Vary gasy mena avy any mada

1. saho ( 30/11/2007 07:15)
Ciao daholo,
hono oan! Ny vary rehetra manerana ny asie eto aminay dia tena tsy misy pitika izany hoe aom-bary izany. Nahazo vary gasy mena avy any mada aho ary dia nataoko tao anatin'ny fitoerambary ohatran'ny vary rehetra hananako, kanefa dia gaga aho fa ny vary gasy mena niteraka ireny ao bibikely ireny ary dia noho ny hatsiaka misaotra ny toetrandro dia maty tao anaty fitoerany daholo ilay ao ary dia nosasako efa in-efatra angamba izay vao tena afaka ilay aom-bary mitsingevana @ rano hanasana azy.
Raha misy mahalala ianareo dia inona no dikan'iny biby aom-bary iny fa gaga aho...
Misaotra mialoha @ izay mamaly
novalian'i sarobidy ny 03/12/2007 12:34
2. mignone ( 30/11/2007 10:40)
tsy azo hajanona ela fa tonga dia hohanina , zay ihany no tena fanafodiny tsy hisiany haombary :-P
3. polety ( 30/11/2007 14:20)
zaho koa efa tratra, ka lay vary mena tsinona tsy misy produits hiconserverna azy fa naturel dia zay angamba!!!
4. soanja ( 30/11/2007 15:01)
Ka ny vary any amintsika organika tanteraka satria tsy misy pesticide fa ny andry zareo avy any dia asiany an'io eo ampambolena azy, no sady asiany fanafody hafa hitazomana ny qualite-ny koa eo ampamonosana azy.
Sasao madio tsara fotsiny araka io ataonao io dia mihinana vary mahasalama kokoa ianao noho ilay avy any Asia.
5. Mitah ( 30/11/2007 15:26)
Asio sakay masiaka maina tsara miaraka amin'ny fotsimbary dia tsy hisy haom-bary hiforona ao.Ny farinina koa raha vao organika dia mora hiforonan'ny haom-bary. Io no fomba mety hitehirizako ny anay ato an-trano. Tsy vovon-tsakay an!!
6. niryna ( 01/12/2007 05:49)
Na inona zavatra rehefa ela ny fotoana nipetrahany ao dia mivoaka biby kely daholo fa tsy ny vary gasy irery ka.Oatmeal,cereal,varin'ny sinoa,la farine. Ny fanafodiny fotsiny dia aza atao ela loatra na mividy zavatra marobe kanefa ela vao andrahoina na hohanina
7. saho ( 01/12/2007 11:32)
Misaotra anareo rehetra izay namaly teto fa raha ny fahazoako azy marina araka ny nolazainareo dia noho ny maha produit naturel ny vary gasy no mahatonga izany satria tena bio ilay izy...
mirary soa sy fotoana mahafinaritra ho anareo rehetra
bye
8. sarobidy ( 03/12/2007 12:34)
za klou ra za nareo tsy sahy mihinana anizany efa misy hao zany eh :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.251