'i niryna dia mba polipoleso matetika sao misy zavatra mivonto na mihamafy...8-)8-)
11. ikaretsaka ( 04/12/2007 19:53)
raha atao hoe colon ohatra izany no voa..sanatria sanatria an! dia @ fomba ahoana no.....:?::?::?::wink:
12. niryna ( 05/12/2007 05:17)
sarobidy:

hhihi i niryna d mahita zavatra mahafinaritra zaraina fôna, mankasitraka eh ^:^

mankasitraka ny firaha-mientana koa aky a. Tsy misy sary fanampiny fa mbola mipirina any anaty vatasarihana kanefa indry saika omeko ba mamikely amin'ny takolaka roa. Hi,hi

13. niryna ( 05/12/2007 05:24)
ikaretsaka:

Isam-bolana ity fijerevana nono ity no tokony atao.

ary raha tsy manana nono ry niryna fa zavatra hafa:°)

Ika a,ny vehivavy no mba asiako teny mikasika ny nono,marobe ny olona maty any amintsika fa tsy fantatra ilay aretina.Mila manao io fitsapana nono io daholo ny vehivavy ,izy ihany fa tsy hianao no mitsapa azy a.
Vazivazy ny ahy iny.Mila manao mammogram isaky ny telo taona ,rehefa mitombo ny fahanterana sy misy zavatra ahiahian'ny dokotera dia izay vao miteny izy hoe jerena isaky ny enim-bolana na izay mahasoa ilay olona.
Raha tsy manana nonono moa izy izany fa efa nasorona dia inona tokoa no ataony?
Mba lasa ny saiko mijery ireo tovovavy manalehibe nono efa misy ho 18 lb ny iray 1lb= 450g
Tsy afaka ny mampinono ary rehefa miteraka izany dia ahoana re e,fantatr'ika ve ? maty aho ry raikany,inona ity lazain'i niryna !!!
Ny olona mampinono hono hoy ny dokotera dia vitsy ihany no voan'ny cancer-nono kanefa aho mahita olona nampinono ny zanany fa mbola voa ihany.


14. niryna ( 05/12/2007 05:28)
sakaizakely:

ika>

zavatra hafa ohatran'ny ahoana ohatra ? :-D:-D:-D

Ny lehilahy koa dia misy voan'ny cancer ny filahiany(ny voany izany)
Ny colon ary ny hoditra (skin cancer),ireny olona mandoro ny vatany maka masoandro ireny no be voa raha tsy nanao fiarovana amin'ny masoandro izy fa dorany eo foana ny vatany ho mena fify toy ny steak.Misy tsy mety may mihitsy ary ny olona fotsy na mazava volonkoditra no voa matetika noho ny olona maizina hoditra na maity satria ireny efa manana fiarovana natioraly.(toy ny afrikana vokatry ny masoandro mahery hono no mampa maizina be azy ireo? Ary mino aho fa vitsy ny olona voan'ny skin cancer any.
15. niryna ( 05/12/2007 05:31)
sakaizakely:

ika>

inn koa zany hihihi ?
tsy fantatro fa raha araky ny torohevitr'i niryna dia mba polipoleso matetika sao misy zavatra mivonto na mihamafy...8-)8-)


mampihomehy ahy koa sakaizakely izany,kanefa tena marina io,misy vatovato ao anatiny ary tarafina toy ny an'ny vehivavy ary jerena hatramin'ny ra.
Misy aretina izay tsy tadidiko ilay izy,mangana ny voan'ilay ankizilahy kely ary ny iray ihany hono no miasa hoy ny dokotera ka tsy afaka hiteraka ilay zaza rehefa lehibe. Ny tohiny dia tsy fantatro fa tsy hitako intsony ilay zaza taty aoriana.
16. niryna ( 05/12/2007 05:34)
ikaretsaka:

raha atao hoe colon ohatra izany no voa..sanatria sanatria an! dia @ fomba ahoana no.....:?::?::?::wink:


Izao e,indraindray isika mahafantatra zavatra tsy mety amin'ny tena.Ny vehivavy no tena mandeha any amin'ny dokotera fa ny lahy dia tsy tia mandeha any sy tsy tia alaina ra izany.Misy raha vao mahita ilay fanjaitra ny olona na lahy io na vavy tonga dia torana.Kanefa ilay fanaovana analyse ireny dia tena manampy be.
Raha vao tsy metimety dia mandeha any amin'ny dokotera ary manaova visit general isan-taona.Jereo daholo na ny maso na ny nify na ny sofina na ny fo na izay tokony azo tsaboina e,mbola manana chance hianao mijery ,fa ny olona aza raha mba te andeha tsy misy vola no lavitra fitsaboana.
17. Rasiligaoma ( 06/12/2007 03:59)
izaho tia mandeha dokotera ka, aty aminay manko manjakely daholo ny nurses
18. niryna ( 06/12/2007 07:34)
Rasiligaoma:

izaho tia mandeha dokotera ka, aty aminay manko manjakely daholo ny nurses

:D dia notsodrominy ve hianao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5488